MFA - Bible School

MFA  - Bible School

Share

Mission Pour Tous -
Mission For All -
Sekoly biblika mampianatra ny rehetra - Tsy manavaka antokom-pinoana - misokatra hoan'ny rehetra

23/05/2026

Live firefalls
Pentekosta 2026
By MULTIMEDIA PRAISE CENTER

FIANARANA MITORY FILAZANTSARA 24/01/2026

FIANARANA MITORY FILAZANTSARA
Andao hianatra hitory amin'ny manodidina antsika.
FIANARANA FOHY - AZO AMPIHARINA AVY HATRANY

Hoantsika rehetra te hitory amin'ny mpiara-mianatra, mpiara-miasa, mpiara-monina nefa mbola tsy hitanao mihitsy ny fomba anaovana izany dia manasa anao izahay.
Tongava mianatra.
Isaky ny asabotsy ihany ny fianarana
9h30-12h00
Mandritra ny volana marsa ny fianarana.

Afaka mameno avy hatrany ity formulaire ity ianao

FIANARANA MITORY FILAZANTSARA Faly mandray anao izahay. Mba hahafantaranay ny momba anao dia manasa anao hameno ity formulaire ity. Tahian'i JESOSY KRISTY manokana ianao. Romana 10 : 14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpito...

11/10/2025

Fiadanana.
9h30 ny fianarantsika anio.
Ampandrana Bel'air
Immeuble ESM

20/06/2025

Hoantsika mpianatry ny MFA BIBLE SCHOOL, amin'ny 8ora ny fotoanantsika eo Ampandrana ESM ny Asabotsy 21 Juin amin'ny sortie vavaka fampiharana ataontsika
Afaka mitondra sakafo maivana
Toerana aleha : Imerintsiatosika
Misaotra tompoko
Tsy misy sarandalana.

Photos from MFA  - Bible School's post 03/05/2025

Vita indray ny fanofanana androany. Rehefa tapitra ny séance dia misy test kely ijerena ny capacité d’assimilation ny tsirairay.

Photos from MFA  - Bible School's post 03/05/2025

Faly miarahaba antsika rehetra. Manasa anao hisoratra anarana sy hanaraka ny fianarana baiboly izay atolotry ny MFA.
Mandrtra ny 6 volana ny fampianarana ary mizarazaea module izay afaka alainao tsikelikely.
Isaky ny asabotsy maraina amin’ny 9h00 ny fianarana.
Ao amin’ny ESM Ampandrana ny toerana hianarana.
5000 Ar isambolana ny sarampianarana.
Antsoy ny 033 88 100 00 na ny 034 95 530 59 raha misy mahaliana anao.


Hosea 4:6 MG1865
Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana.

Aza mijanona ho tsy mahalala fa tongava mianatra

03/05/2025

Mes publications ont obtenu 1 000 réactions et commentaires la semaine dernière. Merci à tout le monde pour votre soutien ! 🎉

04/04/2025

AFATROSA
Fiofanana maimaimpoana hoan'ny mpandraharaha
Manasa anao izahay hanatrika io fiofanana io raha toa ka tsy mbola nety tafavoaka tamin'ny trosa ianao kanefa efa nanao izay vitanao amin'ny fandraharahana ataonao.

- Ny tapany voalohany dia hifantoka amin'ireo antony mahatonga ny trosa ary ny vahaolana akaiky indrindra hamahana izany
- Ny tapany faharoa dia hanampy anao kokoa ara-panahy hahatonga ny fiainanao hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra
- Ny tapany fahatelo dia hiditra lalina kokoa amin'ireo vahaolana ara-panahy sy ny fomba fitantanana hahatonga anao tena hahomby amin'ny fandraharahana ataonao.
- Ny tapany farany dia hanampy anao hitahiry ny fiainanao sy hampitombo anao amin'ny finoana
Tsy théorie no hampianarinay anao fa fizarana ny zavatra efa renay, ninoanay, niainanay, tsapanay, hitan'ny masonay ary nampahomby ny fandraharahana nataonay.

Fisoratana anarana amin'io fiofanana maimaimpoana io :
manorata ny mombamomba anao amin'ny email : [email protected]
Anarana feno
Sehatra iasana :
Contact rapide : téléphone
Anaran'ny orinasa raha misy
Isan'ny olona ampiasainao

Amin'ity fotoana ity koa no hanolorana ny MISSION FOR ALL - BIBLE SCHOOL amintsika. Ahafahanao mahalala misimisy kokoa izany école biblique izany.

Ny tanjon'ny Mission For All dia hampianatra ny kristiana rehetra, na aiza fiangonany na aiza ny fototra tsy maintsy fantatrao raha te handeha lavitra ianao amin'ny fanompoana an'Andriamanitra.

Tsy fiangonana ny Mission For All fa sekoly biblika
Afaka miaraka miasa amin'ny fiangonana rehetra ny MFA amin'ny fanofanana izay ilain'ny fiangonana.
Ny MFA dia tsy sekoly biblika vaovao fa efa tamin'ny 1994 no nitsanganany ary efa nanofana olona marobe avy amin'ny fiangonana marobe.
Ny filoha mpanorina ny MFA da Pasteur Mamy RASOLOFOSON sy Pasteur Heritiana RAZAKAMANANA. Anisan'ny hanampy aty aoriana kosa i Zoky Lanto Eric RANDRIANARIMALALA

03/02/2025

Fampianarana baiboly ho an'ny rehetra

HOANTSIKA REHETRA TE HANDALINA TENIN'ANDRIAMANITRA, TE HITOMBO ARA-PANAHY, TE HANANA FOTOTRA TSARA.
;
Ny MFA na Mission For All dia manolotra anao fiofanana ara-baiboly ahafahanao mianatra ireto lohahevitra ireto :

👍🏻Ny Fifehezan-tena ara-panahy (discipline spirituelle)
👍🏻Ny Fanalahidin'ny fifandraisana tsy tapaka amin'Andriamanitra
👍🏻NY Fananana fomba fijery mazava mikasika ny fiangonana sy ny fombafombam-pivavahana
👍🏻Ny Fandrosoana ara-panahy no fototry ny fivelarana @ lafim-piainana rehetra amin'ny ankapobeny

Andinindiny :
Toerana hianarana : Ampandrana - ESM - Efitra ambany rihana
Isaky ny Asabotsy amin'ny 9H30 - 12H00
Saram-pianarana . 5000 Ar isambolana
Faharetany : 6 Volana

Mpampianatra :
Pasteur Mamy RASOLOFOSON
Pasteur Heritiana RAZAKAMANANA
Zoky Lanto Eric RANDRIANARIMALALA

Contact :

034 04 710 53
033 88 100 00
Fisoratana anarana :
Batiment
ESM AMPANDRANA
Ecole Supérieure de Multimedia
LOT II C 24 AMPANDRANA

MFA - Bible School Mission Pour Tous -
Mission For All -
Sekoly biblika mampianatra ny rehetra - Tsy manavaka antokom-pinoana - misokatra hoan'ny rehetra

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

Lot II C 24 AMPANDRANA
Antananarivo
101