07/04/2026
🎓 ISFPP MADA – ANDIANY FAHA-10 “HAVANA” 🖤
📅 04 Avril 2026
Fisaorana lehibe no atolotray anareo rehetra izay nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana famoahana mpianatra teto amin’ny ISFPP Manakara.
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra 44 mianadahy, avy amin’ny sampam-piofanana Sage-femme sy Infirmière, izay nahavita fianarana nandritra ny 3 taona tao amin’ny ISFPP MADA.
✨ Vina napetrak’ity andiany faha-10 “HAVANA” ity :
“Hitsabo an-tsitrapo ho an’ny vahoaka no antom-pisianay.”
👥 Nanotrona ity lanonana ity moa :
Andriamatoa Jean Brunelle Razafitsiandrahofa, Lehiben’ny Faritra Fitovinany
Andriamatoa Jolce Maminirina, Solombavambahoaka voafidy eto amin’ny Distrikan’i Manakara
Ramatoa Randrianasolo Nadine, Solombavambahoaka voafidy eto amin’ny Distrikan’i Manakara
Andriamatoa Luc Mohamed, Préfet de Région
Andriamatoa Randrianasolo Henderson, Ben’ny Tanànan’i Manakara
Andriamatoa Ralaisoja Gin, Tale Mparitry ny Fahasalamana Fitovinany
Ramatoa Médecin Inspecteur eto Manakara
Ramatoa sy Andriamatoa Filohan’ny Holafitry ny Mpampivelona sy ny Infirmiera eto Fitovinany
Ianareo Tanora mpihira avy FLM Mangarivotra
Ianareo ray aman-drenin’ny mpianatra rehetra, izay nanatrika izao lanonana izao
Andriamatoa Rajaona Bienvenue, PDG-n’ny ISFPP MADA, miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy sy ireo mpampianatra tsy an-kanavaka
💬 Naneho ny fanoloran-tenany hatrany ireo mpianatra nahazo diplaoma tamin’izao teny faneva izao :
“Tsy handraraka ilo mby an-doha, fa hanompo ny vahoaka amin’ny fo feno fanoloran-tena, ka ho mpitsabo akaiky ny vahoaka.”
🙏 Mankasitraka indrindra anareo rehetra tonga nanohana, nanatrika ary nandray anjara tamin’izao lanonana lehibe izao. Ny fisianareo no nanome haja sy hasina ity fotoana manan-danja ity.