23/09/2025
📢 Firotsahana eo anivon’ny fiarahamonina 🌍
Tanora, izao fotoana hanehoana fa isika no mpitarika fiovana! ✊🌱
Ho an’ireo Fivondronana izay efa nahavita ny sahan’asa GLACC:
👉 Andao hanatanteraka asa fanentanana na asa firotsahana momba ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro
💡 Irika ho an’ny Fivondronana: fanohanana amin’ny asa fanentanana sy firotsahana ataonareo.
❓ Inona no zava-misy eo amin’ny tontolo iainana manodidina anareo?
❓ Inona ny vahaolana hitanareo manoloana izany?
📌 Ataovy miavaka ny hetsika ary mitondra vokatra azo tsapain-tanana eo amin’ny tontolo iainana.
⏰ Alefaso amin’ity rohy ity izany alohan’ny 28 Septambra 2025 @ 12:00.
https://docs.google.com/forms/d/e/1FAIpQLSd5O1bOH_IWuh6jpl1EuLSypBbZt7PjWaFtjY-IPWTHIc24mQ/viewform?usp=header
🏆 Ny Fivondronana manana drafitr’asa tsara indrindra dia hahazo fiofanana manokana ary ho vatsiana amin’ny fanatanterahana ilay hetsika.