30/08/2023
🔸La dépression va bien au-delà des simples sentiments de tristesses passagères et peut avoir un impact significatif sur la vie quotidienne, les relations et le bien-être général d'une personne.
✔Sa guérison est un facteur clé pour devenir un Homme nouveau
➡️Nous vous invitons le samedi 09 septembre à la salle Milakaji pour l'atelier " Comment sortir de la dépression et comment l'éviter?"
➡️N'hésitez pas à venir en mp ou à contacter le numéro 038 90 289 33 pour l'inscription
🙏
The Essence : "it starts inside"
14/08/2023
✓Atelier - La voie de la connaissance de soi : Qui suis-je ?
👉 Ils ont eu confiance en nous🫂❤️❤️
🔥🔥🔥 Vos retours positifs nous encouragent à aller de l'avant. 💪💪.
Mankasitraka 🙏🙏🙏
Le changement commence à l'intérieur.
The Essence : "it starts inside"
12/08/2023
🙏🙏Mankasitraka antsika rehetra tonga nanatrika ny atelier:
"La voie de la connaissance de soi : Qui suis-je?"
🔥🔥➡️Hinoanay fa nanokatra varavarana ho anareo ny fampianarana androany, mba hafahanareo mandray an-tanana ny fiainanareo.
👌👌Mankasitraka an'i Riziera café koa tamin'ny toerana sy ny sakafo, afa-po ny vahiny☺️
👉Ny fanovana dia mianga avy ao anaty, ary miainga avy amin'ny tsirairay.
🙏🙏
The Essence : "it starts inside"
11/08/2023
🔥🔥Tsy hivarotra nofy ho anao izahay, fa hizara fitaovana hanantanterahanao ny nofinao.
➡️➡️Miainga avy ao anaty ny fanovana
The Essence : "it starts inside"
08/08/2023
🔥🔥Se connaître, c'est le must pour prendre sa vie en main.
⚠️⚠️Se connaître ce n'est pas tout simplement répondre à la question "qui suis-je ?", mais une introspection à 360° sur tous les plans.
➡️Nous vous invitons ce samedi 12/08 à la Riziera café pour l'atelier brunch " la voie de la connaissance de soi: qui suis-je?"
➡️Pour mieux connaître et se connaître.
🙏
The Essence : "it starts inside"
06/08/2023
Fankasitrahana feno ho an'ny Thérapie Du Cœur , tamin'ny fifampizarana natao ny zoma 04/08 teo nahakasika ny olana mianjady ny tanora ankehitriny sy ny tari-dalana hentina hiantrehana izany.🙏
Ny fanovana dia mianga amin'ny tsirairay ary avy ao anaty.
The Essence : "it starts inside"
31/07/2023
Ianao ve hoy aho Malagasy?
Malagasy be fanadinoana...
Tsy ampy Hery tsy ampy vatsy
Ka manao taon-dasa tsy tsaroana
Malagasy mbola renoky ny torimaso
Tsy Hay hoe rahoviana no hifoha
Ka zary anjakan'ny mpanao ankaso
Manaiky itsahana hatrany an-tampon-doha
Ianao ve hoy aho Malagasy
Toa zatra manaiky foana
Na dia efa mandry an-driran'antsy
Dia tsy miteny,... Fa nahoana?
Zary mitaraina ny isa-tokatrano
Tsy misy ho arapaka fa sarotra ny Fiainana
Nefa ianao mbola Mino ny anganoangano
Izay hany fanantenana fa tsy hita ny itarainana.
Rahoviana no hifoha, hatsiaro Tena ka hiarina?
Handray ny ampinga, ny lefona, famaky sy ny angady
Hamerin-Kasina ny TENA, ny TENY sy ny TANY
Mifohaza raha mbola Velona ka sahia manao ny MARINA
Fa Gasikara Manankasina ary tsy maintsy ho TAFARINA.
# BITSIKY NY FANAHY #
Tsiriniaina Mboany
26/07/2023
Mbola Malagasy ve isika ?
Izay fahaizana voarainao ve entinao hitadiavana tombon-tsoa ho anao manokana sa hentinao hampivaotra ny mpiara-belona aminao sy hampandrosoana an'i Madagasikara koa?
Izay hery ananao ve entinao hitadiavana tombon-tsoa ho anao manokana sa hentinao hampivaotra ny mpiara-belona aminao sy hampandrosoana an'i Madagasikara koa?
Izay fahefana ananao ve entinao hitadiavana tombon-tsoa ho anao manokana sa hentinao hampivaotra ny mpiara-belona aminao sy hampandrosoana an'i Madagasikara koa?
Ny harenao ve ho koboininao samirery sa hentinao hampivaotra ny mpiara-belona aminao sy hampandrosoana an'i Madagasikara koa?
Ny lova napetraky ny razam-be dia ny fihavanana sy ny firaisan-kina no hery fa tsy hoe zarazarao hanjakana na ny fitiavan-tena sy tia tia kely.
Amin'ny fo tsy miangatra, tena mbola mendrika antsika ve Madagasikara?
Mbola tsy tara izao raha te ho olom-baovao enao mba ho jiro fanilon'ny fianakavianao, namanao ary Madagasikara.
Miainga amin'ny tsirairay ny fanovana ary miainga avy ao anaty🙏
08/07/2023
Mankasitraka ny kung-fu waishi ampasapito nandray anay,nafahanay nizara momba ny fisakafoanana na "nutrition". nahafinaritra tokoa ny fiarahana.🙏