๐ŒAHAY ๐€๐œ๐š๐๐ž๐ฆ๐ฒ

๐ŒAHAY ๐€๐œ๐š๐๐ž๐ฆ๐ฒ

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from ๐ŒAHAY ๐€๐œ๐š๐๐ž๐ฆ๐ฒ, Education, Antananarivo.

Page tokana izay ahafantaranao ny tontolon'ny service client sy ny fahazoana asa any amin'ny call center na centre d'appels.

๐Ÿ“ Prรจs de Toby Ratsimandrava, Anosy

โ˜Ž๏ธ 034 68 225 54

17/08/2026

"Fijerena mason'olona."

Teny 3 izay manaitra sy mampanahy ny ankamaroan'ny introvertie.

โ€ผ๏ธNy olana dia izao : Nampianarina ianao hoe rehefa miresaka dia jereo any anaty masony ny olona. Dia terenao ilay izy. Avy eo ianao manontany tena hoe:

๐Ÿ’ญ Mason'iza no hojereko ?
๐Ÿ’ญ Nivandravandra be ve ny masoko teo ?
๐Ÿ’ญ Iry olona iry indray jerena. Andraso, hafiriana no nijereko azy teo ?
๐Ÿ’ญ Ratsy ve ilay izy teo ? Tena sรปre aho fa ratsy ilay izy teo.

๐Ÿ‘‰ Vokatr'izay dia lasa tsy mifandray amin'ny olona no ataonao fa manao calcul. Tsapan'ny olona manatrika avy hatrany nefa izany.

๐Ÿค” Inona ary no tokony atao ?

Aza mijery mason'olona intsony fa manomboha mijery ny volomasony ๐Ÿคญ

๐Ÿ‘‰ Mety hafahafa aminao ilay izy fa tena mandaitra izany. Andramo anie eh !
Tsy hahatsikaritra an'izany ny audience anao.

๐Ÿ‘‰ Amin'izy ireo dia feno fahatokisan-tena ianao rehefa mijery azy. Fa aminao kosa dia miala avokoa ny pression rehetra.

โŽ Tsy misy hoe mason'iza indray no hojerena ? .... ๐Ÿ‘€
๐Ÿ˜Œ Lasa calme ianao ary mifandray kokoa amin'ny olona resahanao.

๐Ÿ‘‰ Santionany ihany izany fa mbola misy vahaolana maro hafa koa. Fa ny tiako lazaina dia hoe miasร  mifanaraka amin'ny fomba fiasan'ny sainao fa tsy amin'ny fanoherana azy.

๐Ÿ‘‰ Manana olana amin'ny fijerena mason'olona ve ianao? Tantarao ao amin'ny commentaires hoe inona no mandalo ao an-tsainao rehefa manandrana an'izany ianao.

15/08/2026

Tsy ny feonao no fitaovana mahery indrindra amin'ny firesahana raha olona introvertie ianao.

Ny fahanginana no izy.

Ny olona extravertie dia miezaka mameno an'izay fahanginana izay satria tsy mampahazo aina azy izany. Dia lasa mahatsapa an'izay pression izay koa ianao dia iny koa fa maika hameno azy.

Miakanakana ianao, very ny herinao satria tsy hitanao intsony izay tena toerana tokony hisy anao.

Fa inty ny secret :

Ny fahanginana dia tsy banga. Feno. Feno vesatra, feno fahefana, feno fifehezana.

๐Ÿ‘‰ Rehefa hainao ny manamarika an'izay fahanginana izay, tsy hoe itsoahanao, na hisalasalana fa tena manamarika an'izay fahanginana kely izay dia ho any aminao ny fifantohan'ny olona rehetra ao anatin'ny salle.

Ny tombony amin'izany:

๐Ÿ‘‰ Afaka maka aina kely ny systรจme nerveux anao no sady mamerina ny energie anao indray ianao ao anatin'ny segondra vitsy.

โ€ผ๏ธIzay no mahazava-dehibe ny fiasanao mifanaraka amin'ny fomba fiasan'ny systรจme nerveux anao fa tsy ny fanoherana azy.

๐Ÿ‘‰ Ny fahazaranao mieritreritra mialohan'ny itenenanao? Tsy faiblesse izany fa toetranao voajanahary ary izay mihitsy no sonianao.

๐Ÿ‘‰ Fehezo ny fahanginana dia hitsahatra ny performance anao rehetra ka hanomboka hibaiko ny zavatra rehetra ianao.

