Fikambanan'ny Tsy An'asa Eto Madagasikara"FTAM"

Fikambanan'ny Tsy An'asa Eto Madagasikara"FTAM"

Share

Conseil, formation, politique

18/05/2023

misaotra antsika mpanaraka ity pejy ity. afaka manely sy mizara ary mifanoro isika mba hitondra antsika hoany amin'ny fandrosoana. miezaha mamorona indrindra fambolena, fiompiana,jono.

04/04/2023

Vonona hiara hiasa amin'izay kandida mitovy fijery sy tanjona. Tongava ao amin'ny hafatra miafina.

16/05/2022

Misy MARINA ZAN minisitera misahana ny fampananan'asa izany eto amintsika sa misakana ny fisian'ny asa. Tokony hanampy ireo orin'asa latsaka ankaterena fa Tsy vao may poizina mamono azy ireny indray. IZAY efa miasa aoka tohanana SY ampiana ary tokony hampirisihana IZAY manana tetikasa hamorona SY hanokatra orin'asa MBA hampihenana ny tahan'ny Tsy fananana asa SY NY fahantrana miompampana. Aleo ataonay ny asa réf Tsy mahay ilay minisitra

05/05/2022

RAHA NIAKATRA NY KARAMA, VOTAZONA VE VIDIMPIAIANANA ARY NIHENA VE NY TSY AN'ASA.
Tokony Tsy nasondrotra aloha n'y KARAMA fa namoronana asa hoan'ny Tsy AN'ASA rehefa Tsy mahita vahaolana anahenana ny tahan'ny Tsy fananana asa eto amintsika. Mitombina ilay teny hoe ny tombotsoan'ny vitsy an'isa ihany no jerena fa miandry propagande kosa n'y an'ny maro an'isa.
MBA diniho ihany e...? Raha tiana ateza n'y seza de aza mamoky ny efa voky fa tsipazo tolana ny alika e. MBA ho voky de Tsy hanaikitra.
Zah aloh mila asa raha misy any de antsoy fa vonona ny hiarahiasa hampandroso an'i Madagasikara fa tant iombonana ity.

02/05/2022

🇲🇬🙏Fantatrao ve : Ahoana ny fikajiana ny IRSA, hetra alaina amin'ny karaman'ny mpiasa

(Somary lavalava sy teknika fa vakiana miadana, ary misy ohatra maromaro)

Ny mpiasa rehetra na Malagasy na vahiny, na mpiasam-panjakana na mpiasa tsy miankina dia mandoa hetra amin'ny fanjakana avokoa, izay alĂ na any am-potony amin'ny karama. Ka ny mpampiasa no manefa izany any amin'ny sampan-draharahan'ny hetra.

Io no antsoina hoe HETRA AMIN’NY KARAMA SY NY TOA AZY na
impôt sur les revenus salariaux et assimilés na IRSA.

Tsara ho fantatra :
Ny karama faran'ny ambany dia efa feran'ny fanjakana SME, salaire minimum d'embauche.
Raha ny SME farany dia 200 000ar, izay vao nampiakarina 250 000ar, izay mbola tsy mihatra.

Ny fikajiana ny IRSA, dia alaina ny karama fototra, salaire de base, ampiana ireo vola rehetra nomena sandan'ny asa, ny avantage rehetra na vola na zavatra nomena, carburant, crédit, logement, indemnité, 13ème mois, préavis, compensations de congés, avantage en nature, heure supplémentaires, primes.

Tsy miditra anaty kajy kosa :

20 premières heures supplémentaires
indemnités de préavis de licenciement
indemnités de licenciement
dommages et intérêts pour licenciement abusif
salaires des associés gérants majoritaires soumis à l’IR
avantages en nature (cantine, frais médicaux, indemnités de transport, …)
surplus de salaire reçu à titre honorifique

Ho jerentsika aloha ary ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2021, loi de finance N°2020-013 ao amin'ny andininy 01.03.16

