15/10/2025
HIVIDY AMPAHAN-TANY KADASITRA ?
Ireto avy ny zavatra mila fantarina mahakasika izay :
- Takiana amin'ny mpivarotra ny certificat de situation juridique an'ilay tany, izay latsaky ny telo volana. Ao anatin'iny ny anaran'ny olona rehetra misoratra amin'ilay tany sy raha natao antoka na tsia ilay tany.
- Takiana ihany koa ny plan topographique an'ilay tany, ny cadastre original sy zay mety ho taratasy hafa ( vente ve no nahazahoana = aiza ny acte de vente ? sa lova = mila acte de notoriété + acte de décès raha izay, sns )
- Raha raikitra ny varotra dia ireto avy ny taratasy hiantohan'ny mpivarotra. Izany hoe omeny anao gratuit. Raha avance dia miala amin'ny vidin'ny tany ( izay ilay hoe promesse de vente):
1 - CSJ latsaky ny telo volana.
2 - Plan miisa 8 . Ny telo angalana autorisation de découpage ary ny 1 amin'ireo 3 ireo asiana coordonnées Laborde.
Koa satria ampahan-tany no vidiana dia izay no procédure sy antoka ho anao mpividy.
3 - Ilay autorisation de découpage.
4 - Raha lova dia mila ny acte de décès an'ilay tena tompony + taratasy manamarina ny maha mpandova.
5 - Certificat de paiement ( manambara tombam-panana an'ilay mpivarotra.
- Rehefa feno izay dia maka géomètre ny mpividy ary hiantohany izany : délimitation an'ilay tany novidiany no ataon'ny géomètre ary mametaka piquet solon'ny borne mandrapà. Ilain'ny géomètre amin'izany ny plan miisa 8 izay ho certifieny sy traceny hanavahany ilay taninao novidianao. Hatrehan'ny chef fokotany io ary misy droit omena 30.000 ar. Ny géomètre dia manome convocation an'ny mpividy. Iny convocation iny ilay omena ny voisin manodidina ny tany ialana amin'ny tany mety mifanindry.
Rehefa feno izay dia afaka manao ny acte de vente ianareo. Raha tany latsaky ny 10 tapitrisa ar ny vidiny dia acte de vente authentique ao amin'ny commune misy ilay tany no atao ary ny délégué no manao izany. Tsy adino ny copie légalisée an'ny CIN mpividy sy mpivarotra + vavolombelona roa 21 ans no mihoatra. Raha latsak'izay tsy mety.
Rehefa vita ny acte de vente authentique dia miroso amin'ny enregistrement fiscal ny mpividy. Any amin'ny centre fiscal misy ilay tany no hanaovana azy ary ireo taratasy rehetra + acte de vente no enregistrena any. Tadidio fa arakaraky ny valeur-n'ny tany ny vola aloa ao amin'ny fiscal. Manana site internet zareo " DGI valeur immobilier " d efa afaka manao simulation ao ianao.
Rehefa vita ny enregistrement dia miroso amin'ny mutation. Alefa eny amin'ny domaine mifanandrify amin'ilay tany ny dossier rehetra tao amin'ny enregistrement.
18/07/2025
Ny acte de notoriété dia taratasy fanamarinana maha mpandova. Amboarina aorian'ny fahafatesan'ny olona iray ary harahina vavolombelona efatra ny manao azy ( ny roa afaka atao havana, ny roa mpiara-monina, sns ... )
Ireto avy no taratasy ilaina rehefa hanao azy, ankotran'izay mety ho ilain'ilay toerana hanaovanareo azy, fa ireto no tsy maintsy ilaina :
- Acte De Décès (1)
- Livret de Famille
- Acte de Naissance ny Mpandova rehetra
- Photocopie CIN ny Mpandova + Résidence
- Vavolombelona 4(2 havana, 2 fiaraha-monina) + de 21 ans daholo
- Photocopie + Résidence ny Vavolombelona.
TSY MAINTSY NY MPANDOVA NO MANATITRA IREO TARATASY IREO ANY @ DÉLÉGUÉ (na Notaire). Mbola misy engagement hatao sonia sy à légaliser any.
19/03/2022
Ny Fahazoan-dalana (servitude de passage):
Ny tompon’ny tany izay tsy manana lalana hivezivezena na tsy ampy hivezivezena amin’ireo lalana, na hatao lalan’ny fiara na sarety dia afaka mifanaraka amin’ireo tompon-tany manodidina azy mba hanome lalana azy.
Tsy maintsy mitombona sy voamarina izany filana lalana hivezivezena izany ary mitaky fifanarahana amin’ireo tompon’ny tany voakasika.
