07/03/2026
Inona no mahasamihafa ny comptabilité analytique et Comptabilité général
1. Ny Tanjona (Objectif)
🔵Comptabilité Générale: Ny tanjony dia ny hanome ny fitantanana ankapoben'ny fananan'ny orinasa (Patrimoine). Te hahafantatra fotsiny izy hoe: "Nahazo tombony ve ny orinasa tamin'ity taona ity matiantoka?"
🔵Comptabilité Analytique: Ny tanjony kosa dia ny handinika ny antsipiriany. Te hahafantatra izy hoe: "Iza amin'ireo entana namidiko no tena nampiditra vola ary iza no nampitombo fatiantoka?"
2. Ny Lalàna (Obligation légale)
🔵Comptabilité Générale: Tsy maintsy atao (Obligatoire). Milaza ny lalàna fa tsy maintsy manana izany ny orinasa mba handoavana hetra sy hampahafantarana ny fanjakana ny toe-bolany.
🔵Comptabilité Analytique: Malalaka (Facultative). Ny orinasa no manapa-kevitra hanao azy na tsia, arakaraka ny filany amin'ny fitantanana
3. Ny Olona kendrena (Utilisateurs)
🔵Comptabilité Générale: Mifantoka any ivelany (Externe): ny fanjakana (hetra), ny banky, ny mpiara-miombon'antoka, ary ny mpampiasa vola.
🔵Comptabilité Analytique: Mifantoka ao anatin'ny orinasa ihany (Interne): ny tale jeneraly, ny mpitantana ny famokarana, ary ny mpitahiry vola.
4. Ny fomba fijery (Vision)
🔵Comptabilité Générale: Mijery ny lasa (Passé). Ny zava-nitranga tamin'ny taona lasa no ampidirina ao anaty kajy.
🔵Comptabilité Analytique: Mijery ny ankehitriny sy ny ho avy (Présent et Futur). Ampiasaina izy handraisana fanapahan-kevitra haingana (ohatra: hanova vidin'entana na hampitsahatra famokarana zavatra iray).
Takelaka fampitahana (Tableau Comparatif)
02/03/2026