Tsinjaraina amin'ny ampahany (tranche) ny vata-karama na ny Salaire brut :

a- Ny ampahan-karama latsaky ny 350 000ar = Tsy hakana hetra = 0%
b- Ny ampahan-karama Ar 350 001 hatramin'ny Ar 400 000 = Hakana 5%
d- Ny ampahan-karama Ar 400 001 hatramin'ny Ar 500 000 = Hakana 10%
e- Ny ampahan-karama Ar 500 001 hatramin'ny Ar 600 000 = Hakana 15%
f- Ny ampahan-karama ambonin'ny Ar 600 000 = Hakana 20%

Raha ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2022, loi de finance N°2021-027 ao amin'ny andininy 01.03.16, dia nakarina Ar3000 ny hetra farany ambany tsy maintsy alaina, raha Ar2000 ny taona 2021.

Ohatra :

1- Albertine - Mpiasa an-trano:

Karama farany ambany Ar 200 000 isam-bolana
- Vata-karama : Ar 200 000

- Mandoa Ostie, anjaran'ny mpiasa 1% = Ar 2 000
Avy dia tazonin'ny mpampiasa io, izy no mandoa azy any amin'ny OSTIE, miaraka amin'ny anjarany mpampiasa 5% = Ar 10 000
- Mandoa Cnaps anjaran'ny mpiasa 1% = Ar 2 000
Avy dia tazonin'ny mpampiasa io, izy no mandoa azy any amin'ny Cnaps, miaraka amin'ny anjarany mpampiasa 13% = Ar 26 000

- Karama tataovan-ketra, salaire imposable :
Esorina ny vola anjaran'ny mpiasa omena ny OSTIE, na izay mitovy lenta amin'izay, sy ny anjaran'ny Cnaps

200 000ar - 2 000ar Ostie 1% - 2 000ar Cnaps 1% = 196 000ar.

Io karama taotaovan-ketra na Salaire imposable io izany no hitondrana ny kajy rehetra amin'ny IRSA.

Raha jerena izany ny Karama tataovan-ketran'i Albertine dia tafiditra ao amin'ny ampahan-karama (a) latsaky ny 350 000ar = 196 000ar x 0% = 0 ny hetra aloany.

Fa arak'ilay fanovana vaovao ny lalĂ na mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana dia tsy maintsy mandoa 3 000ar izy izany.

Vola karama raisina afa-karatsaka izany, salaire net
196 000ar - 3000 ar = 193 000ar.

2- Raymond - Chauffeur
Vata-karama : Ar 300 000

- Karama tataovan-ketra :
300 000ar - 3000 Ostie 1% - 3000 Cnaps 1% = 294 000ar
Mbola tafiditra anatin'ny Ampahany (a), latsaky ny 350 000ar
IRSA = 0
Hetra farany ambany aloa 3000ar
Vola karama raisina afa-karatsaka izany
294 000ar - 3000 ar = 291 000ar.

3- Denise - Employée de bureau
Vata-karama : Ar 350 000

- Karama tataovan-ketra :
350 000ar - 3500 Ostie 1% - 3500 Cnaps 1% = 343 000ar
Mbola tafiditra anatin'ny Ampahany (a), latsaky ny 350 000ar
IRSA = 0
Hetra farany ambany aloa 3000ar
Vola karama raisina afa-karatsaka izany
343 000ar - 3000 ar = 340 000ar.

4- Robert - Machiniste

Vata-karama : Ar 375 000

- Karama tataovan-ketra :
375 000ar - 3750 Ostie 1% - 3750 Cnaps 1% = 367 500ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (b), ny ampahan-karama Ar 350 001 hatramin'ny Ar 400 000 = Hakana 5%

Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra

- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = (367 500ar vata-karama - 350 001ar ampahany (b)) x 5% = 17 499 ar x 5% = 174.99 dia Boriboriana 175 ar
IRSA = 175 ar
Hetra farany ambany aloa 3000ar

Vola karama raisina afa-karatsaka izany
367 500ar - 3000 ar = 364 500ar.

