🇲🇬 Agence Nationale de Placement de Main-d’œuvre à l’Étranger. 🚨 Miantso ny fanjakana izahay mba hanangana eto Madagasikara ny Agence Nationale de Placement de Main-d’œuvre à l’Étranger.
🚨 Agence Nationale misahana mivantana ny fandefasana sy ny fanohanana ny tanora Malagasy hiasa any ivelany, amin’ny fomba ara-dalàna sy voaaro.
🚨 Miantso izahay mba hisy fifanarahana manokana (accord bilatéral) eo amin’ny fanjakana Malagasy sy ireo firenena lehibe, hanamorana ny fahazoan’asa ho an’ny tanora.
________________________
🚨💯 Mila manangana Agence Nasionaly lehibe iray izay ahitana departemanta maromaro isika, toy ny:🔥🔥🔥🔥
🇲🇬1️⃣ Departemanta misahana manokana ny asa any Amerika 🇺🇸
🇲🇬2️⃣ Departemanta misahana ny asa any Canada 🇨🇦
🇲🇬3️⃣ Departemanta misahana ny asa any Azia sy ny tany Arabo
🇲🇬4️⃣ Birao misahana ny asa manerana an’i Afrika
🇲🇬5️⃣ Birao manokana misahana ny fampiofanana arak’asa sy fanomanana amin'ny langue
________________________
🚨 Tsy “fuite de cerveau” velively izany, fa paikady stratejika hanampiana ireo tanora sahirana sy tsy an’asa. Na dia ireo avy amin’ny fianakaviana tsotra sy tsy manam-bola aza dia tokony hanana vintana mitovy hahazo asa ivelany, amin'ny alalanio Agence Nationale io.
🚨 Tombotsoa Vitsivitsy amin'izany:
👉Mihena ny tahan’ny tsy fananan’asa
👉Mihena ny fikorontanan-tsosialy sy ny tsy fandriampahalemana
👉Mitombo ny fidiram-bolan’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny “transfert de fonds”
👉Mitombo ny traikefa sy ny fahaiza-manao azon’ny tanora.
👉 Mitombo ny isan'ireo olona mahafantatra an'i Madagascar maneran-tany.
👉 Voaaro sy voajery manokana ireo Malagasy miasa any ivelany
👉 Voafehy araka ny tokony ho izy ny fivoahan’ny tanora hiasa any ivelany
👉Rehefa miverina an-tanindrazana izy ireo dia afaka mampihatra ny traikefa tsara sy ny fahaiza-manao azony tany ivelany, ka mandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ny firenena
🇲🇬 Paikady mazava sy maharitra izy ity: manokatra varavarana ho an’ny tanora, manatsara ny toekarena, ary manangana taranaka manana traikefa iraisam-pirenena.
🇲🇬 🇲🇬 Sady atsangana sy arenina ireo orinasa Malagasy potika no omena vintana hahazo asa any ivelany ireo mbola tsy an’asa.
FMTT
Poverty is not an accident, it's a choice
19/02/2026
🇲🇬 Tsy Maintsy Tratra ny Tanjona
🇲🇬 Madagascar an'i Malagasy.
12/02/2026
🇲🇬 Mankahery ny tra-boina rehetra ao Tamatave tompoko💔 Porofo mivaingana izao zava-misy ao Tamatave izao fa tsy mety ny découpage 6 États fédérés, satria lasa miady irery izay province tra-doza toy izao.
Ny Rafitra Federaly mizara telo (3 États fédérés) ihany no tena mety amin’i Madagasikara, satria io no rafitra miorina amin’ny complémentarité, équilibre stratégique, ary cohérence géoéconomique.
🔥 Mila an’i Antananarivo ianao ry Tamatave, ary Antananarivo koa tsy mahavita tena irery raha tsy misy an’i Tamatave.
Raha sarahina izy roa, dia tapaka ny circuit économique national, tapaka ny chaîne logistique, ary mety hiteraka fahapotehana tanteraka amin’ny rafitra ara-toekarenan'ny Madagascar iray manontolo mihintsy aza.
26/12/2025
🛑📌‼️ Le génie
✨🇲🇬 VAHAOLANA LEHIBE HO AN’NY MPANDRAHARAHA MALAGASY MADINIKA SY LEHIBE REHETRA 🇲🇬
💼Une solution puissante, simple et efficace
natao manokana ho anareo mpandraharaha Malagasy, mba hanatsarana ny fitantanana,
hampitsaharana ny fatiantoka,
ary hanamafisana ny succès de votre business.
🔥 Aparitaho ! Partagez massivement !
