24/05/2026
🕊️𝑴𝒊𝒓𝒂𝒓𝒚 𝑷𝒆𝒏𝒕𝒆𝒌𝒐𝒔𝒕𝒂 𝒔𝒂𝒎𝒃𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 🕊️
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from INFP - Institut National de Formation Pédagogique, Education, INFP Mahamasina, Antananarivo.
L'INFP (Institut National de Formation Pédagogique)
🎓 Établissement public rattaché au Ministère de l'Éducation Nationale.
✅ Formation initiale et continue des cadres de l'éducation à Madagascar.
📩 Alefaso MP (Message Privé)
24/05/2026
🕊️𝑴𝒊𝒓𝒂𝒓𝒚 𝑷𝒆𝒏𝒕𝒆𝒌𝒐𝒔𝒕𝒂 𝒔𝒂𝒎𝒃𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 🕊️
20/05/2026
✳️✳️Ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaom-pampianarana eto Madagasikara hatrany ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izay tarihin-dRamatoa Minisitra RAJAONARISON Sendra Nirina amin’ny alalan’ny INFP.
▶️Manatanteraka fiofanana ho an’ny mpampiofana mahakasika ny famohazana sy fanamafisana ny fahaizamanaon’ny mpampiofana izay miompana tanteraka amin’ny fianarana fototra ho an’ny kilasy T1, T2 ary T3, mahakasika ny taranja malagasy sy matematika.
▶️Izany dia tanterahina ao amin’ny Ivotoeram-pampiofanana Pedagojika Rezionaly Antsirabe (CRFRP) mandritra ny dimy andro nanomboka ny Alatsinainy 18 May 2026 izay ifandrombonan’ireo fitaleavana marolafy eo anivon’ny Ministera.
▶️Anisan’ny tetika amam-paika nanatanterahana ny fiofanana ny fikirakirana ireo boky tari-dalana ampiasain’ny mpampianatra : « Paika sy Haifampianatra » ho an’ny taranja malagasy ary « Torolalana ho an’ny mpampianatra » ho an’ny taranja matematika. Miara-dalana amin’izany ihany koa ny « Bokin’ny mpianatra ».
▶️Manotrona izao fiofanana izao ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eto anivon'ny INFP Atoa RAKOTOHARISOA Diamondra Andriamarolahy.
Com-INFP-May-2026.
20/05/2026
15/05/2026
✳️✳️ Tontosa tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 15 may 2026 ny famoahana ireo mpampianatra nahavita fiofanana FADEP teto amin’ny CRFRP Sambava, izay nahitana mpiofana miisa 81 ary misalotra ny anarana hoe "SAFIDY".
▶️Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena RAJAONARISON Sendra Nirina, notronin'ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Sava, ny Lehiben’ny CISCO Sambava ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ao an-toerana.
▶️Nisy ny fanolorana mari-pahaizana ho an’ireo mpampianatra nahavita soa aman-tsara izao fiofanana FADEP izao, ho fankasitrahana ny ezaka sy ny fahavononany amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana.
▶️Nanararaotra nitsidika ny biraon’ny DREN Sava ihany koa ny Minisitra, nijery ny toeram-piasana izay efa mila fanarenana, ary niresaka mivantana tamin’ireo mpiasa birao momba ny fanatsarana ny tontolon’ny asa sy ny fampandehanana ny raharaham-pampianarana eto amin'ny DREN Sava.
14/05/2026
✳️✳️Anio Alakamisy faha14May 2026 no notanterahina tao amin'ny CEG Arivonimamo ny atrikasa fankatoavana ny fanavaozana ny naoty entina handrindrana sy hanatanterahana ny fanabeazana feno ho amin’ny fiarahamiaina mirindra eny anivon’ny sekoly (EVH/ECS).
▶️Nandritra izany no nankatoavana ny fitohizan’ny fampiharana ny EVH/ECS ,ny fihatoan'ny mpianatra mianatra mandritra ny fitondrana vohoka sy ny drafi-pifandraisana momba izany.
▶️Nohamafisina ihany koa ny maha zava-dehibe ny fisorohana ny vohoka aloha loatra eny an-tsekoly sy ny fampitsaharana vonjimaika ny fianaran’ny mpianatra mandritra ny fitondrana vohoka.
