24/10/2024
PAIKA DIMY (5) MANAMPY NY ZAZA AMIN'NY FIFANTOHANA
Olona mora variana ny zaza ; fohy ny faharetan'ny fifantohany amin'ny fanaovana zavatra iray . Misy fiantraikany amin'ny fianarany ny tsy fahampian'ny fifantohany , na any an-dakilasy na ao an- trano .
Inona no anton'io tsy fifantohana eo amin'ny zaza io ?
Mila manaiky aloha isika fa izay mihitsy no maha- zaza ny zaza . Olona tsy manana faharetana izy .
Manamora ny tsy fifantohan'ny zaza ka mahatonga azy ho variana na tahaka ny mpanonofinofy fotsiny ireto zavatra manaraka ireto : ny harerahana , ny hanoanana , ny rarin-tsaina . Tahaka izany koa ny tahotra sy tebiteby .
Miaraka amin'izany dia voalazan'ny mpandinika fa mora mahavariana ny zaza ny fijerena fahitalavitra , ny tabilety sy ny finday .
Inona ary no tokony hatao ?
1) Rehefa mianatra ao an-trano ny zaza , na mamerin- desona na manao enti-mody dia aoka ho efitrano tsotra , tsy ahitana zavatra maro mety hahavariana azy no omena azy : efitrano tsy misy fahitalavitra , na tabilety , na kilalao hafa .
2) Ferana ho zavatra iray ihany no am-panaovina ny zaza ao anatin'ny fotoana iray . Aoka tsy hotenenina aminy indray miaraka ny zavatra samihafa tokony hataony . Ohatra : " Manao enti-mody aloha ianao izao . " ( Fa tsy ampiana hoe : " Rehefa avy eo milalao ." ) Satria tsy andriny sahady ny hilalao .
3) Anaovana tantara ny zaza . Olona tia mihaino tantara mantsy ny zaza . Mitaiza ny zaza amin'ny fifantohana ny tantara . Tantara mahaliana , mahafinaritra , misy lesona ho an'ny zaza no atao .
4) Ampandraisina anjara amin'ny raharaha madinika an- tokantrano ny zaza . Hitan'ny mpikaroka fa mikolokolo ny fifantohan'ny zaza ny fanaovany raharaha kely ao an- dakozia ; tahaka izany koa ny fandaminana efitrano . Manazatra ny zaza amin'ny fandraisana andraikitra rahateo izany .
5) Ampirisihana hamaky boky ny zaza . Ankoatran'ny fampivelaran- tsaina sy ny famakian- teny , dia manampy ny zaza amin'ny fifantohana ny vaky boky . Boky mahaliana sy antonona am