15/05/2026
Tanana havia! Maro izay no gaga sy variana raha vao nandre fa misy izao "firotsahana" izao mikasiky ny Skoto. Samy maneho ny heviny sy ny fahalalany ny maro ka isan'ny izany ny hevitry ireo ray aman-drenin'ny Beazina sasany milaza fa «rétrogradation» izany. Izay liana, asaina manokana hiditra ho mpikambana EFODA fa ny famaritana azy io tsotsotra dia tahaky izao : fampiharana ireo ofana noratovana teo anivon'ny fikambanana ny “firotsahana”. Nanatanteraka izany ny EFODA andrefana ny omaly 14 may 2026, tao amin'ny Fiangonana FMFOI Anosiala (isan'ny ireo ivon-toeram-piangonana 200 mahery an'ny FMFOI eto Madagasikara) araky ireto sary fanehoana ireto.
Toy ny ranon'orana, tsy maintsy mirotsaka sy mahefa ny asany vao misandratra indray ho any ambony, ofanina koa ireo Beazina “hiandoha sy hatoky amin'ny kely”.
Rahampitso, SABATA, manasa anao koa ny EFODA FMFOI eny amin'ny ivon-toeram-piangonan'ny FMFOI toa an'Anosiala, Ampasika (Honey Moon), Ambohimamory-Ampitatafika fa misy zava-tsoa omanin'i JESOSY ho anao.
27/04/2026
Tanana havia! Ao anatin'ny singam-panabeazana koa ny "anjoria" sy ny asa firotsahana. Tamin'ny ireto izao izy sady "Anjoria" no "Asa firotsahana". Mirary tolakandro mahafinaritra ny rehetra! ✋
01/01/2026
Tanana havia!
Hiresaka mikasiky ny teboka iray izay tsy afaka mandrakariva amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona isika. Rehefa manatanteraka hetsika, manefa iraka, mikendry hanatratra tanjona amin'ny tetik'asa na vina iray, eny fa amin'ny andavan'andro ary, manana anjara toerana lehibe ny "Tatitra" (rapport). Ny biletà an'ny mpianatra, ny karaman'ny mpiasa, ny rotsabolan'ny mpikarama, tsiahy (bilan) ny ezaka vita sy izay mbola ho tratrarina : tatitra avokoa.
JEHOVAH Andriamanitra, Mpahary izao tontolo izao koa, nanao tatitra raha namorona izao tontolo izao sy nandahatra ireo famoronany isaky ny andro enina (enemana) ary nitsahatra ny andro fahafito : SABATA.
Ny olombelona koa, tsaraina araky ny asany avy araky ny voalazan'ny Baiboly ao amin'ny APÔKALYPSY 20:12 –13. Eny fa na ny teny sy ny fihetsika ary, tonga tatitra avokoa eo anatrehan'Andriamanitra ka nilazan'ny soratra Masina fa : «Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika.», Hebreo 4:13.
Genesisy 28:12
«Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy».
Ny anjely no manompo : mitondra tatitra miaka-midina eo anatrehan'Andriamanitra, tsy misy fitsaharana mikasiky ny olombelona sy ny fiaimpiainany ety ambanin'ny masoandro.
Mpitoriteny 5:5
«Ary aza manao eo imason'ny anjely hoe: Niteny tsy nahy aho».
Na ny mety, na ny tsy sitrak'Andriamanitra ataon'ny olombelona, samy entin'ny anjely eo anatrehany avokoa.
Apokalypsy 8:3 – 5
«[3]Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana.
[4]Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra.
[5]Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany».
Misy tamberina avy amin'Andriamanitra koa manoloana ireo vavaka sy fiainan'ny olona izay tonga ho tatitra entin'ny anjely eo anatrehan'Andriamanitra.
Koa satria araky ny asa ny tatitry ny fiainantsika, anana fahafahana koa isika ny hamolavola tatitra tsara ho an'ny anjely ho entina eo anatrehan'Andriamanitra mba ho valimbavaka hitondra fahombiazana sy fahasoavana mby miantomboka ny taona. Misokatra ny ny lanitra ny 03 janoary 2026, ao amin'ny Lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolotsaina Mahamasina (Palais des sports et de la culture) satria SABATA-n'i JEHOVAH io araky ny nambarany ao amin'ny Ezekiela 46:1
«Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vavahadin'ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy».
Manasa anao ny EFODA-n'ny Fiangonana FMFOI hitondra tatitra ho an'ny anjely mba ho ambinina sy hisy vaikany eo amin'ny taona vaovao (2026) izay ho diavintsika ny teny fikasan'Andriamanitra ao amin'ny boky ny Isaia 40:19 «Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be» sy Joela 4:10b «Aoka izay kelikely aina hihiaka hoe : Mahery aho!».
Inona no tatitra inoanao?
EFODA FMFOI : Izaho dia mino ny tatitry ny Tompo!
29/12/2025
👋 Tanana havia!
Hifarana ny taona 2025 araky ny fanisantsika mahazatra (convention).
