Lycée Technique et Professionnelle du Génie Civil Mahamasina

Lycée Technique et Professionnelle du Génie Civil Mahamasina

Share

Retrouvaille et rencontre entre élèves LTPGCM-iens.

01/02/2024

MALAGASY MANKANY

Eny, ho’aho, Ramalagasy ! Malagasy be fivoarana !
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana !
Izato fihetsiketsikao e, izato fomba amam-piteny !
Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny !

Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha :
Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha
Soa, manko, nitanila ilay Rafotsibe nidraiko
Ka nanajanaja hoe : "mandehana, sombinaiko" !

Soa fa niato kely koa Rangahy antitra efa goga,
Ilay nisatroka ahibano sy nitafy lamba soga
Izay nivimbina entan-kely---toa tsy zakany sahady
Ka nihoaranao malaky tsy nanaovana azafady !

Taitra ihany Ingahibe nahita anao nivatravatra
Ka nitraka moramora, nefa dia namihin-tratra ...
Eny, hoy izy velon-tsento : mafy izany ka tsy toha
Saingy ho aiza moa ny tena, izao no gasy tafafoha ! ...

Tafatombina Rangahy, zary lasa kaodikaody :
Iny koa niserana azy, tovovavy be lamaody,
Irony ilay mitetin-doko sy mibory volo irony
Sady tsy mitafy lamba, tsy miteny gasy intsony !

Dia indreny koa nandalo, niara-dia nifampitantana :
Ankizilahy sy ankizivavy, amin’ny tena fisandratrana,
Moa va tsy mpivady mihitsy amin’izato fombafombany?
Kanjo dia tsy izany loatra, raha natao ny tombatombany.

Nantenain’Ingahibe fa mba hanaja ireto zaza.
Nefa loza no nataony fa nifampikitika aza,
Dia nifampikimokimo, ‘ndeha hiserana, handika.
Ingahibe no niarahaba ireto zana-kavantsika !

Eny, ho’aho, Ramalagasy ! Malagasy be fivoarana !
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana !
Tsy hanozona ny Ntaolo n’inona n’inona natao.
Saingy masina ny sata izay voahitsakitsakao.

Randza ZANAMIHOATRA

20/12/2023

Version Baiboly inona ndray re no hivoaka atsy ho atsy ee!!!????🤔

03/08/2022

Anio sy rahampitso ary ny Zoma ho avy izao ny Salon de la Topographie et du Foncier — karakarain'ny

13/07/2015

Nandao antsika mbola andro vitsy izay Ando promotion 2010_CC

Want your school to be the top-listed School/college?

Telephone

Website