OmbyLahy

OmbyLahy

Share

Kilalao tabilao mahafinaritra indrindra mampiray ny fianankaviana sy ny namana ary ireo olona maro.

Photos from OmbyLahy's post 31/07/2025

Efa maika hilalao ny "OmbyLahy" isika rehetra e?☺️♥️

Mahandrasa kely fa efa kely sisa dia ho eny am-pelatananao izy, na Android na iOs (an'ny iPhone) dia samy hisy avy. 📱�
Eo ampanatsara azy izahay.

Efa natao manko ny andrana maro👾🔨⚒️, nataon’ireo mpanandrana (testeur) sy manampahaizana isany avy ka nisy fanatsarana maro namboarina:
ohatra
- hisy mari-pahaizana (certificat) ara-dalana homena izay mpilalao tena mahay 👨‍🎓👩🏻‍🎓📝
- hisy ny version en ligne ahafahana milalao amin'ireo mpilalao hafa tsy hita maso
- hatao fiteny 3 : malagasy🇲🇬, frantsay🇫🇷 ary anglisy🇬🇧. Fa malagsy no ankapobeny, natao izany fa misy tokoa manko isika eto antoerana tsy mahay teny gasy😆
- hatsaraina arakaraka izay tianao ny toera-pilalaovana🕺🎮
- hiovaova foana ny fanontaniana fa tsy izay fahitanao foana, ary koa afaka alainao (sauvegarder) ho lasa PDF izay efa hita ny valiny ho fianarana ho anao.
- ..... ary misy fiovana tena tsara be iray izay, izay tsy ho lazainay androany fa inoana fa ankafizintsika rehetra😊

Natao ihany koa ny fiarahamiasa amin'ny Toro Ifàka, mba hanomezana antsika ireo fahalalana tsara sy tena izy ary ara-dalàna, zay misehatra amin’ny famoronana “outils” sy “support” ara-pedagôjika ary amin’ny fanaovana tan-tsoroka ny tanora amin’ny resaka “Orientation” sy “Employabilité” . 🤝

©️Ekipa OmbyLahy

Photos from OmbyLahy's post 17/07/2025

Ito no pejy ofisialy ny OmbyLahy, ahafahanao manaraka tsy tapaka ny vaovao momba azy : mijery ny fivoarany, haka ny lien fakana azy rehefa mivoaka sy izay hafatra rehetra.
Misaotra anareo manaraka azy😊
Ekipa OmbyLahy 🇲🇬🎮♥️

Photos from OmbyLahy's post 17/07/2025

Teknolojia sy ny maha malagasy 🇲🇬✨

OmbyLahy 🐂🔥🎮

Mahalala jeu Ludo aby angamba isika e?😆
….ie iny ihany le OmbyLahy fa nohagasiana

🚫 Tsy ilay vato 4 ireny intsony no lalaovina
✅ fa Omby lahy, izany hoe lasa course Omby e☺️, omby iray isaky ny mpilalao…ampodiana amin’ny valany

🚫 Tsy kidiakely (Dé 🎲) instony no atsipy ka arakaraka ny vintana eo ny vato azo😅
✅ fa fanontaniana 6 misesy no apetraka aminao rehefa tour_nao, fanontaniana momba an’i Madagasikara, ny konontsainany, ny fomban-drazanany, ny tantarany, ny jeografia, sns…
➡️ Arakaraky ny valiny marina no ahafahanao mihetsika….mahamarina 3 ? Mandeha in-3, mahamarina 5 mandeha in-5

Rehefa tapitra ny lalao dia mivoaka aby amin’izay ireo valim-panontaniana rehetra☺️

🎯 Tanjona:
• Sady milalao no mianatra
• Sady mankafy no manandratra ny maha Malagasy

Mahafinaritra ☺️🎮

Nahazo ny laharana faharoa 🥈mendrika indrindra tamin’ny fifaninana « teknolojia: fitaovana iray hanandratana ny kolontsaina sy hampivoarana an’i Madagasika » nokarakarain’i ESTI ity tetik’asa ity.

Anisany ireo jeu be mpilalao tokoa manko ny Ludo raha eto Madagasika : ankizy, lehibe, tanora, lahy na vavy…na aiza na aiza…eny am-piandrasana taxi, pousse pousse, fiankaviana…
Ka inoana sy maharesy lahatra fa be ny mety hiantefany sy hahazo tombotsoa

Novokarin’i ekipa OmbyLahy : Monja, Dylane, Jonathan

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Antananarivo
101