Mila raketina an-taratasy ny fifanarahana fanomezan-dalana ary voafaritra mazava tsara ny habeny ao anatiny sari-tany mba hialana amin’izay mety tsy fifanarahana any aoriana.
Ny fanomezan-dalana dia midika fa misy ampahany amin’ireo tany vokasika ireo natokana hatao hivezivezena.
Raha toa ka mitranga ny tsy fifanarahana eo amin’ireo tompon-tany voakasika dia ny Fitsarana irery ihany no afaka mamaritra izany lalana hivezivezena izany.
Taratasy ilaina raha hanao azy:
1. Fifanarahana voamarina ara-dalana sy voarakitra ara-panjakana na Didimpitsarana raikitra;
2. Sari-tany roa (02) voamarina ara-dalana sy voarakitra ara-panjakana na ampiarahana amin’ny Didimpitsarana raikitra;
3. “Papier chemise” roa (02) (Chemises cartonées)
19/03/2022
TARATASY ILAINA:
1. Taratasy fifampivarotana tsotra sy misy ny fanamarinana fa nandoa ny sara hetra eny anivon’ny sampandraharahan’ny hetra:
a. misy sonia voamarina teo anivon’ny kaominina
b. na natao teny amin’ny mpirakiteny mpanato soratra (acte notarié),
c. na nataon’ny teny amin’ny delegem-panjakana na chef
d’arrondissement administratif (acte authentique),
2. Taratasy momba ny fanajariana (prescription d’urbanisme), milaza hoe azo anorenana ve sa tsia ohatra io tany io, azo afindra sy AZO AVAHANA, izay alaina any amin’ny “service regional de l’Amenagement du territoire (SRAT)”.
3. Sari-tany miisa 5 voasonian’ny roa tonta, mamaritra ny tany amidy sy ny refiny ka ny iray misy “coordonnées
Laborde”
4. Taratasy fangatahana roa (02) ka lazaina ao ny anarana tiana omena ilay tany avahana.
5. Taratasy fiantohana.
6. Mandefa ny antontan-taratasy momba ny tsato-bato (dossier de
bornage) sy ny fanavahana any amin’ny TOPO ny ao amin’ny Domaines, manatanteraka ny fikarakarana izany ny mpividy, fidinana eny antoeranaamin’ny tsato-bato (bornage), avy eo miverina any amin’ny Domainesny dossier izay efa misy ny sari-tany navahana miaraka amin’ny refiny sy ny anarana nomena azy ary ny titra vaovao.
19/03/2022
Ny “origine de propriété” dia angatahina amin’ny tany anaty faritra kadasitra.
Io no manoritra ny mombamomba ny parisely kadasitraly araka ny voarakitra ao amin’ny fitanana an-tsoratra natao nandritra ny fanatsatoham-bato faobe na tambabe ho an’ny tany vita kadasitra.
Azo angatahina eo anivon’ny Mpikajy ny Fandrefesan-tany izany amin’ny alalan’ny taratasy fenoina.
Tsy mahasolo ny Certificat de Situation Juridique ny Origine de propriété ka noho izany, tsy azo lazaina ho tompon-tany ny olona voasoratra ao anatiny ary tsy tokony ampiasaina hanaovana fifanarahana ara-barotra.
Taratasy ilaina raha hanao azy: Fangatahana misy ny
laharan’ny parsely, ny sokajy ary ny toerany. Alaina eny amin'ny sampan-draharahan’ny fandrefesan-tany misy ilay tany.
ahitana ny laharan’ny parisely
19/03/2022
TARATASY ILAINA:
1. Taratasy fanamarinana ny fananan-tany (lasaky ny telo volana)
2. Fanamarinana natao araka ny voalazan’ny didim-pitsarana raikitra. Kadasitra na didy navoakan’ny Fitsarana misy soratra hoe: « Pour immatriculation»
3. Taratasy fangatahana «Immatriculation »
4. Taratasy fiantohana voasonia sy voamarina;
5. Sari-tany roa (02) ampiarahana amin’ny fangatahana.
19/03/2022
BIF : Birao Ifotony Fananan-tany
CSJ : Certificat de situation juridique
DGSF : Direction Générale des Services Fonciers
DST : Direction des Services Topographiques
PLOF : Plan Local d’Occupation Foncière
SRAT : Service Régional de l’Amé nagement du Territoire
TI-IM : Transparency International - Initiative de Madagascar
SRAT: Service Régional de l’Aménagement du Territoire
19/03/2022
Ny karatany dia taratasy omen'ireo commune an'olon- tsotra amin'ny alalan'ny Birao Ifoton'ny Fananan- tany(BIF). Tany tsy vita titra tsy vita kadasitra fa misy fanamaintisamolaly, misy fanajariana.
