18/04/2024
Fiadanana avy amin’ANDRIAMANITRA, RAIN'I JESOSY KRISTY TOMPONTSIKA anie ho anao sy ny ankohonanao.
NY TENY FIKASANA (1)
Famaritana:
NY TENY FIKASAN’ANDRIAMANITRA, NY AVO INDRINDRA, dia ireo FAMPANANTENANA na TOKY nomen’ANDRIAMANITRA, NY AVO INDRINDRA. NY AVO INDRINDRA dia MIROTSAKA AN-TSEHATRA, MAMPANANTENA HANAO na HANOME ZAVATRA.
I. TENY FIKASAN’ANDRIAMANITRA, NY AVO INDRINDRA, VITSIVITSY:
1. Nampanantena ANDRIAMANITRA, NY AVO INDRINDRA, fa tsy handrava intsony ny tany @ alalan’ny safo-drano (Genesisy 9:8-17).
2. Nampanatena ANDRIAMANITRA, NY AVO INDRINDRA, fa ny taranak’i Abrahama dia handova ny tany Kanana – (Genesisy 12:7. Izany teny fikasana izany dia tanteraka t@ andron’i Josoa (Josoa 21:43-45; 23:14-16).
3. Nampanatena ANDRIAMANITRA, NY AVO INDRINDRA, fa @ alalan’ny taranak’i Abrahama ny firenena rehetra dia ho voatahy - Genesisy 12:3. Izany teny fikasana izany dia tanteraka tao @ i Kristy (Asan’ny Apostoly 3:24-25; Galatiana 3:14-16,29).
II. IREO TOETRY NY TENY FIKASAN’ ANDRIAMANITRA, NY AVO INDRINDRA
1. Tanteraka foana (1 Mpanjaka 8:56)
2. Azo antoka @ alalan’ny fahefan’ ANDRIAMANITRA, NY AVO INDRINDRA (Romana 4:21)
3. Mio***a ao @ i Kristy (2 Korintiana 1:20; 7:1)
4. Manana sanda tsy misy fetra (2 Petera 1:4)
5. Tonga @ tampony avo indrindra ao @ fiainana mandrakizay (1 Jaona 2:25)
(Mbola hitohy)
16/04/2024
Fiadanana avy amin’ANDRIAMANITRA, RAIN'I JESOSY KRISTY TOMPONTSIKA anie ho anao sy ny ankohonanao.
NY FITSANGANAN’I JESOSY KRISTY TAMIN’NY MATY
Efa nitsangana t@ ny maty tokoa Jesosy Kristy (2 Timoty 2:8; 1 Korintiana 15:4). Izany no ZAVA-MISY TENA SAROBIDY @ TANTARAN’NY KRISTIANISMA. Fototra tsy azo ozongonzonina no ipetrahan’ny Kristianisma, noho izany FAHAMARINANA ARA-TANTARA sy FAHAMARINANA ARA-BAIBOLY izany.
A. NY MAHA SAROBIDY IZANY FITSANGANAN’I JESOSY KRISTY T@ NY MATY IZANY
Voambara in-104 mahery ao @ ny Testamenta Vaovao ny fitsanganan’i Jesosy Kristy t@ ny maty
1. NITANA TOERANA LEHIBE teo @ FAMPIANARANA APOSTOLIKA ny fitsanganan’i Jesosy Kristy t@ ny maty (Asa 1:21-22; 2:24, 29-32; 4:33; 17:18; 23:6; 1 Korintiana 15:15
2. ANISAN’NY FAHAMARIANANA FOTOTRA NY FILAZANTSARA ny fitsanganan’i Jesosy Kristy t@ ny maty (1 Korintiana 15:1,3,4; 2 Timoty 2:8)
3. NY FANDAVANA ny fitsanganan’i Kristy t@ ny maty, dia mahatonga ny FINOANA KRISTIANA ho FOANA, TSY MISY ANTONY (1 Korintiana 15:14,17)
4. Ny fampianarana fototra ny @ ny Fitsanganan’i Jesosy Kristy t@ ny maty dia MANANA FAHEFANA HAMONJY IZAY REHETRA MINO AZY @ ny FONY REHETRA (Romana 10:9-10)
5. Ny fahafantarana ny herin’ny fitsanganan’i Jesosy Kristy t@ ny maty dia anisan’ny mahatonga HAMBOM-PO AMBONY EO @ NY MPINO IZAY NOHAZAVAINA, ka mahatonga azy hihevitra ny zavatra rehetra toy ny taimboraka (zaoridira, fako) (Filipiana 3:8-10)
B. NY VOKATRY NY FITSANGANAN’I JESOSY KRISTY T@ MATY
