Ny Fitiavana Sy Ny Tontolony

Ny Fitiavana Sy Ny Tontolony

Share

Fitiavana mandrakizay no nitiavan'ANDRIAMANITRA anao.

Photos from Ny Fitiavana Sy Ny Tontolony's post 28/06/2025

"Ny orinasa IMAHAGAGA, izay manome fitsaboana ara‑boajanahary, dia mitady mpiasa roa isaky ny toerana iasana: mpitsabo sy mpanotra. Toerana iasana: Beloha Tsiribihina, Befasy, Malaimbandy, Bekopaka ary Mandabe. Fakan‑dahatra: Antsirabe ny 11 Jolay 2025 amin’ny 9 ora. Fahazoan‑tsoratra: 10 Jolay amin’ny 24 ora. Fiofanana: Morondava – iantohana ny saram‑pandeha, sakafo ary trano fonenana. Alefaso amin’ny mailaka [email protected] na ento mivantana ao Ambavato Antsirabe. Info fanampiny: +261 33 63 18 507."

"La société IMAHAGAGA, spécialisée dans les soins naturels, recrute 2 personnes par site (médecin, masseur). Sites : Beloha Tsiribihina, Befasy, Malaimbandy, Bekopaka, Mandabe. Entretiens à Antsirabe le 11 juillet 2025 à 9h. Dossier à déposer avant minuit le 10 juillet. Formation à Morondava avec prise en charge des frais. Envoyez CV et candidatures à [email protected] ou déposez au bureau d’Antsirabe. Infos : +261 33 63 18 507."

"The company IMAHAGAGA, offering natural healthcare, is recruiting 2 staff per site: doctor and masseur. Locations: Beloha Tsiribihina, Befasy, Malaimbandy, Bekopaka, Mandabe. Interviews: Antsirabe, 11 July 2025 at 9 AM. Deadline: 10 July at midnight. Training in Morondava – all expenses covered. Send applications (CV, motivation letter, handwritten request) to [email protected] or drop off at Ambavato Antsirabe. For info: +261 33 63 18 507."

09/06/2025

🔹 TANTARA: Ilay Zaza Nangataka Lera

Nisy zazalahy nanao toy izao tamin'ny rainy:
“Dada, ohatrinona ny lera iray amin’ny asanao?”
Hoy ny rainy: “Arivo Ariary.”
Hoy ilay zaza: “Azafady, azoko ve azafady ny lera iray amin’ny asanao?”

Tezitra ilay ray, satria nihevitra fa hangataka vola fotsiny ilay zaza.
Fa nony alina, rehefa nilamina, dia nanome ilay vola izy.

Noraisin'ilay zaza, dia hoy izy:
“Azafady dada... Afaka miaraka amiko ve ianao amin'ny lera iray amin’ny asanao rahampitso?”

🤍 Misy fotoana tsy vola no ilain’ny olona, fa fitiavana sy fahatsiarovana.

09/06/2025

🌅 Aza avela ho lanin’ny adin-tsaina ny androan’Andriamanitra.
Raha mbola miaina ianao, dia mbola misy antony lehibe.

💭 “Aza manary toky amin’ny fanantenana.” — Hebreo 10:23

🔹 NY FITSAPANA, LALANA MANKANY AMIN’NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA 🔹

Mety tsy azonao hoe nahoana ianao no mitomany, nahoana no mihataka aminao ny olona tianao, nahoana no mitranga tampoka ny zavatra maharary.

Tsy didin’Andriamanitra ny mampijaly. Fa amin’ny alalan’ny fitsapana no anadiovany antsika, anovozany hery ao amintsika, ary anaovany antsika ho vato fehizoro hanasoavana hafa.

Raha mitomany ianao androany, dia tsarovy:
Ny ranomaso alefanao anio, no hamelomana nofon’aina vaovao rahampitso.

Aza kivy. Tsy mbola vita amin’ny fiainanao Andriamanitra.

🌿 “Izaho no manangana indray izay potika.” — Isaia 58:12

❤️ Zarao raha misy olona mila henoin’izany anio.

