06/04/2026
πππ
ππππ πππππ 2026
πΈππ πππ‘π ππππππ π‘ππππ'ππ¦ πππ‘π¦ π‘ππππ π πΎπππ π‘π¦! ππππππ ππ¦ πππππ.
Ry Kristiana malala,
Arahabaina isika rehetra tratry izao P***a 2026 izao.
Anisanβny teny voalohany nambaranβi Kristy taminβny mpianany rehetra taorianβny nitsangany taminβny maty ny hoe βππππ
πππππ ππ ππππππβ.
Tsy hoe fahatsiarovana zava-nitranga fotsiny na fitadidiana, fa zava-misy velona izay fototry ny fanantenantsika, ny fijoroantsika ho vavolombelona, ary ny antso mampiray antsika aminβny maha-Kristianina antsika ny Fitsangananβi Jesosy taminβny maty.
Fahamarinana azontsika ifikiranana izany, entinβizao fotoan-dehibenβny P***a ankalazaintsika izao, hihavaozantsika sy hivelomantsika ny fanantenana ary ny fiadanana ao aminβi Kristy Jesoa tafatsangana.
Koa enga anie hitarika antsika ny Fanahy Masina mba hiainantsika fiainana feno fanantenana ny aminβny ho avy, aminβny alalanβny fanatanterahana ny asa tsara nomaninβIzy Tompo ho antsika tsirairay avy (Jaona 20.15) ! Fa voatendry ho aminβizany ny fiainantsika (Efesiana 2.10)
Homba anareo anie ny Tompo!
Ny Eveka,
Mgr RANARIVELO Samoela Jaona
Evekan'ny Diosesin'Antananarivo
Filohan'ny FEEM
Foibe Eklesia Episkopaly Malagasy - FEEM - Pejy Ofisialy
Departemantan'ny Serasera Diosesin'Antananarivo - DSDA
Mothers'Union-Diocese of Antananarivo
25/03/2026
SE.FA.MA.LA Distrikan' i Tsiroanomandidy, Sampana ANTOBY/SOAVINANDRIANA.
Ohabolana 4:7.
"Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara"
SOLI DEO GLORIA
14/03/2026
"Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; Therefore, my brothers, be all the more eager to make your calling and election sure. For if you do these things, you will never fall, C'est pourquoi, frères, appliquez-vous d'autant plus à affermir votre vocation et votre élection; car, en faisant cela, vous ne broncherez jamais." 2Petera 1:10
Mianatra foana isika Sefamala eto amin'ny Triinite Masina Avaratranjoma
Entanina isika mipetraka eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina mba handrato fahalalana ao amin'ny Tompo
08h30 - 11h30 isakin'ny Asabotsy no fotoana
03/03/2026
"notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy* amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, (* Na: amin'ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika) ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala. " Efes 1:5-6
Noho ny fasoavan'Andriamanitra dia tontosa soamantsara ny Fanirahana Evanjelista, Fanokanana Mpiandry ary Fanaovana Mpitoriteny ny andihany " Fiderana ny Voninahiny" ny Alahady 01 Martsa 2026 teny amin'ny fiagonana santa Laurent Ambohimanoro.
Isaorana etoana Jesoa lohan'ny Eklesia
Eveka ny Diosesy Sagrace Mgr Samoela Jaona RANARIVELO
Ny Tale Sefamala Ven David Helson RAHAROJAONA
Ny Aumonier FIMPIADA Doyen Lalaina Harimisa RAKOTOARIVONY
Ny Mpandrindra ny Mpampianatra Evj Ernest Jean RANDRIAMALALA
Ny Mpandrindra ny Mpiomana Evj Rolys Hajatiana RAKOTOARISON
28/02/2026
" Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, "Efes 4:11
"Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. " 2Tim 4:5
Isaorana ny Tompo tontosa soamantsara ny "la retraite" notanterahina tao amin'ny fiangonana santa stephan Anatihazo.
Isaorana rev RALAITSIFERANA Fenitriniana Patrick. presbyteran'ny paroasy
Ianareo Komity piangonana iray manotolo
Ianareo zanaky ny santa Stephan Anatihazo tsy ankanavaka
Nanaiky antsitrapo ny nanatanterainay izao fisitahana masina izao.
Mirary ny soa sy ny tsara ho antsika rehetra eo ambany fasoavanan'Andriamanitra.