19/03/2022
Ireto avy ny zavatra tokony ho fantarina raha hividy tany ianao:
1- Zavatra takiana amin'ny mpivarotra :
- Certificat de situation juridique ( CSJ ) latsaky ny telo volana.
- Plan topographique an'ilay tany.
- Taratasy rehetra mahakasika ilay tany : cadastre, boky titra, acte de décès sy notoriété raha efa maty ilay tompony.
Ilay mpivarotra tany no manome ireo taratasy ireo
Mamerina maka juridique vaovao ianao ary mampitovy ny informations rehetra. Ao anatin'ny juridique no ahitana hoe natao antoka ve ilay tany ary iza avy no misoratra aminy.
Tsy mandoa vola mihitsy aloha.
Raha toa ka tsy ara-dalana ny taratasy omeny na misy olona iray misoratra anaty juridique nefa tsy manaiky hivarotra ny tany dia aleo hajanona. Lasa olana any aoriana any. Izay olona rehetra misoratra ao anaty juridique dia manao sonia avokoa amin'ny acte de vente.
Raha tsy ilay olona mivarotra no misoratra ao anaty CSJ fa ny ray aman-dreniny efa maty dia asaina manao famindrana araka ny lova aloha izy (mutation par décès), raha maro no misoratra ao
amin’ny bokin-tany na kadasitra dia asaina manao fizarana aloha izy (partage), rehefa tsy ny rehetra misoratra ao no hanao ny fampivarotana.
Raha manambady ara-dalàna ilay olona misoratra ao amin’ny titra, eny fa na dia ny iray amin’ny mpivady ihany aza no misoratra ao amin’ny titra dia TSY MAINTSY miaraka manao sonia ny mpivady hivarotra (biens acquis pendant le mariage), na manao fanamafisana (ratification) ilay vady tsy voasoratra ao anaty titra.
2 - Vita izay dia jerenao zay taratasy hafa hananany momba ilay tany (kadasitra, karatany, boky titra raha "titré borné" ilay tany, taratasy nahazahoana azy: vente ( novidiana) ve sa fanolorana sa lova : mila jerena ny acte de notoriété sy ny acte de partage, lettre de procuration sy lettre de ratification, certificat de paiement ( tombam-panana ) sns...
3 - Avy eo atao ny acte de vente authentique eny amin'ny commune. Tsara raha hanatonana mialoha ilay délégué ao amin'ny commune hamatarana ny vola tokony homanina amin'izany.
Atao 6 exemplaires ny acte de vente ary ao ambadikany asiana ny anaran'ny mpivarotra feno sy soniany miampy ny anao. Izy enina izany misy anio avy. Rehefa hanao enregistrement eny amin'ny domaine sy mutation ianao dia miasa daholo iny exemplaires 6 iny ary iray sisa no tavela ho anao. Tsy adino ny CIN légalisée an'ny mpivarotra sy mpividy.
4 - Alohan’ny hividy tany dia angatahana eo anivon’ny fanajariana ny tany aloha ny fepetra ara-panajariana rehetra sy ny fanomezan-dalana hivarotra na hanavaka ny tany.
Eny amin'ny SRAT no manao izany. Ary eo amin'ny 350.000 ar ka hatramin'ny 400.000 ar eo no maka autorisation de découpage, eo ho eo amin'ny 100.000 ar eo ny autorisation de transaction. Ilaina homanina amin'izany ny plan an'ilay tany izay misy coordonnées Laborde.
- Enregistrement fiscal : tsy maintsy mandoa hetra amin'ilay tany novidianao ianao ary ireo taratasy rehetra momba ny tany no entina any : plan topographique an'ilay tany, acte de vente nataon'ny délégué commune misy ilay tany, autorisation de transaction, certificat de paiement an'ny mpivarotra, juridique sy izay mety ho taratasy mahakasika ny tany.
Ireo rehetra ireo no entina eny amin'ny domaine hanaovana mutation.
19/03/2022
CERTIFICAT DE SITUATION JURIDIQUE
Ny CSJ dia taratasy alaina eny amin'ny direction des affaires domaniales et foncières - conservation de la propriété foncière.
Io taratasy io dia takiana amin'ny mpivarotra tany ary tsy maintsy latsaky ny telo volana. Originale no omeny anao.
Ahitana ny olona rehetra misoratra amin'ilay tany.
Misy ny anarany feno, ny toeranam- ponenany ary ny daty nahaterahany avy.
Ao anatin'io taratasy io koa no ahitana ny mombamomban'ilay tany : anaran'ilay tany, références rehetra.