Fandresena Henintsoa

Fandresena Henintsoa Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fandresena Henintsoa, Toamasina.

ABONNEZ-O ny PAGE fa misy TENIN'ANDRIAMANITRA📖 sy VAVAKA 🙏🏻 : AMPAHERY, ANASITRANA, ANAFAKA ary anova ny TANTARAM-PIAINANAO ifampizarantsika ato.
📖Isaia61:3b: Mba hanaovana azy hoe hazon' ny fahamarinana ,Nambolen'i Jéhovah ho fampisehoamboninahitra.

🧎‍♀️🧎🙏🏻🫂💝📖Salamo 42: 5
30/06/2026

🧎‍♀️🧎🙏🏻🫂💝📖Salamo 42: 5

❗MANIRIA ho olona Ankasitrahan" Andriamanitra .👍Ny olona iray rehetra ankasitrahin" Andriamanitra dia Andriamanitra mihi...
27/06/2026

❗MANIRIA ho olona Ankasitrahan" Andriamanitra .
👍Ny olona iray rehetra ankasitrahin" Andriamanitra dia Andriamanitra mihintsy no mampanaiky ny zavatra rehetra ho an" izany olona izany.
➡️Tamin" ny Adama sy Eva mbola tsy nanota dia nanaiky azy ireo ny voahary rehetra tao amin" ny saha Edena kanefa rehetra niodina tamin" Andriamanitra izy ireo dia nivadika taminy avokoa na ny biby rehetra( Misy ny lasa minana olona: ohatra: liona,....) Lasa ny atsembohan" ny tavany no inanany fa tsy afaka niaina tamin" ny fitahian" Andriamanitra intsony Izy.( Genesisy3: 14-24)

‼️Isika olombelona dia Taranaka avy tamin" ny Adama sy Eva ka rehefa tsy mbola tafaverina tanteraka amin" Andriamanitra isika dia tena mbola mahatsapa fahoriana eo amin" ny fiainana satria mbola tsy tafaverina amin" ilay isika ankasitrahin " Andriamanitra ka nataony hoe zanaka.
Ka aza gaga ianao raha efa tena ezaka maro be no ataonao eo amin" ny fiainanao kanefa tsisy vokany fa aretina aza no azo,ny kely eo an-tanana indray no manaraka,mety efa nitarika anao anaotao foana mihintsy aza ny fanirianao mba ho tafita,ary na ianao aza tsy mba manana fotoana angalana aina izany fa na alina na atoandro dia miasa foana😫😢.

🙏🏻Androany aho anefa iteny aminao hoe raha Hiverina anolotra ny fiainanao ho an" Andriamanitra ianao dia afaka ny itahy anao mihoatra noho izay irianao aza Izy raha vonona ikatsaka ny fanjakany ianao.( Matio 6: 33).

📖Tsarovy fa ny fitahian " i Jéhovah no mampanankarena ary tsy azon" ny fisasarana ampiana izany.(ohabolana : 10: 22)

🫂Ary koa rehefa Tonga olona ankasitrahin " Andriamanitra ianao satria manao ny sitrapony,izany hoe: manaiky ny Fanahy masina anova anao ho Tonga olom-baovao ka tena hoe hafa mihintsy ianao taloha sy ianao rehefa nandray an" i Jesoa dia ho itanao fa na ny mpanota aza dia ampiasain" Andriamanitra hanangona sy hamory harena mba homena izay ankasitrahin " Andriamanitra. ( Mpitoriteny 2: 26a)

❤TIA ANAO JESOA

🎉Arabaina nahatratra ny ASARAMANITRA  isika MALAGASY rehetra.Andriamanitra anie anome : -Fahaleovantena ho an" ny Fanahi...
25/06/2026

🎉Arabaina nahatratra ny ASARAMANITRA isika MALAGASY rehetra.
Andriamanitra anie anome :
-Fahaleovantena ho an" ny Fanahinao ka
Tsy iantehatra intsony amin" ny fanapahan" i Satana fa tena ho afaka tokoa ianao ka tena ho olom-baovao ao amin" i Kristy Jesoa.Ho afaka ka tsy ao ambany fifehezan" ny toaka,fijangajangana, fitiavam-bola diso tafahotra,sy ireo karazana fanapahana rehetra tsapanao fa manandevo anao.

-Hisy Fahaleovantena ihany koa anie ny FIAINANAO ka ahazo TOKATRANO ,ahazo ASA ,ahazo Fahaleovantena izay irianao hatrizay araka ny sitrapon " Andriamanitra ianao. 🙏🏻Amen.

👍Ankino eo ampelatanan " Andriamanitra izay alehanao rehetra androany ka mba ho AROVANA amin" ny LOZA sy ny FAKA-PANAHY maro anie ianao sy ny ankohonanao. Mba FETY eo ambany fanatrehan" Andriamanitra hatrany .

