ARTIZ Job

ARTIZ Job

Share

Sehatra manampy anao hiomana sy hahomby amin'ny fitadiavana asa.

Torohevitra sy fanohanana mandritra ny dingana rehetra tokony arahana mba
hahitana na hamoronana asa.
🌱 Soava, Mahità ny meva.

25/07/2026

👋 Tongasoa eto amin'ny ARTIZ Job

1️⃣ Voalohany, ny tanjon'ity pejy ity dia ny hanampy ny tanora malagasy mpitady asa hanana CV sy Lettre de motivation matihanina sy maneho tsara ny maha izy azy.

2️⃣ Faharoa, rehefa nihaino sy nijery ny filàn'ireo tanora maro izahay, dia hitanay fa tsy ampy ny manana CV tsara fotsiny.

🔍Ny fitadiavana asa dia dingana iray manontolo : mila mahafantatra hoe aiza no mitady asa, ahoana no fomba handefasana candidature, ahoana no hiomanana amin'ny entretien, ary ahoana no hisorohana ireo fahadisoana mahazatra.

👉 Noho izany, tsy mijanona amin'ny fanamboarana CV sy Lettre de motivation fotsiny izahay, fa miara-dia aminao mandritra ny dianao manontolo amin'ny fitadiavana asa, manomboka amin'ny fanomanana ny candidature ka hatramin'ny fahombiazana amin'ny recrutement.

ARTIZ Job dia eto hanampy anao amin'ny :

• 📄 Fanamboarana sy fanatsarana CV ary Lettre de motivation.
• 💼 Fomba mahomby hitadiavana tolotr'asa.
• 🧭 Torohevitra momba ny orientation professionnelle.
• 🎤 Fanomanana entretien d'embauche.
• 💬 Fampivelarana ireo fahaiza-manao ilain'ny tontolon'ny asa sy ny famoronana asa.
• ⚠️ Fisorohana ireo hosoka sy fisolokiana maro amin'ny sehatry ny asa.
• 📢 Torohevitra momba ny LinkedIn sy ny tambajotra matihanina.
• 🌱 Fandaminana sy fanentanana mandritra ny fitadiavana asa.
• 🎓 Fizarana formations sy loharano hanatsarana ny fahafahana mahazo asa.

☝️Ankoatr'izany rehetra izany, ho maro koa ny toroherivtra sy fanampiana hifampizaràna eto mba hahafahan'ny tanora mamorona asa.

🫴Manasa anao hanaraka ny pejy ary hiditra hafatra miafina avy hatrany raha misy fanontaniana manitikitika anao mahakasika ireo sehatra rehetra ireo. 🙏

17/07/2026

📄 ALOHAN'NY HANDEFASANA TARATASY FANGATAHANA ASA IRAY, ATAOVY MIAVAKA TSARA ALOHA ILAY IZY.

💡Raha tsy mbola hainao ny manao izany, ny Pack Candidature Réussie ARTIZ Job afaka manampy anao.

Izy io dia fichier PDF hahitanao :

✅ Torolalana feno hanamboarana CV matihanina,
✅ Modèle CV 5 mora arahana sy ampiasaina avy hatrany,
✅ Torolalana hanoratana Lettre de Motivation mahomby,
✅ Modèle Lettre de Motivation 5 ho an'ny profil samihafa,
✅ Fomba handaminana tsara ny fitadiavana asa,
✅ Torohevitra hiomanana amin'ny entretien d'embauche,
✅ Checklist sy bonus maro hanamorana ny candidature-nao.

📘 Pejy 44 feno torolalana azo ampiharina avy hatrany, hanampy anao handrafitra candidature mazava, matihanina ary maharesy lahatra.

📩 Manorata "PACK" eo amin'ny commentaire na midira MP avy hatrany raha anontany ny andinindininy.

.

16/07/2026

🎯FANONTANIANA MATETIKA MIPETRAKA MANDRITRA NY ETRETIEN D'EMBAUCHE

Mialoha ny entretien di miomàna foana hamaly ireto fanontaniana ireto fa hanampy anao izany 👇👇

🟢 Lazao kely ny momba anao. 🇫🇷 Parlez-moi de vous.
➡️ Eto dia tsy mila mitantara ny fiainanao manontolo ianao. Lazao fohy ny momba anao, ny traikefanao, ny fahaizanao ary ny zavatra tadiavinao amin’ilay asa.
💡 Ohatra: “I [anarana] no fiantso ahy, manana traikefa amin’ny resaka varotra aho (ohatra). Mahay mandray olona tsara aho ary mitady sehatra hafahana hampiasa sy hampivelatra izany ao anatin’ny orinasa iray.”

