03/05/2026
Amin'ny fo feno alahelo no nandrenesana sy hampandrenesana atsika rehetra mpiara-miasa rehetra amin'ny fahalasanan'ny Raiamandreny be ato amin'ny vovonana MIARA MIZOTRA dia i Andriamatoa FARANTSA, filoha lefitra sady CA tato amin'ny vovonana izy.
Ankasitrahana ny zava-bitany lehibe tato amin'ny fikambanana.
Mandria am-piadanana.
28/03/2026
FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO
MÉCANISATION AGRICOLE
Tsy afaka ny ahavitatena ara-tsakafo mihitsy ny tantsaha malagasy raha mbola hionona amin'ny fitaovana nentim-paharazana.
Tsy maintsy atao ny ezaka ahafahana mampiasa fitaovana mekanika ahafahana mitrandraka ny tany lavavoly eto amitsika satria isany sakana tsy ahafahan'ny tantsaha mivoatra ny tsy fananana fitaovana ahafahana manao izany. Raha mbola fangady sy antsy dia mbola lavitra izany fahavitatena ara-sakafo izany.
Izahay ato amin'ny Organisation Paysanne Miaramizotra dia miezaka manampy ny tantsaha ato amin'ny distrika Ambato boeny ny amin'izany ka mapanofa fitaovana vitsivitsy izay hitatsika amin'ny sary.
Afaka manantona mivantana ety amin'ny ivontoerana fivarotana sy fiofanana raha liana na mila fanazavana, afaka miresaka mivantana amin'ireo mpamokatra masomboly izay mpikambana ato amin'ny OP ihany koa anefa
18/03/2026
Compost & integrated management
Compost can help reduce the emergence of striga (a parasitic plant) through the action of microorganisms in the soil, while also improving fertility. Learn more at:
https://www.accessagriculture.org/composting-beat-striga for english version
https://www.accessagriculture.org/fr/du-compost-contre-le-striga for french version
17/03/2026
Fintina an-tsary nandritra ny fanodinana horonan-tsary fampahafantarana sy fanadihadihana momba ny rojom-pihariana masomboly vary tato amin'ny Organisation Paysanne Miaramizotra sy ny Distrika Ambato-boeni, niarahana tamin'ny Réseau SOA
Dans le cadre du projet FOFS
15/03/2026
Livraison à Sofia
Mankasitraka hatrany manohana anay tantsaha
Lany aloha ny hazo zanatany
Mbola misy vitsivitsy ny hazo vahiny.
Ho atsika ato amin'ny distrika (ambatoboeny) irery ihany, afaka manantona raha manana tany malalaka azo hambolena fa omena maimaim-poana indrindra ny mpikambana izay mbola tsy naka.
NB: tsy mahazo misafidy fa efa misy karazan-kazo natokana ho zaraina.
Organisation Paysanne Miaramizotra
12/03/2026
Tsy mifidy andro na alina rehefa hoe ho an'i tantsaha
zazakely, tanora, antitra
Mankasitraka anareo fa mbola maro ny liana amin'ny fanatsarana ny sompitra iombonana dia tsy inona izany fa ny tany,
video
Access Agriculture
Digi-RAS Madagascar
06/03/2026
Mahavokara be tompoko ô!
🌱sady harena amin'ny hoavy no fiarovana ny tontolo iainana ny fambolena zanakazo
🌱 Mbola misy hatrany ny zanakazo ato amin'ny tanin-janakazo ny Organisation Paysanne Miaramizotra ho an'izay mitady.