22/06/2026

Mahagaga wa Jesoa io, sady tsy tara no tsy mandao izany.
Fa tonga ara-potoana foana.Gloire à toi Jésus.
I love Jesus

ILAINA NY MIAIKY FA DISO‼️   1️⃣ Tena ilaina ry havana malala ny miaiky fa diso eo anatrehan" Andriamanitra amin" izay f...
19/06/2026

ILAINA NY MIAIKY FA DISO‼️

1️⃣ Tena ilaina ry havana malala ny miaiky fa diso eo anatrehan" Andriamanitra amin" izay fahotana vitanao. Mila mangataka ny famindram-pon" Andriamanitra isika ka angataka ilay fanahiny anampy antsika iala amin" ny fahadisoana matetika averimberintsika.
Matetika raisintsika ho fahalemena ilay izy kanefa ao ambadik"iny satana no miazo ny fiainantsika ka mahatonga ny fiainatsika ananay fahefana fona satria manao izay sitrapony isika.Izany hoe mbola voafatotry Satana.

2️⃣Raha itanao ihany koa fa nanao ny tsy nety ny razambenao taloha tany dia angataho famindrampo amin" Andriamanitra ihany koa ireo zay mbola velona sy ny fahadisoan" ireo izay efa maty fa matetika vokatry ny zavatra taloha ela namatorany anao tany no mitondra tsy fahombiazana eo amin" ny fiainanao io.Mety ho natolotry ny Ray aman-dreninao tany amin" ny sampy tany manko ianao ,na nitenenany ozona satria tsy niriana sady nampitondra mangidy hoazy.

➡️ Ka noho izany,ifonay eo anatrehan" Andriamanitra izay fahadisoana goavana nataon" zareo izany ary tapaho amin" ny anaran" i Jesoa izany fatorana izany mba tsy anapaka eo aminao intsony.Ary angataho ny Fanahy masina ampanaiky ny fonao sy ny sainao ary ny tenanao manontolo mba hanaiky ho tarihan" ny fanahin" Andriamanitra amin" izay ataonao rehetra satria izay tarihan" ny fanahin" Andriamanitra no zanany.
📖Galatiana 5: 24-25

🙏🏻Tononiko amin" ny anara- maherin" i Jesoa fa ny fatorana izay namatotra anao dia ivaha satria nanomboka anio ianao dia nanaiky fa ny fanahin" Andriamanitra no itarika anao.

‼️AZA MANAIKY ho Fitahina ianao ka ny FANAONAO sy FIETSIKAO ary ny FITENINAO dia  mbola MITOVY amin" ny Fanaon" izao ton...
18/06/2026

‼️AZA MANAIKY ho Fitahina ianao ka ny FANAONAO sy FIETSIKAO ary ny FITENINAO dia mbola MITOVY amin" ny Fanaon" izao tontolo izao kanefa milaza Ianao fa ZANAK' ANDRIAMANITRA.
⁉️ Fa MIHARIHARY ny asan" ny Nofo dia izao:
fijangajangana,fahalotoana,fijejojejoana,fanompoan- tsampy,fanaovana ody ratsy,fandrafiana,fifandirana,adi-lahy,fiafonafonana,fifampiandaniana,fisarahana,fitokoana,fialonana,fahamamoana,filalaovan-dratsy, FA IZAY MANAO IZANY dia TSY ANDOVA NY FANJAKAN" Andriamanitra.
🎉 Fa ny vokatry ny FANAHY MASINA kosa dia : Fitiavana, fifaliana, Fiadanana, fahari-po,,fahamoram- panahy,fanaovan-tsoa,Fahamarinana, fahalemem-panahy,fahononam-po.

🫂Aza manamelon-tena raha mbola milona anatin" izany asan" ny nofo izany ianao izao fa mitenena amin" Andriamanitra androany hoe :

"Diso aho Ray Fa mifona aminao aho tamin" ireo fahadisoana be dia be nataoko fa vonona aho anio iova sy anaiky ny fitarihan" ny Fanahinao mba ho vavolombelona aho ety amin" ity tan fandalovana ity,Amen🙏🏻".

📖Tsarovy fa :
Izay manafina ny fahotany tsy hambinina ; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo FAMINDRAMPO.

OHABOLANA 28 : 13
GALATIANA 5 : 16 -24

MBola nomeny fotoana izaho sy ianao anomanantsika ny mandrakizay antsika.‼️
16/06/2026

MBola nomeny fotoana izaho sy ianao anomanantsika ny mandrakizay antsika.‼️

16/06/2026

Ny fanahy Masina anie anolotsaina ireo zanak" Andriamanitra rehetra miatrika ny CEPE.Matokia fa izy anome fitadidina ho anao.Afaka ianao 🙏🏻

Io Ady Lalovanao io dia fomba amolavolan" Andriamanitra anao mba tsy hisaraka aminy ianao rehefa Tonga ny Valimbavaka 💪
15/06/2026

Io Ady Lalovanao io dia fomba amolavolan" Andriamanitra anao mba tsy hisaraka aminy ianao rehefa Tonga ny Valimbavaka 💪

13/06/2026

Mandrosoa hatrany aza miemotra fa tano ny finoana 💪🙏🏻

Address

Toamasina

Telephone

+261343807494

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fandresena Henintsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The School

Send a message to Fandresena Henintsoa:

Shortcuts

Share