Ra Hents Mpampianatra Guitar Metal

Ra Hents Mpampianatra Guitar Metal

Share

Mpitendry guitar metal ianao nefa mahatsapa hoe tsy maha afa-po ny traik'efa hanananao amin'izao? Tsapanao hoe tsy tafa intsony mianatra irery?

Andao hiara hiasa! Antsoy ny 034 75 600 44 na mandefasa hafatra miafina amin'ny pejy!

23/11/2025

Fizarana video kely niarahana natao tamin'ny mpianatra 😁😁
Eto moa izany ilay hoe disodiso kely tsy maha mort? 😅
Notairina avy hatrany moa izy ity dia izay no mahatonga azy ohatran'izao.
Fa ao anatin'ny fianarana daholo izany rehetra izany 😁

Miaraka amin'i Aïî Nääh izy ity, arabaina amin'ny fety androany! 😁😁😁

06/11/2025

FAMPIANARANA GUITARE!

Sendran'izao ve ianao ankehitriny?👇🏼👇🏼

Te ahay hitendry guitare kokoa ianao. Tsy mbola tonga amin'ny niveau irinao ianao izao.

Tsapanao anefa fa mi-plafonne ny fahaizanao. Tsy mahatsapa fivoarana firy, tsy miova mihitsy ny zavatra afaka ataonao. 😫
Nanandrana ny tuto rehetra hita eny ho eny fa tsy misy fiovana mihitsy. 😶
Mety miheritreritra ianao hoe "tsy manan-talenta angambany aho dia izay ny tsy mampahay ahy😓😭".

Raha izany no manjo anao dia misy vaovao mahafaly ity: manana VAHAOLANA ho anao aho!

*Torolalana izay natao hanafaka ny plafonnement anao amin'izao fotoana izao!
*Fomba fikotranana mahatonga anao HIVOATRA FOANA isaky ny mandray guitare!🏋
*Méthodes sy fanampiana spécifique natao ho ANAO manokana, natao hanala ireo sakana manjo ANAO, natao hanampy anao ahatratra ny OBJECTIF-NAO manokana.

Aiza ary no ahitana an'izany rehetra izany?
Ato ihany e! Ra Hents vonona hanampy anao!
Antsoy ary ny 034 75 600 44 na mandefasa message amin'ny pejy dia andao isika hitafatafa momba izany rehetra izany.
Aza miandry ela fa tsy mihatsara ho azy eo ny fitendrinao raha tsy amboarina izao dieny izao!

23/09/2025

Te ahay hitendry guitare ianao?
Ireto misy torohevitra kely omeko anao! 😁

Araho ary ireto missions omeko ireto dia ho hitanao ny vokany! 😉

-Mission 1: Tadiavo ny MOTIVATION! Mila motivé tsara ianao mianatra an'io instrument io raha tsy izany very. Na hanaraka ny fampianarana ultime aza raha vao ianao no kivy na kamo dia tsy ahay mihitsy. Tadidio hoe inona no nahatonga anao nitendry an'io guitare io voalohany indrindra. Tadidio ilay idole na ilay hira namoha ny passion anao.

-Mission 2: Apetraho ny tanjona! Mila tanjona banjinina foana ianao raha tsy izany mora very lalana. Lany andro fotsiny sinon.

-Mission 3: Asio rindrany ny kotrana ataonao! Alamino mialoha ny kotrana ho ataonao mifanaraka amin'ny tanjona kendrena sy ny faiblesses rehetra manakana anao ahatratra ireo tanjona ireo. Aza andrasana rehefa hikotrana izay vao miheritreritra hoe inona moa izany no ho ataoko. Lany andro fotsiny ary lasa fohy kely ny fotoana tena nianarana guitare fa mety lasa niafara nitendritendry hira fotsiny (tsy mampivoatra ny mitendritendry hira fahatany).

-Mission 4: Tanteraho daholo amin'izay ny zavatra rehetra nomanina teo ambony! Raha tsy atao io tsy misy effets. Ataovy ary ankafizo!

