Bonne année 2025 ho antsika tanora Apokalypsy rehetra
🤜🤛🫸🫷
Ho taom-pahombiazana tsara rehetra atao anie ity ka isanandro dia aoka izany no averimberintsika hampaherezana tena, ary mbola izany ihany koa no holazaintsika rehefa tojo izany fahombiazana izany hoe "marina fa tena taom-pahombiazana tokoa ity".
Voninahitra anie ho any Indrindra
Sampana Tanora Oliva Nasionaly Apokalypsy
Pejy natao ho fampitam-baovao sy toromarika ary fampiraisana ny tanora Apokalypsy maneran-tany
08/05/2024
https://www.facebook.com/100064749247443/posts/886124983555802/?app=fbl
🔥
Eh !! Andao hiresaka momba ny teknolojia sy ny tontolony e ! 😁
Inona no antony ifehezahana azy ? 🙄
Inona ny tombon-tsoa azo avy aminy ? 🫣
Ahoana no hampiasana azy hitadiavana asa sy vola ? 🤩
Raikitra e !!
>> Fotoana : Alahady 12 mey 2024
>> Ora : Manomboka amin'ny 9ora30
>> Toerana : Foibe FAM Isotry - Efitrano faharoa (salle 2)
01/04/2024
Inona ny tombontsoa ara-pahasalamana azo -kanina ?
24/03/2024
👯👫👬👭
Samy mitady namana daholo isika tanora. Efa ao anatintsika mihitsy izany "filàna" izany. "Tsy tsara raha irery ralehilahy hoy Jehovah." "Mandehana tsiroaroa" hoy Jesosy 😊. Kanefa tsy ny olona mitsiky aminao rehetra no namana an ☝😊
👉 Namana mahatoky, afaka manafana anao (tsy manafana anaty bodofotsy, fa manome tsiro ny fiainana, manampy anao hampirehitra indray ny afo na hery ao anatinao hiatrehanao ny ho avy), manarina anao raha sendra lavo ianao no atao hoe namana. Ary misy valiny tsara ny fisasarana miaraka 😊
👉 Meteza ihany koa ary ho namana mahatoky, manafana ny hafa (mampahery, manome famporisihina, ho foana) ary manarina azy raha sendra lavo izy 😊
👉 Ary ataovy eo afovoana foana i Jesosy Kristy sy Ilay Andriamanitra fitiavana hahaizantsika mitia ny namantsika fisakaizana marina
Soava ny herinandro eee 💪💚💛💙
17/02/2024
Ahoana tokoa raha mba manandrana ? 😍
https://www.facebook.com/100064862973241/posts/780212834150809/?app=fbl
BAIBOLY ANTSAINA - FIFANINANANA FIANTSANA BAIBOLY
🤔🥰Iza avy no namonjy Alahadin’ny Baiboly tao amin’ny FLM Ambatovinaky omaly❓
😇😇Efa nosokafana omaly anie ny fisoratana anarana ho an’ny Baiboly Antsaina e !!
🥰Ianao koa ve mba te handray anjara amin’izany❓
Amin’ny alalan’ity rohy ity no hisoratana anarana na ao amin’ny hafatra miafina : https://bit.ly/baibolyantsaina
👇😉Ao amin’ny commentaire kosa no ahitanao ny andinindininy amin’ny dingana voalohany ❗ 🤗Afaka mifandray aminay raha toa ka misy fanontaniana❗❗
Tena fantatrao ve Ilay Jesosy Inoanao sy ny mampiavaka ny maha Apokalypsy anao ?
18/12/2023
Banga iray ny AUFAMA.
Ny birao nasionalin'ny sampana tanora Oliva dia miara-miory ary mirary fiononana ho an'ny fianakaviana, namana, mpiara-mivavaka, indrindra ho antsika tanora. Vita ny adidiny na dia mbola tanora aza ny tenany.
https://www.facebook.com/100077832390540/posts/372815431989534/
19/11/2023
[Tanora sy ny namana] 👯
🚫Misy ny namana ilay mamporisika anao foana na dia zavatra tsy tokony hatao aza. (ohatra : ianao te hiaraka @ olona tsy prayf, dia mba mizara ny ao am-ponao dia hoy izy hoe inona ny olana e, ndana. Na koa ianao mitsiriritra ny phone-an'olona dia miteny aminy indray hoe tiako be iny, tiako be raha za no manana an'iny, dia izy manolo-tsaina hoe ndao angalarina e 😈)
✅Misy ny namana izay mananatra anao raha mitady hanao zavatra tsy mety ianao. (ohatra : ianao te hingitrika fa tsy tianao ilay prof na hoe te handehandeha hiaraka ianao, dia izy ilay mananatra hoe de tsy haharaka eo anie ndri e, na koa hoe ianao tsy te hody any an-trano fa mbola te hirevy, dia izy mananatra hoe tokony tenenindri ihany aloha ny dadandri sy mamandri na hoe tsy en sécurité tsara anie any e, sady ndri hviravirain'ny bandy eo fotsiny, sao hanenenana eo ny vokany avy eo 😇)
❓Ianao ve ilay namana mpanome torohevitra adala sy mampijabaka olona ? Tandremo fa ratsy ny hiafaran'izany. Jereo kely anie ny tohin'ilay tantara eo ireo e 😊
❓Manana namana mpanao izany ve ianao ? Arahanao foana ve izay toroheviny ? Raha izy ve nefa no eo dia tsy hanao mihitsy izy nefa ianao toroiny hevitra hanao an'ilay izy ?
👉 Hevero tsara izay torohevitra omen'ny namanao fa tsy voatery ho tsara izany. Raha mila tolo-tsaina hendry ianao dia Jesosy atonina. Izy anontaniana fa Izy dia Mpanolo-tsaina hendry sady tsy manoro voana izany 😊
Manasa anao anie hamaky an'ireto tantara ao ireto e ? (Eo amin'ny sary - II Samoela no misy azy)
Soava alahady ô 😊
Ahoana izany manome voninahitra an'Andriamanitra ankoatran'ny manao "Haleloia" ?
Dieu fait bien les choses 😌
Tsara mandroso, tsara miverina isika tanora handeha hamonjy ny JJAM 😉😍
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Contact the school
Telephone
Website
Address
101