20/08/2026
👉 CONTEXTE :
Araky ny efa nambarako : nisy fotoana isika teto Madagasikara tena sahirana be mihitsy, nikatso ny resaka Fandraharahàna : nandray Fanapahan-kevitra i Didier Ratsiraka nanomboka ny 1980 hanatsarana ny environnement des affaires.
I Marc Ravalomanana koa dia nanohy izany, ary mbola saika fanovàn-drafitra nataon'i Marc Ravalomanana tamin'izany no mbola iainantsika ankehitriny, ohatra :
· LGIM 2005
· Lois sur les investissements 2007
· Loi 2003-036
· Loi 2003-042
· Lois sur les entreprises franches
· etc.
Izany hoe: nataon'i Marc Ravalomanana tamin'izany mintsy ny fomba hisintonana mpampiasa vola amin'ny sehatry ny : Banque, produits pétroliers, Télécommunications, assurance, transport aérien, tourisme, textiles, pêche, TIC, etc.
👉 Nahita vokatra ve izy?
Par rapport ny PIB ntsika :
2003 : 0,2% ihany ny flux d'investissement tonga teto.
2008, efa nahatratra 25,7% de notre PIB ny IDE.
👉 Fa kosa :
Secteur telo ihany no tena nazahoana mpampiasa vola vahiny : mines, Télécommunications, industrie alimentaire. 90% ny IDE dia tany daholo.
Ny sehatry ny zaitra, manufactures, fambolena dia tsy nahazo clients firy izy.
👉 Ka noho izany nampanahy ny tena hisian'ny Fampandrosoana haingana nefa maharitra :
Ny Mines dia tsy misy investissements maharitra be ataon'ny vazaha, ary vao misy crise politique na économique kely fotsiny dia mihena ho azy ny fandefasany volany aty Madagasikara.
Porofo : vao nihongana fotsiny i Marc Ravalomanana, nihena 30% be izao ny mpampiasa vola, nifindra firenena milamina ry zareo.
👉 Ny Fandraharahana tsy resa-bola ihany fa olona koa :
Be dia be ny mpiasa malagasy mbola tsy maharaka nouvelle technologie, indrindra amin'ny sehatry ny industrie manufacturière.
Ny fahaiza-manaon'ny mpiasa malagasy tsy ampahatelon'ny mpiasa any Inde, ary ampahefatry ny mpiasa any Chine (en 2005).
Izany hoe: na teo aza ny ezaka ataon'i Marc Ravalomanana, ny mpiasa malagasy mihitsy no tsy manana compétence amin'ny sehatra maro, ary fanampin'izany technologies efa antitra no ampiasain'ny orinasa maro ka tsy "productifs" isika, raha oharina amin'ny mpiasa hafa (Inde, Chine).
👉 Ary ny orinasa?
Manufacture : 7% ny chiffre d'affaire/an ihany no anaovany investissement sur les nouvelles technologies, ka mazava ho azy fa tara.
Logistique (port, "lalana tsy azo ohanina", Douanes, fitaterana) : laharana 88 amin'ny firenena 155😢.
Fahaizan'ny Tanora : laharana 112 sur 134 pays😢.
Taratasy ara-panjakana, tsy fanaovana kolikoly, Fitsaràna tsy mitan'ila, hetra ara-dalàna : laharana 134 tamin'ny Firenena 183😢 .
Digitalisation, jiro tsy tapatapaka, efficacité sur terrain, fahafahana mifaninana amin'ny Firenen-kafa : laharana faha 121 amin'ny Firenena 133😢 .
👉 Izany hoe?
Any amin'ny laharana faha zato isika amin'ny Fiarovana ny mpandraharaha:
-laharana faha 152 amin'ny fahaizan'ny tanora asa,
-laharana 168 amin'ny fanomezana Prêts bancaire ho an'ny mpampiasa vola,
- Litige commerciale (raharaham-pitsarana) laharana 155.
Source : Magazine Doing business 2010.
👉 Fa na izany aza, maro ihany nanana confiance tamin'i Marc Ravalomanana ka tonga nampiasa vola :
Niezaka i Marc Ravalomanana naneho tamin'ny vazaha fa misy stabilité teto, niezaka nanova lalàna izy, ary niezaka nanokatra ny sehatry ny Fandraharahàna.
👉 Les 5 obstacles :
Maro ny milaza fa Marc Ravalomanana tsy nianatra, tsy manana "Doctorat", fa misy fomba izay fataony : mijery les 5 obstacles majeurs, dia iny avieo vahana miaraka.
Tamin'ny sehatry ny Fandraharahàna dia ireto ny 5 obstacles hitany :
1- Lafo be ny Jiro (électricité) nefa ratsy kalitao.
2- Mangalatra (voleur) ny mpiasa malagasy sady tsy ampy auto-discipline (tsy mahafehy tena).
3- Ny Banque tsy mampindram-bola.
4- Amin'ny sehatry ny informel daholo ny mpandraharaha.
5- Instabilité politique, sady izay mpitondra vaovao dia mamafa ny nataon'ny taloha.
Izany no nahatonga ireny hoe : mila manao fitafy madio, mitafy tsara (cravate 👔), etc ireny.
Fa vao niongana fotsiny i Marc Ravalomanana dia tsy nangalatra tamin'ny orinasa fotsiny, fa pillage en plein jour mihitsy no nataon'ny Malagasy voalohany indrindra.
👉 Fizahantany :
Nitombo 11% ny vahiny mpizahatany tonga eto Madagasikara tamin'ny fitondran'i Ravalomanana, ary resintsika i Seychelles sy La Réunion.
Fa i Maurice sy Afrique du Sud kosa no tena mahazo mpizahatany be indrindra (pays anglophone) : no sady lafo be "Frais" mankaty Madagasikara.
👉 Fehiny :
Azo lazaina fa niezaka ihany i Marc Ravalomanana nanatsara ny Fandraharahàna teto Madagasikara ary nahitana vokatra.
Fa na izany : natahotra ihany ny mpampiasa vola hankaty Madagasikara, indrindra fa ny Crise politique, sy ny halatra ary ny Fandrobàna : izay tsy miankina amin'i Marc Ravalomanana irery izany.
Ary tsy zavatra mora fôna ny ahazoana indray ny mpampiasa vola, fa mila Fanatsaràna maro sy taona maro.
2009-2026 : ataoko angamba fa mba efa tsy mangalatra, tsy mandroba, tsy mivadi-pitokisana, tsy tia kely, sady manana auto-discipline daholo ny Malagasy rehetra.
2025: Otrany efa tsy nandroba orinasa intsony ny Gasy.
Mbola hitohizantsika ny publication, fa amin'ny sehatry ny Fanondranana (exportation) nataon'i Marc Ravalomanana.
ℹ️ E-Juridique