Fantatrao ve ny atao hoe Filazantsara ? Ny maha-vaovao mahafaly ny Filazantsara ?
👉Manasa anao ary hanaraka hatramin'ny farany ity fampianarana fohy ity mamaly izany fanontaniana izany
Ahoana hoy ny Baiboly?
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ahoana hoy ny Baiboly?, Talatamaty, Antananarivo.
15/04/2021
Tsy ao amin'ny Isaia 59:2 ihany no milaza fa tsy mihaino ny mpanota Andriamanitra fa ao amin'ireto andininy ireto ihany koa Jaona 9:31 , Matio 7:21-23 , ary ny hafa, ka raha tsy afaka ny otanao dia tsy hiaino anao mihitsy Andriamanitra, tsy afaka hihavana Aminy ianao eny na mivavaka aza ka maharaka ny fombafomban'ny antokom-pinoana misy anao sy manana andraikitra lehibe ao amin'izany (Pasitera, Mopera, Presbitera, Bishop, Mpiandry, Mpandray,...)
Ny antony dia ratsy eo anatrehan'Andriamanitra io ota io sy ny vokatra rehetra entiny, ary helohiny hatreto sy ho mandrakizay. Koa moa efa afaka ve ny otanao?
18/03/2021
Nahoana ary no mila mihavana amin'Andriamanitra ianao?
Satria ny fahamarinana ao amin'ny Baiboly mihitsy no milaza izany, hamarino ao amin'ity andininy ity ISAIA 59: 1-2.
Andriamanitra dia mahavonjy ary Andriamanitra dia mahare ; maninona anefa Izy no tsy mihaino? ( nefa mivavaka Aminy ny olona araka ny ao amin'ny andininy faharoa)
05/03/2021
Fa maninona moa no resahina ny amin'ny hoe fihavanana amin'Andriamanitra? Tsy teny noforonin'olombelona io fa Andriamanitra mihitsy no miresaka izany ao amin'ny Baiboly.
ResahiNy izany satria misy fisarahana eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona, tsy afaka miaraka amin'Andriamanitra ny olombelona noho ny faharatsiana izay ateraky ny otany.
Raha ny marina dia tsy rototra loatra ny amin'izany ny olombelona fa Andriamanitra kosa no tena maika sy dodona ny amin'io araka ity andininy ity 2 KORINTIANA 5:20 (hita eo amin'ny sary).
Koa ahoana ary, mba maika hihavana Aminy koa ve ianao?
19/02/2021
Mety mieritreritra angamba ianao fa miaraka amin'Andriamanitra ankehitriny amin'ny fiezahana manao ny tsara (miezaka mitandrina lalĂ na ); amin'ny fanaovana asa soa ; amin'ny fanaovana karazana asa fanompoana maro ... eny amin'ny fivavahana any amin'izay antoko arahinao aza.
Ary amin'ireo no heverinao hiantohana ny fiarahanao amin'Andriamanitra mandrakizay ; sasa-poana ianao satria hevitr'olombelona ihany ireo.
Azonao hamarinina izany, amin'ny alalan'ireto andinin-teny ireto:
MATIO 7: 21-23
JEREMIA 7: 22-26
ISAIA 1
Ny hevitr'Andriamanitra kosa dia:
Raha tsy vita fihavanana amin'Andriamanitra mihintsy ianao dia tsy afaka ny hiaraka Aminy ankehitriny izao sy ho mandrakizay.
Fikasan'Andriamanitra ny hahatonga ny olona hiaraka Aminy ankehitriny sy ho mandrakizay. Mitovy amin'izay ihany koa ny fanirian'ny olombelona.
Kanefa ny hevitr'Andriamanitra sy ny lalaNy ahatongavana amin'izany dia mifanalavitra tanteraka amin'ny hevitra sy ny lalana eritreretin'ny olombelona.
Ny hevitr'Andriamanitra sy ny lalaNy!!! Fantatrao ve?
02/02/2021
Nomarihantsika teo aloha fa Sarobidy sy Tokana an-tany ny Baiboly satria Tenin'Andriamanitra zato isan-jato.
Araka ny Isaia 55 : 8-9, mba azonao an-tsaina ve fa mifanalavitra tanteraka ny hevitr'Andriamanitra sy ny hevitr'olombelona ary ny lalan'Andriamanitra sy ny lalan'olombelona?
Liana te hamantatra ny fahamarinan'izany tokoa ve ianao?
Amin'ny sehatra inona ohatra no ahitanao taratra izany fahasamihafana lehibe izany?
Malalaka ny fanehoana hevitra.
Salamo 119.105: "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lĂ lako ny teninao."
Amin'ny fifaliana lehibe no iarahabana anareo mpanaraka ny pejy.
Ity pejy ity dia natokana indrindra hizarana ny fahamarinana voarakitra ao amin'ny Baiboly.
Maro sesehena ny zavatra mampametra-panontaniana ny olona tsirairay mahakasika ny hevitra raiketin'ny Baiboly.
Ny Baiboly mantsy dia Fanambaran'Andriamanitra sarobidy sy tokana eto an-tany, ho an'ny olombelona rehetra tsy ankanavaka.
Izany indrindra no antony nisafidianana ny anaran'ny pejy hoe: "AHOANA HOY NY BAIBOLY", mba hitarihana antsika hiverina ao aminy ka hahafantatra izay lazainy.
Koa manasa anao hanaraka tsy tapaka ny pejy mba hahazoanao ireo fizarana rehetra atolotra.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Website
Address
Antananarivo