14/05/2020
Te hampianatra ny zanakao ve ianao nefa tsy dia hainao loatra ny fomba anaovana izany?
Araho ary ny torohevitra 👇👇👇
😬🙄🤔 Maro amintsika ray aman-dreny no tojo olana ankehitriny amin’ny fampianarana ny zanatsika ao an-trano. Tsy afa-miala amin’izany anefa isika, satria ny sekoly rehetra amin’izao fotoana izao dia tsy manome fandaharam-pianarana na enti-mody ho ataon’ny mpianatra any an-trano.
Tena ilaina anefa izany mba ahafahany miomana tsara rehefa hiverina hianatra indray.
👉Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy mba hanampianao ny zanakao amin’ny fianarana ao an-trano:
✅ Esory daholo izay mety hanelingelina ny sainy (fahitalavitra, kilalao, etc.) dia mitadiava toerana mangina sy milamina ahafahany miasa sy mifantoka tsara;
✅Manàna faharetana : tsy maintsy manam-paharetana ianao raha tianao ahomby amin’ny fianarana ny zanakao ;
✅Metézà foana amin’ny toerany: Mila manontany tena hoe: Inona no zavatra tsy azony? Ary ahoana no hanampiako azy ahatakatra izany ?
✅Ampio izy hanao ny enti-modiny, fa aza atao eo amin’ny toerany ilay izy : Azonao atao ny manao azy amin'ny voalohany ary ampisehoana azy, fa tsy maintsy vitany ny manao izany amin’ny farany.
✅Ataovy toy ny kilalao ny fianarana: indraindray dia amin’ny alalan’ny kilalao no mety ahaizany fianarana. Izany dia lazainy amin’ny teny vahiny hoe “activités ludiques” na “jeux pour apprendre”. Misy karazany betsaka hitanao amin’Internet afaka angalanao tahaka.
✅Ampiasao ireo zavatra mahaliana azy: azonao ampiasaina tsara ny zavatra mahaliana ny zanakao na ny manavanana azy mba ataonao fanoharana amin’izay zavatra tsy hainy any am-pianarana.
✅Arabao izy raha misy zavatra tafavoakany sy hainy na dia kely aza : mampahery azy hiezaka sy hianatra zava-baovao izany.
✅Tohizo hatrany ny ezaka: tsy voatery hoe manao ireo ianao dia tonga dia mety fa mila tohizana foana ny ezaka. Raha maharitra ianao dia ho hitanao fa hivaly izay ezaka ataonao.
Raha nahasoa anao ireo dia aza misalasala mizara. Araho hatrany ny pejy ary aza adino ny manisy j’aime raha te hanaraka torohevitra hafa.😉
# #
Ary ianao, inona no ataonao rehefa mampianatra ny zanakao ?