Petite enfance Mada

Petite enfance Mada

Share

Partage d’idée et d’expérience en éducation pour les parents Malagasy (Développement des touts petits)

18/04/2025

💐Tsy dia tsara ny fampiakarana feo rehefa manitsy zaza

Mahalaza ny fanazavana ny sary etsy ambany

Afaka mametraka kosa anefa ianao hoe manitsy intelo amin'ny alalan'ny fitenenana milamina miaraka @ fanazavana izay vao mandray fepetra hafa toy ny fampiakarana feo ohatra na fihetsika hafa.

Torohevitra: rehefa miresaka na manome fanitsiana Zaza dia ataovy mifanandrify aminy ianao mba ho ianao miteny no hitany ary azony kokoa izy amin'iny satria mifantoka aminao ny masony. Raha mitsangana ianao dia ny lohalikao no hitany ary tsy dia ho azony loatra izany indrindra ireo Zaza mbola tena kely.

Aza misalasala mizara na mametraka fanontaniana !

24/03/2025

Aza ankinina @ mpanampy ny FITAIZANA ny zaza!
Fikarakarana no omena azy fa ny fitaizana dia an’ny Ray amandreny.

Mirary soa daholo!!

21/03/2025

FANALANA NY ÉCRAN @ ANKIZY.

🚨Raha mbola tsy tafiditra @ fitiavana izy ity ny Zaza dia aza zarina mihintsy.

Tsy mora ny manala azy io anefa vita rehefa atao ary mila faharetana. Raha mahavita moa dia afaka foanana avy hatrany ary afaka atao tsikelikely ihany koa.

Ny fanafody dia ny fandaniana ny fotoanan'ny Zaza, mila fandraisana andraikitra lehibe (implication)avy
@ Ray amandreny izany.

👉 Fiarahana miaraka amin'ny Zaza, ary fanentananao azy handray anjara sy fanomezana andraikitra azy ( milalao, mahandro sakafo, mijery boky, mandeha toerana iray na mandeha tongotra tsotra fotsiny sady mandany ny angovony)

👉Asiana fetrany ny fijerena fahita alavitra, ny tsara dia aleo fahita alavitra toy izay finday. 30 minitra isanandro no idealy, Asiana "minuteur" ary azavaina azy fa rehefa maneno io dia ajanona amizay. Izy mihintsy no asaina mamono ilay fahita alavitra mba haneken'ny sainy fa avy aminy ilay izy (ho gaga ianao fa rehefa zatra izy dia na tsy misy mbola maneno akory aza ny minuteur dia vonoiny io)

👉Ampatsiahivo azy matetika fa tsy tsara hoan'ny maso ny fijerevana fahita alavitra ela sy matetika.

👉Atao fampianarana na sary tsy manaitaitra ny Zaza no Jereny. Raha mety dia atao mifanaraka @ fitaovana ananany (ohatra: abd, sary mihetsika izay hananany boky na fandokoana mitovy aminy) .Afaka mivoatra araky ny salantaona.

👉Fotoana hijerena fahita lavitra ( jereo ny sary fanehoana).

Raha misy manana torohevitra dia afaka mifanampy ao @ commentaire ihany koa.
Raha misy fanontaniana dia afaka apetraka ao @ commentaire fa ho valiana.

Zarao Ary mba hanampiana ireo mitaiza tahakantsika!!!!!

31/01/2025

🚨Inona no tena vokadratsy tsikaritrao amin'ny zanakao noho ny écran?
🥇Inona no nataonao izay hitanao fa nahomby mba hialana @ fanomezana écran ny zanakao?
🗣️Ataovy ao amin'ny commentaire izay torohevitra mety hahasoa ny hafa sy ny salantaonan'ny zanakao.
Misaotra @ fizarana!!!!

28/01/2025

COMMENT DEVENIR UN ADULTE RESPONSABLE?

Ny famolavolana dieny mbola zaza dia entiny mandrapaha lehibe, omeo andraikitra dieny mbola kely ny zaza mba hanatontosana izany.
Atao mifanahaza @ taona hatrany anefa izany mba tsy ho lasa vesatra hoan’ny zaza.
Ny fiainana andavanandro dia azo hampandraisana anjara ny zaza mba hanana toetra mpandray andraikitra izy.
Ohatra:
Zaza 1 taona (Efa mandeha sy mahazo resaka tsara): mihinana biscuit izy, izy ihany no hampanariana ny fonony anaty fako rehefa lany.

Dingana sy torolalana:
-Ny zaza dia mila fampianarana miverimberina (apprentissage à répétition)
-Mila manaiky isika fa zaza ilay beazina izany hoe tsy tonga lafatra (accepter l’imperfection de ses actes et mouvements)
-Dokafana sy ankasitrahana izay dingana rehetra vitany, Eny na fanandramana fotsiny aza( Félicité ses exploits même les essais)
-Mila maharitra sy tsy mora leo ( La patience est la clé d’une bonne éducation des touts petits)

Mazotoa daholo ary manome andraikitra ny zazakelintsika!

Raha misy tiana hanampiana dia ataovy ao amin’ny commentaire!

27/01/2025

🌻🌻🌻🌻🌻Matériel éducatif🌻🌻🌻🌻🌻

🌻Ny loko dia manintona ary mahatamana ny zaza, amin’ny alalan’ny fitaovana maro loko no hisarihina azy hilalao na hianatra zavatra iray.
🌻Aza adino fa hoan’ny zaza dia eo ampilalaovana no ahaizany sy handraisany lesona.
🌻Mila fantarina koa ny fifanarahan’ny taona sy ny fampianarana mety aminy, ohatra: ny alphabet dia tsy natao hoan’ny zaza latsaky ny 3 taona. Matetika Efa misoratra @ kilalao na ny boky izany.
🌻Afaka foronina koa ny fitaovana raha ohatra sarotra ny mahita azy, raha toy ny @ vidéo izao dia alphabet no hianarana. Ireto ary misy fomba afaka atao:
👉Manao impression grand format en couleur (atao maro loko toy ny @ boky @ vidéo ilay litera) dia atao plastifications mba tsy ho mora simba
👉Na koa, atao impression couleur tsirairay ilay litera; atao toy ny karatra (carte). Dia atao plastifications ihany koa.
Isika no manao ny feo sy mampianatra azy @ fireny izay mahazatra ilay zaza.

27/01/2025

🍂🍂🍂🍂🍂Éducation par imitation🍂🍂🍂🍂🍂

Raha manana fahasarotana amin’ny fampianarana na fanoroana zavatra iray ny zanakao ianao dia afaka manandrana ity fomba iray ity.
Aza adino fa ny zaza dia mila fampianarana imbetsaka ary maharitra( 6 volana hoy ny mpikaroka) matetika vao mahazo izay tiana ampitana. Ny faharetana dia mila hisikinana rehefa mampianatra ny ankizy izay latsaky ny 5 taona na mahery aza.

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Antananarivo
101