28/02/2026
" Fa raha inoantsika fa efa maty Jesoa sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesoa* hiaraka aminy. (* Na: tamin'ny alalan'i Jesoa) "
1Tesa 4:14
Ven Bery dia anisan'ireo vy nahitana sy angady nananana ny SEFAMALA teto anivon'ny Diosesin'Antananarivo.
Mirary fihononana ho an'ireo fianakaviana nidompahoriana, Jesoa no hameno ny banga eo amin'ny fiainantsika.
27/02/2026
SEFAMALA : Sekoly Fanofanana Masina ho an'ny Laika.
1.-ENTO AM-BAVAKA !
Ao anaty Fietahana Masina (Retraite spirituelle) izy 26 mianadahy mianaka ho fiomanana ny Fanokanana azy ireo ho: Evanjelista -Mpiandry - Mpitoriteny ny Alahady 01 Martsa 2026 amin'ny 2 ora tolakandro ao amin'ny Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro- Antananarivo .
2.-Andiany :** FIDERANA NY VONINAHINY ** Efesiana 1:14b no anarana isalorany izy ireto = => Fantatr'izy ireo tsara ny Efesiana 1 : 3-14 dia ny FITAHIAM-PANAHY REHETRA ANY AN-DANITRA nomen'Andriamanitra azy ireo- tamin'ny Finoany an'Jesoa Krsity , Izay nekeny ampahibemaso ho Tompony sy Mpamonjy ny fiainany, ka ny fanompoany dia ho * FIDERANA NY VONINAHITRY NY FAHASOAVANY, IZAY NANASOAVANY AZY IREO AO AMIN'NY MALALA *
(Efes. 1:6).
- Ho an'Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ny dera sy ny haja ary ny voninahitra mandrakizay .Amena.
15/02/2026
EKLESIA EPISKOPALY. MALAGASY .
DIOSESIN'ANTANANARIVO.
SEkoly FAnompoana MAsina ho an'ny LAhika (πππ
πππππ)
- - - - - - - - - - - - - - - - - -
π¨πππππ :Fanirahana sy Fanokanana Ministera Lahika.
- Ry havana,
Raha sitrapon'Andriamanitra dia hisy Fotoam-pivavahana : fanirahana Evanjelista sy Mpitoriteny ary fanokanana Mpiandry , izay hotanterahina ny * ππ₯ππ‘πππ² 01 πππ«ππ¬π 2026*, ao amin'ny Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro, manomboka amin'ny 2 ora tolakandro. Izany dia eo ambany fitarihan'i Mgr RANARIVELO Samoela Jaona, Evekan'ny Diosesy.
Koa dia am-pifaliana no hanasana antsika Kristiana rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina ho tonga hiara-hidera sy hisaotra an'Andriamanitra amin'izany.
Dia manantena ny fahatongavantsika maro, ary mametraka ny veloma finaritra amin'ny Anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika.
Ny TALE-ny SEFAMALA : VΓ©nΓ©rable RAHARIJAONA David Helson.
24/01/2026
ππππππ ππ πππππ'π πππππππ?
SEFAMALA: SEkoly FAnofanana MAsina ho an'ny LAika:Isaorana ny Tompo-tanteraka ny Fifampiarahaban'ny SEFAMALA androany 24 Jan.2026 teto Avaratranjoma.
1.-Fotoam-pivavahana notarihin'i Evanjelista Rolys sy Ranom-bavaky ny mpianatra.
2.-Toritenin'i Evanjelista Ernest.
a)-Taona Vaovao-mivoaka ny vavan'ny rehetra ny Tsodrano! Fa nisafidy aho-aleo Andriamanitra mihitsy no hitsodrano ny SEFAMALA satria Nomery 23:19- . Tsodrano avy amin'i Jehovah: Nomery 6:24-26.
b)-MBOLA HAHITA NY TAVAN'I JEHOVAH tokoa ve?
- LOZA!Gen. 3:8-9: nanota Adama sy Eva dia NIERY NY TAVAN'I JEHOVAH izy mivady! (Fa aiza moa no tsy ho hitan'i Jehovah e ?)- noroahina niala tao amin'ny Saha Edena (Gen. 3:24)-tsy nahita ny TAVAN'ANDRIAMANITRA intsony ny olona !Mosesy nangataka mba hahita ny tavan'i Jehovah fa novaliany hoe: