CEFOI

CEFOI

Share

CEFOI : Centre Evangelique de Formation de l'Ocean Indien dia toeram-panofanana mpanompon'Andriamanitra sy fianarana Soratra Masina.

Tsy manavaka fiangonana fa mandray izay vonona hiofana rehetra.

Photos from CEFOI's post 27/05/2026

Midera ny Tompo izahay eto amin'ny Sekoly Biblika CEFOI Ambohimangakely πŸ™

Vita anio ny fanohanana ampahibemaso ny lahatsoratra famaranana nataon'i Patric sy Tiana, izay mpianatra taona fahatelo.

Tsy afaka mahazo diplaoma ny mpianatra na dia nahavita 3 taona aza ; raha tsy nahavita nanao toriteny sy lahatsoratra famaranana ary nanohana izany ampahibemaso.

Mirary soa ho an'ny Tiana sy Patric ny amin'ny tohin'ny ministeran'izy ireo πŸ™

Raha liana ny amin'ny fianarana ato amin'ny Sekoly Biblika CEFOI ianao dia aza misalasala miresaka ao amin'ny hafatra miafina na manantona anay ety Ambohimangakely.

Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny taom-pianarana manaraka 2026-2027

"Miofana mba ho mpanofana"- "Se former pour bien former"

Photos from CEFOI's post 01/05/2026

Soli Deo Gloria πŸ™Œ

Tontosa soa aman-tsara androany teto anivon'ny Sekoly Biblika CEFOI Ambohimangakely ny toriteny famaranana ny 3 taona nianarana teto amin'ny CEFOI, nanoloana ireo mpampianatra mpitsara.

Miarahaba an'i Tiana sy Patric ny sekoly ; kanefa tsy mbola vita satria mbola misy fanohanana ampahibemaso ny asa fikarohana (boky) koa amin'ny 27 Mai ho avy izao.

Mivavaka ho azy ireo isika hahavita hatramin'ny farany πŸ™

Photos from CEFOI's post 24/03/2026

Ao anatin'ny fanadinana telovolana faharoa ny mpianatra eto amin'ny Sekoly Biblika CEFOI Ambohimangakely amin'ity herinandro ity, mialohan'ny hialana sasatra kely

πŸ™Mivavaha ho azy ireo πŸ™

07/03/2026

πŸ“šβœ¨ Cours IBG-CEFOI 29 Juin-11 Juillet 2026 βœ¨πŸ“š

😊 Faly be izahay mampandre anareo fa efa misokatra ny fisoratana anarana

πŸ”— Indro ny lien hahafahanareo misoratra anarana :

https://docs.google.com/forms/d/e/1FAIpQLSfNeaujEzzzRsep9rbQ7FM1dYXao1AUl4V5fmEmUPvM3sKF1A/viewform?usp=sharing&ouid=114147460185381124034⁠�

πŸ“– Ireto avy ny taranja ianarana amin'ity taonao ity miaraka amin'ireo mpampianatra azy avy :

πŸ“˜ Christologie : Solomon ANDRIATSIALOMANANARIVO

πŸ“œ La grande histoire de la Bible : Pierre KLIPFEL

πŸ“– Introduction Γ  l'Ancien Testament : Faly RAPANOELINA

✝️ Evangile de Marc : David RATOVO

πŸ“ Toerana : Espace Mandamina Nanisana

πŸ’° Sarany : 90.000Ar
(saram-pianarana ; boky sy polycope fianarana ; sakafo atoandro)

⏰ Ora fianarana : 8h maraina-4h hariva
(tsy mianatra Asabotsy sy Alahady)

πŸ‡«πŸ‡·Amin'ny teny frantsay ny fampianarana sy ny Examens πŸ™

⚠️ N.B : TENA VOAFETRA NY TOERANA!! 🚨

19/02/2026

IBG-CEFOI 2026 :
29 Juin-11 Juillet

Efa mivory matetika ny ekipa mpanomana, hanome zavatra tsara ho anareo πŸ€—

Hivoaka tsy ho ela ny : taranja ianarana ; ireo mpampianatra ; ny toerana hanaovana ny fiofanana ; ary indrindra ny "lien" hahafahanareo misoratra anarana en ligne.

Hisy koa conference ho karakarain'ny IBG-CEFOI hanomezana anareo izay liana "avant-goΓ»t" izany mianatra Baiboly izany πŸ“–πŸ˜Š

Aza miala ary!

04/02/2026

Alamino dieny izao ary ny fandaharam-potoanao : VOAFETRA NY TOERANA!

25/12/2025

Ny Sekoly Biblika CEFOI Ambohimangakely dia miarahaba anao nahatratra ny Krismasy 2025!

Hanenika ny ankohonanao anie Fitiavan'Andriamanitra Ray amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanany!

Photos from CEFOI's post 08/11/2025

"Andro fizarana ny alimanaka Ilay Voa Tsara Nafafy 2026"

Isan'ny asa sahanin'ny Sekoly Biblika CEFOI Ambohimangakely ihany koa ny fizarana ny "Ilay voa tsara nafafy" izay fanao isan-taona!

Anio no fizarana voalohany, raha toa ka ny Asabotsy 22 Novambra kosa ny fizarana faharoa sady farany!

Marihina fa ireo fikambanana na fiangonana na olon-tsotra efa mpahazo isan-taona, nanao tatitra ary anaty lisitra ihany no misitraka izany!

N.B : tsy misy fizarana intsony ivelan'ireo andro ireo, koa iangaviana isika hiezaka hanaja izany fotoana iaany πŸ™

Photos from CEFOI's post 23/09/2025

Androany no fidirana ofisialin'ny Sekoly Biblika CEFOI Ambohimangakely!

Toy ny mahazatra isan-taona dia ny fisintahana ara-panahy na "retraite spirituelle" no nanombohana izany. Haharitra 3 andro ity fisintahana ity!

Ny lohahevitra nofidian'ny sekoly tamin'ity taona ity dia nalaina avy ao amin'ny Efe 5.17 "Aza manao adaladala fa fantaro izay sitrapon'ny Tompo"

Mpampianatra 3 avy ao amin'ny CEFOI no hifandimby hanao ny kaoferansa :
- Najo Emmanuel ny andro voalohany
-Mamy Don Herman ny andro faharoa
-Tandra Fetraniaina ny andro fahatelo

Mivavaha ho anay πŸ™

22/09/2025

Lasa izao!

Efa vonona tanteraka ireo mpampianatra ato amin'ny Sekoly Biblika CEFOI Ambohimangakely hiatrika ny taom-pianarana 2025-2026!

12 no isan'ireo mpianatra hamakivaky indray izany taom-pianarana vaovao izany izay hanomboka rahampitso

Mivavaha ho azy ireo πŸ™

25/08/2025

Haody ô 😊

Misaotra ny Tompo fa afaka hanomboka taom-pianarana vaovao ny Sekoly Biblika CEFOI Ambohimangakely amin'ity taona ity

Misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny taona voalohany

ManoratΓ  aminay ao amin'ny hafatra miafina (MP) ary na afaka miantso ny 034.17.811.35 maka ny andinindininy

N.B : mianatra isan'andro Alatsinainy ka hatramin'ny Zoma, 8h-15h30, misy kilasy mandry, misy trano ho an'ny couple ho an'ireo izay manam-bady, voafetra ny toerana!

MANDRAY MPIANATRA VEHIVAVY 😊

Fidirana : Fin Septembre 2025

"Miofana mba ho mpanofana"

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Website

Address

IV 197 Bis Andranovao Amboromanina, Ambohimangakely
Antananarivo
103