05/06/2022

NY TINAO MANDOSITRA ANAO FA NY TIA ANAO TSY MIALA AMINAO IZANY MANDRAKIZAY

Justin Falirina

Photos from Ny Fitiavana Sy Ny Tontolony's post 19/08/2021

Betsaka amitsika ny manofy, misy heviny daholo ireny, misy mihatra, misy tsy mihatra, misy ary mifanohitra amin'ny nofy ny mipoitra. Arakaraky ny finoanao ihany io. Alefako eto ny hevitry ny nofy. Tsy maimaimpoana anefa ko tsy vidiana ilay boky fa manomeza izay foy. Ho fitiavana anareo dia soraty ny oe boky hevitry ny nofy PDF. De mandefasa mp am Faly Ytokiana PDP (sariko so alohan ny moto)

17/08/2021
18/09/2019

Mahaiza mifankatia sy mifanaja satria samy tsy Tonga lafatra

11/09/2019

Ny Mitia tsy vitan'ny in-dray na in-droa na rehefa tsy misy olana, fa mandrakizay.

14/06/2019

Torohevitra vitsivitsy ho an'ny vehivavy momba ny fisasana

Ny fivaviana dia tsy ny taova hita aty ivelany ihany fa fantatsika tsara fa mitohy hatrany anaty vatana izany (fipipizana, tranon-jaza, sns).

Toy ny vatana rehetra dia maloto ihany koa ny fivaviana, ny antony moa dia maro. Voalohany tery anelakelam-pe izy ka mora tsemboka, ny fiarahan’ny hatsembohana sy ireo germe na virus mitambatra koa dia mety hitarika fofona hafahafa. Ny aretina any anaty izay mivoaka aty ivelany ihany koa ka indraindray mitondra loto, ary azo atao ihany koa fa ny fidiovana diso tafahoatra dia mety hanimba ny tsiranoka natioraly izay fiarovana natokana ho an’ny fivaviana.

Izany rehetra izany dia manahirana antsika avokoa, indrindra moa ireo efa manana firaisana ara-nofo, satria mety hanimba ny fiarahana mihitsy.

Inona ary ny soroka azo atao amin’izany.
Ny fomba fiankanjo

Fadio ny fanaovana akanjo tery loatra maharitra (pataloha, collant), izay mikasokasoka amin’ny fivaviana ka mahatsemboka, ary io fahatsembohana io dia manjary manamasaka ny anelakelam-pe.
Tokony ho slip amin’ny coton hatrany no hanaovana fa tsy synthétique na nylon.
Fadio ny fanaovana an’ireny string ireny izay mikasokasoka amin’ny fivaviana ka mety mandratra azy.
Sasana amin’ny rano mafana (60°) ny slip satria iny no mamono ny aretina (champigons, mycose) rehetra miraikitra aminy, ary tsy atambatra amin’ny akanjo sasany. Sarahana ihany koa ny an’ny olon-dehibe sy ny ankizy kely.
Rehefa avy milomano dia soloina haingana ny maillot fa aza mijanona lena eo, rehefa avy eo dia hamainina iny ary manao slip maina.
Tsy tokony hitambatra serviette ny iray trano fa samy manana ny azy, na manana serviette fifafana natokana avy ny vehivavy.
Misolo slip fara-fahakeliny indray isan’andro ary tokony hisolo isak’izay tsemboka, na avy nanao fanatajahan-tena, na rehefa mafana loatra ny andro.
Tsara raha manana savony voatokana ho an’ny fanasana slip, ireny malefadefaka ireny ohatra.
Aza manao slip efa latsaka tamin’ny tany fa aleo misolo.

Fomba fiaina

Tànana madio, nisasa tamin’ny savony no mikitika ny fivaviana (na ianao, na ny mpiaraka aminao) .
Aza mikitika ny manodidina intsony rehefa avy nisasa tànana ( fipetrahana ao amin’ny w-c , poignée an’ny varavarana), indrindra moa ny tànana hanadio ny fivaviana (mety mitondra ny tsimok’aretina: herpès, condylomes, germes hafa ireo mantsy ).
Rehefa any amin’ny w-c publique dia tsy tokony hipetraka tanteraka, raha tsy hoe angaha nodiovina na nasiana taratasy fiarovana. Tsy fantatra izay fahadiovan’ny olona teo aloha.
Rehefa avy mipipi dia azo atao tsara ny mampiasa taratasy malefaka hamafana ny fivaviana. Marihina fa aty aloha no makany ariana foana ny famafana azy, ary tsy averina indroa ny taratasy iray.
Rehefa avy mikaka dia ny vody ihany no fàfana ary tsy averina aty anoloana ny loto satria manjary makany amin’ny fivaviana ary mitarika aretina. Azo atao tsara ny misasa vody rehefa avy mifafa.
Raha te- hiaratra fivaviana dia misasa amin’ny savony aloha, avy eo mampiasa désinfection toy ny S. Chlorexidine aqueuse, avy eo miharatra moramora ary rehefa vita izany dia désinfecter-na indray izay vao mampiditra klaoty . Fadio ny mampiasa crème épilatoire mahery loatra, efa misy natokana ho an’ny fivaviana eny amin’ny mpivarotra.
Tsy tokony asiana tevika ny fivaviana, raha toa moa ka tena te hanisy dia ireny mpanatevika madio sy manara-penitra ireny no aleha.