-Mission 5: Mijinja ny nafafy!
Nanaraka tsara ny zavatra rehetra tokony natao? Lasa mihamahay ianao! Félicitations!
Misy tsy tanteraka tsara na nodinganina? Dia efa mahereza izany 😅

Misy tsapanao hoe sarotra ny dingana mila arahana?
Misy tsy tena hainao ny hitondrana azy?
Tsapanao hoe tsy ho vitanao irery ny manaraka ireo?
Vonona ny hanampy aho! 😉
Midira ary MP fa inona no andrasana? 😁

16/09/2025

Te hivoatra amin'ny fitendrena guitare ianao?
Mikotràna isan'andro! 😁

Efa mikotrana isan'andro ianao fa tsy mivoatra isan'andro?
Araho ireto dingana ireto! 😉

1 - Mametraha tanjona! Mila tanjona kendrena ianao rehefa mikotrana. Mazava hoe aiza no tokony hifantohana amin'izay fotoana izay. Raha vao tsy misy tanjona ianao dia mitendritendry fahatany dia eo ilay lasa tsy mivoatra 😅

2 - Atao analyse tsara ny faiblesses rehetra! Rehefa hita ny faiblesses rehetra dia hifantohana sy ahitsy. Raha tsy amboarina ny faiblesses dia tsy hivoatra mihitsy ny fitendrinao. ☠️

3 - Entraînement! Io no zava-dehibe indrindra. Rehefa fantatra daholo ny zavatra mila atao sy mila ahitsy sy hifantohana, fanazarana sy application amin'izay! Pratique no tena mampahay! Tsy misy dikany ny fahalalana raha tsy misy fampiharana! ⚠️

4 - Lasa mahay ianao! Narahanao tsara daholo ireo dingana teo aloha? Lasa mivoatra ianao izany. Eto ilay mahatsapa hafaliana sy fahafaham-po!
Rehefa faly dia mazoto! Rehefa mazoto dia manohy mikotrana! Rehefa manohy mikotrana dia mihamahay! Rehefa mihamahay dia lasa faly!

Inona ary ny andrasana fa ampiharo avy hatrany fa aza miandry! 😁😁
Ary raha liana ny hivoatra rapide kokoa noho ny miady irery ianao, dia avia mianatra aty amiko fa ataontsika avance rapide izany rehetra izany! 😉

Midira ary MP e! 😃😃

07/09/2025

Oviana izao ianao no nahatsapa fivoarana goavana farany tamin'ny fitendrena guitare ?

Raha efa manomboka mihoatra ny herinandro iray izay, tokony efa ho tamy indray izany izao ny manaraka fa ela izay😁

Raha efa manomboka mihoatra ny tapa-bolana, sao dia tsy nikotrana tsara isan'andro fa lasa kamokamo? Tsy aleo ampina tosika kely? 😃

⚠️Raha efa manomboka mihoatra ny iray volana, misy tsy mety ao amin'ny fitondranao ny kotrana ao fa efa loatra izany.⚠️
Avia miresaka amiko dia hiarahantsika manitsy izany tsy mety izany!😉

☠️Raha efa amam-bolana maro na aman-taonany dia mila fanampiana aingana dia aingana ianao hamadihana tanteraka an'izany. Sanatria lasa miheritreritra ianao hoe tsy natao ho anao ilay fitendrena guitare. ☠️

Tongava mp avy hatrany fa aza avela ho very ilay fitiavana mitendry!🎸🎸🎸

20/08/2025

Extrait kely amin'ny séance fianarana guitare aty amiko!

Kotrana ihany no mampahay an'io guitare io. Ary rehefa mikotrana dia tokony sady mahafinaritra ny manao azy no tsapa eo no eo ny vokatra omeny fa tsy miandry herintaona vao lasa mihamahay kokoa.

Te hivoatra aingana ianao? Leo an'ilay mitsiriritra ny hafa fotsiny ?
Tongava mp dia andao avy hatrany alamina ny programa e!

24/04/2025

Demonstration miaraka amin'ny technique antsoina hoe Directional Picking!

Misy type ana phrases 3 ireo asesiko tendrena ireo. Mampiasa ny antsoina hoe "Directional Picking" aho mitendry an'ireo rehetra ireo. Ary io technique io no nahavitako nitendry rapide tsara araka izay niriko hatrizay, ary tohizako ampiasaina hatramin'izao.