๐Ÿ“ฉ Soraty hoe "Pause" ao amin'ny commentaires raha efa nitranga taminao ny hoe niteny haingana be mba hamitana haingana ilay fehezanteny fotsiny.

14/08/2026

Ny conseil henonao matetika dia hoe manaova prรฉparation be dia be mialohan'ny hiresahanao imasom-bahoaka.

๐Ÿ“Izay mihitsy no mahatonga anao reraka sahady na dia tsy mbola nanomboka akory aza.

๐Ÿ‘‰ Ny tena olana dia tsy ilay hoe im-piry no anaovanao fiomanana fa ilay omaninao.

๐Ÿ‘‰ Ny olona extravertie dia miomana amin'ny fampiakarany ny fahatokisan-tenany. Maka sary an-tsaina ny tehaka sy izay fankasitrahana ho azony aorian'ny fandraisana fitenenana izy.

๐Ÿ‘‰ Ianao nefa tsy afaka manao an'izany satria tsy mampahery anao ilay izy fa vao maika aza mampihena ny energie anao. Mila drafitra (structure) ny cerveau anao fa tsy tabataba.

๐Ÿ‘‰ Tahak'izao izany ny drafitra tsara tokony ataonao :

Aza manomana ny energie anao fa ny lร lana alehanao no omanina.

๐Ÿ‘‰ Rehefa manana lร lana mazava sy tsotra ho arahina ny cerveau anao dia mihena ho azy ny fiasan-tsainao. Tsy hoe no-forcer nao ilay izy fa satria nomenao zavatra tsara kokoa ho atao izy. Tsy amin'ny alalan'ny lahatsoratra lava be na script nefa izany fa "torolร lana."

๐Ÿ‘‰ Isan'ny mรฉthode ampianariko izy ity ary tena manova ny zava-drehetra.

๐Ÿ“ฉ Inona ny olana lehibe indrindra amin'ny fanaovanao prรฉparation mialohan'ny andraisana fitenenana? Lazao ao amin'ny commentaires dia ho lazaiko anao ny tokony atao.

12/08/2026

๐Ÿ˜” Nino lainga foana aho hatramin'izay.

Ilay hoe: "Tsy natao ho ahy ity."

๐Ÿ‘‰ Taloha aho rehefa nijery olona miresaka mandritra ny fivoriana, na sur scรจne na amin'ny karazana รฉvรฉnement maro samy hafa dia niteny foana aho tao an-tsaiko hoe sambatra ry zareo, tsy misy problรจme aminy mihitsy ilay izy. Dia hoy aho hoe zavatra tsy ananako izany. Tsy mba nomena an'izany fahatokisan-tena izany mihitsy aho.

๐Ÿ‘‰ Isaky ny hiakatra an-tsehatra aho na iresaka eo anoloan'ny olona maro dia voatery nanomana mandritra ny andro maro. Nanomana im-betsaka ao an-tsaiko aho. Nefa vao maika reraka satria nilaozako nandinika ny fautes mety ho hataoko aho, ny pause ary ny phrase rehetra holazaiko mandritra ny fandraisako fitenenana.

๐Ÿ‘‰ Ny tena ratsy tamin'ilay izy ? Nanomboka tsy niraharaha ny opportunitรฉs aho sady tsy tonga saina ny amin'izany. Fa naleoko hoe olon-kafa no haka ny sehatra dia hoy aho tamiko hoe: hiteny mafy aho amin'ny manaraka, ho sahisahy kokoa aho amin'ny manaraka.

Indrisy fa ilay amin'ny manaraka tsy tanteraka mihitsy. ๐Ÿ˜”

๐Ÿคฏ Taorian'izay dia nisy fiovan'ny trangan-javatra.

Tsy iray alina. Tsy hoe manaova matoky tena be rehefa miresaka dia afaka izany.

๐Ÿ‘‰ Mbola sahiran-tsaina aho tamin'izany hoe ahoana no ataoko mba ahafahako miresaka tsara nefa sady tsy mi-copier ny olona extravertie, tsy mikoropaka, no tsy voatery mitabataba be. Satria izaho dia efa zatra manao observation, mandalina kokoa mialohan'ny hitenenana. Dia nanangana mรฉthode aho mikasika an'izany.

๐Ÿ˜ฒ Nanomboka niresaka tsy am-pisalasalana aho no sady feno fahasahiana tamin'ny entretien natrehiko voalohany. Tsy nisy fiomanana be nandritra ny ora maro no sady tsy nahatsapa aho hoe mikoropaka ny saiko.