Fidiovana: mandro sa misaika?

Impiry isan’andro, ary maharitra hafiriana

Indray mandeha isan’andro ihany no tokony mandro (ny vatana rehetra no atao), raha toa ka mafana loatra ny andro na tsemboka loatra rehefa avy nanao fanatajahan-tena dia afaka mandro koa.
Aleo do**he toy izay bain. Diovina moramora ny hanelakelakin’ny fivaviana.
Raha te hanao bain isan’andro dia tsy atao mihoatra ny 20 mn, satria manamaina hoditra, mi se rincer tsara avy eo
Manimba hoditra ny mihositra savony mahery loatra sy ny rano be calcaire. Serviette madio hatrany no hifafana ary tsy kosehina fa hapetapetaka.
Ny savony fampiasa

Tsy tsara ny mampiasa savony tsy fantatra ny toromarikany, na antiseptique tsy natoron’ny dokotera na ny pharmacie satria mety mahery loatra na tsy mety amin’ny vatanao.
Azo atao ny mampiasa savony bolongany, crème, menaka voatokana (huile) fa kosa tokony natokana ho an’ny toe-batan’ny vehivavy ary pH neutre (pH 7), izay tsy manimba ny tsiranoka natioraly . Ny tsara dia ireny savon de Marseille ireny , tsy misy colorant, tsy misy ‘savon‘ . Efa betsaka koa ny savon intime amin’izao afaka vidiana any amin’ny pharmacie na mpivarotra voatokana. Raha misy zavatra miova amin’ny toe-batana dia manantona dokotera avy hatrany.
Aza manisy huile essentielle matetika loatra rehefa mandro raha tsy fantatra mazava ny fetra tokony atao.
Misy ireny déodorant intime ireny izay misy alkola, ka mampangidihidy, na mampisy inflammations, na rougeurs na allergies
Fadio ireny « caches misères » ireny.

Ny lingette intime dia fampiasa rehefa manao voyage ka tsy mahita rano anefa tsemboka, na alohan’ny hanatonana dokotera ka tsy afaka misasa. Tsy manolo rano sy savony mihitsy ny lingette intime.

Ny fanasana ny fivaviana

Rehefa fotoanan’ny fadim-bolana

Soloina matetika ny serviettes hygiéniques na tampons hygiéniques arakarakan’ny habetsakin’ny rà.
Misasa tsara, na bains na do**hes mety daholo
Tsy tokony hanao firaisana ara-nofo mandritra io fotoana io, satria mora hidiran’ny aretina ny fotoanan’ny fadim-bolana.
Raha mampiasa protèges slips, dia tokony misolo matetika satria tsy mi-aérer ny fivaviana io ka mety hanamaina azy.

Firaisana ara-nofo

Tsy manao firaisana ara-nofo rehefa tonga ny fadim-bolana.
Sasana amin’ny rano sy savony ny fivaviana sy ny filahiana aloha sy aorianan’ny fraisana ara-nofo.
Ny mpifankatia dia tokony samy madio avokoa, filahiana sy fivaviana fa koa ny tànana . Mampiasa kapoty hatrany .
Mitandrina tsara amin’ny fomba fatao amin’ny firaisana ara-nofo sasany (position) izay mety mitondra aretina.
Fadio ny firaisana ara-nofo amin’ny vody avy eo mivadika aty amin’ny fivaviana indray izay mitondra aretina sy loto.
Mampiasa kapoty hatrany rehefa miray amin’ny olona tsy fantatra, na miovaova na mitondra aretina MST
Mila mipipi mialoha sy aorianan’ny firaisana ara-nofo, ny antony dia hanariana ny loto rehetra mety ho tafiditra.