Raha amin'izay fampiasana médiator rehetra rehefa mi-shred, io no optimisé indrindra. Ahafahanao mitendry amin'ny situation rehetra izy fa tsy limité mihitsy.
Ny mahatsara azy dia mora hianarana sy ampiasaina. Vao azo ny base dia VETIVETY dia misosa ireo tanana roa ireo.

Mahaliana anao ny handalina izany technique izany?
Tongava ary MP dia lazaiko aminao ao ny mombamomban'izay rehetra!

26/02/2025

Hojerentsika indray ny concept ana speed burst.

Fomba iray ahafahanao mampiakatra rapidité izy io. Plus précisément mianatra mampiasa ny vitesse maximale anao no tena tanjona eto. Raha ny fampiakarana rapidité mahazatra ilay hoe atomboka tsimoramora dia ampiakarina tsikelikely, ity indray dia maka ny vitesse ambony indrindra vitan'ny tananao ary hianarana ampiasaina1 à 3 notes à la fois.
Tadidio fa tsy tokana ny méthode fampiakarana vitesse fa maromaro ary mifampiaankina sy mifameno izy ireo.

Raha mahatsapa sahirana ianao amin'ny resaka rapidité, misokatra ho anao ny fampianarana aty amiko izay ahazoanao ny vaha olana momba izany rapidité tsy mety hiakatra izany sy momba ny éléments rehetra hafa amin'ny fitendrinao izay mitazonao tsy ho tonga amin'ny niveau irinao mihitsy.

Disponible izao ny programa special "Extreme Solo Mastery". Programa mifantoka tanteraka amin'ny fianarana sy fifehezana ny fanaovana solo miaraka amin'ny guitare électrique anatin'ny gadona metal.
Ho hitanao ao daholo: filalaovana notes ho matsiro faneno, fampiasana gammes ERAKY ny manche, fampiakarana vitesse fitendrena!
Aza miandry ela ary fa andao hiara hiasa dia mahavita manao solo araky ny irin'ny fonao amin'izay!
Mandefasa MP amin'ny pejy ary dia alamintsika ny fandehany!

29/01/2025

Indro zaraiko anio demonstration kely ny hoe zavatra toy ny ahoana no azonao avoaka miaraka amin'ity resaka gamme ity.
Exemple roa fotsiny ireo, fa ahafahanao mahita sombiny kely amin'ny fampiasana gamme ao anatin'ny fanaovana shredding.

Maniry ny ahay hitendry toa izao ianao?
Mbola sahirana amin'ny fampiasana gamme?
Tsy mahita lalana amin'ny fianarana solo?
Tsy mety hiakatra ny rapidité an'ny tanana?

Disponible izao ny programa special "Extreme Solo Mastery". Programa mifantoka tanteraka amin'ny fianarana sy fifehezana ny fanaovana solo miaraka amin'ny guitare électrique anatin'ny gadona metal.
Ho hitanao ao daholo: filalaovana notes ho matsiro faneno, fampiasana gammes ERAKY ny manche, fampiakarana vitesse fitendrena!

Aza miandry ela ary fa andao hiara hiasa dia mahavita manao solo araky ny irin'ny fonao amin'izay!
Mandefasa MP amin'ny pejy ary dia alamintsika ny fandehany!

16/01/2025

Hizara torohevitra kely ho an'ny mpitendry namana ato indray aho androany.

Resaka kotrana ana rapidité ilay izy ary mifantoka amin'ny fanasarahana ny mouvements an'ny tanana roa alohan'ny hanambarana azy.

Hianarana mitokana ny mouvements ataon'ny tanana mba ho mora kokoa ny mifehy ilay phrase.

Exemple tsotra kely izao ny ao amin'ny video fa afaka ovainao izay zavatra hianaranao manokana any avokoa ny ampiharana io méthode io.

Mila fanampina be be kokoa ianao amin'ny fianarana guitare? Misy fomba maro disponible aty ahafahanao mivoatra aingana lavitra noho ny amin'izao fotoana izao. Aza miandry ela fa midira ary MP!

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 10:00 - 22:00
Tuesday 10:00 - 22:00
Wednesday 10:00 - 22:00
Thursday 10:00 - 22:00
Friday 10:00 - 22:00
Saturday 10:00 - 22:00
Sunday 10:00 - 22:00