La Ruche Groupe Pédagogique

La Ruche Groupe Pédagogique

Share

Tsy kisendrasendra nahampanabe anay,efa iraka tendrin'Andriamanitra aminay ny hanabe ny mpiara-belona

23/07/2026
Photos from La Ruche Groupe Pédagogique's post 21/07/2026

La Ruche Collège
Préscolaire - Primaire - Secondaire

Préscolaire mandray mpianatra manomboka 2 taona

Misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny mpianatra vaovao PRIMAIRE

Toeram-panabeazana feno traikefa sy efa nanome porofo ny fahombiazan'ny mpanabe sy ny teknika pedagojika ampiasainy.

19/07/2026

Tandremo sao tara!
Tandremo sao adino ny convocation sy ny carte d'identité.
Dia mahombiaza daholo.

Photos from La Ruche Groupe Pédagogique's post 19/07/2026

Miarahaba antsika zandry zanaka, hiatrika ny fanadinana baccalauréat manomboka ny Alatsinainy 20 jolay 2026.
Ireto misy hafatra vitsivitsy avy aty aminay mpanabe ato amin'ny Groupe Pédagogique La Ruche :
1. Eo amin'izao fihatrehana ny fanadinana izao, dia tsy fotoana fanaovana fandalinana intsony izao, fa famerenana fitadidiana amin'ny alalan'ny maso no tokony ataontsika, io ilay antsoina hoe mémoire visuelle; mijery ireo kahie lesona sy fampiasana mba hisian'ny tamberina.

2. Mety mitaintaina, mitebiteby, ary matahotra ianareo, ara-dalana izany, fa miezaka ny ho tony, izany no antony ampidirana antsika anaty efitrano fanadinana atsasakadiny mialoha; mba hanalana ny tahotra ary hakana ny fifantohana na concentration.
3. Tandremo! aoka tsy hisy hadino ny taratasy fiantsoana, ny taratasy fanamarinana ( convocation sy carte d'identité ), ny fitaovana rehetra fa mety hampikorontana.
4. Aza manao kiraro na akanjo tery fa mety manelingelina ny fifantohana, mila à l'aise tsara! manaova voky tsara fa tsy voky loatra
5. Manaova akanjo mafana tsara, tsy hoe mafana be mety hitarika hatsemboana akory. Raha ilaina dia manao gants sy satroka lamba fa ekena ny fanaovana izany any amin'ny efitrano fanadinana
6. Asio zava-mamy toy ny bonbon na chocolat any anaty paosy, satria ny kitapo dia mazana asain'ireo jury miambina hajanona eny anoloana, azo atao ny mihinana ireny ao anaty efitrano fanadinana fa ezahana mba tsy hanelingelina ny mpiadina hafa.
7. Ho antsika ray amandreny, ezaho mba ho sakafo mafana no omena ny zanantsika, sakafo tsy be menaka, tsy mamparary kibo, ary sakafo efa mahazatra.
8. Aoka tsy ho tara, aleo tonga aloha, mba tsy hampikorontana ny saina, sy hampisy fifantohana.
9. Reseo ny tebiteby sy ny tahotra, mifantoha amin'ny fanadinana, matokisa tena tsara (confiance en soi), ataovy ambony ny herintsaina, ampy hahavitana an'io ny ezakao nandritra ny 10 volana.
Mirary fahombiazana ho an'ny tsirairay.
Tiana Bodo Razanaparany
Directrice La Ruche Collège

16/07/2026

Miarahaba antsika
Marobe no mametraka fanontaniana dia ho valina miaraka.
Misy autorisation d'ouverture ara-panjakana ve La Ruche?
Eny tompoko, efa 20 taona amin'ity taom-pianarana ity La Ruche:
- misy autorisation d'ouverture ny sekoly, nanomboka ny taompianarana 2006-2007
- manana autorisation d'enseigner AE niveau III, ny tale mpitantana ny sekoly (Mme Tiana Bodo)
- manana autorisation d'exercer (AEx) ny mpitantana ny sekoly, maha ara-dalana ny crèche sy ny garderie ary ny petite enfance.
- nanampy fiofanana tamin'ny Ministeran'ny mponina sy ny Croix Rouge ny sekoly sy ny mpitantana,
- mandalo fiofanana isan-taona ny mpanabe rehetra ato amin'ny La Ruche, ary manao recyclage pédagogique isaky ny misy Ilana izany,
- Madama Tiana Bodo Razanaparany, izay tsy izoviana eo amin'ny tontolon'ny fanabeazana, Tale La Ruche Collège dia Pédagogue - Educatrice - Formatrice

mankasitraka antsika

12/07/2026

Isan'ny fototry ny fahombiazan'ny fanabeazana ny mpanabe sy ny teknika pedagojika ampiasain'ny sekoly

- Ny mpitantana ny La Ruche ( Madame Tiana Bodo Razanaparany) dia tsy izoviana eo amin'ny tontolon'ny fanabeazana, Sady mpanabe izy no mpampiofana mpanabe
- Manana faripahaizana momba izany
- Ny Mpanabe rehetra dia tsy maintsy mandalo fampiofanana isan-taona, ary manao recyclage pédagogique amin'ny fotoana rehetra ilana izany,
- Ny teknika pedagojika ampiasain'ny sekoly, dia teknika pedagojika efa vita sedra sy efa hita porofo tamin'ny fahombiazan'ny sekoly

Misokatra ho antsika ny fisoratana anarana
Mandray mpianatra vaovao.

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Lot Bas 194 Bis Angodona Ampitatafika
Antananarivo