5- Annie - Secretaire de direction
Karama : Ar 300 000
Crédit : Ar 50 000
Logement : Ar 60 000

Vata-karama : 410 000ar

- Karama tataovan-ketra :
410 000ar - 4 100 Ostie 1% - 4 100 Cnaps 1% = 401 800ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (d), ny ampahan-karama Ar 400 001 hatramin'ny Ar 500 000 = Hakana 10%

Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra

- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = ny ampahany faharoa (400 000 - 350 001) x 5% = 49 999ar x 5% = 2 499.95 = Boriboriana Ar 2 500
- Ampahany (d) = ny ampahany fahatelo (401 800ar ilay vata-karama - 400 001) x 10% = 1 799 ar x 10% = 179.90 = Boriboriana 180ar

IRSA = 0ar Ampahany (a) + 2 500ar Ampahany (b) + 180ar Ampahany (d) = 2 518ar
Hetra farany ambany aloa 3000ar

Vola karama raisina afa-karatsaka izany
401 800ar - 3000 ar = 398 800 ar.

6- Grégoire - Informaticien
Vata-karama 575 000ar

- Karama tataovan-ketra :
575 000ar - 5 750 Ostie 1% - 5 750 Cnaps 1% = 563 500ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (e), ny ampahan-karama Ar 500 001 hatramin'ny Ar 600 000 = Hakana 15%

Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra

- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = ny ampahany faharoa (400 000 - 350 001) x 5% = 49 999ar x 5% = 2 499.95 = Boriboriana Ar 2 500
- Ampahany (d) = ny ampahany fahatelo (500 000- 400 001) x 10% = 99 999 x 10% = 9 999.9 = Boriboriana 10 000ar
- Ampahany (e) = ny ampahany fahaefatra (563 500ar vata-karama - 500 001ar) x 15% = 63 499 x 15% = 9 524.85ar = Boriboriana 9 525ar

IRSA = 0ar Ampahany (a) + 2 500ar Ampahany (b) + 10 000ar Ampahany (d) + 9 525 ar Ampahany (e) = 22 025ar

Vola karama raisina afa-karatsaka izany
563 500ar - 22 025 ar = 541 475 ar.

7- Meltine - Mpampianatra Lycée privée

Karama : 700 000ar
Indemnité de craie : 25 000ar
Indemnité de logement : 25 000ar

Vata-karama 750 000ar

- Karama tataovan-ketra :
750 000ar - 7500 Ostie 1% - 7500 Cnaps 1% = 735 000ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (f), ny ampahan-karama ambonin'ny Ar 600 000 = Hakana 20%

Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra

- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = ny ampahany faharoa (400 000 - 350 001) x 5% = 49 999ar x 5% = 2 499.95 = Boriboriana Ar 2 500
- Ampahany (d) = ny ampahany fahatelo (500 000 - 400 001) x 10% = 99 999 x 10% = 9 999.9= 179.90 = Boriboriana 10 000ar
- Ampahany (e) = ny ampahany fahaefatra (600 000 - 500 001ar) x 15% = 99 999 x 15% = 14 999.85 = Boriboriana 15 000ar
- Amphany (f) = ny ampahany fahadimy (735 000ar vata-karama - 600 001) x 20% = 134 999ar x 20% = 26 999.8ar = Boriboriana 27 000ar

IRSA = 0ar Ampahany (a) + 2 500ar Ampahany (b) + 10 000ar Ampahany (d) + 15 000 ar Ampahany (e) + 27 000ar Ampahany (f) = 54 500ar

Eto izany ilay indemnité de craie sy indemnité de logement tonga dia lasan'ilay IRSA, nefa izy tafiditra amin'ilay ampahan-ketra ambony.

Vola karama raisina afa-karatsaka izany
735 000ar - 54 500ar = 680 500ar

8- Ferdinand - Tale jeneraly
Karama - Salaire de base 2 000 000ar
Carburant 600 000ar
Logement 500 000ar
Indemnité de répresentation : 500 000ar
Prime d'intérressement : 1 000 000ar
13ème mois : 2 000 000ar

Vata-karama : 6 600 000ar

- Karama tataovan-ketra :
6 600 000ar - 66 000 Ostie 1% - 66 000 Cnaps 1% = 6 468 000ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (f), ny ampahan-karama ambonin'ny Ar 600 000 = Hakana 20%

Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra

- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = ny ampahany faharoa (400 000 - 350 001) x 5% = 49 999ar x 5% = 2 499.95 = Boriboriana Ar 2 500
- Ampahany (d) = ny ampahany fahatelo (500 000 - 400 001) x 10% = 99 999 x 10% = 9 999.9= Boriboriana 10 000ar
- Ampahany (e) = ny ampahany fahaefatra (600 000 - 500 001ar) x 15% = 99 999 x 15% = 14 999.85 = Boriboriana 15 000ar
- Amphany (f) = ny ampahany fahadimy (6 468 000ar vata-karama - 600 001) x 20% = 5 867 999 x 20% = 1 173 599.8ar = Boriboriana 1 173 600ar

IRSA = 0ar Ampahany (a) + 2 500ar Ampahany (b) + 10 000ar Ampahany (d) + 15 000 ar Ampahany (e) + 1 173 600ar Ampahany (f) = 1 201 100ar

Eto izany vaky sasaka ilay 13ème mois lasan'ny hetra.

Vola karama raisina afa-karatsaka izany
6 468 000ar - 1 201 100ar = 5 266 900ar

Ny taona 2021 (LFR 2021) dia 569.65 miliara ar ny IRSA tokony niditra tamin'ny fanjakana, ary tombanana hiakatra 113.84 miliara ariary izany ny taona 2022, ka ahazoana 683.49 miliara ariary ny IRSA na ny HETRA AMIN’NY KARAMA SY NY TOA AZY na impôt sur les revenus salariaux et assimilés na IRSA.

Raha fintinina izany, dia tafakatra 60% eo ny hetra alain'ny fanjakana, hatramin'ny 20% ny IRSA, 20% ny TVA, 30% ny hetra alaina amin'ny solika, andoavana vola avokoa manomboka ny fanamarinam-ponenana, résidence, ka hatrany amin'ny acte de notoriété sy ny enregistrement et timbre ary ny hetra-trano sy tany, ary mutation fiara, permis de conduire...

Izany hoe raha miasa 5 andro ny herinandro, dia ny 3 andro iasana an'i Fanjakana, ny alatsinainy, talata, alarobia miasa ho an'ny fanjakana, fa ny alakamisy sy zoma ihany no vola mody ho an'ny fianakaviana.

Fanontaniana mipetraka izany ny hoe, ny karama ve no tokony nampiakarina, izay ampiakatra ny vidim-piainana rehetra, ka ahavoakasika ireo tsy miasa sy tsy mikarama isam-bolana ary ireo mpiasa tena, sa ny hetra no nahena, dia nitombo ny fahefa-mividin'ny mpiasa ary nahazo tombontsoa ny rehetra tsy mpiasa mandray karama isam-bolana.

Mirary soa e.
Patrick

(Afaka jerena sy ampiasaina ny rohy ao amin'ny Foibem-pitantanana Ankapoben'ny Hetra hikajiana ny IRSA)

http://www.impots.mg/fr/simulator

gasypatriote

04/04/2022

Salama daholo, tokony handinika tsara nareo mpamoaka fitsipika momba ny fidirana ho mpifaninana ho mpitandro ny filaminana(polisy sy zandary) fa ny asa fanompoana tanindrazana tokony tsy hisy faniliana eo amin'ny refy satria tsy sitraponao na ireo fohy no nahafohy azy, fa ref tomady sy salama dia ampy. Variana amin'ny resaka esthétique isika fa ny olona rehetra dia samy miara miady n fohy na lava rehefa raikitra ny ady ka noho izany dia mbola tsy mifanaraka aminy soatoavina Malagasy io fomba fanivanana mpiadina io. Betsak no mahay sady tia tanindrazana. Sady toa mbola hita fa mbola misy fohy ihan tazana ref mivoaka ny vala sa misy refesina tsara dia misy manao kiraro avo ref mandrefy dia tsy modina tsy hita fa zanaka enjana,
Aza maka lagy fa mba diniho fa aza mora tezitra lisany force fa tsy an'lisany rery Madagasikara.

