ACEEM Analamahitsy

ACEEM Analamahitsy

Share

Hamolavola tanora vonona sy vanona

05/04/2026

🕊️ « Izaho no fananganana amin’ny maty sy fiainana. » (Jaona 11:25)

✨ Mirary P***a sambatra ho antsika rehetra !
Enga anie ity P***a ity hitondra fiadanana, fitiavana ary fanantenana ho anao sy ny ankohonanao ✨
Ho aminareo anie ny Fiadanany 🤍

Photos from ACEEM Analamahitsy's post 20/02/2026

📸 Journée des écoles | Cours ACEEM Analamahitsy

Niara-nifaly tamin’ny hetsika ara‑zava‑kanto sy ny match inter-classe basketball ny mpianatra tato amin'ny Cours ACEEM Analamahitsy. 🏀 Hetsika nampiroborobo ny fanatanjahantena, fialamboly ary zavakanto ho an’ny rehetra.🎉

05/02/2026

🎉Nanatanteraka fankalazana ny taom-baovao ny Cours ACEEM Analamahitsy niarahan’ireo tompon’andraikitra, mpanabe ary solontenan’ny mpianatra ny herinandro lasa teo.

Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fandinihana ireo zava-bita sy fanamby tamin’ny taona lasa ny hetsika, izay notanterahina tamim-pilaminana na dia teo aza ny orana.

Manohy manavao ny fomba fampianarana ny Cours ACEEM Analamahitsy, mifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia.💻

📌 Misokatra hatrany ny fisoratana anarana ho an'ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana BEPC sy BAKALOREA.

Photos from ACEEM Analamahitsy's post 05/02/2026

📸 Sombin-tsary nandritra ny fankalazana ny taona vaovao teto amin’ny Cours ACEEM Analamahitsy, niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra, mpanabe ary solontenan’ny mpianatra.

27/01/2026

“Anisan’ny mampiavaka ny Cours ACEEM ny fomba fampianarana ampiasaina, izay efa mivoatra sy manaraka ny fivoaran’ny teknolojia amin’izao vanim-potoana izao 💻📚.”
Araka ny fanazavan-dRtoa Mirana, mpampianatra teny Frantsay ary Tantara sy Jeografia ho an’ny kilasy fahatelo eto anivon’ny Cours ACEEM Analamahitsy, dia manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fandraisan’ny mpianatra lesona izany fomba fiasa izany 👩‍🏫✨.

22/01/2026
19/01/2026

Nizara vatomamy ho an’ireo mpianatra ao amin’ny EPP Analamahitsy Cité ny Cours ACEEM Analamahitsy, ny herinandro lasa teo, tamin’ny alalan’ny Bureau des Élèves (BDE), ho fankalazana ny taom-baovao 2026.
Hetsika feno hafaliana sy firaisankina, izay nankasitrahan’ny talen’ny sekoly tanteraka. ✨

Photos from ACEEM Analamahitsy's post 15/01/2026

Nizara vatomamy ho an’ireo mpianatra ao amin’ny EPP Analamahitsy Cité ny Cours ACEEM Analamahitsy, tamin’ny alalan’ny Bureau des Élèves (BDE), ho fankalazana ny taom-baovao 2026.
Hetsika feno hafaliana sy firaisankina, izay nankasitrahan’ny talen’ny sekoly tanteraka. ✨🍬

01/01/2026

✨ Tratry ny taona vaovao 2026 ! ✨
“Apetraho amin’i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.” — Ohabolana 16:3

Ny COURS ACEEM Analamahitsy dia mirary soa ho an’ny mpianatra, ray aman-dreny, mpampianatra ary mpiara-miombon’antoka rehetra.
Enga anie ity taona vaovao ity hitondra fahombiazana amin’ny fianarana, fandrosoana, fahendrena ary fanantenana.r😊❤️

25/12/2025

“Hiteraka zazalahy izy, ary homenao ny anarana hoe Jesoa izy, fa Izy no hamonjy ny vahoakany amin’ny fahotany.”
(Matio 1:21) ✝️

🎄 Ny Cours ACEEM Analamahitsy dia mirary Krismasy feno fifaliana sy fiadanana ho an’ny mpianatra, ny ray aman-dreny ary ny mpampianatra rehetra.

✨ Enga anie ny fahazavan’i Jesoa Kristy hitarika antsika amin’ny fahendrena, ny fahalalana ary ny fahombiazana mandrakariva.

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Address

Epp Analamahitsy Cité
Antananarivo
101