Manatona dokotera rehefa…

Tsy tokony avela na tsaboina irery ny fiovana rehetra taratra amin’ny vatana, na mangidihidy na mamaivay.
Manatona dokotera raha mahatsiaro marary na mamaivay rehefa mipipi , na sahirana mipipi, na misy tsiranoka hafahafa mivoaka (maimbo, loko hafa) , na raha misy boutons na mivonto.
Raha marary ny tenda rehefa avy nanao firaisana ara-nofo ka nampiasa vava.
Tsy tokony hanaitra ny tsiranoka mivoaka toy ny tapotsin’atody, tsy maimbo, tsy misy lokony.

Fitsaharan’ny fadim-bolana (ménopause)

Mila manatona dokotera mba hanomezany torehvitra sahaza amin’ny fiarovana ny aretina rehefa mety ho tratra.

14/06/2019

Te hanena kibo
Betsaka amin’ny vehivavy indrindra fa ireo efa avy niteraka no misy bedaina kely, na koa antsoina matetika hoe kibo miroraka na roroha, na bouée hoy ny vazaha. Anisan’ireo tavy sarotra halàna ny tavy eo amin’ny kibo. Inona ny antony, inona no azo atao? Io indrindra ny torohevitra omena antsika androany.

Anisan’ny manahirana ny vehivavy rehefa tonga ny fotoam-pialantsasatra dia ny fampisehoana kibo eny amin’ny plage. Eo amin’ny iray volana mialoha dia betsaka ny miditra salle de sport na manao abdos. Rehefa nojeren’ity mpampikotrana spaoro iray atao hoe James Duigan ity ary -malaza be izy io satria mampikotrana ireny mannequin ireny- dia hita fa tsy ampy sy tsy mahomby firy io abdos io. Hoy io farany hoe misy karazana kibo 5 hono hitany amin’ny vehivavy ary mba ahafahana manala ny tavy eo amin’ny kibo dia tsara ho fantatra hoe ilay karazana kibo ohatran’ny ahoana ny an’ny tena.
Andao ary…
1- Ny KIBO »ROUE DE SECOURS »

Kibo « roue de secours« : Io karazana kibo iray io no mora alàna indrindra satria azo avy amin’ny tsy fahaizana misakafo sy ny tsy fanaovana fanatajahan-tena.
AHOANA NO AHAFANTARANA AZY
Ireo karazan’olona tsy dia mihetsika loatra, na ireo olona miasa matetika ambadikin’ny birao no tena misy an’izy ity. Ao koa ireo olona mankafy sakafo mamy.
Toy io amin’ny sary io dia mibontsina ny ery amin’ny faritrin’ny vavony ary mibotsina koa ny ambany toy ny roroha, ary dia malezolezo ny kibo.
FAHAZARAN-DRATSY
Ireo olona tsy dia mihetsiketsika loatra, mipetra-dava no tratran’izy ity, matetika dia arahina fihinana sakafo mamy loatra sy ireny biscuits, m**omamy sy m**o dipaina ireny. Raha mankafy paty sy vary be koa ianao dia mety matavy ary tsy vitan’ny kibo ihany fa ny fe sy ny maoja koa dia ngeza.
FISOROHANA AZY
• Ajanony tanteraka ny fisotroana rano misy alkaola. Ny alkaola dia feno siramamy ary avy dia miraikitra amin’ny vatana izy ary ela dia ela vao levona. Eo amin’ny vera 4 na 5 ao anatin’ny herinandro fotsiny dia ampy hampitombo ny kibonao. Tsy mitovy amin’ny fisotroana tsindraindray akory io (indray isam-bolana ohatra) .
• Raha toa ianao ka nisotro alkaola taloha ka efa niato nandritran’ny 2 herinandro teo dia afaka manomboka manova ny fomba fisakafoanana amin’izay. Ny tarigetra dia hoe « misakafo tsara ary mihetsiketsika ». Ny hendry mody voky hoy ny Ntaolo, fa ny adala misesika ihany.
• Atomboka amin’ny fihinana sakafo vokarin’ny natiora izany dia ny trondro, atody, hena ary legioma sy voankazo. Ahena ny sakafo namboarin’ny olombelona na hoy ny vazaha hoe « tranformés » sy misy « produits chimiques« . Ajanona ny siramamy sy ny vokatra misy siramamy rehetra.
• Tsara raha mihinana atody sy trondro dieny maraina, na akoho natono sy legioma miaraka amin’ny vary mena (tsy mihoatran’ny 6 sotro lehibe). Azo atao tsara ny mihinana sakafo matavy toy ny zavokà, voanjo na trondro matavitavy ireny. Ireny no hanampy ny vatanao hiasa mafy ary hanala ny tavy amin’ny kibo.
• Avy eo dia manao dià tongotra 30 minitra indray, manintsana. Tsy mila miditra salle de sport akory ianao fa manaraka ireo dia efa hitanao fa hihena.
AMBONIANA NY MORALE
Raha manaraka ireo totohevitra vitsivitsy ireo ianao dia efa hitanao sahady afaka herinandro eo ny fiovan’ny vatanao. Fa raha toa kosa ianao isak’izay sahiran-tsaina na noana mangalatra mihinana m**omamy na miatsampy any amin’ny biscuit sy ny solokà isak’hariva dia ho very maina ny rano natsakaina. Noho izany amboniana hatrany ny morale ary atao foana izay mahasambatra ny tena. Eo amin’ny fiakanjo sy ny tarehy sy ny volo ohatra no atao tsara dia hitanao fa tianao hihena koa ny kibonao.
2- Ny KIBO « STRESS«