1. T@ ny alalan’i Jesosy Kristy izay nitsangana t@ ny maty no nahatonga ny olona nino an’Andriamanitra Ray. T@ ny alalan’ny fitsanganan’i Jesosy Kristy t@ ny maty, ny finoantsika an’Andriamanitra dia lasa mafy o***a (1 Petera 1:21; 1 Korintiana 15:17))
2. T@ ny alalan’ny fitsanganan’i Jesosy Kristy t@ ny maty, ny mpino dia nateraka indray ho @ ny fanantenana velona, ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra. (1 Petera 1:3-4; Romana 10:9)
3. JESOSY KRISTY dia NAMBARA AMPAHIBEMASO fa ZANAK’ANDRIAMANITRA, MIARAKA @ ny FAHEFANA, t@ ny fitsanganany t@ maty (Romana1:4)
4. T@ ny fitsanganan’i Jesosy Krisy t@ ny maty, Andriamanitra dia nanome « POROFO AZO ANTOKA » ho an’ny olona rehetra, fa IZY NO HITSARA IZAO TONTOLO IZAO @ ny FAHAMARINANA @ ny ALALAN’I JESOSY KRISTY. (Asa 17:31; Jaona 5:22,27-29)
5. t@ ny alalan’ny fitsanganan’i Jesosy Kristy t@ ny maty, IREO IZAY MINO AZY dia « NOHAMARININA », izay midika hoe « natao ho marina ». (Romana 4:25)
6. @ ny alalan’ny FIRAISANA @ i JESOSY KRISTY izay NITSANGANA T@ ny MATY no ahafahan’ny MPINO HITONDRA VOKATRA ho an’Andriamanitra Ray (Romana 7:4)
7. VOAVONJY NY MPINO t@ ny alalan’ny FIAINAN’I JESOSY KRISTY (Romana 5:9-10; Jaona 14:19; Kolosiana 3:4; 1 Tesaloniana 1:9-10)
8. T@ ny alalan’ny fitsanganan’i Jesosy Kristy t@ ny maty, no nahatonga antsika nanana MPISORONABE (ANTOKA SY TOKY) IZAY VELONA MANDRAKIZAY, EO ANKAVANAN’ANDRIAMANITRA, HIFONA HO ANTSIKA; IZY dia TENA AFAKA MAMONJY IZAY REHETRA MANATONA AZY. (Romana 8:33,34; Hebreo 5:7; 1 Jaona 2:1; Lioka 22:31-32; Jaona11:42a)
9. Ny fitsanganan’i Jesosy Kristy t@ ny maty, no OHATRA SY POROFO ho antsika ny @ ny FAHEFAN’ANDRIAMANITRA IZAY MANOLOANA ANTSIKA (Efesiana 1:17-20)
10. Ny fitsanganan’i Jesosy Kristy t@ ny maty dia FAHAZOANA ANTOKA NY @ ny HITSANGANANTSIKA @ ny MATY (1 Tesaloniana 4:14); 2 Korintiana 4:14)
11. Ny fitsanganan’i Jesosy t@ ny maty dia FANATANTERAHANA NY TENY FIKASANA izay natao t@ ireo ray [Asa 13:32-33; Asa 3:25-26 (ampitahaina @ ny Genesisy 22:18; Genesisy 26:4; 12:3; Galatiana 3:16; Genesisy 3:15); Asa 26:6-8 (ampitahaina @ ny Asa 23:6); Asa 13:38-39]
15/04/2024
Fiadanana avy amin’ANDRIAMANITRA, RAIN'I JESOSY KRISTY TOMPONTSIKA anie ho anao sy ny ankohonanao.
Toro-hevitra momba ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra ho enti-mandresy ny devoly sy ny fahotana ary ny fakam-panahy
“Ary ankehitriny, Jehovah ô, ILAY TENY NOLAZAINAO ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia AMPITOERO HO MANDRAKIZAY, ARY ATAOVY ARAKA IZAY NOLAZAINAO.” 1 Tantara 17:23
Jereo araka ny fijerin’ny Baiboly anao ny tenanao (T.L Osborn)
• Izaho dia IZAY LAZAIN’ANDRIAMANITRA ny maha-izaho aho
• Izaho dia manana IZAY LAZAIN’ANDRIAMANITRA fa ananako
• Izaho dia mahay manao IZAY LAZAIN’ANDRIAAMANITRA fa haiko atao
Aza mampitaha mihitsy ny tenanao @ hafa, fa ny olana dia izao: raha mihoatra na lasa ambony noho izy ianao, dia hiavonavona ny fonao; fa raha ambany noho izy ianao, dia ho ketraka ny fonao; Hafa mihitsy ny programan’Andramanitra ho anao.
IREO TENY FIKASAN’(fampanantenana; toky = promesse) NY BAIBOLY
1) AHOANA NO HIHOARANA NY FISAKATSAKANANA? 1 Petera 4:14-15-16; Salamo 119:116-117; Romana10:11; Kolosiana 3:1-4; Salamo37:18-19; 2 Korintiana 4:7-9; 2 Timoty 1:12
2) AHOANA NY FOMBA HAMENOANA NY HETAHETA? Isaia55:1; Jaona 7:37; Salamo 103:2; Isaia 41:17
3) AHOANA NO HIHOARANA NY FAMITAHANA? Ohabolana 16:3; Ohabolana 3:5-6; Salamo 37:5; Salamo 37:7; 1 Jaona 5:14-15; Filipiana 4:8; Filipiana 4:6-7
4) AHOANA NO HIHOARANA NY FANAMELOHANA? Romana 8:1; Jaona 5:24; 1 Jaona 1:9; Salamo 32:5; Salamo 103:12; Salamo 103:10; Hebreo 8:12; Isaia 43:25; Hebreo 10:22; 2 Korintiana 5:17
5) AHOANA NO HANDRESENA NY FAHATSIAROVAN-TENA HO IRERY? Salamo 46:1; Deotoronomia 33:27; Salamo 31:7; Salamo 68:6; Salamo 103:13; Hebreo 13:5; Jaona 14:18; Matio 28:20; Isaia 41:10
6) AHOANA NO FOMBA HIANARANA FANETRE-TENA? Filipiana 2:5-8; 1 Petera 1:13; 1 Petera 2:13-15; Efesiana 5:20-21; Jakoba 4:7; 1 Petera 5:5-6; Efesiana 4:17-18
7) AHOANA NO FOMBA HANOHERANA NY FAKAM-PANAHY? Efesiana 6:10-16; Jakoba 1:13-14; Hebreo 4:15-16; Jakoba 1:12; 1 Korintiana 10:13; Salamo 119:11; Jakoba 4:7; 1 Petera 5:8-9; Salamo 1:1-3
8) AHOANA NO FOMBA HIHOARANA NY FANARATSIANA NY TENA? 1 Petera 2:9; 2 Korintiana 5:20; Efesiana 2:10; Apokalypsy 1:5; Apokalypsy 5:9-10.
9) AHOANA NO HIHOARANA NY FANAHIANA? Filipiana 4:6-7; 1 Petera 5:7; Filipiana 4:19; Salamo 55:23; Salamo 4:9; Salamo 25:12; Matio 6:25; Matio 6:33; Salamo 91:13-15
10) FILANA FAMPIONONANA Salamo 46:1; Salamo 145:18; Salamo 142:3; Isaia 54:14; Jaona 16:33; Romana 8:38-39; Salamo 32:7
06/04/2024
Ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo anie ho anao sy ny ankohonanao.
Ny fitiavan'i Jesosy Kristy ny fanahy izay very.
(1) Lioka 19:10. - "Fa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very."
SOSO-KEVITRA VOALOHANY: Tonga hitady sy hamonjy ny very ny Zanak’olona (Jesosy Kristy). Izany no tanjona faratampon’ny iraka natao taminy teto an-tany. Tsy mba voninahitra na harena na fanjakana izany. Namela voninahitra lehibe noho izao tontolo izao, taoriany Izy, mba“Hamonjena izay very!” Ny olona very dia sarobidy teo imasony nohon’ny harena sy ny voninahitra rehetra eto an-tany. Ny fanahy very iray dia manana sandany (vidiny) tsy takatry ny saina. Ny tontolo ara-materialy iray manontolo dia tsy azo ampitahainy amin’ny sandan'ny fanahy iray eo imasony. Ny fanahy tsirairay dia nanana izany sandany izany ho Azy. Tsy ny an'ny manampahaizana sy ny olo-masina ihany, fa ny an'ny olon-dia sy ny tena ratsy indrindra ihany koa.
(2) Jaona 4:6, 7, 10 . – “ Ary teo ilay fantsakan*'i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin'ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana* Izy, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina. [*Gr. loharano; sahala amin'ny teny ao amin'ny and. 14] Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko…Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.”
SOSO-KEVITRA FAHAROA: Nitady fomba mandrakariva i Jesosy Kristy hamonjena ireo fanahy very. Ohatra hafa ao amin’ny Jaona 9:35 . “Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao?”
Ary ao amin’ny Marka 2:4, 5 . “Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay nararin'ny paralysisa. Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.”
Nampiasa ny fahagagana nataony ho zana-tohatra izy mba hanatrarana ny fanahy very (Stalker: Imago Christi, p. 231). Tokony hitovy amin’izany koa no fomba hanatonantsika @ ny hatsaram-panahy rehetra izay azontsika atao amin’ny hafa.
(3) Lioka 15:4. – “ Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? ”
SOSO-KEVITRA FAHATELO: Jesosy Kristy dia nitady ny fanahy izay very. Tsy nitady sy nanararaotra ny fahafahana fotsiny Izy rehefa nisy fotoana tsara miseho, fa nitily (nikaroka, nitsikilo) fotoana mety ho @ izany koa. Tsy vitan’ny hoe nandray ny very rehefa nanatona Azy izy ireo, fa nandeha naka azy ireo koa. Ny tena fitiavana ny fanahy very dia mila haseho mandrakariva ao anatin’ny zotom-po amin’ny fitadiavantsika azy ireo.
30/03/2024
Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy anie ho anao sy ny ankohonanao
FOMBA HANDIKANA NY BAIBOLY
NY TENIN’ANDRIAMANITRA dia NOSORATANA MBA HO AZON’NY OLONA REHETRA araka ny voasoratra ao @ “Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy IZAY VAKINAREO na IZAY FANTATRAREO; ary manantena aho fa MBOLA HO FANTATRAREO IHANY HATRAMIN'NY FARANY AZA,” 2 Korintiana 1:13
REHEFA MANDINIKA NY TENIN’ANDRIAMANITRA IRAY ISIKA DIA TOKONY TADIAVINA ALOHA NY HEVINY TSOTRA, MORA TAKARINA, TSY NAMBOARIMBOARINA, ARA-BAKITENY. Rehefa tsy mety ho izany io, vao jereo ny mety ho heviny ara-panoharana na an-tsary na ara-panahy.
