LIGHT Generation CREW

LIGHT Generation CREW

Share

"YOU ARE THE LIGHT OF THE WORLD "
Matthew 5:14 a
🕊️🔥❤️

01/06/2026

🔥DIABE HO AN’I KRISTY🔥
🇲🇬Marche pour Jésus 2026🇲🇬

👉Tsy menatra an’I Kristy ve ianao?
Mirehareha sy faly ve ianao fa novonjeny?

'Ndao ambara manerana ny tanàna fa Jesoa Kristy no Tompontsika🙌🏼

‼️Androm-bavaka ho an’ny firenena sy Diabe ho an’I Kristy 2026‼️

✅Ny Sabotsy 13 Jona 2026
> Fiaingàna Ankatso
> Parvis Vavaka sy Fiderana hiarahana ara-pilazantsara maro …

🥰Entano ny havana, namana, ny mpiara-miangona rehetra.

👉Manantena hihaona aminao






peace ✨

31/05/2026

Finaritra e 🥰

Aza adino ny fotoantsika ny amin'ny 👉 Diabe ho an'I Kristy 2026 👈
'ndao hiaraka isika rehetra, hanandratra fa 💗KRISTY NO TOMPO 💗

Manantena ny ahita anao🥰
peace ✨

26/05/2026

Finaritra e 🥰
Nanao ahoana ny fiatrehana ny pentekosta?🔥

Ny fety fahatsiarovana no vita an😊fa 'ndao tsika hianatra hiantso ny FANAHY MASINA
Hanampy antsika amin'izay atao rehetra, hitari-dalana sy ampahafantatra antsika izay tokony atao rehetra 🤗

Ho anareo, inona no asan'ny FANAHY MASINA ?
'ndao hifampizara 🥰


Peace ✨

13/05/2026

Salama arivariva e 🥰

" Haleloia, Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina, Miderà Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny, Midera Azy noho ny asany lehibe;
Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny, Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara;
Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga, Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy;
Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina, Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno;
Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo, Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah, Haleloia "
Salamo 150✨

Izany tenin'Andriamanintra izany indray no entinay mampatsiahy antsika fa mila midera Isika
Ny antom-pisiantsika mintsy no efa natao hidera sy hanome voninahitra ho an'Andriamanitra 🙌

Inona no talenta nomen'I Jesosy anao ?
'ndao entina hiderana an'Andriamanitra fa avy Aminy izany

Mirary soa ho antsika rehetra
Peace ✨

(Ity vidéo ity dia fintina tamin'ny fiderana izay niarahanay tamin'ny SKL sy ireo sampana maro tao amin'ny FJKM Kristy velona Andavamamba)

11/05/2026

Finaritra e🥰
Ny omalinay niaraka tamin'ny SLK tao amin'ny FJKM Kristy velona Andavamamba 💗
Tena nahafinaritra an🥰

Misaotra an'ireo izay Tonga nanotrona maro be ihany koa
Misaotra an'I Jesosy fa vita soamantsara ny omaly
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany 🙌

Ho alefanay eto ihany ny vidéo an🤗
Mirary herinandro mahafinaritra ho antsika rehetra 🤗 miaraka amin'I Jesosy Kristy ♥️

Peace ✨

07/05/2026

Salama arivariva e!!🥰🥰

Efa kely sisa ilay fotoana ionantsika sy iarahantsika hidera indray an🥰🥰
Efa tsy andrinay sahady 😁 Ary nareo ?😁💗

Aza adino ilay fotoana ary an🤗
Amin'ny Alahady 10 Mai ho avy izao
Ao amin'ny FJKM Kristy velona andavamamba
Amin'ny 2 ora 30

Peace ✨

(Ity vidéo ity dia ampahany tamin'ny clip Tsy ambelako 💗Afaka mbola mijery raha mbola tsy nahita an😁)

04/05/2026

Finaritra e🥰🥰

DIHY FIDERANA 🎤 🥳

Ela ela tsy niaraka nidera isika e!?🤔
Indro indray ary ny programme ho amin'ny weekend ho avy izao e🤗
Amin'ny 👉 10 Mai 2026 👈 indray ny fotoantsika 🥰
Ao amin'ny ⛪FJKM Kristy velona Andavamamba
Amin'ny ⏰ 2 ora 30
Ankoatry LGC 🔥 Dia maro ihany koa ny sampana izay andray anjara amin'io fotoana Io an!!

Amin'ny maha DIHY FIDERANA azy, Dia tena maneho fa na amin'ny alalan'ny hira, na dihy dia afaka manome voninahitra sy fiderana ho an'Andriamanitra 🙌

Tia midera ianao ? Ndao hiaraka aminay ary e🥰🥰
Tsy misy ny vidim-pidirana an!!🤗
'ndao hifanentana ary dia ho tonga maro be e💗💗
Any izany miona ann🥰🥰

Peace✨

25/04/2026

Fiadanana e🤗
'ndao mba entinay hitsikitsiky kely indray ianareo e😄
Ianareo oviana no nanao otran'izao farany 🤭😅

Efa misy programme isika ato ato an!🥰
Araho hatrany ny pejy 🥰

Mirary farany erinandro mahafinaritra ho antsika rehetra miaraka amin'I Jesosy hatrany ✨

03/04/2026

"Jesosy maty ho ahy sy ho anao"

Tadidio fa nanolotra ny ainy Jesosy, mba hahazoantsika famelan-keloka sy afahantsika mifandray amin'Andriamanitra
Ndao ary atolotra Azy ny fontsika
Ndao hadio fo , hadio tanana

Amin'izao akaiky p***a izao,
Manao ahoana ny toe- ponao, ny fiainanao?
Alamino, ento eo amin'I Jesosy
Raiso Izy , Mbola tsy tara!

Peace ✨

23/03/2026

Misaotra an'Andriamanitra noho ny fitiavany, famindram- pony, fahasoavany, Ary indrindra fitantanany 🥰
LGC 🔥🕊️ Feno herintaona androany
23Mars 2025 - 23 Mars 2026

Tsy noho ny herinay fa ny famindram-pony 💗
Deraina Jesosy ✨ Misaotra Azy nifidy anay 💖

peace ✨

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

Antananarivo