Ny kibo « stress« : Toy ny baolina izay izy ity, ary ireny olona somary sarotiny ireny no misy azy.
AHOANA NO AHAFANTARANA AZY
Tsy dia miavotra be loatra ny kibo vokatrin’ny stress fa ohatran’ny boribory tsara izany izy ary somary ambanimbany no tsara zara tsara toy ny baolina. Matetika ireny olona sarotiny na koa hoe perfectioniste be ireny no tratran’izy ity. Ao koa ireo olona tsy mahalevon-kanina tsara na tratran’ny antsoina hoe » syndrome du côlon irritable « , izay mampisy rivotra ka mampitombo ny kibo.
Mora fantatra ny olona manana an’ity kibo ity, mibotsina ny faritra manodidina ny foitra. Misy an’izany hormone antsoina hoe cortisol izany, izay vokarin’ny vatana rehefa mi-stress loatra ka io farany io no miraikitra manodidina ny vavony ka manangeza ny kibo.
Somary mafimafy ny kibo tratran’io rehefa kitihana fa tsy malemilemy.
FAHAZARAN- DRATSY
Mety karazon’olona misaoty sakafo ianao, na misotro kafe loatra koa na ireny olona haingam-pihinana ireny dia mampiditra rivotra any anaty kibo any.
FISOROHANA AZY
• Matoria tsara. Ny olona stressé – sahiran-tsaina lalandava– dia tsy mahita tory tsara, izay manembatsembana ny hormone mpandevon-kanina, antsoina hoe leptine. Izay no mahatonga antsika te hihinana betsaka rehefa reraka ary te hihinana zavatra mamy mba ahafahan’ny vatana mamaly haingana rehefa mila mihetsika izy. Io farany io anefa tsy tsara fa mitarika anao hihinakinam-poana.
• Ataovy izay hakanao aina, maka rivotra madio, miaina miadana, mandro amin’ny rano mafana, tsy misotro kafe mihoatran’ny tasy roa isan’andro dia efa hanampy anao.
• Raha te hanao fanatajahan-tena dia tsy ireny mampiasa fo be ireny no atao fa fampitonian-tsaina sy vatana (relaxation) toy ny yoga, fandehanana mitsangatsangana amin’ny toerana mangina sy mafinaritra no tsara. Afaka mampiasa irony poids irony koa ianao mampiasa hery mba hampitoniana ny vatana.
• Fisotroana rano be magnésium koa dia tsara ho an’ny olona be kibo-na stress. Ny tsara dia atao betsaka ny fihinana legioma maitso, voanjo ary hanikotrana, na voan-javamaniry.
MIANATRA MAMPITONY VATANA SY SAINA
Misotro dite mafana alohan’ny hatory (camomille, veromanitra, tilleul) ary manao yoga kely koa ohatra.
3- NY KIBO « CABOT » TOY NY AN’NY ALIKA