I. FOMBA FITENY MAHITSY ARA-BAKITENY
Fomba fiteny mahitsy ara-bakiteny = mazava, fiteny andavan’andro, tsy miolakolaka
Ohatra: Asa 20:7-12 « Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro ANDRO ALAHADY IZANY), rehefa niangona hamaky m**o NY FANASAN’NY TOMPO) izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina (@ 12 alina izany fa tsy hoe efa akaikin’ny fihavian’ny Tompo akory) izy. Ary nisy jiro maro TOA JIRO KAPOAKA IRENY IZAY MISY SOLIKA MAMPIREHITRA AZY, fa tsy ireo asan’ny Fanahy Masina na ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina akory) teo an-trano ambony izay niangonanay EFITRA IZAY NIVORIANA, fa tsy tany an-danitra akory t@ io fotoana io). Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely “LA FENÊTRE” IZANY, fa tsy hoe olona nisabaka sy tsy nijoro tsara @ fanompoana an’Andriamanitra akory, ka sady an’izao tontolo izao no an’Andriamanitra) ka sondrian-tory RESIN-TORY NA TAFATORY, fa tsy resaka fatoriana ara-panahy na fihemorana akory); ary raha naharitra ela LAVABE) ny toritenin'i Paoly (fa tsy resaka toriteny mahery sy feno asan’ny Fanahy Masina akory), dia niraika noho ny torimaso (ARA-NOFO) ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany (fa tsy resaka fahaverezan’ny fanahy any anaty farihy mirehitra afo akory) avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa “3 ÈME ÉTAGE” IZANY, fa tsy hoe nianjera avy tany @ lanitra fahatelo izany nisy ny paradisa akory), ary nony narenina izy (fa tsy nampaherezina t@ alalan’ny vavaka akory), dia indro fa efa maty (TSY NISY AINA INTSONY, fa tsy hoe maty ara-panahy akory). Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy NIHAINO NY FITEMPON’NY FONY, fa tsy hoe nivavaka taminy akory) sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy. Ary niakatra HO ANY @ RIHANA FAHATELO “3 ÈME ÉTAGE”, fa tsy hoe lasa any an-danitra akory) Paoly, dia namaky ny m**o FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO), ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain'ny andro (fa tsy hoe mandra-pahatongan’ny maraina vaovao izay hanjakan’i Kristy akory) izy, dia lasa nandeha NIALA TEO @ ILAY TOERANA, fa tsy hoe lasa niakatra any an-danitra akory). Ary nitondra ilay zatovo efa velona ARA-NOFO, fa tsy hoe velona ara-panahy lasa niova–fo akory) izy ireo ka faly dia faly. »)
II. FOMBA FIASA « ALLEGORIE »
Ny fomba « fiasa allégorie » dia NY FANOVANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA HO ARA-PANAHY AVOKOA ny fahamarinana sy ny zavatra voasoratra mazava sy tsotra ao amin’ny Baiboly rehetra, NY ERITRERITRY NY MPANDINIKA NO AVOAKANY FA TSY NY AN’NY MPANORATRA NA NY HEVITRY NY LAHATSORATRA.
Ohatra 1: Ny boriky ao @ ny Matio 21:5, dia manambara ny bokin’ny Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao hoy Origène, mpitory teny
Ohatra 2: Ny elatra roa ao @ Matio 23:37 dia manambara ny bokin’ny Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao hoy i Luther, mpitory teny
Aza adino fa tsy mbola voasoratra t@ izany fotoana izany ny bokin’ny Testamenta Vaovao.
Ohatra 3: Taonjato faha-5, Augustine dia nandika ireto hevitra ireto mikasika ny Lioka 1l:30-37
o Ilay olona avy any Jerosalema ho any Jeriko =Adama
o Jerosalema = tanànan’ny fiadanana any an-danitra, tany no nahalavoa an’i Adama
o Jeriko = ny volana, manambara ny fahafatesan’i Adama
o Jiolahy = ny devoly sy ny anjeliny
o Nendahiny izy = izany hoe momba ny fahafatesany
o Nokapohiny izy = t@ fandreseny lahatra azy hanota
o Nilaozany rehefa saiky maty = @ maha olona azy dia velona izy nefa maty ara-panahy, noho izany dia maty faha-velona izy
o Ny mpisorona sy ny levita = ny fisoronana sy ny asa fanompoan’ny ao @
o Nofeheziny ny feriny = notapenany ny fatotry ny fahotana
o Diloilo = fanantenana tsara mampahery
o Divay = famporisihana mba hafana fo hiasa
o Biby = ny nofon’i Kristy t@ Izy tonga nofo
o Tranom-bahiny = ny Fiangonana
o Ny ampitson’iny = taorian’ny fitsaganana t@ maty
o Denaria roa = teny fikasana momba ity fiainana ity sy ny fiainana ho avy
o Tompon’ny tranom-bahiny = Paoly
Na dia tsara toy izany aza ny nandikan’i Augustine ilay fanoharana, dia tsy izay akory no tena tian’ny Jesosy nolazaina. Nampianatra Jesosy, nohon’ilay fanontaniana napetrak’ilay mpanakarena tao @ andininy faha-29 hoe “iza ary ny namako ?”, fa ny namanao dia ireo izay mila fanampiana avy aminao.