Satria tena betsaka ireo namanao mpandraharaha mila izao VAHAOLANA izao, mitady changement réel, ary vonona hiroso amin’ny niveau supérieur.
🤝 Ensemble, faisons avancer les entrepreneurs malagasy.🚀 C’est maintenant, pas demain. Tsindrio ny lien etsy ambany hahafahanao misitraka avy hatrany ny vahaolana
http://www.yalglobal.com/
04/12/2025
Efa manomboka tafiditra tsikelikely ny Teknisianina. Miandry an'ny Atoa mba hanetritena hanatevin-daharana fa tsy miandry hoe antsoina fôna vao manantona. Mba mi-insiste kely e.
27/11/2025
👂🇲🇬Aleo samy manana ny azy hoy ny sasany, manao hoe: « ZARAO ENINA AMIN'IZAY TSY MIFANELINGELINA‼️
SAMY MANANA NY AZY 😀 » Raha io no toe-tsaina anorenana ny découpage, dia tena mampihorin-koditra.
🚫 Toe-tsaina tia tena ary tsy miorina amin’ny firaisankina ny hoe: “SAMY MANANA NY AZY”
Ny États fédérés dia tsy tokony hatsangana ho rafitra SAMY MANANA NY AZY na ihany koa ho rafitra TSY MIFANELINGELINA,
fa mba ho rafitra mampiray ny Malagasy rehetra sy mampandroso an'i Madagascar.
🇲🇬💡 Antony matanjaka mahatonga ny 3 États Federés no tena vahaolana 🇲🇬 🛑 TROIS ÉTATS FÉDÉRÉS 🛑
✔ 1. Découpage manala ny adim-poko
Raha zaraina 6 io dia ambonimbony ny risika mety hisian'ny adim-poko sy rivalité régionale. Ny 3 État fédérés dia tsy mizara araka ny foko, fa araka ny zone stratégique sy équilibre économique:
1. État du Nord (Majunga – Diego)
2. État du Centre (Antananarivo – Toamasina – Antsirabe)
3. État du Sud (Tuléar – Fianarantsoa)
✔ 2. Mora fehezin’ny Filoham-pirenena
3 États ihany no mora arahina maso, mora fehezina, mora akiany politika, fa raha mizara enina io dia tsy ho voafehin'izay ho filohampirenena eo satria lasa misy governemanta 6, juridiction 6, Parlemanta 6, institutions 6 sns
✔ 3. Tsy mandany vola sy fotoana be.
Ny fananganana rafitra 3 dia mora, haingana, ary maivana raha oharina amin’ny 6 États.
Raha mizara enina mantsy dia hitombo ny coût administratif : Birao enina, parlemanta enina, gouverneurs na filoha enina… vola an’arivony miliara sns
✔ 4. Manakana ny fisian’ny “État faible”
Raha 6 no atao dia mety ho état roa ihany no handroso, ny efatra hafa hijaly ka mety hiteraka instabilité.
Raha 3 no atao dia azo antoka fa tsy hisy ho potika satria, province roa be Izao no natambatra ho Etat iray.
✔ 5. Découpage intelligent, raisonné, stratégique
Ny fizarana ho 3 raha ampitahaina amin'ilay 6 dia hita hoe misy étude, cohérence, ary logique géoéconomique. Fa Ilay hoe zarao enina amizay samy manana ny azy kosa dia hita hoe fitiavan-tena fa tsy fitiavana an'i Madagascar, Izany no mahatonga ny sasany milaza sahady hoe "zarao enina amizay ho hita eo izay resy sns" Fizarana mampandroso firenena no mila apetraka fa tsy Fizarana mampandroso faritra Iray.
✔ 6. Manamboatra État économique efa matanjaka
Ny État du Centre dia efa matanjaka , Misy an'i Antananarivo Tamatave Antsirabe, port aéroport international, renivohitra lehibe, toekarena sns, ANISAN'NY MAMPAHOMBY NY RAFITRA FEDERALY ny fisian'ny État Iray ao aminy Izay matanjaka be ara ekonomia
✔ 7. Mampikambana province roa, afaka mifameno sy miara-miasa .
Province roa no atambatra ho Etat iray, mifameno, mifanampy, mifanome tanjaka.Tsy mitovy amin’ny province tokana izay malemy.
✔ 8. Miaro ny Port de Toamasina
Ny 80% ny entana miditra sy mivoaka ny Port Tamatave dia entana avy any amin'ireo province hafa, noho Izany.