Kibo « cabot » toy ny an’ny alika: Vehivavy sahiran-dava na be atao no misy an’izy ity, indraindray koa dia ireny vehivavy manao spaoro be irony no ahitana azy.
AHOANA NO AHAFANTARANA AZY
Mahagaga anao angamba hoe nahoana no mbola misy kibo kely ihany anefa dia efa mandeha manao spaoro isan-kariva ianao. Ianao aza mety mahia fa misy kibo fotsiny. Ny mahatonga izany dia satria tsy mihena ny sakafonao ary mitovy foana ny « rythme« – ny fiainanao. Mihinana dia manintsana, any ka simban’ilay kibo kely iny ny bika. Tsy mifandanja izany ny sakafo mitondra hery miditra sy ny hery mivoaka na lany.
FAHAZARAN-DRATSY
Ny fampiasana fitaovana any amin’ny salle de gym tsy mifanaraka amin’ny toe-batana no anisan’ny mahatonga an’io hoy James, tsy milefika tsara ny maoja sy ny lamosina any ka mandroso ny kibo.
FISOROHANA AZY
• Fihinana sakafo be fibres izay hanampy anao mba tsy ho be rivotra, tsy hitohana toy ny legioma maitso, son d’avoine, voan-java-maniry.
• Ny tsy fahaizana mitsangana koa dia mety ahatonga an’io , satria dia mi-courbe ny lamosina ary mandroso ny kibo.
• Andramo ohatra ity fanazaran-tena ity (teny frantsay) : « Couchez-vous à plat ventre sur un tapis, reposezt sur vos avant-bras. Poussez hors du sol, en vous élevant sur vos orteils et les coudes, afin que votre corps soit parallèle au sol à partir de la tête aux talons. Commencez à faire dix secondes et de continuez jusqu’à une minute entière ».
• Tsara koa ny manao fanazaran-tena amin’ny poids fa manampy amin’ny fanalàna tavy miandrona amin’ny faritra voatondro izy ireny.
MAHAIZA MISAKAFO
Aza « dorana » (inflammation) ny kibonao, misotroa rano betsaka, ary mihinana sakafo mora levonina toy ny legioma maitso ary protéine maivana toy ny akoho na trondro.
4- NY KIBO NY RENY AVY NITERAKA

Ny kibon’ny reny avy niteraka : Matetika dia ireo vehivavy efa niteraka no manao an’ity kibo ity, tsy manam-potoana loatra manao fanatajahan-tena.
AHOANA NO AHAFANTARANA AZY
Rehefa avy teraka dia elaela kely vao tafaverina amin’ny laoniny ny taova ao anaty ao, ny tranon-jaza somary mavesatra ary miroraka kokoa. Eo amin’ny enina herinandro eo vao azo lazaina fa niverina amin’ny laoniny daholo ny rehetra (plancher pelvien et abdominaux inférieurs), ka tokony aharitra kely an’izay ny reny vao manantena fiverenan’ny kibo ho fisaka indray. Matetika moa dia tsy miverina fisaka be toy ny tsy niteraka ireny intsony ny kibo noho ny antony maro.
FAHAZARAN-DRATSY
Maika loatra ny hiverina amin’ny bika taloha dia miteraka stress indray avy eo, maka aina aloha. Eo amin’ny 2 na 3 volana aty aoriana vao tsara manao abdominaux rehefa avy nanao réeducation périnéale.
FISOROHANA AZY
• Ny fihinana menaka trondro dia anisan’ny manala ny tavy azo avy amin’ny hormone de grosses, atomboka amin’ny capsule 3 isan’andro amin’ilay 1000 mg eo ampisakafoanana.
• Mihinàna koa ireny menaka tsara ireny toy ny menaka noix, menaka oliva – isan’andro. Ireo no hanampy anao hanome hery sy hisintona ny tavy ratsy tafavela tamin’ny bevohoka.
• Andramo ity fanazaran-tena ity (teny frantsay): exercices du plancher pelvien (exercices de Kegel ny anarany) qui agissent comme un corset naturel pour le corps, il consiste à aplatir votre ventre de l’intérieur. Presser et serrer les muscles du plancher pelvien 15-20 fois, en cinq séances par jour.
MAKA AINA
Ny 3 volana voalohany dia maka aina sy matory no tsara indrindra ary manao étirements alohan’ny hatory. Io no hanampy hanao hanala ny tavy azonao tamin’ny bevohoka.
5- NY KIBO MIBONTSINA

