College Protestant Paul Minault

College Protestant Paul Minault

Share

L' ecole a joué un rôle primordial dans l'éducation de plusieurs générations d'étudiants en 122 ans

Photos from College Protestant Paul Minault's post 16/06/2026

🌸Notanterahina teto amin'ny Sekoly ny fizarana sakafo ireo ankizy manala fanadinana CEPE anio izay nokarakarain'ny Ministeran'ny Fanabeazampirenena

🙏Voninahitra sy fifaliana lehibe ho an'ny Sekoly noho izany ny nandray ny Ministry ny Fanabeazampirenena Ramatoa RAJAONARISON Sendra Nirina

✨Rehefa avy niaraka nisakafo teo amin'ny Sahaedena dia Nitsodrano sy nirary fahombiazana ho an'ny mpianatra sy ny Sekoly izy

🔥Pataloha ➖ Vy



13/06/2026

🎶🎵Omano ny mandrakizay 🎶🎵

Mahagaga, mahonena loatra
Ny zava-mitranga miseho
Marobe tafahoatra
Ireo olona miantso hoe vonjeo
Mitaraina matahotra mafy
Sao harary, sao dia ho faty
Tsy fantany mantsy
Na ho ela na ho aingana
Tsy maintsy ho tonga ilay daty.

Mahagaga, mahonena loatra
Ny zava-mitranga miseho
Marobe tafahoatra
Ireo olona miantso hoe vonjeo
Mitaraina matahotra mafy
Sao harary, sao dia ho faty
Tsy fantany mantsy
Na ho ela na ho aingana
Dia tsy maintsy ho tonga ilay daty.

Ref:
Tsy ho ela intsony ilay fotoana
Hifarana izao rehetra izao
Miomana sy miambena foana
Tsy maintsy ho tsaraina zaho sy ianao
Fandalovana ihany ny tany
Miserana mihelina ihany
Mbola tsy tara fa averiko indray
Omano ny mandrakizay.

......................

Mahagaga sy mampalahelo
Marobe ireo misafidy ny helo
Mahavariana, f'ilay Paradisa tsy vidiana
Nefa tsy rarahiana
Voalaza fa ny olona any am-parany any
Dia mpandoka tena sy miavona am-po,
Ratsy fanahy
Manompo vola sy harena.

.......................

Ref:
Tsy ho ela intsony ilay fotoana
Hifarana izao rehetra izao
Miomana sy miambena foana
Tsy maintsy ho tsaraina zaho sy ianao
Fandalovana ihany ny tany
Miserana mihelina ihany
Mbola tsy tara fa averiko indray
Omano ny mandrakizay.

Tsy ho ela intsony ilay fotoana
Ho potika izao rehetra izao
Miomana sy miambena foana
Tsy maintsy ho tsaraina zaho sy ianao (zaho sy ianao)
Fandalovana ihany ny tany
Miserana mihelina ihany
Mbola tsy tara fa averiko indray
Omano ny mandrakizay.

Mbola tsy tara fa averiko foana
Tsy ho ela intsony ilay fotoana.

Mbola tsy tara fa averiko indray
Omano ny mandrakizay.

11/06/2026

Lasa nody any amin-dRay ny 11/06/2026 i KENDRY Andriantsoa Fitia Manoela, 17 taona

Mampahery ny fianakaviany
Andriamanitra anie ho balsama hampionona sy hameno ny banga

🎼🎶 Solo Andrianasolo - FANEKEM-PINOANA 🎼🎶

Nahoana ny maso no tsy hanganohano
Raha sendra alon-drano
Nahoana ny saina no tsy ho valalanina
Raha sangodim-piainana
Mahery, mahamay no itsapana anay
Ry Tompo Rainay

Nahoana moa nahoana ny fo no tsy ho torovana
Raha sendra fahatsiarovana
Nahoana koa nahoana no tsy ho adaladala
Raha zanaka malala
Tiana sy lalaina no indro re nalaina
Mbolavao maraina
Kanefa Raiko o
Izato hira ory izay asandratro izao
Tsy sanatria tsy akory
Ho faniriako ho Anao