Mahafinaritra ny mitanisa ireo hetsika tontosa sy ireo mbola kinasa, izany rehetra izany eo anatrehan'ny mari-pandrefesana tokana izay nisy ary efa nitoetra hatry ny tsy mbola ary ny olombelona voaloha tonga saina (conscient) : fotoana (temps) ⏳. Misy karazany maro ny refin'ny fotoana ary araky ny tenin'ny mpikaroka iray izay fanta-daza mandra-kankehitriny : mifanaraka amin'ny tranga miseho ny fotoana (le temps est relatif). Hiaraha-manaiky ny refin'ny andro ho 24 ora, sy ny volana ary ny taona araky ny mari-drefiny avy. Misy alimanàka maro manerana izao tontolo izao (ohatra : alimanàka : sinoa, jiosy, romana, grika); sy ny alimanàka fampiasantsika ankehitriny amin'ny an-kapobeny : alimanàka Gregaoriana (calendrier Grégorien) 🗓️.
Eo anatrehan'ny fivoaran'ny fatra sy lentam-pahalalan'ny zanak'olombelona 🔬🧬🛰️, samy mitondra ny vokam-pikarohany ny maro manoloana izany hevitra izany. Manana ny mari-drefy sy ny fombany manokana koa anefa ny Baiboly, boky mirakitry ny tantara mikasiky ny Mpahary izao tontolo izao, ANDRIAMANITRA, ny amin'ny fanisam-potoana (andro, herinandro, volana, taona).
📖 Genesisy 1:14-18
Mamohavoha ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao sy ny amin'ny antom-pisian'ny masoandro sy ny volana.
📖 Salamo 104: 19ª «Nanao ny volana ho fotoana IZY».
Iaraha-mahalala moa ireo karazana faribolana (cycle) manoritra ny fitetiky ny volana (phase lunaire) mamaritra tsara ny fizotry ny volana iray sy ny fifamdimbiasany mandritry ny taona.
📖 Apôkalypsy 12:1 «Ary nisy famantarana lehibe hita teny amin'ny lanitra dia vehivavy mitafy masoandro, ary ny volana no teo ambanin'ny tongony, ary nisy satroboninahitra kintana roa amby folo teo amin'ny lohany»
Filazana ny amin'ny fiangonan'ny fahamarinana izay mitandrina ny andro voatendry araky ny voalaza ao amin'ny bokin'i Isaia 66:22–23.
📖 1 Makabeo 2:57 [Baiboly Diema]
Manoritsoritry ny vanim-potoana nanaovana fairano sy nanandevozan'ny Amperora Antiokosa Epifàna ny Israeliana [Kasleo volana faha-9 = volana novambra-desambra]
📖 Daniela 7:25b «Ary hiteny hanohitra ny Avo indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo indrindra ary hanova fotoana sy lalana, …»
Noforonon'ny olona sasany ny fanisam-potoana araky izay mampety azy mba tsy hahalan'ny maro ny tena sitrapon'Andriamanitra.
Raha hifarana ny taona, hiditra amin'ny taona vaovao 2026 isika. Hisy hetsika hiarahana amin'ny fiangonana FMOI koa hisantarana izany taona izany ny sabotsy faha 03 janoary 2026 ao amin'ny Lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolotsaina Mahamasina (Palais des sports et de la culture Mahamasina) hanasana antsika manokana.
Andro fanovozan-tsoa ny SABATA araky izay nohamasinina nanomboky ny fiforonan'ny izao tontolo izao ary hitoetra ho fanekena mandrakizay amin'Andriamanitra.
Handeha isika hikatsaka hery vaovao entina hiatrika ny volana sy ny taona indray mba ho feno fahombiazana sy ny fitahiana eo ambanin'ny herin'i JEHOVAH, miaraka amin'ny Fiangonana FMFOI.
📖 Joela 4:10b «Aoka izay kely aina hihiaka hoe : Mahery aho!».
⚜️ EFODA FMFOI manerantany , vonona foana, mandroso foana! ✊
02/03/2025
Mitohy hatrany ny fanaparihana ny vaovao mahafaly ho antsika rehetra.
https://www.facebook.com/100064419591075/posts/1040992101391433/?app=fbl
📖 "Izay milaza fa mitoetra eo Aminy, dia tsy maintsy mandeha tahaka izay nalehany ihany koa." I Jaona 2: 16
👉 Izay nanara-dia an'i dia nitombo fahasoavana, niaina tao anaty fahamarinana ary nivelatra tao anaty fahamasinana.
👉 Izahay resy lahatra fa maniry ny ho toy izany ianao.
👉 Manasa anao manokana ary ny sy ny Apostoly Benjamina, ho avy ao anaty fanompoam-pivavahana masina lehibe:
Sabata sy Voaloham-bolana 01 Martsa 2025, Seminera faharoa ao anatin’ny 7 Sabata fiomanana amin’ny P***a 2025.
⁉️Raha maniry vavaka mahery ianao,
✅️Dia hisy ny amin’ny Sabata sy Voaloham-bolana.