Ny kibo mibontsina na gonflés : Fisaka izy ny maraina dia mitombo izy mandritrin’ny andro satria miandrona ao ny rivotra na tsy mahalevon-kanina.
AHOANA NO AHAFANTARANA AZY
Na ny vehivavy efa ngeza na ny mahia dia mety tratrany avokoa. Matetika dia tsy fahazakana sakafo ( intolérance sy allergie) no mahatonga an’io na koa ny fahakamoan’ny tsinay noho ny tsy fihinana sakafo mahasoa.
FAHAZARAN-DRATSY
Mety mihinana sakafo tsy tantinao ianao ary nefa tsy fantatrao hoe tsy tantinao ilay sakafo.
FISOROHANA AZY
• Matetika dia ny blé na ny gluten no sakafo tsy zakan’ny maro anefa tsy voatery ho fantany (m**o, pâtes, m**omamy, pizzas, biscuits, céréales), alkaola fisotro, levure (anaty labiera, m**omamy) sy ny vokatra azo amin’ny ronon’omby (fromazy, ronono, dibera). Ny gluten indrindra indrindra dia mety mandoro (inflammation) ny tsinay sy ny vavony ka manangeza azy.
• Mba ahafantaranao raha ireo tokoa no mahazo anao dia andramo alàna mandritran’ny herinandro ny sakafo rehetra misy gluten sy blé, jereo raha nisy fiovana ny vatanao. Ampidiro indray dia jereo na niova na tsia.
• Ny tena tsara dia mihinana trondro, legioma maitso sy voankazo.
• Matetika koa dia ny famadihana ny fomba fisakafoanana an-davan’andro no mahatonga ny kibo ho ngeza. Ny sakafo maraina ohatra no atao betsaka indrindra ary ny sakafo hariva no atao maivamaivana ary tsy atao vetivety mialohan’ny sakafo fa manjary mahabe rivotra fotsiny. Tsakoy tsara ny sakafonao ary misotro rano betsaka mba hampiodina ny système digestif hatrany.
• Ny fisian’ny rivotra ao anaty kibo koa dia midika fa mikorontana ny flore intestinale . Mba hampafisaka ny kibo dia mila mampiditra bactérie namana indray isika. Afaka atao suppléments prébiotiques sy probiotiques io, izay ny fomba tsotra indrindra. Ireo sakafo natioraly ahitana izany dia ny laisoa, tongolo gasy aruy tongolo be . Raha salama tsara ny tsinay dia tokony ho fisaka tsara ny kibo.
MIANATRA MIAINA AMIN’NY KIBO
Tena mety hanampy anao betsaka ny fahaizanao miaina eto. Andramo ohatra isa maraina matory mitsilany, détendu tsara, dia miaina mafy alaina avy any amin’ny kibo im-polo. Rehefa vita ny sakafo dia mitsangana manao dia tongotra kely 20 minitra eo izay hanampy ny fandevonan-kanina tokoa.

14/06/2019

Ahoana no hikoloana ny tokantranonao?

Ny vehivavy no ravaky ny tokantrano hoy ny fiteny. Midika izany fa isika no mahatsara na maharatsy ny tokantranontsika.
Raha mijery ny tokantranonao avy aty ivelany ny olona dia ianao vehivavy no »tsarainy » voalohany. Ahoana aza no ataonao mba hiarovanao hatrany izay fijerin’ny hafa izay, hijanona amin’ilay fiteny hoe « tokantrano irian’olona fa tsy haniry olona »?

Betsaka ny vehivavy no tia mizara amin’ny namana/havana ny olana mahazo ao an-tokantrano, ny toetra ratsy hitany amin’ny vadiny na ireo zavatra tsy tiany aminy. Izany fomba fitantara izany anefa dia manaratsy ny tokantranonao. Mila tadidiana fa ny fiteny dia manana hery mafy izay na manapotika na manandratra. Tokony hialàna izany ilay fahazarana mifosafosa ny tokantrano fa tsy mety ireny.

