đNy fanodikodinana zaza tsy ampy taona ve no tinao ho fantatraâïž
đInona izany?
đheloka izany mety hampigadra 2 taona hatraminâny 5 taona ( raha tsy nisy fitaka na herisetra)
đTena tsy mety mihitsy ve ny miaraka aminâny zaza tsy ampy taona?
đ ny fanodikodinana dia midika fa tsy fantatry ny ray amin-dreninâilay zaza tsy ampy taona ny fiarahanao aminy
đAry raha samy tsy ampy taona no miaraka?
đ mitombina hatrany ny fanodikodinana na samy tsy ampy taona aza. Ny jerena dia ny hoe izay taminâireo zaza no nanodikodina
Araho hatrany ny pejy
Fampianarana lalĂ na ho anâny rehetra
đNatao ahafantatra ny zo ( droit) ny olona rehetra, ny lalĂ na ( loi) ary ny paikâady ( procĂ©dure)
đFantaro ny zonao sy ny tokony alehanao
âïž INONA NO ATAO HOE âCHAMBRE DE DĂTENTION PRĂVENTIVEâ ?
1ïžâŁ Inona marina izy?
Ny Chambre de dĂ©tention prĂ©ventive dia efitra na sampana ao aminâny fitsarana izay mandinika raha tokony hotazonina am-ponja na tokony havotsotra vonjimaika ny olona voampanga mbola tsy voatsara.
âĄïž Midika izany fa mifehy ny âdĂ©tention prĂ©ventiveâ izy, izany hoe famonjana vonjimaika alohanâny fitsarana.
2ïžâŁ Iza avy no mandrafitra azy?
Matetika dia mpitsara 3 no ao anatiny:
Ny Filohanâny fitsarana na ny lefiny
Mpitsara mpamoaka didy (juges)
Ireo no miara-mandinika sy mamoaka fanapahan-kevitra.
3ïžâŁ Inona ny andraikiny?
Ny Chambre de détention préventive dia mitsara na mandinika:
đč Fangatahana fahafahana vonjimaika
â rehefa misy voafonja mbola tsy voatsara mangataka hivoaka vonjimaika.
đč Fanoherana avy aminâny mpitory
â raha navotsotra vonjimaika ny olona voampanga fa tsy manaiky izany ny mpitory.
đč Fanoherana ataonâny voampanga
â raha nampidirina am-ponja vonjimaika izy ka manohitra izany.
đč Fangatahana fanalavana ny fitazonana am-ponja
â rehefa mangataka ny fampanoavana na mpitsara mpanao famotorana mba hanalava ny dĂ©tention prĂ©ventive.
4ïžâŁ Zava-dehibe tsara ho fantatra
Ny Chambre de détention préventive dia manana fahefana:
hampiditra am-ponja vonjimaika
hanalava ny fitazonana am-ponja
na hanome fahafahana vonjimaika
đ Fampianarana ara-dalĂ na ho anâny rehetra
đ Araho hatrany ny pejy raha te hahalala bebe kokoa momba ny lalĂ na sy ny fomba fiasa eny aminâny fitsarana eto Madagasikara.
đ§ NDAO HO FANTARINA
âïžAiza no maka casier judiciaire na bulletin nâą3
đTsy maintsy any aminâny fitsarana misy ny toerana nahaterahana
âïžAiza no maka certificat de nationalitĂ©?
đAny aminâny fitsarana misy ny toerana nahaterahana na any aminâny toerana onenanao
đNy mahasamihafa ny ady heloka tsotra ( delit) sy ny ady hellka bevava ( crime)
đEo aminâny sazy
đDĂ©lit: mampisazy hatraminâny 10 taona an-tranomaizaina, mety ho lamandy fotsiny ny sasy
đCrime: mampisazy asa an-terivozona aminâny fotoana voafetra ( travaux forcĂ©s Ă temps) na asa an-terivozona mandrakizay ( travaux forcĂ©s Ă perpĂ©tuitĂ©)
đEo amin Fitsarana mahefa
đDĂ©lit: ny Fitsarana ady heloka tsotra no mitsara
đCrime: ny Fitsarana ady heloka bevava no mitsara
đ Ireo karazana heloka isa-tsokajiny:
đDĂ©lit: halatra tsotra, fivadiam-pitokisana, fisolokiana, lozam-pifamoivoizana namoizana na tsy namoizana ainâolona, ny fanodikodinana zaza tsy ampy taona, fikapana hazonâolon-tsotra, ny vononsy ratra niniana natao, ny herisetra ny hetraketraka, ny fanopana, ny fanalam-baraka, ny fangalarana vadinâolona, ny hosoka aminâny sora-tsotra, sns
đCrime: vono olona, fanolanana zaza tsy ampy taona, ny hosoka aminâny sora-panjakana, ny vono sy ratra niniana natao niteraka fahafatesanâolona tsy nahy, ny famosaviana, ny fanodikodinana volam-panjakana, ny halatra bevava, sns
âĄïžTOROLALANA raha toa misy diso ny kopianao ( kopia nahaterahana, kopia nisoratam-panambadiana, kopia nahafatesana, kopia
nananganana sns)
đTsotra kely ilay atao
Makany aminâny Fitsarana misy ny toeram-ponenanao ary mangataka fanitsiana ( rectification) izay diso aminâny alalanâny taratasy fangatahana na ilay hoe requĂȘte
âïžNDAO RESAHANA
Ahoana ny fampidirana raharaha ady madio eny anivonâny Fitsaranaâ
Manao fangatahana ka afaka misafidy:
đ ianao ihany no manoratra ny fangatahanao
đ na ataonâny vadin-tany ( huisser)
đ afaka maka mpisolo vava ihany koa ( Avocat) dia izy no manao azy
âïž PAIKâADY arahina
đMaka datim-pitsarana eny aminâny fitsarana raha ianao no manao ny fangatahana
đRaha aminâny alalanâny vadin-tany dia afaka msiafidy daty ( efa misy calendrier fandeananâny karazana ady rehetra)
đAlefanâny Fitsarana ny fiantsoana ny ankilany ( convocation) na alefanâny vadin-tany ny fiantsoana ataony ( assignation)
Tonga ny androm-pitsarana dia taratasy fehin-teny no ifanakalozana mandra-pahavitanâny ady
Ireo karazana fangatahana afaka atao any aminâny ady madio:
đ fisaraham-panambadiana
đadi-tany: fangatahana fialana aminâny tany, fanatsaharana fanelingelenana, fangatahana fanafoanana taratasy fifampivarotana, titre sns
đfitakiana trosa
đfitaizana zaza, volan-jaza
đady lova ( succession)
đolana eo aminâny fifanarahana ( contrat)
đsns sns sns
đ«”đŸ Mila porofoina fona ny fangatahaba izay atao
ANDAO ARY HO RESAHINA
đČđŹAFAKA MISORAM-PANAMBADIANA VE NY OLONA LATSAKY NY 18 taona eto M/karaâïž
Valiny: đTSIA kanefa mety ho ENY ihany raha misy antony GOAVANA entina hanamafisana ny fangatahana eny anivonâny fitsarana ka mahazo didim-pitsarana dia mahazo alalana misoratra aminâizay fotoana izay
âïžNy fitsarana ireny ihany no afaka mandinika ny atao hoe antony goavana ary
đmandinika raha afaka ekena sa tsia ny fangatahana
đHo fiarovana ny akizy tsy ampy taona izany
đmijery sao kely taona lotra hiditra anaty fanambadiana
đ«Ry ray amandreny âaza ampanambadiana aloha lotra ny zaza fa tsy mety aminy izany
Manana zo hilalao sy hianatra ny akizy đâœïžđĄđ§ž
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
101