13/04/2023
👍 Etsy anie ee 😷
Nisy tovolahy iray nanatona pretra iray ka nanao hoe:
- Mompera ô, tsy handeha hiangona intsony aho 😔!
▪Namaly ilay mompera hoe:
- fa nahoana anaka ??
✧ Hoy ilay tovolahy taminy:
Tsotra ny antony mompera...
Rehefa mamonjy lamesa aho dia mahita vehivavy miteny ratsy ny hafa foana; ny mihira nefa tsy mifanaraka amin'ny tonony akory; eo ireo mijery telefaonina, izany daholo ny zavatra ratsy hitako ao am-piangonana isaky ny mamonjy lamesa aho 😌
▪Hoy ilay mompera taminy hoe:
- Tsara izany. Fa izao àry 😊
Misy zavatra ampanaoviko anao ireto:
> Makà vera feno rano àry ianao dia mandehana miodina manodidina ny fiangonana in-telo ary tsy mila misy rano indray mitete amin’ny tany na kely aza.
Aorian'izay dia ajanona !!
▪Ary nieritreritra ilay tovolahy hoe:
- " mora loatra izany "
Indro àry fa nanao ny fihodinana in-telo izy, araka izay nampanaovin'ny mompera azy. Ka nony tapitra izany, dia hoy izy:
- Vitako ilay izy Mompera 😁.
Ary hoy ilay mompera namaly azy hoe:
- Rehefa nanao ilay fihodinana in-telo ianao, dia nahita vehivavy niteny ratsy ny hafa ve ??
Namaly ilay tanora hoe:
- " Tsia Mompera "
- Rehefa nanao ilay fihodinana in-telo ianao, dia nahita olona nitabataba ve ??
Namaly ilay tanora hoe:
- " Tsia Mompera "
- Rehefa nanao ilay fihodinana in-telo ianao, dia nahita olona nijery ny findainy ve ??
Namaly ilay tanora hoe:
- " Tsia Mompera "
▪Dia hoy ilay Mompera hoe:
- Fantatrao ve ny antony 😊??
👉 Satria nifantoka tamin'ilay vera nisy rano ianao mba tsy ho raraka amin'ny tany ny rano tao anatiny 😄
Toy izany koa eo amin’ny fiainantsika, indrindra rehefa ao am-piangonana !! Rehefa i Jesoa Kristy no hifantohantsika rehefa tonga ao, dia tsy hanam-potoana hijerena ny fahadisoan’ny hafa izany isika !!☺😊
📍Hafatra:
Rehefa hankany am-piangonana ianao dia omano ny fo amam-panahy hihaona sy hiresaka amin'i Jesoa fa tsy hijery ny fahadisoana ataon'ny hafa no anton-dianao any 😌
Miresaha mangina amin'i Jesoa ary diovy ny fo mba ahafahany miditra sy mitoetra ao am-ponao mandrakizay 🙏
Mirary soa aby ❤
By Sylvanoh Ratsimandresy 😌