🟢 Nahoana ianao no te hiasa ato aminay ? 🇫🇷 Pourquoi souhaitez-vous travailler chez nous ?
➡️ Asehoy fa mahalala kely ny orinasa ianao ary hazavao ny antony mahatonga anao liana amin’ilay toerana.
💡 Ohatra: “Liana amin’ity orinasa ity aho satria mifanaraka amin’ny fahaizako sy ny tanjoko ny asa atolotrareo. Tiako ihany koa ny hanampy amin’ny fampandrosoana ny ekipanareo.”

🟢 Inona no mampiavaka anao amin’ireo kandidà hafa ? 🇫🇷 Qu’est-ce qui vous distingue des autres candidats ?
➡️ Lazao ireo toetra na fahaiza-manao anananao izay mety hahasoa ny orinasa, toy ny fahavononana, faharetana, fahaizana miara-miasa na fahaizana manokana.
💡 Ohatra: “Ny mampiavaka ahy dia ny fahavononako mianatra haingana sy ny fiezahako hatrany hanome vokatra tsara amin’ny asa ataoko.”

🟢 Inona no lafiny mbola tianao hatsaraina momba anao ? 🇫🇷 Quel est votre principal axe d’amélioration ?
➡️ Aza milaza fahalemena lehibe mety hanimba ny fahafahanao. Misafidiana zavatra tena ezahanao hatsaraina ary asehoy ny ezaka ataonao.

Fantaro fa ny fanazaran-tena mialoha dia afaka mampihena ny tahotra sy mampitombo ny fahatokisana tena.

15/07/2026

❌ HADISOANA 5 TOKONY HIALANANA MANDRITRA NY ENTRETIEN D’EMBAUCHE

☝️Na manana CV tsara aza ianao dia mety tsy ho voaray raha manao ireto fahadisoana ireto :

❌ Tara fahatongava.
✅ Ny tena marina : tsy tonga aram-potoana fa tonga aloha no tena ilaina
👉Hita amin’izany fa tena vonona sy niezaka sahady ianao.

❌ Tsy mahalala akory ny orinasa nangatahana asa.
✅ Ilaina foana ny manadihady na manao fikarohana kely momba ilay orinasa alohan’ny hahatongavanao any.

❌ Mamaly fohy loatra hoe "Eny" na "Tsia".
✅ Tena manan-danja ny fahaizanao manazava ny hevitrao rehetra isaky ny fanontaniana.

❌ Miteny ratsy ny mpampiasa taloha.
✅ Na inona na inona tsy fifankazahoana nisy taminao sy mpampiasa anao teo aloha, fadio ny manaratsy azy eo imason’ny recruteur vaovao.

❌ Tsy mametraka fanontaniana amin'ny faran'ny entretien.
✅ Manomàna foana fanontaniana kely apetraka amin’ny farany
👉 Ny tena tsara dia manadihady momba ny tanjona mila tratrarina amin’ilay asa atolotra fa tsy manontany karama na prime.

💡 Ny tanjona dia ny hampiseho fa olona matotra sy liana amin'ilay asa ianao ary azo itokisana tsara.

🫴Raha mbola tsy niatrika entretien d’embauche mihitsy ianao, na efa fa mbola miahotra, midira MP na soraty eo ambany eo Entretien fa atoronay ny tokony hatao rehetra.

14/07/2026

📢 Resadresaka hidirana hiasa (Entretien d'embauche) : Inona no tanjony?

👋 Erinandro vaovao = loha-hevitra vaovao 🙋

Maro no mieritreritra fa fanontaniana sy valiny fotsiny ny entretien d'embauche. Tsy izany anefa fa manan-danja be izy io ☝️

Mandritra io fotoana io dia tian'ny mpampiasa ho fantatra : 👇

✅ Mahafantatra ny asa ve ianao ?
✅ Vonona hianatra sy hivoatra ve ianao ?
✅ Afaka miara-miasa amin'ny ekipa ve ianao
✅ Ahoana ny fomba firesakao sy ny fitondrantenanao ?

Tsy voatery ho olona manana traikefa be vao afaka mandresy lahatra. Ny fahatokisan-tena, ny fahitsiana ary ny fanomanana no tena mampiavaka.