Famintinana:
Tsy azo antoka sady mety mitera-doza ny fampiasana ny “fomba fiasa allégorie” mba hanazavana ny Tenin’Andriamanitra.
Tadidio fa ny Tenin’Andriamanitra dia miteraka finoana (Romana 10:17) ary tsy miverina Aminy foana raha tsy mahatanteraka izay hanirahany azy (Isaia 55:11)
28/03/2024
Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy anie ho anao sy ny ankohonanao
NY FINOANA (2)
IV. Ny finoana ara-tSoratra Masina
1. Tsy hoe finoana na inona na inona zavatra izay irintsika na mampifaly na saintsainina
2. Manana fifandraisana mivantana amin’ny Tenin’Andriamanitra mandrakariva
3. Tonga avy amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra
4. Finoana fa Andriamanitra hanao izay nampanantenainy fa hataony ao amin’ny Teniny (mahatoky)
5. Tonga ao anatin’ny fanahy amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, ary dia voambara amin’ny fandraisana mavitrika amin’ny filazàna izay nambaran’Andriamanitra (miteny)
6. Fahatokiana sy fihetsehana araka izay nambaran’Andriamanitra ao amin’ny Teniny (mihetsika)
V. Ny finoana mahavonjy
1. Finoana an’i Jesosy Kristy ho Zanak’Andriamanitra (Jao 20:31)
2. Miankina feno @ Jesosy Kristy (Jaona 13:13)
3. Finoana ny filazantsara (I.Kor 15:1-4)
4. Manaiky an’i Jesosy ho Tompo @ vava (Rom 10:9)
5. Finoana ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty (Rom 10:9)
6. Mahafantatra Ilay inoana (2 Tim 1:12)
7. Miantso ny anaran’i Jesosy (Rom 10:13-14)
8. Avy amin’ ny fo. Izany dia mifehy ny fisainana, fihetseham-po, ny finiavana (Rom 10:9-10)
9. Finoana ny amin’ny famelan-keloka omen’i Jesosy. Jesosy dia afaka ary te hamela heloka (I Jao 1:9)
10. Manatanteraka ireo asan’Ilay hipetrahan’ny finoana, izay didiany hatao (Jakoba 2:14, 21, 25)
11. Miasa @ fitiavana (Gal 5:6)
12. Tsy mihemotra manoloana ny fanekena ny anaran’i Jesosy Kristy sy manoloana ny asa eo @ loza sy ny fizahan-toetra (1Tim 6:12)
VI. Ny Fomba ahazoana ny finoana
Ny finoana dia avy amin’ny:
1. Tenin’Andriamanitra (Rom10:14,17; Jao 17:20; Asa 15:7; Jao 20:31)
2. Andriamanitra (Efes 2:8; Fili 1:29; Efe 6:23)
3. Herin’Andriamanitra izay ato amintsika (1 Kor 2:5; 1 Kor 12:9)
25/03/2024
Ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo anie ho anao sy ny ankohonanao.
ANJELY MPIARO (anges protecteurs ou anges gardiens)
I. TENA MISY MARINA VE NY ANJELY MPIARO araka ny Tenin’Andriamanitra sy ireo tononkira na tononkalo ataon’ny olona sasany?
« Fa Izy (NY AVO INDRINDRA) handidy ny anjeliny ny aminao (hiahy anao) mba hiaro (hiambina) anao eny amin'izay rehetra (na aiza na aiza) halehanao (@ alehanao rehetra). » Salamo 91:11
o Tsara marihana dieny mialoha fa tsy Satana sy ireo anjely ratsy fanahy (Matio 25:41), niaraka nikomy sy nazera avy tany an-danitra akory no resahantsika eto, fa IREO ANJELY, TSARA FANAHY, IZAY MBOLA MITANA NY ANJARA FANAMPOANY NY AVO INDRINDRA.
o Marina fa ny Salamo 91 dia SALAMO MESIANIKA (maminany mikasika ny Mesia toa ny Salamo 22 sy 69 izay milaza ny Mesia ao anatin’ny fijaliana, ny @ fihaviana faharoan’ny Mesia (Salamo 50; Salamo 97; Salamo 98), ny fanjakan’ny Mesia (Salamo 2; Salamo 21; Salamo 45; Salamo 72), ny maha-Zanak’Andriamanitra sy maha-mpisoronabe ny Mesia araka ny fanaon’i Melkizedeka (Salamo 11), nefa ihany koa maro ireo mpino t@ vanimpotoana rehetra izay nahita TENY FIKASANA SAROBIDY tao anatin’izany (Salamo 91:9-12).