▶️Anjaran’ny Minisitera kosa ny manome fahalalana ara-tsiantifika feno momba ny EVH/ECS ho an'ny mpianatra.
▶️Nohamafisina nandritra ny atrikasa ihany koa ny ady amin’ny fanavakavahana sy ny fanilikilihana, ny fisorohana ny herisetra sy ny fidorohana zava-mahadomelina, ny maha zava-dehibe ny fifampiresahana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ary ny fitandroana ny fahadiovana ho fiarovana ny fahasalamana.
▶️Tanjona amin’izany ny hisorohana ny vohoka eny anivon’ny sekoly mba tsy hanakorontana ny fianaran’ny mpianatra sy hahafahan’izy ireo manana hoavy mamiratra.
▶️Ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, RASOLOFONIAINA Ricardo ,no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny Minisitera anisan'izany ny sehatry ny fanabeazana ao Itasy sy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana ao amin'ny INFP, Andriamatoa RAKOTOHARISOA Diamondra Andriamarolahy.
UCOM-INFP– May 2026
14/05/2026
✳️✳️Ho fanatsarana hatrany ny kalitaon'ny fanabeazana eto Madagasikara, ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena amin'ny alalan'ny INFP dia manomana sahady ny andiany fahatelo amin'ny FADEP (Formation à Distance des Enseignants du Primaire 3 ème Cohorte).
▶️Ao anatin'izany fanomanana izany dia manao atrikasa "Installation des applications pédagogique, et insertion des Ressources auxiliaires" ao anaty tablettes ny ekipan'ny minisitera mandritra ity herinandro ity.
▶️Tablettes miisa 6 800 no ampidirana izany ka ireo teknisiana avy ao amin'ny INFP sy DSI no mifarimbona manatanteraka ity asa ity ombam-panotronan'ny Tale Jeneraly mpisolo toeran'ny INFP Andriamatoa RAKOTOHARISOA Diamondra Andriamarolahy.
▶️Isaorana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena izay tarihin-dRamatoa Minisitra RAJAONARISON Sendra Nirina, tsy mitsahatra manao ezaka hatrany ny amin'ny fanatsarana ny Fanabeazana.
UCOM INFP/ May 2026
13/05/2026
✳️✳️Notanterahina tao amin'ny CRFRP Antalaha ny alarobia 13 may 2026, ny famoahana ofisialy ireo mpampianatra ho an'ny ambaratonga fototra miisa 23 nahavita ny fiofanana ampitain-davitra (FADEP) izay misalotra ny anarana "Vamaho".
▶️Tonga nanome voninahitra izany ny delegasiona notarihin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena RAJAONARISON Sendra Nirina notronin'ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ao an-toerana.
▶️Dingana iray manan-danja amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra ny fiofanana toy izao.
▶️Notolorana taratasy fanamarinana nahavitàna fiofanana izy ireo.
▶️Nirary fahombiazana hatrany ho an'ireo mpampianatra nahavita fiofanana amin’ny fanatanterahana ny andraikiny eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena nandritra ny lahateniny.
12/05/2026
✳️✳️ Notontosaina anio faha12 May 2026 ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny "traitement de dossiers FADEP sy ny PROXIMITÉ 2026" tao amin'ny Ivon-toerana Nasionaly Fanofanana Ara-Pedagojika
( INFP )Mahamasina .
▶️ Miisa 14 491 ny antotan-taratasy voaray momba ireo mpampianatra liana ny amin'ny formation de proximité" ary 16 701 kosa ny amin'ny FADEP manokana izay nanomboka noraisina tamin'ny 15 Janoary 2026 ary nifarana tamin'ny 13 Martsa 2026 lasa teo ny fandraisana izany.
▶️ Notontosaina izany teo ambany fiahian'i Andriamatoa Tale Jeneraly mpisolo toerana eto anivon'ny INFP RAKOTOHARISOA Diamondra Andriamarolahy sy TSARANIAINA Jean Fulgence CT/ MEN, RAVELOSAONA Anjara Ranto (UCG), LEBIRIA Gloria Rachel Mananjafy (chef cellule UCA/ Inspection), MIRANTIANA Noël Théophile (DCM), RAKOTONIRINA Justin (DFP) .
▶️ Marihina etoana fa efa tsy ho ela dia hivoaka ihany koa ny AMI 2023.
UCOM _INFP / May 2026