Aiza ho aiza no mahatonga ny tokantrano mikorontana ary mahatonga te hitantara izany any an-kafa? Matetika dia ny tsy fahaizana miresaka amin’ny vady sy ny tsy fahaizana manome hasina ny tena no mahatonga izany. Raha tiana kolokoloina ny fitiavana ao an-tokantrano dia tokony hianatra hiresaka sy hihaino ny tsirairay, ary hahay hamboraka ny fitiavana isan’andro.
1 – Fahaizana miresaka/mitia ny vady.
Ny vehivavy hendry dia ny vehivavy mahay « mandagolango » izany hoe mahay miteny amim-pitiavana. Amin’ny teny frantsay angamba mazavazava kokoa ilay izy , izay midika toy izao: « Une femme sage a de la puissance dans sa bouche« . Rehefa miteny sy miresaka ny vehivavy dia tokony hahafinaritra hatrany ny mihaino azy, ary manandratra ny tokantranony ny fomba firesany.
Matetika anefa dia zavatra ratsy no havoakan’ny vava, lasa ohatran’ny hoe tsy ilaina intsony ny milaza izay tsara misy fa izay tsy mety no tsy maintsy tenenina, hany ka lasa manozona, na manakiana foana.
Raha manomboka mitily ny toetra ratsy sy tsy tianao amin’ny vadinao ianao dia manomboka tsy mahita ny tsara ataony sy ny antony nitiavanao azy intsony, ka lasa « ratsy toetra » no hijerenao azy.
Mba hiverenanao sy hitazomanao ilay afom-pitiavana nisy taloha dia ezaho ho teny mifono fitiavana sy manatsara azy foana no havoakan’ny vavanao.
2 -Manajà ny vadinao
Betsaka no mandika fa ny fanajàna vady dia midika ho fanekena an-jambany sy an-keriny izay lazainy . Diso izany fiheverana izany. Izany no mahatonga any an-tany hafa hieritreritra fa ambanin’ny lehilahy ny vehivavy ary mahatonga ny vehivavy sasany ho toy ny andevon’ny lehilahy mihitsy.

Ny fanajàna vady anefa dia ny fahaizan'ny vehivavy mitondra tena, fahaizana manome lanja sy hasina ny tokantrano amin’ny alalan’ny toetra mendrika. Izay tsy midika velively ho fanekena an-jambany.
Manana alàlana tokoa ny vehivavy hanana hevitra hafa noho ny vadiny, izay azony zaraina amin’ny vadiny fa tsy ataony an-katerena velively. Tsy mandidy sy manapaka irery izany na ny lahy na ny vavy fa mifampizara hevitra.
3 – Mianatra miresaka sy mampiady hevitra
Sarotra ny fifandraisana rehefa tsy mety ny fomba hilazana na hanatsofohana ny resaka. Raha tiana hifandray tsara ny resaka dia mitady hevitra mba ho azon’ny olona tsara ny zavatra tiana ho lazaina ary mba ho azonao tsara ny zavatra tiany lazaina.
Tsy ny handresy lahatra foana na ny hanana ny marina foana no tadiavina fa raha izay dia tsy fifanankalazon-kevitra intsony no atao fa ady.
Ny vehivavy koa dia besaka ny mitaraina fa tsy henoin’ny vadiny, mety ho marina izany…. saingy efa nandrasanao ve hoe amin’ny fotoana mba mipetrapetraka na te hihaino anao izy no miresaka aminy ianao? Anjaranao ary no mamantatra izay fotoana izay, na mamorina fotoana hiarahanareo irery mba hifampiresahana.
4 – Fantaro ny fanehom-pitiavana ataony
Tsy ny olona rehetra no mora miteny hoe « tiako ianao ». Isika malagasy moa dia tsy dia zatra miteny loatra an’io mihitsy. Misy fomba dimy ahafantarana fa tia anao sy tianao ny olona iray.

Ny fiteny manome lanja na « paroles valorisantes«
Ny fomba fanampianao ny hafa na « actes de services »
Ny fotoana mamy hiarahana na « moments de qualité«
Ny safosafo na « toucher »
Ny fanomezana na « cadeaux »

Anjaranao amizay ary ny mamantatra sy maneho fitiavana arak’izay fahaizanao mamoaka azy amin’ny alalan’ireo fomba dimy ireo.
5 – Mikolokolo tokantrano sy mikolo vatana

Ny vehivavy dia tokony ho tia mikolokolo tokantrano sy mikolokolo vatana, moa ny fiteny tsy hoe « ny vady jerijery »? Anjaranao no manao izay mahatsara ny tranonao mba hahatamana ny vadinao ao.

Tokony ho maika ny vady hody fa tsy hitady hevitra hijanona ela any ivelany any izy. Anjarantsika no mamelona afo hahatamana azy ao an-trano.

AM-BAVA HOMANA AM-PO MIHEROTRA

Want your school to be the top-listed School/college in Ampefy?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Address

Ampefy