12/06/2026
REFONDATION SA RECYCLAGE POLITIQUE AVEC EMBALLAGE NEUF ?
Tamin’ny voalohany dia nilaza hoe: “Ravana daholo ny rafitra rehetra.”
Dia nisy faly. Nisy nitehaka. Nisy nieritreritra hoe: “Farany, hiala amin’ilay système efa nampahantra antsika isika.”
Kanjo telo andro atỳ aoriana, niverina indray ilay magie politique malagasy:
“Ravana daholo… fa ny HCC sy ny Parlemanta aloha tazonina kely.”
Izany hoe, raha amin’ny teny tsotra:
Ravana ny trano, fa ny varavarana efa simba sy ny tafo mitete no tazonina, dia lazaina hoe villa vaovao.
Eo no manomboka ny olana. Tsy afaka miteny hoe “Refondation” ianao nefa mbola mitazona ny fitaovana niteraka krizy. Tsy afaka milaza hoe manasa vilia ianao nefa ilay rano ampiasaina efa maloto. Tsy afaka miteny hoe “fanombohana vaovao” nefa ny logiciel taloha ihany no ampidirina, fa novaina fotsiny ny fond d’écran.
Ny tena nampanantenaina dia Refondation.
Fa ny hita indraindray dia toa ravalement de façade politique: loko vaovao ety ivelany, fa ao anatiny mbola ilay rafitra efa nihinana ny firenena hatramin’ny taolana.
Ny olana lehibe: lasa théâtre politique ny transition
Tsy maintsy tsorina: very lalana ny mission principale.
Ny transition tokony hanao zavatra efatra:
Mampitony ny firenena.
Mametraka rafitra vaovao eken’ny rehetra.
Manomana fifidianana madio.
Miala amin’ny seza rehefa vita ny asa.
Fa ny hita isan’andro kosa indraindray dia:
dossier, contre-dossier, arrestation, conférence de presse, ady seza, ady ego, ady merina sy côtier, ady HCC, ady Parlemanta, ady minisitra, ady premier ministre, ady Gen Z, ady amin’izay miteny, ady amin’izay tsy mitehaka.
Dia lasa toy izao ilay firenena:
Delestage ao an-trano, delestage ao amin’ny JIRAMA, delestage ao amin’ny fitondrana, ary delestage ao amin’ny logique politique.
Tsy transition intsony izany.
Festival national du désordre institutionnel izany.
Refondation tsy midika hoe manao pré-campagne amin’ny volam-panjakana
Raha tena transition izy ity, dia tsy tokony hisy olona ao anatiny mieritreritra fifidianana manaraka. Ny transition dia tsy “stage pré-électoral rémunéré par l’État”. Tsy “location longue durée” an’ny seza. Tsy “campagne d’essai avec voiture de fonction”.
Izay mitondra transition dia tokony ho mpitsara ny lalao, fa tsy mpilalao miafina manao échauffement ao ambadiky ny terrain.
Satria rehefa olona mitantana transition no mbola mahazo mirotsaka, dia mazava ny loza:
izy no manoratra fitsipika,
izy no mifehy administration,
izy no mifehy sécurité,
izy no mifehy vola,
izy no mifehy calendrier,
dia izy indray no milaza hoe: “Aleo isika hanao fifidianana madio.”
Madio ahoana?
Toy ny manasa tanana amin’ny ranon-katsembohan’ny seza.
Fepetra tsy maintsy raisina raha tena te hivoaka amin’ny krizy
1. Atsaharo ny fanenjehana mifantina
Raha misy nangalatra, enjehina amin’ny lalàna.
Raha misy nanao heloka, tsaraina amin’ny porofo.
Fa aza atao toy ny hoe justice à la carte: ny sasany atao barbecue politique, ny sasany atao frigo diplomatique.
Tsy hoe rehefa fahavalonao dia “État de droit”.
Ary rehefa namanao dia “réconciliation nationale”.
2. Averina ny fitondrana consensuelle sy inclusive
Tsy an’ny vondrona iray ny firenena. Tsy an’ny miaramila irery. Tsy an’ny politisiana irery. Tsy an’ny Gen Z irery. Tsy an’ny ancien régime irery. Tsy an’ny olona mahay mikiakiaka amin’ny télé irery.
Tsy maintsy tafiditra:
mouvances politiques, société civile, Gen Z, fiangonana, sendika, secteur privé, faritra, diaspora, jeunes, femmes, techniciens, juristes, économistes.
Raha tsy izany dia tsy concertation nationale no hatao, fa réunion de famille politique misy buffet institutionnel.
3. Ravana na havaozina tanteraka ireo rafitra mampiahiahy
Ny HCC, Parlemanta, CENI, gouvernorats, rafitra électoral, rafitra fitsarana, rafitra de contrôle — ireo rehetra ireo dia tokony hojerena indray.
Fa tsy hoe:
raha manampy anay izy dia “institution républicaine”,
raha manelingelina anay izy dia “reste du système”.
Izany no antsoina hoe constitution à géométrie variable: mihodina arakaraka izay mahazo aina eo amin’ny seza.
4. Chronogramme mazava: 24 mois maximum
Tsy maintsy avoaka amin’ny fomba mazava:
daty concertation nationale,
daty famaranana concertation,
daty CENI vaovao,
daty audit liste électorale,
daty référendum constitutionnel,
daty présidentielle,
daty famindram-pahefana.
Tsy atao hoe: “ho avy tsy ho ela”.
Satria eto Madagasikara, rehefa miteny hoe “tsy ho ela” ny politika, indraindray dia midika hoe: rehefa reraka manontany ny vahoaka.
5. Constitution roa na telo no atolotra ny vahoaka
Tsy tokony hisy Constitution soratana ao anaty efitra mihidy, dia avy eo lazaina amin’ny vahoaka hoe: “Ity no safidinareo.”