๐Ÿ˜Œ Tsapako nanomboka teo hoe naverina tamiko ilay zavatra noesorina teo amiko tamin'ny taona maro lasa.

๐Ÿ‘‰ Teo no ihany koa no nanombohako nanampy ny hafa ka nahatonga azy ireo nahazo aina tsara rehefa niresaka sy niseho am-pahibemaso.

๐Ÿ‘‰ Diso lร lana izy ireo, diso lร lana ihany koa aho talohan'ny fahatanterahan'izany rehetra izany. Mety mahatsapa ihany koa ianao hoe diso lร lana amin'izao fotoana izao.

๐Ÿ“Rahampitso, dia ho zaraiko aminao ireo fomba nivoahako tao anatin'ireo olana ireo sy ireo fototra rehetra izay nanova ahy sy nanova azy ireo.

๐Ÿ‘‰ Manasa anao hanaraka hatrany ny eto amin'ny page raha tianao ny ho feno fahasahiana sy haneho ny maha ianao anao amin'ny sehatra rehetra alehanao.

10/08/2026

" Ny vidin'ny tsy fandraisana andraikitra. "

๐Ÿ‘‰ Maro ny miresaka momban'ny faharerahan-tsaina sy ny fihetseham-po ary ny famerimberenana ilay izy ao an-tsaina.

Kanefa tsy misy miresaka mihitsy ny mikasika ny zavatra alain'io faharerahan-tsaina io mangingiana ao aminao.

โŒ Tsy ny energie anao nefa.

๐Ÿ‘‰ Ilay fivorian'ny olona telo miteny mafy dia tsy ianao ny iray amin'izy ireo. Ilay hevitra anananao ? Mbola mijanona ao an-dohanao. Nisy olona hafa namoaka ilay hevitra mitovy amin'ilay izy, lasa azony ny teny mamy sy ny fankasitrahana avy eo.

๐Ÿ‘‰ Ilay promotion lasan'ilay olona nahavita kely nohon'ny vitanao fa niteny mafy sy am-pahatokisan-tena fotsiny. Lasa hita kokoa izy satria sahy naneho ny maha izy azy na dia kely fotsiny aza no afaka lazainy.

๐Ÿ‘‰ Ny version an'ny asanao, ny fiantraika entinao sy ny fidiram-bolanao, lasa mikatso daholo. Tsy hoe tsy ampy talenta ianao. Fa satria ny fomba nampianarana anao iresaka no naka izay tokony ho anao rehetra ka tsy nisy tavela intsony na dia opportunitรฉ iray aza.

๐Ÿ‘‰ Tena misy izay faharerahan-tsaina izay. Fa tena vidiana lafo kokoa aza ny vokatra aterany.

๐Ÿ‘‰ Isaky ny te hitroatra ianao rehefa omena fitenenana dia misy zavatra very foana, raha tokony ho raisinao ho anao mihitsy iny fotoana iny.

๐ŸšชMisy varavarana tsy hisokatra, misy perception tsy hiova mihitsy, misy chance tsy hiverina intsony raha toa ka mbola ilay fomba nahazatra anao hatramin'izay ihany no tohizanao.

๐Ÿ‘‰ Tsy midika izany hoe hivadika olon-kafa tanteraka ianao fa hoe ahoana no ataonao mba ampitsaharana izay mpangalatra ny opportunitรฉ anao izay mba tsy hangalany ny opportunitรฉ anao manaraka izay mety tsy ho afaka iverina eo aminao intsony.

๐Ÿ“ฉ Soraty hoe "Tohiny" ao amin'ny commentaires raha toa ka maniry ny hahazo vahaolana ianao ao amin'ny poste manaraka.

06/08/2026

๐Ÿค” Manao promesse ianao nefa tsy tanteraka foana.

๐Ÿ—ฃ๏ธ Isaky ny avy mandray fitenenana ianao ka tsy nety ilay izy dia manao promesse foana hoe aleo amin'ny manaraka fa efa vita iny, aleo amin'ny manaraka manao tsara kokoa, aleo amin'ny manaraka...

๐Ÿ”„ Fa izay cycle izay tsy tapaka mihitsy satria tsy tapahinao ilay tena forotry ny olana.
Ilay fomba fisehony ety ivelany fotsiny no karakarainao amin'ny alalan'ny fanaovana prรฉparation mihoatra, pratique mihoatra, fanazaran-tena amin'ny firesahana mihoatra kanefa ilay tena olana tsy voakasika mihitsy.