o Zavatra mahatalanjona, i Satana tenany aza, ilay anjely nazera, dia nahafantatra tsara nohon’ny olombelona ny asa fanompoan’ny anjely, ka nanonona ireto andinin-tSoratra Masina t@ Tompo nandritra ny fakam-panahy tany an’efitra (Matio 4:5-7).
o Ny Tompo dia nanamafy ny teny fikasan’Andriamanitra sy ny fiarovan’ireo anjely: « Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: NY ANJELINY ANY AN-DANITRA (mpitandrina olombelona ihany ny anjely) mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra » Matio 18:10
o Misy olona namintina, fa misy anjely mpiaro izay mifamatotra @ zaza rehetra, izay hoe raha lazaina dia @ olona rehetra. Raha tsy azontsika lazaina na hambara @ ireo tsy mpino izany, fantatsika kosa fa MARINA izany @ MPINO IZAY ANISAN’NY ASA FANOMPOAN’NY ANJELY (Hebreo 1:14).
II. IREO ANJELY AO @ FIAINAN’NY MPINO
“Tsy fanahy manompo* va IZY REHETRA (anjely ao @ andininy faha-13 no resahana etoana), nirahina HANAO FANOMPOANA HO AN'IZAY HANDOVA FAMONJENA? [*Na: manao fanompoam-pivavahana]” Hebreo 1:14. Ireo anjely dia MANOMPO IREO IZAY VOAFIDY na NY MPINO. Rehefa mahazo iraka hanao asa fanompoana avy @ Andriamanitra ny anjely, dia TSY MANDISO MIHITSY izy ireo akory.
1. Ireo anjely dia MIJERY ANTSIKA IZAY MINO NY AVO INDRINDRA SY JESOSY KRISTY: Miaina: (1 Korintiana 4.9); Miaina eo anivon’ny fiangonana (Efesiana 3.10; 1 Korintiana 11:10; 1 Timoty 5:21); Mitory ny filazantsara (Apokalypsy 14:14-17; Asa 7:26; Asa 8; Asa 10: Asa 27:23-24; Lioka 15:10).
2. Ireo anjely dia MITSIDIKA ANTSIKA IZAY MINO NY AVO INDRINDRA SY JESOSY KRISTY (Hebreo 13:2; Genesisy 19; Lioka 14:13; Matio 25.37-40; Hebreo 13)
3. Ireo anjely dia MITARIKA SY MIARO ANTSIKA IZAY MINO NY AVO INDRINDRA SY JESOSY KRISTY (Genesisy 24:7-40; Isaia 63:9; Eksodosy 23:23)
4. Ireo anjely dia MIARO SY MANAFAKA ANTSIKA IZAY MINO NY AVO INDRINDRA SY JESOSY KRISTY @ FANOMEZAM-BONINAHITRA NY AVO INDRINDRA (2 Mpanjaka 6:14-17; Salamo 34:7,8; Daniela 3:25; Daniela 6:22; Asa 5:19; Asa 12:5-11; Asa 27:23-27, fa manao ny fitsarana ny tsy mino (Asa 12:23)
5. Ireo anjely dia MANOTRONA SY MITONDRA NY FANAHINTSIKA ANY @ NY FITSAHARANA @ FOTOAN’NY FAHAFATESANA (Lioka 16:22)
Ny fahafatesana dia tsy natoraly, satria NY OLOMBELONA DIA NOFORONINA MBA HO VELONA FA TSY HO FATY. « Zava doza ny maty tsy manana an’i Kristy. Ny Maty ao @ i Kristy kosa dia be voninahitra ». Lazarosy (« Andriamanitra no mpanavotra ahy » no dikan’ny anarany) ao @ Lioka 16:22-23 « Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama (ny anjely dia nanotrona azy sady nitondra ny fanahiny ho amin’ny fitsaharana); ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina (ny vatany), ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy (ny fanahin’ilay manankarena) ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] »
III. FAMINTINANA
o Na izany rehetra izany aza no ataon’ny anjely ho an’ny mpino, dia TSY AZO ATAO NY MIVAVAKA AMINY (Kolosiana 2:18; 1 Korintiana 10:21; Apokalypsy 19:10; Apokalypsy 22:8-9). Ireo anjely dia mankatoa an’Andriamanitra manokana (Lioka 1:19). Ao @ Apokalypsy 22:16, Jesosy Kristy dia afaka maniraka anjely: porofo ny maha-Andriamanitra Azy izany. (Hebreo 1 sy 2; Filipiana 2:6-11).
o Araka ny voalaza amin’ny Testamenta Vaovao, tsy dia miasa loatra eto @ olona ny anjely, fa any an-danitra kosa no itoerany sy iasany, ary JESOSY SY NY FANAHY MASINA NO MPANELANELANA @ ANDRIAMANITRA AVO INDRINDRA, fa tsy ny anjely.
23/03/2024
Ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo anie ho anao sy ny ankohonanao.
