08/07/2022
RAIKITRA ARY IZY ITY REHEFA ELA NO NIANDRASANA AZY (tamin'ny Volana Martsa 2021 no nisy farany).
TEST D'ACCÈS EN 1ÈRE ANNÉE DE LICENCE (L1) eto @ Faculté EGS - Univ. Antananarivo.
👉 Koa satria ny volana Novambra 2022 no hanomboka ny Taom-pianarana 2022-2023 dia ho tanterahina ny Alarobia 5 oktobra (Économie), Alakamisy 6 oktobra (Sociologie) ary ny Zoma 7 oktobra (Gestion) ho avy izao ny Test d'accès eto @ Faculté EGS.
Manomboka ny Talata 12 jolay 2022 hatramin'ny Zoma 30 septambra 2022 ny fametrahana ny "Dossier de candidature" ho an'izay hanao izany Test izany (jerena ety @ Faculté EGS Ankatso ny andinindininy sy ireo ilaina manomboka ny Alatsinainy 11 jolay).
Fanamarihana vitsivitsy:
👉 Aza miandry fotoana farany vao mikarakara ny dossier ilaina (indrindra ny fandoavana saram-panadinana eny amin'ny Banky)
👉 Misokatra ho an'ireo manana Baccalauréat amin'io fotoana fametrahana ny "Dossier de candidature" io ny fiatrehana ny Test d'accès na Baccalauréat 2022 na 2021 na 2020 sns.
Tsy misy hoe "raha maty aho matesa rahavana" ny eto amin'ny Faculté: raha mivaly alohan'ny fifaranan'ny fotoana fametrahana Dossier ny Baccalauréat 2022 dia mazava ho azy fa afaka manao Test soamantsara izay afaka.
👉 Azo atao tsara, ho an'izay maniry izany, ny manao ny Test d'accès miisa telo (raha sady maniry sady hanao Test Economie no hanao Test Sociologie na Test Gestion) fa anjarany no mifidy izay ho atao avy eo arak'izay valin'ny Test nataony.
👉 Hisy ny "Journées de la Faculté EGS et Portes ouvertes" ny 7, 8 ary 9 septambra 2022.
Arakin'ny loharanom-baovaovao avy ao amin'ny "Faculté EGS"
Mankasitraka tompoko👌
03/07/2022
17/06/2022
27/05/2022
03/04/2022
16/03/2022
13/03/2022