Tsy hosorana alikaola na rora na tantely ny vaksiny, na dia misy nana be aza. Lasa tsy mandaitra ilay izy : toa ny tsy natao ihany
Torohevitra ho an'ny Reny
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Torohevitra ho an'ny Reny, Education, Ambonisoa, Itaosy, Antananarivo.
🇲🇬🩺 Minoharifidy
Torohevitra maimaimpoana sy fizarana resaka fahasalamana | 2019 hatramin'izao | 63.000 mpanaraka
🤱 Mampianatra mampinono | Tsy marary
🤰 Préparation à l'accouchement
💌 Mandray fiaraha-miasa : [email protected]
19/08/2026
Oadray izany vava 😅
Après les actions, viennent les conséquences… 😌😂
Et parfois, elles arrivent plus vite que le livreur de nos biscuits… dès 10 000 Ar ! 🛵💨
Fanontaniana matotra :
Inona kay ny marque marqueur tableau blanc izay tsara fa tsy hoe sarotra fafana be, sy mamela tasy be rehefa fafana ?
Tena efa nampiasa Schneider aho fa mamela tasy be, ny M&G koa mamela tasy sady mora simba.
Tsy hoe misambotra ny sakafonao akory ilay zaza ka midika hoe efa tokony omena sakafo.
Sa omena toaka koa raha misambotra toaka ?
Be rivotra mihitsy ny zaza latsaky ny 4 volana. Fa tsy hoe ianao no tsy mahay mitaiza !
👀👇
17/08/2026
« Ankatoaviko ihany izay lazain'ny lehibe fa mety hahasoa » ...
I Soa dia tsy tia sakay, ary tsy mpihinana sakay.
Niteraka i Soa. Nangovitra be tsy tanany mihitsy ny feny.
Novazavazain'ny mpanaraka azy i Soa hoe « Mafy loha ! Efa tenenina hoe tsy azo mihinan-tsakay, mbola nihinana ihany matoa mangovitra ! Aza mandainga ! ».
Araka ny nazavaiko foana teto amin'ny pejy : tsy misy fifandraisan'ny sakay amin'ny mangovitra. Fomba fiatrehan'ny vatana ny traumatisme amin'ny fiterahana ny mampangovitra. Ary tsy niniana io, tsy tana. Tsy hoe « tsy ampy fiomanana », araka ny hiheveran'ny olona azy ihany koa.
Nendrikendrehana i Soa hoe izy no fototry ny hadisoana sy mbola nandainga ihany koa. Nomelohina izy, tsy navela hiteny hoe mba hamaly fa « efa voaporofo » hono ny laingany. Anefa tsy nisy hadisoana na dia 1 aza nataony.
Tsy i Soa ihany no niaina izany. Maro ny tahaka an'i Soa eto Madagasikara. Maro be ny efa hitako sy reko, anisany ny niainako. Tsy resaka sakay mampangovitra ihany. Ao ihany koa ny pôketra na rojo hisakelehana, sns.
Fotoana ilavan'ny vehivavy iray fanohanana be ny fiterahana sy ny fitaizana zaza. Fa matetika, eto Madagasikara, ovaintsika vehivavy ihany ho fanapempoana ny reny vao avy niteraka.
Ireo rehetra ireo dia manimba olona. Ireo no mamboly tsikelikely ny dépression. Io olana io, izay mahamenatra anareo anefa mety hitarika loza ihany koa.
Ka rehefa mampianatra aho hoe tsy misy fifandraisany io. Tsy ho anareo izay milaza hoe « hajaiko ihany fa nahasoa ny hafa sady tsy mampaninona ahy ». Moa ve niaro an'i Soa tokoa tamin'ny nangovitra ilay tsy fihinanan-tsakay ? Satria tsy nampaninona azy velively ilay tsy nihinan-tsakay, satria izy efa tsy tia rahateo. Tsy ho anareo ireo fampianarana ireo. Fa fiarovana ny reny malagasy izay pempoin'ny vehivavy hafa malagasy ihany koa.
Rehefa manasa fivaviana dia tsy mila sasana ny any anaty lavaka. Na savony manitra ampidirina any aza hivadika pertes maimbo.
Tsy mampangovitra vavan-jaza izany ny fihinanana sakay rehefa bevohoka. Hajanony ilay fanomezan-tsiny ny reny ô !
👀👇
Fomba fiatrehan'ny vatana ny traumatisme an'ny fiterahana ilay mangovitra rehefa miteraka. Fa tsy sakay izany !
14/08/2026
Fomba mahomby hanaparitahana tsaho ...
Fomba fampihorohoroana olona ...
Tsotra be : Maka zavatra marina ianao, dia hitarinao, na ataonao mivoana mba hataonao fototry ny lainga ho aparitakao.
Ohatra :
Misy karazana tsindrona fanabeazana aizana 2 ampiasaina eto Madagasikara. Samihafa ny dose an'ireo tsindrona 2 ireo. Izany hoe ny 1 kelikely kokoa ny dose raha ampitahaina amin'ny 1 hafa. Io ilay zavatra marina.
Ny tsaho ahelin'ny olona, avy amin'izay zavatra marina izay : Ilay kely dose dia tsy mandaitra ka mety mahabevohoka. DISO io !
Na dose samihafa aza ireo, na samy tsindrona izao ihany, tsy mitovy ny hormones ampiasaina, ary tsy mitovy ny fomba fanindromana azy. Araky ny fikarohana natao, ilay kely dose kokoa dia mandaitra rehefa tsindromina ambany hoditra. Ary ilay bebe dose dia mandaitra rehefa tsindromina anaty nofo. Ary efa hainay mpiasan'ny fahasalamana manindrona hoe aiza ny hanindromana ny tsirairay amin'ireo.
Izany hoe, tsy ny dose mihitsy no olana eto. Fa notapahana ilay hevitra mba izay azo ho havadibadika fotsiny no ampiasaina. Dia avy eo mamorona lainga ampiarahana aminy.
Io ary mbola resaka fanabeazana aizana fotsiny. Fa maro ny resaka momba ny fahasalaman'ny zaza izay foronin'ny olona hampihorohoroana ray aman-dreny. Fa ny tena halako dia fahitalavitra fijerin'ny olona manampy manely ny tsaho, tsy maka mpiasan'ny fahasalamana akory hanazava ilay izy. Fanakorontanana saim-bahoaka anie izany fa dia tsy misy miraharaha. Tsy hitonona aho hoe iza, satria tsy hanao dokambarotra an'io fahitalavitra io aho.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Contact the school
Website
Address
Antananarivo
Opening Hours
| Monday | 08:00 - 17:00 |
| Tuesday | 08:00 - 17:00 |
| Wednesday | 08:00 - 17:00 |
| Thursday | 08:00 - 17:00 |
| Friday | 08:00 - 17:00 |