10/06/2026
Zanatsehatra Malagasy Ofisialy
Pejy ofisialin'ny Zanatsehatra Malagasy eto amin'ny toeram-pianarana Teny aman-Tsoratra ary ny Siantsan'ny Maha Olona - Oniversiten'Antananarivo - Madagasikara
10/06/2026
06/06/2026
✍️ TE HANDRAY ANJARA AMIN'NY FIFANINANANA ASASORATRA VE IANAO?
Intsony ny dingana 4 tsotra tsy maintsy arahinao:
1️⃣ Safidio ny Sokajy
Mifidiana iray amin'ireto: Tantara foronina, Amboaran-tononkalo, Sombintantara, na Fandikana asasoratra vahiny.
2️⃣ Omany ny Asasoratra
Ataovy dika roa ny sanganasanao:
📄 Dika Printy (amin'ny taratasy)
💾 Dika Nomerika (anaty Clé USB)
3️⃣ Ampidiro anaty Valopy
Valopy lehibe: Asio ilay asasoratra pirinty sy ny Clé USB.
Valopy kely mihidy (atao ao anatiny): Soraty ao ny mombamomba anao (Anarana, fonenana, lohateny, laharana finday).
4️⃣ Ateriny mialoha ny 19 Jona 2026
📍 Toerana: Zanatsehatra Malagasy, Varavarana 120, FLSH, Oniversiten'Antananarivo.
📞 Raha mila fanazavana: +261 33 12 856 99 / +261 38 056 13 24
14/05/2026
🚨𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗹𝗲𝗻𝘁𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗼𝗿𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗲 𝗶𝗮𝗻𝗮𝗼 ? 𝗠𝗮𝗻𝗶𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗵𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝘀𝗼𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗳𝗮 ?
Ao anatin’ny fankalazana ny fahazato taonan’ny profesora Siméon Rajaona, dia natao ity hetsika fanohanana ireo mpanoratra manan-talenta eto Madagasikara ity.
👉 Tsy fifaninanana fotsiny akory, fa sehatra iray hanohanana sy hanandratana sangan’asa mendrika ao anatin’ny :
-Tantara foronina
-Amboaran-tononkalo
-Amboaran-tsombintantara
-Fandikana asasoratra vahiny
⚡Asehoy ary amin’ny alalan’ny asasoratrao ny talentanao.
28/04/2026
✨Mbola izy koa ity ah!
⚽FIFANINANANA MAMPIDI-BAOLINA ANATY KODIARANA ⚽
🔴Ao anatin'ny fampiainana hatrany ny lalao famaranana amin'ny alarobia ho avy izao dia hisy ny anaty_kodiarana.
📌Tsy mifidy na lehilahy na vehivavy fa afaka milalao avokoa.
💸Fandraisana anjara: 1000ar
🎁Hisy loka tsy ampoizina ho an'izay mahatafiditra betsaka indrindra amin'io. Ny azo lazaina aloha dia mihoatra ilay 1000ar fandraisana anjara ny loka😁.
📝Raha hisoratra anarana na mila fanazavana fanampiny dia afaka mandefa hafatra miafina amin'i Ra Chabera
28/04/2026
🎷Dia mbola hisy sahy tsy ho avy ihany ve amin'ny alarobia?
Hoa an'ilay sady tsy handaka baolina no tsy hanao ankitsapaka dia mba mandihy indray😁
Tongava mba tsy ho ianao ilay hitantarana😊
25/04/2026
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
907
Opening Hours
| Monday | 08:00 - 05:00 |
| Tuesday | 08:00 - 05:00 |
| Wednesday | 08:00 - 12:00 |
| Thursday | 08:00 - 05:00 |
| Friday | 08:00 - 05:00 |