JESOSY KRISTY ILAY VATOLAMPY IZAY IPOIRAN’NY FIAINANA
« Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy OLONA MANGETAHETA, aoka IZY HANATONA AHY ka HISOTRO. IZAY MINO AHY, dia hisy ONIN'NY RANO VELONA MIBOIBOIKA avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] » Jaona 7:37-39
I. MINO AN’I JESOSY
Zavatra telo izay fonosin’ny teny hoe «mino an’i Jesosy »
1. RAHA MISY OLONA MANGETAHETA, izay midika ho mijaly nohon’ny fahoriana, ny fahantrana [“…ny malahelo am-panahy…ny ory...ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana” (Matio 5:3,4,6)]
2. AOKA IZY HANATONA AHY [“Mankanesa atỳ AMIKO, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.” (Matio 11:28)]
3. KA HISOTRO [“Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro. IZAY MIHINANA NY NOFOKO SY MISOTRO NY RAKO NO MITOETRA AO AMIKO, ARY IZAHO KOSA AO AMINY.” (Jaona 6:53 -56).]
Tsy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo akory no tiany holazaina t@ io satria taona iray (1) taorian’io Izy vao nametraka izany. Ny nofo sy ny rà dia ny manambara NY TOETRA, NY TOE-TSAINA AMAM-PANAHY, NY NATIORA, NY TOETRA VOA-JANAHARY ARA-PANAHY izay mamaritra ny maha-izy antsika. NY RÀNY no mila mikoriana any @ lalan-drà antsika; NY NOFONY no nofontsika, NY AINY no aintsika, “tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko” (Galatiana 2:20)
II. LOHARANO MIBOIBOIKA
“Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny RANO VELONA MIBOIBOIKA (jereo Jaona 10:10) avy ao an-kibony”
o Jesosy dia tena manafaka ny hetahetantsika, fa ny ANJARANTSIKA ihany koa dia MANALA HETAHETAN’NY HAFA, araka ny fepetra tsotra, izay mitovy ihany hatrany, dia NY MINO.
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy LATSAKA AO AMIN'NY TANY NY VOAMBARY ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha MATY kosa izy, dia HAHAVOKATRA BE.” Jaona 12:24
o Tsy ny ho fahafaham-pontsika akory no namonjen’i Jesosy Kristy antsika, fa ny mba hananantsika, isika ihany koa, ny FIFALIAN’ANDRIAMANITRA @ HAMONJENA NY HAFA, ny HAMAFY NY FANANTENANA sy ny FIFALIANA HO AN’NY MANODIDINA, ny HIZARA @ HAFA NY FAHASAMBARANTSIKA. (Romana 14:7)
III. NY FANAHY MASINA
o Ny Fanahy Masina dia tsy nomena antsika mba ahatonga antsika OLONA MASINA TIA TENA “égoïstes sanctifies” akory, fa ho OLONA MASINA IZAY TSY METY INTSONY RAHA TSY MITIA SY MANOMPO NY HAFA. (Lioka 11:5-13; Matio 20:28; Efesiana 5:2)
o Tandremo ny RANO MIBOIBOIKA mba tsy ho tonga RANO MIHANDRONA (dormante ou stagnante)
16/03/2024
Ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo anie ho anao sy ny ankohonanao.
Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo
1) “1 [Anatra nataon'i Paoly mba tsy haneken'ny Filipiana izay mpampianatra sandoka, fa hitady handroso amin'ny fitondran-tena tsara rehetra] Farany, ry rahalahy, mifalia* ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany. [* Na: veloma]” Filipiana 3:1
Ankoatra izany (farany), ry rahalahiko, dia tsy milaza velively fa efa hamarana ny epistily i Paoly. Ara-bakiteny, dia tokony holazaina hoe: "Raha ny sisa...". Toy izany koa amin'ny 4.8.
Namporisika ny Filipiana i Paoly mba hifaly ao amin’ny tompo. Afaka mahita fifaliana ao amin’ny Tompo hatrany ny kristianina, na inona na inona toe-javatra misy eo aminy. Ny LOHARANON'IREO FIDERANY REHETRA dia apetraka avo dia avo, ANY AN-DANITRA. Tsy misy na inona na inona mety hisy hanimba marina ny fifaliany, raha tsy hoe neso***a taminy ny Mpamonjy azy; fa tsy azo taterahina anefa izany. Ny fanaintainana, ny alahelo, ny aretina, ny fahantrana ary ireo loza, dia misy fiantraikany amin'ny fahasambarana tsotra. Fa ny FIFALIAN’NY KRISTIANA dia MIHOATRA LAVITRA noho ny fiovaovan’ny fiainana. Ny porofon’izany dia ny nanoratan’i Paoly an’io famporisihana na fananarana io tao am-ponja. Ahoana àry no tsy hanekena ny torohevitry ny lehilahy toy izany?
Tsy nandreraka azy ny namerina izany rehefa mifampiresaka tamin’ireo Filipianaizy, satria fantany fa MAHATSARA ireo izany.
2) “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; Averiko indray, mifalia.” Filipianina 4:4
Raha niresaka tamin’ny fiangonana manontolo i Paoly dia namerina ny fananarana tiany indrindra. Ny tsiambaratelon’izany fananarana izany dia hita amin’ireto teny ireto: “AO AMIN’NY TOMPO”.
Na dia manjavozavo aza ny zava-misy eo amin’ny fiainana, dia azo atao foana ho an’ny kristiana ny “MIFALY MANDRAKARIVA AMIN’NY TOMPO”.
