Jejo Beauty and Spa Academy by Kawaii
COIFFEURS/ COIFFEUSES PROFESSIONNELS
SPA THÉRAPEUTES
FITNESS COACH
ARRÊTEZ DE RÊVER.. PROCHAIN ENTRETIEN : FIN AOÛT 2025
RÉVEILLEZ VOUS ET REJOIGNEZ NOUS POUR RÉALISER VOTRE RÊVE ☺⚡
TRAVAILLER À BORD D'UN BATEAU DE CROISIÈRE VOUS PASSIONNE??
🙏
‼️ FILAZANA ‼️
Manoloana izao tranga fandrobana sy famotehana fananana maro izao dia miombopo sy fanahy tanteraka amin'ireo sehatr'asa maro voaroba, rava ary ireo Malagasy maro very asa izahay eto amin'ny JBSA By KAWAII.
Isan'andro dia mitolona amin'ny fahatapahanjiro sy ny rano izahay eto amin'ny JBSA ary tena misy fiantraikany tanteraka tamin'ny fiofanan'ireo ankizy izany. Tena LEO DELESTAZY tanteraka saingy kosa manohatra ary manameloka tanteraka ny fanararaotana sy fanimbana ny tolona ho amin'ny tombotsoan'olombitsy.
Eto izahay dia miara-ory amin'ireo olona rava fananana sy voaroba, ireo namoy ny ainy, ireo very asa ka mampahery azy ireo hitraka hatrany.
Mampahery ny Mpitantana sy ny mpiasa ao amin'ny Kawaii Beauty Center manokana noho ny fandravana nahazo azy ireo.
Ho fiombonampo amin'izy ireo dia mikatona ny JBSA by KAWAII ary milaza tsy hoela eto ny amin'ny tohin'ny fandaminana.
Afaka miantso hatrany ny 0386815275 isika izay mila fanazavana fanampiny.
Mirary soa ho antsika rehetra.
26/08/2025
⚽🇲🇬 THANK YOU BAREA 🇲🇬⚽
Tahirintsary tamin'ny taona 2019 misy ireo mpianatra sy ny ekipan'ny JBSA (THHM tamin'izany) no hiarahabana ny BAREA amin'izao fandresena miezinezina izao 🥳⚽.
Mirary fandresena goavana ho an'ny LALAO FAMARANANA izahay ekipa rehetra eto amin'ny JBSA ary manohana hatrany hatrany ny Ekipampirenena Malagasy satria ny Malagasy dia mamiratra hatrany toy ireo Tanora Malagasy maro miasa any anaty ireny sambo lehibe manerantany ireny🥰☺😇.
Aza adino : Mandray anjara amin'ny SALON DE L'ETUDIANT ET DE L'EMPLOI eny amin'ny STADE BAREA ny JBSA ny 26 -27-28 Août 2025 izao an.
STAND 91 no misy anay ka tongava maro mitsidika 🙏🏾‼️🛥⚓
📲 : 0386815275
⚓⚽🇲🇬 ALEFA BAREA 🇲🇬⚽⚓
21/08/2025
SALON DE L'ETUDIANT ET DE L'EMPLOI du 26 au 28 Août 2025
‼️ STADE BAREA MAHAMASINA‼️
Handray anjara ao amin'ny SALON DE L'ETUDIANT ity ny JEJO BEAUTY & SPA ACADEMY BY KAWAII mandritr'ireo 03 andro ireo.
Stand N° 91 no misy anay.
Tongava mitsidika ny tranoheva misy anay fa vonona izahay hizara ny mahasoa ho anareo rehetra izay liana mahakasika ny ASA FANAOVAMBOLO SY FIKOJAKOJANA NY VATANA anaty ireny BÂTEAU DE CROISIÈRE lehibe indrindra manerantany ireny.
Aza adino ny daty
26-27-28 Aogositra izao aza😊
Any isika mifankahita eh😊🥰
Azonao antsoina hatrany ny 0386815275
28/07/2025
‼️‼️ TONGASOA TATIANA ‼️‼️
Matetika no ahitantsika ny sary sy ny vidéo an'i Tatiana eto amin'ny Pejy.
Ny antony dia tena anisan'ny Mpianatra niavaka izy satria tao anaty fotoana fohy na efabolana monja no nianarany ny resaka taovolo tamin'izany ary nanamafisany ny fianarana teny anglisy.
Nahomby avy hatrany tamin'ny fiadinana farany ny tenany ary fotoana fohy taorian'izay dia nihazo an'i Londres nanamafy traikefa izy ary nahazo ny Sambo lehibe.
Nandrato fiofanana maro ny tenany ary nahavita ny fifanarahana arak'asa 9 volana soa amantsara.
Tongasoa eto antanindrazana i Tatiana amin'izao fotoana izao ary maniry ny hiaona sy hitafa amintsika rehetra izay liana amin'ny ASA FANAOVAMBOLO anaty ireny sambo lehibe manerantany ireny.
Manome fotoana antsika izy ny ALAKAMISY 31 Jolay ho avy izao amin'ny 10ora ety amin'ny foiben'ny JBSA Tsarasaotra.
Hizara ny fahalalany, hijoro vavolombelona mivantana amintsika, hamaly ireo fanontaniana manitikitika antsika rehetra.
Aza adino aza ny fotoana hiarahana amin'i Tatiana RAOBY ny Alakamisy ho avy izao.
💢 Mpanao volo matihanina ianao na vao maniry hiditra anaty sehatra fanaovambolo.
💢 Mahafehy ny teny Anglisy ka mitady asa tsara sy mahavelona ary ahafahanao manatanteraka nofy maro.
💢 Te hitety izao tontolo izao amin'ny alalan'ny asa antsambo? Ka ho tonga MPANAO VOLO IRAISAMPIRENANA ? Hikarama amin'ny alalan'ny Dollars💰💵 ?
Maro ireo tombotsoa azo amin'ny alalan'ny ASA ANTSAMBO ho antsika Mpanao volo ka noho izany entano ny havana amantsakaiza, ireo namana mpiaramiasa mba hamonjy ity fotoana lehibe hiarahanao amin'i Tatiana ity.
Maimaimpoana io fotoana io ary natao ho an'ny daholobe.
Toerana : JBSA TSARASAOTRA
0386815275
‼️‼️ 31/07/25 @ 10ora ‼️‼️
✅ MBOLA MITOHY HATRANY NY FISORATANA ANARANA HO AN'IREO HIOFANA AN☺
30/06/2025
‼️PORTE OUVERTE 04/07/25 à 10h ‼️
✅ Ho anao izay mahafehy ny teny Anglisy
✅ Mahafehy ny asa fanaovambolo
✅ Na ihany koa mahafehy ny iray amin'ireo na vao hanaraka fiofanana.
✅ Manana nofinofy ny hiasa any anaty sambo lehibe ireny.
Natokana ho anao ity FAMELABELARANKEVITRA ity.
Entano ireo namana, mpiaramiasa, mpiaramianatra sy ireo havana amantsakaiza mba ho tonga hanatrika izany fotoandehibe izany ahazoanao ireo andinindininy rehetra mahakasika ny asa antsambo.
Toerana : JBSA Soavimasoandro - Tsarasaotra
☎ : +261386815275
Click here to claim your Sponsored Listing.