⁉️ Te ihaino toriteny manasitrana ny aretinao eo noho eo ianao?
✅️ Dia hisy izany amin’ny Sabata sy ny Voaloham-bolana.
❗️ Ianao mangetaheta fametrahan-tanana
handritra ny loharanon'ny:
▫️fahantrana ara-tsaina
▫️fahantrana ara-panahy
▫️ fahantrana ara-bakiteny
✅️ Dia hisy izany amin’ny Sabata sy Voaloham-bolana
➡️ Sabata sy Voaloham-bolana, Semineran'ny fitomboana amin’ny fahasoavana sy ny fahamarinana ary ny fahamasinana.
📌 Ny 1er Mars 2025; manerana ny Trano Fivavahana sy ny Vondrom-bavaky ny izay akaiky anao, manomboka amin'ny 9 ora maraina 🕰
👉 Manasa antsika rehetra ary ny : Ray aman-dreny, zanaka, tanora; ndao hanompo an'i amin’ny Fanahy sy ny fahamarinana.
📖 "Fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay."
© 2025
22/02/2025
Arahaba ny mpanaraka rehetra.
Tsy mifandika na miala amin'ny fiainana maha SKOTO izy ity fa mifanaraka tsara. Manasa antsika hanaraka hatrany ny fampielezana; indrindra ny mari-drefin'ny 107.4 MHz
https://www.facebook.com/100064419591075/posts/1035013978655912/?app=fbl
HO AVY NY P***A 2025
👉 Ilay andro masina lehibe fotoam-pivavahana in-dray mandeha isan-taona, ary Jehovah no mandahatra azy.
👉 Takian'ny Baiboly anefa mba ho marina, mba ho masina ary ankasitrahana ny olona izay tafiditra anatin'izany P***a izany.
👉 Noho izany indrindra, ny izay tarihan'i Apostoly Benjamina, dia manomana Seminera.
Seminera lehibe 7 Sabata. Vavaka sy fifadian-kanina, fanoloran-tena, ary fiverenana amin'ny fitiavana voalohany.
📖 Fa hoy Jesosy ao amin'ny Apokalypsy 2:5
"Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao ka hamindra ny fanaovan-jironao iala eo amin'ny fitoerana, raha tsy mibebaka ianao."
Ho antsika rehetra ary izay mpanaraka ny onja-peo FMFOI 107.4MHz;
🔸️ Te hiverina amin'ny fitiavana voalohany ve ianao?
🔸️Tianao ve ny mbola ipetraka amin'ny toerana izay nahitan'i Jehovah Andriamanitra anao?
🔸️Mangetaheta ihany koa ve ianao mba hirehitra ny jironao ara-panahy izay ahafahanao mitsena ny fisehoan'i Jesosy Kristy fanindroany eny amin'ny rahon'ny lanitra?
👉 Natao ho antsika rehetra indrindra ny Seminera Fiverenana amin'ny fitiavana voalohany; ny Sabata 22 Febroary 2025 ho avy izao; Sabata voalohany ao anatin'ny fanamasinan-tena.
Hisy ny vavaka sy tso-drano, arahana fametrahan-tànana miaraka amin'i Apostoly Benjamina, manerana ny Trano Fivavahana sy Vondrom-bavaka izay misokatra ka akaiky anao, manomboka amin'ny 9 ora maraina.
📌 Aza adino ary ny Sabata ho avy izao, ny 22 Febroary 2025.
👉 Seminera Fiverenana amin'ny fitiavana voalohany, fikatsahana ny tavan'Andriamanitra, andraisana:
✅️Fitahiana
✅️Valim-bavaka
✅️Fanasitranana
✅️Hosotry ny Fanahy Masina
✅️Ary Famonjena
© 2025
27/06/2022
📜 Ho fankalazana 🥳 ny faha-6️⃣2️⃣ nahazoan'i Madagasikara 🇲🇬 ny fahaleovan-tena, nanao hetsika ny Sampana iray eo anivon'ny fiangonana FMFOI entina hitondra fifaliana sy firavoravoana ho an'ny rehetra. Ity hetsika ity moa dia nomena anarana hoe "Tokotanibe" 🎡, ary maro ny fialamboly 🎢 izay nentina nampifaliana ny olona izay tonga nanatrika azy. Nampiantrano ny hetsika tokotanibe koa ny ivon-toeran'ny fiangonana FMFOI iray tany amin'ny faritra Andrefana an'Antananarivo, izay ho haseho ao anatin'ny ireto sary 📸 indray mipika ireto.
03/11/2021
https://www.facebook.com/262830371068742/posts/855286361823137/?app=fbl
Santionan'ny Tafika Masina niarahan'ny Skoto KiMpi FMFOI tamin'ny ireo "Nouvelle génération des Pasteurs". Misaotra ny ekipan'i TV7FOI ny amin'ny sary ho rakitra sy fahatsiarovana.
07/09/2021
Fialamboly Fiderana _ Alahady, 05 Septambra 2021.😁