Réf: (2 fois)
Fa maika anolorako indray Aminao
Ilay manda vaovao
Ny herin'ny finoako
Tsy mbola niova loko
Satria mino aho fa ilay velomanay
Dia mandra-pihaona ihany
Satria mino aho fa ilay velomanay
Tsy ho mandrakizay

Tsy ho mandrakizay e
Tsy ho mandrakizay

11/06/2026

🌸Misy marary va eo aminareo Aoka izy hampaka ny loholon’ ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy🌸

Jakoba 5️⃣✨1️⃣4️⃣➖1️⃣5️⃣

🕊️Miantso antsika zanaky ny sekoly rehetra hitondra ambavaka an’i ANDRIANTSOA Kendry Fitia Manoela, mpianatra kilasy Famaranana A ato amin’ny sekoly izay miady mafy amin’ny aretina amin’izao fotoana izao

🙏Miombom-po isika ary miara-manandratra vavaka ho an’ity zandry, zoky, zanaka malalantsika ity

🌸Raha misy marika hita maso afaka hifanohanana amin'izy ireo dia ao amin'ny Reanimation HJRA izy ary ity ny laharana ifandraisana amin'ny dadany
034 23 646 42 Mr Tsiry

24/05/2026

🕊️Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo Ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany

Asan'ny Apostoly 1️⃣➖8️⃣

13/05/2026

Miarahaba antsika rehetra

Ampahafantarina isika rehetra fa ny kilasy famaranana – Andiany faha‑125 eto amin’ny Kolejy Protestanta Paul Minault Androhibe dia hanatanteraka hetsika manokana ho fitsofandrano azy ireo ny faha 28 May 2026 eny @ FOFIKRI Ankadikely ka manentana antsika rehetra mba ho tonga hanotrona, hanohana ny mpianatra.
ka toa izao ary ny fandaminana:

@ 11ora maraina dia hisy ny fitsofandrano sy ny fampaherezana ho azy ireo.
🍽️ Aorian’izany dia hisy fiaraha-misakafo ho fanehoam-pifaliana sy firaisankina.

➡️ Ny fandraisana anjara dia 40 000 Ariary.

Koa dia manasa antsika rehetra hanotrona sy hanoana ny mpianatra amin’ity fotoana lehibe ity, ho mariky ny fitiavana sy fanohanana.

Tsara marihina fa izy ity dia mifanandrify @ fankalazana ny faha 125 taona ny Sekoly satry izy ireo no andiany faha 125 .

Ny tapakila dia azo raisina ao amin’ny biraon’ ny sekoly alohan’ny 20 May 2026
Misaotra tompoko !

11/03/2026

🌸Mianara hanao ny tsara... Mba ho hitan'izay miditra ny mazava🦋

Culte 11/03/2026 notarihin'ny kilasy faha 6

Ho voninahitr'Andriamanitra irery

Pataloha ... Vy

20/02/2026

🌸Mianara hanao ny tsara... Mba ho hitan'izay miditra ny mazava🦋

Tontosa soa ny ✨Lalao 125 Pata✨ Foot à 7
U10 - U12

Isaorana ireo Sekoly namaly ny fanasana sy niaraka nilalao:
✅La Krana
✅Dimbin'ny Ala
✅La Printaniere
✅Wesley School
✅Youth Village School

Isaorana ny ✨Benny - Jolly Jus✨ nanohana an'izao hetsika izao

Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany

Pataloha ... Vy

19/02/2026

🔥 TOURNOI 125 PATA 🔥

📚BAMBI'S SCHOOL🎓

👋Venez celebrer nos 125 ans en mode sport ⚽️

⚽️ Foot à 7 mixte
🏆 Catégories : U10 - U12
🗓️ 20 Fevrier 2026 à partir de 08:00 (ouverture)
📍 Paul Minault, Androhibe

Merci à Jolly Jus & Benni pour le soutien

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address

Androhibe
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 07:00 - 15:30
Tuesday 07:00 - 15:30
Wednesday 07:00 - 15:30
Thursday 07:00 - 15:30
Friday 07:00 - 15:30