Tiko ny taniko

21/01/2022

Ny tsara ho fantatra dia ireo tsy mba mahantra any Europe sy Etats Unis ary Asie dia ireo Mpamboly sy Mpiompy ary ireo Mpanao asa tanana. Raha ny filazan'izy ireo dia Lova avy amin'ny razambe ny an'ny sasany saingy fahaizana notrandrahana taty aoriana kosa hoany sasany. Voaporofo fa tsy sahirana velively any amin'ireo continanta ireo ny olona mifotra amin'ireo sehatra ireo. Koa manentana antsika tanora mba hiezaka hiantsehatra amin'ireo asa ireo aloha fa tsy mahamenatra mihitsy ny fanaovana ireo asa ireo.
Sady Madagasikara mbola malalaka no be rano azo trandrahana tsara.
Hoan'ny taranaka sy fandrosoana.
Mpandrsesy isika.

07/01/2022

Ireto misy asa azo atao tsara, tsy de mampiasa fond betsaka nefa hazoana tombony.
1)Fiompiana
2)Fambolena
3)Asa tanana

1)Fiompiana: mamonjy toerana malalaka azo anaova fiompina maro. Ohatra fiompiana akoho na gasy na vazaha. Fefena mazava hoazy fa tsy avela hikarenjy hifangaro amin'ny akoho hafa. Sady tsy mila mampiasa provandy.
2) Fambolena: mamonjy toerana misy rano na reny rano sady mba mifindra monina kely tsy de lavitra ny tanandehibe ahafahana mivarotra ny vokatra, mazava hoazy fa amidy ambongadiny ny entana. Mbola asiana fanazavana tsara am manaraka.
3) Asa tanana: ampiasao talenta ananao avadio vola ary aza menatra fa ahita tombiny enao. Atomboy am kely de mitadiava mpividy sy mpamatsy vola.

06/01/2022

Fananganana orin'asa mahavelona tsara sady tsy hiankina'andoha amin'ny hafa. Vola kely ampiasana nefa tombony maro no azo. Ohatra: arakaraka ny toerana misy anao, vola ampiasana 350 000fmg eo ho eo
Manao chips akondro, na izay hitanao fa le technique de vente eto no ilaina fa samy mamorona ny azy.
1)Akondro manta 10kg eo @ 600ar/kg.
2) Lapoaly 1 eo @ 6000ar.
3) rap chips 1 : 5000ar
4) roulot sachet iray: 13 000ar
5) menaka 2litre: 18000ar
6) charbon 2000ar
7) sira 400ar
8) fatapera 1: 10 000ar
De ny zavatra atao de manao chips mazava hoazy fa ilay technique no omeko eto.
Mitady tsena maromaro ref vita ny entana, de mandresy lahatra mpivarotra ary ametrahana 10 pieces isaky tsena arakaraka ny entana amidinao, rah chips 500 ar no amidy de alefa 400 ar eo am le tsena ar azk alaina isakerinandro ny vola na isaky ny manatitra, sady maivana am mpivarotra ny mandoa azy no manana fotoana lava izy amarotana le marchandise, zan hoe 4000ar ar manana 100ar benefice par pieces izy, rah 40 ar par pieces ny an'ireo orinasa vaventy.
Koa raha manana tsena 1000 enao maka 10 pieces. Zan hoe 1000 Ă— 10= 10 000pieces Ă— 400 ar= 4 000 000ar par semaines arakaraky ny vente vita io fa le 10kg pour demarage fa tsy ampy 10000pieces aloha fa azoana tombony tsara, mbola misy fanampiny. Misaotra

06/01/2022

Hoantsika tsy an'asa ,izany hoe tsy manana asa na koa tsy manana antom-pivelomana mazava, azo atao ny manantona mivantana ireny orin'asa hitanao fa mety misy asa sahaza hoanao ao ary mandefa antontaratasy izay ilainy ary aza adino manavao izany sy manontany matetika any momba ilay raha azo atao. Faharoa miezaha manangana orinasa hoanao amin'ny alalany fikaroana nataonao ary miatomboka amin'ny fond kely tsy mandany vola. Omeko eto ohatra izay tetikasa mianga amin'ny fond kely izan rehefa avy eo

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Website

Address

Andrianekenandriamanitra
Antananarivo
101