Pejy mada scole Angle

Pejy mada scole Angle

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Pejy mada scole Angle, College & University, Antananarivo.

06/02/2024

salu mba omeo anarana tsy misy litera T

Photos from Pejy mada scole Angle's post 06/02/2024

cc

20/06/2023

🔰 SEMINERA LEHIBE HANDRAISANA FAMONJENA. 🔰🔰

🔰 Ho tanterahina eto Ankazomiriotra ity fotoan- dehibe ity izay hiarahana amin' ny fiangonana tarihin' ny mpanompon' Andriamanitra Apostoly Benjamina miaraka amin' ireo mpiara- miasa aminy.

🛑Izay milaza fa tia Ahy hoy Jesosy dia mandeha tahaka izay nandehanako koa...
Anisany fanaon' i Jesosy fony izy mbola teto an- tany ny mitory ny filazan- tsara eraky ny vohitra sy ny tanana ka dia tonga fianarana ho an' ireo izay manaradia azy ihany koa izany asa fitoriana izany.

🔰 Nitory teny soa mahafaly ho an' ny malahelo Izy, nitory fandefasana ho an' ny mpifatotra sy fampahiratana ho an' ny jamba, ary nitory ny taona ankasitrahana.

➡ Amin' izao fotoana izao dia maro ny olona efa tsy mahita fifaliana intsony amin' ny fiainana noho ny antony maro isankarazany ( aretina, ozona, mosavin' olona, fahantrana, zanaka na vady maditra sns...) ka mahatonga ny olona ho very fanahy mbola velona.

✅Mbola misy famonjena ho an' ny tsirairay, ho an' ny isan- tokatrano anefa ao amin' i Jesosy.
Hoy Izy: " Izaho avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be..." ❤

✅Manana fiainana tena tsara sady azo antoka homena izay rehetra mangetaheta sy mety manatona Azy Jesosy.

✅Tsy miova ny heriny fa tena mbola azo antenaina tsara amin' izao vaninandro farany izao.

Ny fotoanantsika ary :
👉🏻 Sabata 17 Jona 2023
👉🏻 Sabata 24 Jona 2023
👉🏻 Sabata 01 Jolay 2023
Samy manomboka amin' ny 9 ora maraina.

🔼🔼 Toerana: Tranom-pokonolona Ankazomiriotra

20/06/2023

Send a message to learn more

20/06/2023

📣 FANATI-PIDERANA LEHIBE📣

📣 Eo ambany fiahian'ny Raiamandreny Apostoly Benjamina mivady.

👉 Ho fankalazana sy fanomezam-boninahitra ary ho fisaorana an'Andriamanitra, nohon'ny nahatrarana ny faha-26 taona nanosorana ny RaiamandReny Apostoly Benjamina, ho Pasteur izao;

Ny komitin'ny Mpidera eto amin'ny Fiangonana FMFOI manerantany dia faly manolotra ho antsika : 🎶 FANATI-PIDERANA 🎸🥁 LEHIBE 🎶
🔔 Lapan'ny Fivavahana - Fiderana - Fahagagana Ambohimamory.
⏰ Alahady 11 Juin 2023 manomboka @ 9h maraina

🗣️ koa manasa antsika rehetra hiaraka hifaly sy hanotrona io fankalazana io.

TIA ANAO JESOSY



© 2023

20/06/2023

Ny fahazaran-dratsy izay namatotra azy, toy ny fisotroana, fidorohana. Ireo no sakana tsy nahitan'i Mr Jean de Dieu ny tavan'Andriamanitra hatramin'izay, hany ka tsy nahita fiadanana mihitsy izy teo amin'ny fiainany.
Simban'ireo fahazaran-dratsy ireo ny momba azy koa dia nanapa-kevitra izy nanolo-tena ho an'i .
"Tahaka ny olombelona rehetra aho, manana ny fahalemeko; saingy rehefa nandray an'i dia lasa nitsiry tato anatiko ny faniriana mba hamonjena ny fanahiko", hoy ny nambaran'i Mr Jean de Dieu.
👉 Tianao koa ve ny ho afaka amin'ny famatoran'ilay ratsy?

✅ Manantòna ny Fiangonana , isaky ny Sabata dia ho afaka ianao.

© 2023

Photos from Radio FMFOI 107.4MHz's post 06/06/2023
06/06/2023

"Amin'ny 4 ora ianao dia ho sitrana."

Io tenim-pinoana izay nambaran'ny io no nanafaka ny fahorian'ity renim-pianakaviana iray ity.
Nalemy tsy afa-nihetsika, babena na trotroina rehefa mba misy tiana aleha, izany no niainany nandritra ny 2 taona ngarangidiny 🥹😥

Nametrahan'ny mpanompon' Andriamanitra tànana ary narahiny an'io tenim-pinoana io ity vehivavy ity, ka niasa taminy ary dia sitrana teo noho eo. Tsy nobabena na notantanana intsony, afaka mandeha irery sy mahaleo tena tanteraka 😇💪👍.

Fiderana lehibe, fankalazana an' Andriamanitra no namaranana ny fotoana nandritra ity fanokafana ny Vondrom-bavaka tao Isahafa ity, ny Sabata sady Voaloham-bolana 20 Mey 2023 lasa teo.

Tsarovy fa afaka manao zava-mahagaga lehibe mihoatra noho izany eo amin'ny fiainanao .
Soavà tsarà

© 2023

Photos from FMFOI Apostolic's post 06/06/2023
Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Antananarivo

Opening Hours

07:53 - 17:00