👉 Ataovy mialoha ny fanomanana fa aza miandry ny andro hanaovana entretien.

💬 Efa manana entretien ve ianao ato ho ato?

09/07/2026

🔍AHOANA NO HAHAFANTARANA FA MAHOMBY NY "LETTRE DE MOTIVATION" IRAY ?

Valiny : anontanio fotsiny ny tenanao :

👉 Raha mpampiasa aho no mamaky azy, te hiantso ity kandida ity ve aho?

☝️Raha : 👇
✔️ Mazava.
✔️ Mifanaraka amin'ilay asa atolotra.
✔️ Tsy misy teny na tsipelina diso.
✔️ Mampiseho ny tena fahavitrianao.

Dia efa mahafeno ny ankamaroan'ny fepetra takiana ianao.✅

💬 Soraty fotsiny hoe VONONA dia andefasanay izay ilaina rehetra alohan'ny handefasana candidature ianao.

08/07/2026

🌱 LETTRE DE MOTIVATION HO ANAO VAO HIASA VOALOHANY

Matahotra satria mbola tsy manana traikefa?
Tsy olana izany.

Ao amin'ny lettre de motivation no fanehoana :

✅ Ny fahaizanao.
✅ Ny zavatra nianaranao.
✅ Ny tetikasa efa nataonao.
✅ Ny fahavononanao hianatra sy hivoatra.

Indraindray, ny toe-tsaina no mampiavaka kandidà iray fa tsy voatery hoe ny zava-bitany.

💬 Manorata ASA VOALOHANY ao amin'ny commentaire raha mila maodely natao ho an'ny débutant.

07/07/2026

❌ BETSAKA NO MIHEVITRA FA TSY MISY ILÀNA AZY NY LETTRE DE MOTIVATION

Maro no milaza fa ny CV dia ampy. Kanefa, matetika ny lettre de motivation no mampiseho amin'ny mpampiasa hoe :

✅ Nahoana ianao no liana amin'ilay toerana.
✅ Inona no azonao entina ho an'ny orinasa.
✅ Tena nandany fotoana hanomanana ny fangatahanao ianao.

CV no mitantara ny lalana efa nolalovanao teo amin’ny sehatry ny asa, fa ny lettre de motivation kosa manazava ny antony tokony hisafidianana anao.

Noho izany, tena SAMY HAFA ireo taratasy roa ireo.

💬 Soraty amin'ny commentaire hoe LETTRE raha mila torohevitra hanoratana azy ianao.

06/07/2026

📄 INONA MARINA NO ATAO HOE "LETTRE DE MOTIVATION" ARY MANINONA NO TENA MANAN-DANJA IZY IO ?

Maro no mifantoka amin'ny CV, nefa manadino fa ny lettre de motivation dia iray amin'ireo antontan-taratasy afaka mampiavaka anao amin'ireo kandidà hafa.

Fa inona marina izy io ? 🤔

Ny lettre de motivation dia taratasy fohy izay manazava :

✨ Nahoana ianao no liana amin'ilay asa.
✨ Inona no antony mahatonga anao ho kandidà mety amin'ilay toerana.
✨ Inona no azonao entina ho an'ilay orinasa.

💡 Tsy famerenana ny CV izy io.

Ny CV dia mampiseho ny traikefanao sy ny fahaiza-manaonao. Ny lettre de motivation kosa no mampiseho ny toetranao, ny tanjonao ary ny antony manosika anao.

❌ Hadisoana mahazatra :

• Mandefa lettre iray ihany amin'ny orinasa rehetra.
• Mamerina fotsiny izay efa voasoratra ao amin'ny CV.
• Lava loatra ka mankaleo mamaky.

✅ Tsara kokoa raha :
✔️ Atao mifanaraka amin'ilay orinasa sy ny toerana kendrena hidirana.
✔️ Fohy, mazava ary mivantana.
✔️ Asehonao ny fahaliananao sy ny traikefa azonao entina.

🎯 Tsarovy :
Indraindray dia olona maromaro no manana CV mitovitovy. Noho izany, ny lettre de motivation misongadina no mety hahatonga ny mpampiasa hisafidy ny iray amin'izy ireo.

Ary ianao, efa nanoratra lettre de motivation ve ? Sa mbola sarotra aminao ny manomboka azy? Zarao amin'ny fanehoan-kevitra ny traikefanao. 👇

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

Antananarivo
101