Ecole Privé Alpha

Ecole Privé  Alpha

Share

Ecole Privé Chretienne .

14/05/2025

𝙈𝘼𝙉𝘼𝘽𝙀 𝙕𝘼𝙕𝘼𝙇𝘼𝙃𝙔 👦

1- Tiavo sy iresaho amin-katsaram-panahy.
Zazalahy koa mila fitiavana, fihainoana, sy teny mamy. Raha tiantsika ho lehilahy mahay maneho fitiavana izy rahampitso.

2- Ampianaro hanaja ny hafa.
Ataovy mahazatra azy ny manaja olona rehetra, tsy misy anavahana — indrindra ny vehivavy, ny zokiolona, ary ireo marefo. Ny fanajana no maha-lehilahy azy, fa tsy hery sy didy.

3- Avelao haneho fihetseham-po.
Tsy hoe lehilahy dia tsy afaka mitomany. Ampianaro fa tsy fahalemena ny maneho ny alahelo, tahotra, na fahasorenana. Herim-po izany.

4- Ampianaro andraikitra.
Omeo anjara amin’ny raharaha sy ny fiainana andavanandro izy. Omeo adidy mifanaraka amin’ny taonany, ka ho azon’ny fony fa tsy hoe lehilahy dia tsy miasa an-trano.

5- Tohano ny nofinofiny sy ny fahaizany.
Raha tia sary, mozika, siansa, na fanatanjahantena izy, dia asehoy fa manan-danja izany. Aza tefy amin’ny hoe "zavatra ho an’ny lehilahy ihany". Lehilahy afaka izy.

6- Ampianaro hanana soatoavina.
Mety ho sahirana izy indraindray, saingy ny soatoavina no mitarika azy: ny marina, ny fahitsiana, ny faharetana, ny fandeferana, ary ny fitiavana.

7- Asehoy fa ny lehilahy tena izy dia mandanjalanja, mihaino, ary tsy manararaotra.
Ny herin’ny lehilahy dia tsy amin’ny feo mafy na herisetra. Fa amin’ny fahaizany mihaino, mamindra fo, sy miaro ny marina, na amin’ny fotoana sarotra indrindra aza.

Pejy - Mpanabe Fototra

Photos from Ecole Privé  Alpha's post 10/05/2025

1. Rehefa mirava miasa ianao ka mifankahita amin'ny zanakao dia mizara ny miarahaba azy amin'ny alalan'ny horoka na calin.
Fihetsika kely anefa manan-danja amin'ny fitomboany.

2. Aza manangana ady amin'ny mpiray vodirindrina aminao.
Aza mamoaka teny ratsy na manompa n'iza n'iza.
Tadidio fa mihaino , mandinika, mandray note ary manao capture ny environnement-ny ny zanakao.

3. Rehefa miantso amin'ny telephone ny Ray aman-dReninao dia ampiresao aminy ny zanakao.
Mampianatra azy ianao amin'izay fotoana izay hi-connecté amin'ny loharanom-pitahiana.(tso-drano)

4. Rehefa hamangy Ray aman-dReny ianao dia hoento manaraka anao ny zanakao, raha azo atao dia mitondrà fanomezana hatrany na dia zavatra kely aza ary ny zanakao no asaivo manolotra azy.
Tadidio fa ny zanakao dia mianatra avy amin'ny alalan'ny fihetsika sy ohatra ataonao.
Rehefa hitany ianao mikarakara ny Ray aman-dReninao androany dia tsy ho sarotra aminy no hikarakara anao rahampitso.

5. Rehefa miaraka aminao anaty fiara ny zanakao na hoany an-tsekoly na hoaiza dia aza mizatra mandefa hira na Radio fa mizara mitantara zavatra aminy, mizara mitantara ny fiainanao aminy, mizara mitantara ireo challenge sy ireo fandresenao tamin'ny mbola kely aminy.

6. Mizara mamaky soratra masina amin'ny zanakao na dia verset iray ihany aza mba hampitombo ny fahalalany sy fifandraisany amin'ny mpahary azy.
Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.

7. Ataovy tsara ny hetim-bolo-nao, diovy tsara ny nifinao, manaova metimety sy manimanitra na dia tsy hivoaka ny trano aza.
Mila hainy hoe tsy voatery andeha hivoaka vao mila madio sy manao metimety.
-Matetika mantsy ny génération ankehitriny, vao manao do**he ianao dia misy manotany hoe : fa andeha hoaiza?
Tsy voatery hivoaka tompoko vao hikarakara vatana.