Nizara ny zavatra niainany momba ny fifaliana kristianina i Jowett: “Ny fifaliana kristiana dia toe-tsaina tsy miankina amin’ny toe-javatra eo no ho eo. Io fifaliana io dia tsy mifandray amin’ny toe-javatra miovaova eo amin’ny fiainantsika mandalo eto an-tany. Mifandimby ny andro ary tsy mitovy nefa, ny fifalian'ny kristiana dia afaka maharitra. Inona no tsiambaratelo?
Izao ilay izy: “IZAHO MOMBA ANAO MANDRAKARIVA” (Lioka 1:28; Asa 18:10; Matio 28:20), na dia mandritra ny andro miovaova aza. “Tsy miova na reraka Izy”. Andriamanitra dia tsy toy ny toetrandro miovaova; Tsy avelany aho rehefa manohintohina ny andro. Tsy hoe eo anilako fotsiny Izy amin'ny andro fanambinana, dia mandao ahy amin'ny andro fahoriana sy faharesena. “Miaraka amiko isan’andro Izy”, amin’ny andro fanambinana sy amin’ny andro fahoriana, amin’ny andro izay maneno ny lakolosin’ny fampakaram-bady, toy ny amin’ny andro maneno ny feon’ny fahafatesana.”
12/03/2024
Ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo anie ho anao sy ny ankohonanao.
TORITENY FAMELABELARANA
Ny atao hoe «TORITENY FAMELABELARANA» (Prédication exposée) dia FAMPITANA MAHOMBY NY HEVI-DEHIBE AVY AMIN’NY LAHATSORATRA iray notsoahina avy amin’ny Baiboly
1. MAMAKY ny Tenin’Andriamanitra
2. MANAZAVA ny Tenin’Andriamanitra
3. MAMPIHATRA ny Tenin’Andriamanitra mba hitondra fiovàna eo amin’ny fiainan’ny olona ny Teny notoriana
A. MAODELIN’NY TORITENY FAMELABELARANA
Ity dia maodelin’ny fitorianteny tao anatin’ny Baiboly izay voarakitra an-tsoratra voalohany indrindra
“ 8 Dia (1) NOVAKINY MAZAVA NY TENY tao amin'ny BOKIN'NY LALÀN'ANDRIAMANITRA, sady (2) NOHAZAVAINY TSARA NY HEVINY, ka dia (3) AZON'NY OLONA TSARA NY TENY NOVAKINA. 9 Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa NITOMANY NY OLONA REHETRA RAHA NANDRE NY TENIN'NY LALÀNA. 10 Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo. 11 Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mangina ianareo, fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo. 12 Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an'ny sasany ary hifaly indrindra, satria AZONY TSARA NY TENY IZAY NOTORINA TAMINY. 11 Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mangina ianareo, fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo. 12 Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an'ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay noto***a taminy.
13 Ary nony ampitson'iny dia vory teo amin'i Ezra mpanora-dalàna ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin'ny lalàna. 14 Dia hitany voasoratra teo amin'ny lalàna, izay nampandidian'i Jehovah an'i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo ny Zanak'Isiraely amin'ny andro firavoravoana amin'ny volana fahafito, 15 ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: MANDEHANA ANY AN-TENDROMBOHITRA, KA MAKÀ SAMPAN'OLIVA SY SAMPAN'OLIVA MANIRY HO AZY SY SAMPAN-DROTRA SY SAMPAN-DROFIA ARY SAMPAN-KAZO BE RAVINA HANAOVANA TRANO RANTSAN-KAZO ARAKA, NY VOASORATRA. 16 DIA NANDEHA NY OLONA KA NAKA, ARY SAMY NANAO TRANO RANTSAN-KAZO HO AZY TEO AMIN'NY TAMPON-TRANONY AVY SY TEO ANATIN'NY TOKOTANINY AVY SY TEO ANATIN'NY KIANJAN'NY TRANON'ANDRIAMANITRA SY TEO AN-KALALAHANA teo akaikin'ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'i Efraima.” (Nehemia 8:8-16)
I. MPITORITENY MAODELY: Ezra
II. SORATRA MASINA NANGALANA NY TORITENY: Nehemia 8:8-16
III. FAMAKIANA NY TENY: Ny bokin’ny lalàna (Genesisy sy Eksodosy sy Levitikosy sy Nomeria ary Deotoronomia = Pentatioka = Boky dimin’i Mosesy = Lalàna = Lalàn’i Mosesy = Mosesy)
IV. FANAZAVANA NY TENY: Fanazavana sy fanomezana ny hevitry ny teny mba ho azon’ny olona tsara izay vakiana
V. FAMPIHARANA NY TENY:
a) VOAKASIKA NY FON’IREO MPIHAINO (8:9b) “nitomany izy ireo”
b) VOAKASIKA NY SAIN’IREO MPIHAINO (8:12) “azony izay novakiana”
d) VOAKASIKA NY SITRAPON’IREO MPIHAINO (8:15) “nankato izy ireo”
VI. FANAMARIHANA: Nambara tamin’ny vahoaka ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra, izay nandresy lahatra ny fony, ka nanova ny toetrany tamin’ny fankatoavana ny Teniny