Hihena hatrany amin’ny 70% ny entana hiditra sy hivoaka amin’ny Port de Toamasina, Raha zaraina 6 ny État, satria ny fizarana ho découpage 6 dia fizarana " SAMY MANANA NY AZY" araka ny resaka efa aparitakin'ny sasany.
✔ 9. Mora hita avy hatrany ny mpitondra ratsy sy tsy mahomby
Ho moramora kokoa ny Fanaraha-maso ny mpitondra na ny dirigeants rehetra Isakin'ny État tsirairay ao anatin'ny état miisa 3 Raha ampitahaina amin'ny miisa 6. Ny surveillance 6 États dia manasarotra ny gouvernance.
✔ 10. Tsy mora manipulable ny État
Gouverneurs na Filoha (gouvernement) avy amin’ny province roa samihafa no hitondra ny État tsirairay ka tsy ho mora ny hi- manipuler azy ireo.
Raha zaraina 6 io dia ho mora manupuler-na ireo izay ao anatin'ny état faible ka lasa hiteraka olana goavana.
Hiteraka états faibles sy états matanjaka ary hiteraka tsy fitoviana politika na fahamarinan-toerana politique ny decoupage mizara 6.
23/11/2025
🇲🇬🔥 Nahoana no 3 États Fédérés no tsara kokoa ho an’i Madagasikara noho ny 6 États ? 🔥🇲🇬
‼️FILOHAMPIRENENA IRAY (1), FIRENENA IRAY, MALAGASY IRAY; ETAT TELO - Trois États fédérés ‼️
👉 Trois États fédérés : Système plus simple et rapide à mettre en place, mora sy haingana ny fanorenana azy ary tsy mandany vola, tsy mandany fotoana. Raha atao 6 États kosa dia lasa misy governemanta 6, parlement 6, teti-bola 6, administration 6, système d'éducation 6, pouvoir judiciaire 6, force de l'ordre 6, fifidianana 6, sns. KA TSY MAINTSY HANDANIANA VOLA SY FOTOANA NY FAMETRAHANA AZY
🛑 Réduction massive des coûts publics; Fihenan’ny fandaniana be loatra. 👉Raha vao miditra amin'ny État fédéral tena izy (fédéralisme poussé), dia tsy maintsy ahitana minisitra 15 raha kely indrindra isaky ny État tsirairay avy.
👉Eretereto ary hoe minisitra 15 ampitomboina 6 (six États) : tsy maintsy manana fandaniana sy bâtiment tsirairay avy ireo minisitra ireo, ary manana mpiara-miasa maro samihafa izay tsy maintsy karamaina.
👉Ankoatran'ny minisitra dia tsy maintsy samy manana institution (na andrimpanjakana ao aminy avy ireo États ireo) toy ny Mpitsara , Présidence , Gouvernement , Parlemanta , BIANCO, Commission électorale , "JIRAMA" , Polisy, sns.
⚠️ Mora ny miteny hoe atao 6 satria efa izany no teo… Dia hoy izahay hoe : RAHA NY EFA TEO IHANY NO HAVERINA EO DIA TSY HO METY IO. ❌ Mila sahy manova zavatra tanteraka isika fa tsy ny teo ihany no averina.
👉Tsy mahomby ary tsy hahomby velively ny État fédéral eto Madagasikara raha vao sarahina i Tamatave sy Antananarivo ary Antsirabe, satria izy ireo mitambatra no hanome angovo na “vovokaina” hampatanjaka ny économie MALAGASY. 💪🇲🇬⚡
RAHA HANANGANA NO TANJONA DIA 3 ETATS FÉDÉRÉS IHANY NO VAHAOLANA. FIKASANA HAMOTEHANA AN'NY ANTANANARIVO NY 6 ÉTATS FÉDÉRÉS, Aleo kokoa mandray 6 province autonome toy izay six États fédérés, NY TSARA SY METY INDRINDRA ANEFA DIA NY TROIS ÉTATS FÉDÉRÉS IHANY.
👉Betsaka ny antony fa ho ampitainay aminareo eto tsikelikely hatrany. Mazotoa manao partage au maximum 📣 ny p**e rehetra avoakan'ny FMTT ary raha mety dia ataovy copy-coller any amin'ny kaontinao ka aparitaho. 🔁🔥
🛑🇲🇬 TROIS ETATS FEDERES 🇲🇬 FIRENENA IRAY🇲🇬 MALAGASY IRAY🇲🇬VAHAOLANA TENA IZY HO AN'I MADAGASCAR🇲🇬
🎯 FÉDÉRALISME POUSSÉ 🟢🟢🟢
🎯
🇲🇬
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Contact the school
Telephone
Address
Antananarivo
101