02/07/2022
$$$ CYBERAGENT $$$, ahoana marina?
Miarahaba antsika rehetra
Izaho dia tena manao site d'investissement miisa 5: cyberagent, elife media, brable, ubit, coolrelikee. Cyberagent sy brable no efa nanaovaka investissement ary tena ahazoako tombony fa ny sisa ireo tsy manao investissement fa ataoko gratuit (VIP0).Marihako fa tena mitovy tanteraka ireo site ireo:
>samy mi-liker videos de mahazo vola.
>samy misy VIP0,1,2,3,... ary tsy samy tsy afaka atao retrait ny VIP0.
>tena mitovy tanteraka eo "design", "présentation" an'ireo site ireo.
>rehefa jerena eo @ description ny site dia samy milaza fa efa ela daholo no niorenany (efa talohan'ny 2016) ary miara-miasa , tik tok, facebook... mba hanosehana ireo influenceurs ho "populaire" kokoa.
>samy tsy fantatra ny mpamorina ireo site ireo na iza na iza. Samy tsy hita ao , ary tsy misy page officiel akory ato nefa milaza fa efa ela no nisiany. Marihako fa ny cyberagent io dia tsy ilay tena société cyberagent hita ao (www.cyberagent.co.jp) velively fa misandoka logo (cyzzn.com).
>samy tena mi-payer anefa izy ireo, validité samy 1an en général.
>samy efa tena bediabe tokoa ny membre/investisseurs amin'ireo.
>samy manao réduction ao anatin'ny fotoana voafetra daholo ireo eo VIP mba hisintonana ny olona hividy malaky ny VIP (izay ilay hoe "PEUR DE PASSÉ A CÔTÉ D'UNE OPPORTUNITÉ" hoy ilay bandy Trader mafinaritra iray iny)
IZAO ANEFA NY ZAVA-MISY: Omaly dia tsy nety nisokatra intsony ilay site coolrelikee. Nikatona koa ny elife media. Tena tampoka izany fikantonan'ireo zany fa tsy ampoizina sady tsy mampiomana ary tena betsaka tokoa nefa ny "investisseurs" tao.
FANONTANIANA:
1-Mety hikatona ihany koa ve ny cyberagent sy ireo site mitovy aminy afaka fotoana fohy? Rehefa tratra ny "objectif financier" an'ireo site ireo dia hikatona avy hatrany tsy ampoizina.
2-Mety marina tokoa ve ilay hoe tsy misy influenceurs izany akory mandoa ny vola ny tâche fa ny vola ataon'ireo inve9 vaovao no andoavana ny volan'ireo investisseurs efa taloha?
3-Olona mitovy ihany (iray na maromaro) no ambadik'ireo site ireo?
FEHINY: MBOLA MI-PAYER TSARA ALOHA HATRETO NY CYBERAGENT, BRABLE FA FADIO MANOMBOKA ANDROANY NY MANAO REINVESTISSEMENT HOAN'IZAY EFA NAHAZO TAO, IZAY MBOLA TE HIDITRA KOSA DIA AZA MANAO INVESTISSEMENT MIHTSY FA SAO TRATRA FARANY EO FA HO TAMPOKA TOKOA NY HIKATONAN'IREO SITE IREO, TENA MATAHOTRA IZAHO FA TSY HAHARITRA IRAY VOLANA 2VOLANA INTSONY IREO DIA HIKATONA (afaka atao capture ity pub ity dia kiano ny tenako raha mbola tsy mikatona ireo aorian'ny 2volana)
ARY AOKA MBA TSY HANENTANA OLONA HANAO INVESTISSEMENT NA DIA AHAZOANA COMMISSION IZANY FA MAMPALAHELO NY OLONA RAHA SANATRIA KA MIKATONA NY SITE NEFA TSY MBOLA NIHINANA AKORY ILAY REFFERAL.
--->TOROHEVITRA NY AHY FA REHEFA TSY METY DIA ALEO HIVERINA ATY AMIKO. MISAOTRA
Diniho anie io sary ambany io, 5 andro talohan'ny nikatonan'ny elife media io.
Efa miala any koa ilay lazainy zalahy hoe site malagasy tttdh.com mitovy tsy misy valaka.