8. Mizara mandondona rehefa hiditra ny efitrano fatorian'ny zanakao.
Aza zatra tonga dia miditra avy hatrany fa miandrasa aloha permission avy aminy. Andraso izy miteny hoe : Mandrosoa vao mandroso!..
Hampianatra azy hanao toy izany koa izany mialohany hiditra ny efitra fatorianao.

9. Mahatsapà diso rehefa manao erreur, tsy mahamenatra akory ny mifona rehefa nanao adisoana devant ny zanakao.
Ny fifonana eo imasony dia hampianatra azy hanetry tena hatrany hatrany...

Mbola hitohy....

Ndao hanova zavatra

09/05/2025

MAZOTO MIANATRA LESONA VE NY ZANAKAO ?

Ireto misy fomba tsotra hanampiana ny zanakao :

1- Mampiasa takelaka famerenana (fiche) – Manorata fanontaniana amin’ny lafiny iray ary valiny amin’ny ilany.

2- Asaina manazava amin'ny hafa – Avela izy hanazava ny lesona amin’ny namany, ray aman-dreny, na mpiray tampo. Raha mampianatra izy dia mora kokoa mahatadidy.

3- Sary sy famaritana – Avadika ho sary ny lesona, ary asio fanoritsoritana.

4- Fanadinana kely (quiz) – Ataovy lalao fohy misy fanontaniana sy valiny.

5- Fotoana fohy sy mahomby – Aleo mamerina lesona 10–15 minitra isan'andro toy izay mamaky ela be.

6- Mitady mpampianatra manokana – Raha manahirana ny taranja iray, dia tsara ny mitady mpampianatra manampy manokana.

Afaka manampy izahay amin'ny taranja Anglisy sy Frantsay. Fotoana vitsy sisa no malalaka.

Pejy - Mpanabe Fototra

Photos from Ecole Privé  Alpha's post 20/04/2025

Joyeuse pâques.
Bonne vacance les Alphas..

Photos from Ecole Privé  Alpha's post 18/04/2025

Sortie Éducative
École Privée Alpha..

21/03/2025

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Malala Rakotoson, Elįnah RH

Photos from Ecole Privé  Alpha's post 25/12/2024

Joyeux Noël 🎅 🎅
Et Bonne heureuse année.
Que le Seigneur illumine votre vie..
Joie - Paix - Prospérité.

10/11/2024

Bon dimanche 🥰

14/07/2024

A méditer

30/06/2024

Année scolaire 2024-2025.

22/06/2024

Loooza...fa hay niteniteny foana hatramin'izay ve!😱😱
Hita tany ho any de mba zaraina

✔"Miteraha fý toa lahy, Fy toa vavy"
..fa tsy fito lahy, fito vavy...

Satria tsodrano tsara teo aminy ny fanany zanaka lahy sy vavy ary fy(fitiavana)lehibe teo amin'ny fiainany izany.

✔"Tany nahavokisana ka tsihy no itoerana ela".

..fa tsy hoe tsy itoerana ela...

Fahiny, eny mbola misy ankehitriny ny tsihy no hisakafohanana ka miresadresaka rehefa voky fa tsy miala avy hatrany.

✔"Vadin-joky kilolohan-jandry"
..fa tsy kilalao..

Satria ny kiloloha dia lolohavina atampon'ny loha, na hajaina.

✔"Valahara mpiandry fasana"
.fa tsy valala..

Ny Valahara dia olona atokisana ary izany mahatonga azy ireo miteny hoe OLONA TSY VALAHARA rehefa tezitra ary mino aho fa efa niteny izany ianao(olona tsy atokisana, fetsifetsy, tsy milaza ny marina).

Tsy misy valala hiandry fasana zany.

✔"Ady voay ama-mamban'krijavola ka ny voamasony no potsirina"

..Fa tsy vomanga...ary ny vomanga tompoko tsy misy masony.

✔"Mahita volana alohan'i Habiby"
..fa tsy biby...

Satria i Habiby dia Mpimasy nalaza tao Ambohidrabiby izay nahatonga io anaratany io fa tsy Ambohitrabiby.

✔"Ny tody itsy misy, ny atao koa miverina"
..fa tsy hoe ny tody tsy misy...

Vesaran'ny tody raha manao ratsy ary iverenan'ny nataony.

✔"Fon-drazalahy natakalo fon-drazavavy"
..fa tsy fozalahy sy foza vavy...

Source: Fb
🇲🇬

Want your school to be the top-listed School/college in Ambolobozokely?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address


Ambolobozokely