โ€ผ๏ธNy tena olana ? Ny fomba fataon'ny olona extravertie sy mampahazo aina azy no adapter-nao aminao kanefa ianao introvertie. Izay no tsy mampety an'ilay izy mihitsy.

๐Ÿ’ญ Rehefa misaina lalina ny sainao, mila drafitra izy fa tsy zavatra kitaitaitra. Mila vonona tsara izy fa tsy tonga dia lasa avy hatrany. Mila drafitra izy izay afaka manaja ny fomba fisainanao sy ny fitondran-tenanao mialoha sy mandritra ary aorian'ny fandraisanao fitenenana.

๐Ÿ‘‰ Izay drafitra izay dia tena misy fa ankavitsian'ny olona no tena mampianatra azy.

Ho zaraiko aminao amin'ny post manaraka ny vahaolana fa manasa anao hanaraka hatrany ny eto amin'ny page.

Misaotra anao mizara amin'ny hafa ihany koa.

05/08/2026

Tsy misy n'iza n'iza mahita izay mitranga aorian'ilay fotoana nandraisanao anjara fitenena.

๐Ÿคฏ Mipetraka ianao. Mbola midobodoboka be ihany ny fonao. Dia manomboka miteny amin'izay ny sainao hoe:

๐Ÿ˜” Nerveux be mihitsy aho teo.
Tokony niteny koa ry zareo.
Fa maninona aho no tsy mba afaka ny ho naturel tsotr'izao?

โณNandeha ny lera. Ny an'ny olona efa miova zavatra hafa fa ianao mbola adino ao tanteraka.
Ilaozanao mamerina an'ilay conversation, miezaka manamboatra ny phrases rehetra tokony nolazaina sady mitsara ny tenanao ihany.

๐Ÿ‘‰ Tsy hoe tsy ampy ny competences anao fa ny cerveau anao no niezaka nandinika lalina ny zava-drehetra sy nanao izay vitany. Kanefa ianao indray no tsarainy fa tsy ilay situation niainanao. Lasa mandreraka ilay izy ary vidianao lafo mihitsy ilay fotoana iny mihoatra nohon'ny eritreretinao.

๐Ÿ™…โ€โ™€๏ธ Tsy mila mivadika ho olon-kafa ianao. Mila mรฉthode mifanaraka amin'ilay maha ianao anao ianao fa tsy ny mifanohitra amin'izany.

Raha mahaliana anao ny tohiny dia soraty hoe ๐Ÿค ao amin'ny commentaires mba ahafahako manampy anao misimisy kokoa.

03/08/2026

๐Ÿ‘‰ Manatrika fivoriana ianao. Antsoin'ny patron ny anaranao dia any aminao daholo ny mason'ny iray trano.

Manomboka midobodoboka be ny fonao. Lasa maina teo ny vavanao. Very daholo ny ao an-tsainao rehetra.

Hainao hoe inona no holazaina fa lasa miboredika tampoka ianao no sady mangovitra ny feonao.

Avy eo mahita olona mijery tรฉlรฉphone ianao, ohatran'ny hoe tsy nisy nihaino izany ianao.

Fotoana fohy kely aty aoriana, averinao in-50 ao an-dohanao ilay scenario nitranga teo. Hoy ianao hoe: Fa maninona ary aho no tsy mba normal ohatran'ny olona rehetra ? Fa maninona no toa sarotra be amiko izany ?

Tena novidianao lafo iny fotoana iny. Mety hoe respect. Mety hoe promotion. Mety hoe ny fiadananao fotsiny.

Firy ny opportunitรฉ ho arianao mandram-panovanao izany ?

๐Ÿ“ฉ Raha ianao izany dia soraty ao amin'ny commentaires hoe : "Izaho."

31/07/2026

3 Aoรปt no andraisana vague FARANY ho an'izay maniry ny hanao formation en service client (Call center)
Misaotra tompoko.

29/07/2026

โ€ผ๏ธTahak'izao ny fifalian'ny mpiofana rehefa nahavita ny atelier farany teo.

๐‘ด๐’Š๐’‚๐’“๐’‚๐’Œ๐’‚ ๐’‚๐’Ž๐’Š๐’๐’‚๐’š, ๐’•๐’”๐’š ๐’Ž๐’‚๐’Š๐’๐’•๐’”๐’š ๐’Ž๐’‚๐’‰๐’‚๐’š.

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

Antananarivo
101