29/06/2026
Misaotra indrindra!
Fisaorana lehibe no atolotray an’ireo rehetra tonga nandray anjara tamin’ny fampiofanana fampidirana ny fiompiana tantely izay notanterahina androany teto Andakana Ambohimanga.
Nandritra ny fiofanana dia afaka nahazo fahalalana fototra momba ny fiompiana tantely ireo mpandray anjara ary nanao fampiharana mivantana teny amin’ny toby fiompiana. Nahita akaiky ny fiainan’ny zanatantely, ny firafitry ny tranon-tantely, ary nianatra ny fomba fanaraha-maso sy fikarakarana azy ireo amim-pilaminana.
Faly izahay nizara traikefa sy fahalalana taminareo, ary manantena fa hanampy anareo hanomboka na hampivelatra ny fiompiana tantely izany.
Hisy andiany manaraka tsy ho ela. Araho hatrany ny pejinay raha te hahazo ny daty sy ny fisoratana anarana.
Misaotra tamin’ny fahatokisana ary manantena ny hihaona aminareo indray amin’ny fiofanana manaraka!
Andao hiara-hampandroso ny fiompiana tantely eto Madagasikara!
Merci à tous les participants !
Un grand merci à toutes les personnes qui ont participé aujourd’hui à notre formation d’initiation à l’apiculture moderne à Andakana Ambohimanga.
Au cours de cette séance, les participants ont pu découvrir les bases de l’apiculture et surtout vivre une expérience pratique au rucher :
- découverte de la ruche et de ses différents éléments,
- observation de la colonie,
- identification de la reine, des ouvrières et des faux-bourdons,
- apprentissage des méthodes de contrôle d’une ruche en toute sécurité.
Votre intérêt, votre curiosité et votre enthousiasme ont largement contribué à la réussite de cette première session.
La prochaine vague de formation sera organisée très bientôt. Les places étant limitées, nous vous invitons à rester attentifs à nos prochaines publications pour les dates d’inscription.
Au plaisir de vous accueillir prochainement pour partager ensemble la passion de l’apiculture !