Safidy izany sa devoir surveillé?
Tokony hisy modely maromaro:
régime présidentiel voafehy,
régime semi-présidentiel,
régime parlementaire,
décentralisation tena izy.
Ny vahoaka no mifidy. Tsy comité kely no manapaka ny hoavin’ny taranaka 30 taona.
6. CENI vaovao, liste électorale vaovao, contrôle citoyen
Raha mbola ilay système électoral mampiahiahy ihany no ampiasaina, dia tsy fifidianana no hatao fa recyclage de crise avec bulletin de vote.
Mila:
CENI vaovao,
audit biométrique,
liste électorale madio,
résultats publiés bureau par bureau,
observateurs indépendants,
recours rapide,
transparence totale.
Tsy hoe: “Matokia anay.”
Efa reraka amin’ilay “matokia anay” ny Malagasy.
Matokia anay no nitarika antsika tamin’ny delestage, trosa, krizy, ary fanina institutionnelle.
7. Izay nitondra transition dia tsy mahazo mirotsaka
Io no fepetra lehibe indrindra.
Izay Président de transition, Haut Conseiller, Premier ministre, ministre, gouverneur, na tompon’andraikitra ambony nandray fanapahan-kevitra nandritra ny transition dia tsy tokony ho candidat amin’ny fifidianana voalohany amin’ny Repoblika faha-5.
Satria raha tsy izany, dia tsy transition intsony no atao.
Fanomanana candidature avec escorte officielle no atao.
Ny transition dia tokony ho tetezana.
Fa tsy tokony ho olona manao trano eo ambonin’ilay tetezana, dia mitaky loyer amin’ny vahoaka.
8. Vérité, Réconciliation, Grand Pardon
Tsy maintsy misy Commission Vérité – Justice – Réparation – Réconciliation.
Fa tsy “grand pardon” mora vidy.
Tsy hoe nangalatra ianao, dia miteny hoe: “Aoka isika hifankatia.”
Tsara ny mifankatia, fa avereno aloha ny vola.
Ny tena réconciliation dia tsy manafina ny marina.
Ny tena pardon dia tsy manasa ny heloka amin’ny parfum politique.
Ny tena grand pardon dia misy vérité, misy restitution, misy engagement, misy garantie fa tsy hiverina intsony ilay système.
9. Maka lesona amin’ny firenena hafa
Afrika Atsimo, Rwanda, Ghana, ary firenena hafa nandalo krizy dia afaka hanome lesona. Tsy hoe adika kopia, fa jerena izay mety amin’i Madagasikara.
Satria raha isika irery no manao azy, dia matetika mivoaka ilay formule malagasy mahazatra:
“Andramantsika aloha, dia rehefa potika dia manao commission.”
10. Atao priorité ny fiainan’ny vahoaka
Ny vahoaka tsy mihinana communiqué.
Ny vahoaka tsy mahandro amin’ny discours.
Ny vahoaka tsy manazava trano amin’ny conférence de presse.
Raha mbola delestage, rano tapaka, vidim-piainana miakatra, asa tsy misy, tanora very fanantenana, dia tsy ampy ny miteny hoe “Refondation”.
Refondation tsy tokony ho soratra tsara amin’ny banderole.
Refondation dia tokony ho zavatra tsapan’ny olona ao an-dakozia, ao anaty bus, ao amin’ny tsena, ao amin’ny sekoly, ao amin’ny hopitaly.
Famaranana
Aza atao hoe Refondation raha mbola ilay rafitra taloha no tazonina rehefa mahasoa, ravana rehefa manelingelina, ary resuscité-na rehefa ilaina hanamarina seza.
Aza atao hoe transition raha tsy misy daty hivoahana.
Aza atao hoe concertation raha efa voasoratra mialoha ny valiny.
Aza atao hoe justice raha ny sasany enjehina, ny sasany arovana.
Aza atao hoe réconciliation raha tsy averina ny zavatra nangalarina.
Aza atao hoe Repoblika vaovao raha ny fomba taloha no mbola mitondra azy.
Ny vahoaka tsy nangataka show de dinguerie. Ny vahoaka nangataka lalana hivoahana amin’ny krizy.
Ary raha tena tsy hainareo ny mitondra transition, dia farafaharatsiny aza atao lavitra loatra ny fahavoazana.
Satria firenena no tantanana eto, fa tsy groupe WhatsApp misy admin miovaova arakaraka ny humeur.
Fampitandremana
1. Refondation no nampanantenaina. Fa ny hita dia rafitra taloha nasiana emballage vaovao.
2. Tsy transition intsony izy ity raha tsy misy daty hivoahana. Lasa location longue durée an’ny seza.
3. Ny vahoaka tsy mihinana communiqué, tsy mahandro amin’ny discours, ary tsy manazava trano amin’ny promesse.
4. Aza atao hoe concertation nationale raha efa voasoratra mialoha ny valiny. Izany no antsoina hoe théâtre participatif.
5. Tsy afaka manoratra ny fitsipika ianao nefa mitazona ny sifflet, mifehy ny terrain, dia mbola milalao ihany.
6. Refondation tsy midika hoe manova ny titre fotsiny fa mitazona ilay fichier corrompu ihany.
7. Madagasikara tsy mila show de dinguerie intsony. Mila calendrier, lalàna, jiro, rano, asa ary fifidianana madio.
8. Raha tetezana ny transition, dia aza manao trano eo amboniny. Alefaso ny firenena hiampita.
9. Ny Grand Pardon tsy savon politique. Avereno aloha izay nangalarina, dia vao miresaka famelan-keloka.
10. Tsy Refondation no olana. Ny olana dia ireo manao azy ho ascenseur politique mankany amin’ny seza.