By Herimpitiavana

By Herimpitiavana 🔴 CHANGEMAKER
🔴 DEVELOPPEMENT ACTOR
🔴 TRANSFORMATIONAL CATALYST

04/02/2026

▶️ Rejoins-nous et fais partie du mouvement,
Ce 21 février à 14h à Tranompokonolona Analakely.

🔥C'est OFFICIEL, 🔥
🔥 Move On n’est pas qu’une page.
C’est un mouvement. 🔥


Move On : Be ready for change

Ndao hianatra Ndao hampiatra Fotoana izao...
12/11/2025

Ndao hianatra
Ndao hampiatra
Fotoana izao...

Mila mianatra isika!! Eny! Tena mila mianatra! Mianatra zavatra vaovao isanandro. Mila mianatra zavatra ilaina!! Na mive...
27/04/2025

Mila mianatra isika!! Eny! Tena mila mianatra! Mianatra zavatra vaovao isanandro. Mila mianatra zavatra ilaina!! Na miverina mianatra zavatra efa hay fa adinodino noho ny rotorotom-piainana. Tokony manao ny fahalalantsika isika. Mbola betsaka ny zavatra tokony hianarana. Satria ny tontolo mivoatra isanandro, dia mila manaraka an'izay raha te ho tafavoaka.
Noho izany an! Manoloana izany dia ilaina ny afahana mampifandanja ny zavatra misy. Be dia be ny fahendrena Malagasy mlay fa adinodinontsika izy ireny indraindray. Tena be anie izao ilay fomba fitenin-tsika iny hoe FIANARANA NY FIAINANA. Ary marina izany.
Ireto izao misy toetra tsara, izay azo hianarana tsara mihitsy na dia tsy mora ary ny mianatra azy. Ho an'ny sasany, mety efa hainy fa tsy nampiariny tamin'ny fianana dia very anjavony teny fotsiny. Ho an'ny hafa kosa, mety vaovao be aminy, na mety efa nisy olona niteny azy ihany fa tsy niasan'ny hazon-damosiny saina kory.
Mila mailo tsara fona anefa isika rehefa tena hampiatra azy ireto a, mba hitondra ho antsika sy ho an'ny hafa. Zany an!!!

1- Mianatra MITIA
Mitia ny tena, mitia ny namana, mitia olona fotsiny tsotra izao (olona fantatra sy/na olona tsy fantatra), mitia ireo olona mandray anao ho fahavalo,... Mitia biby, mitia zava-boahary,...

2- Mianatra MANAIKY
Misy olona dia tsy manaiky diso izany mihitsy na dia efa hita mazava izao ary fa izy no diso. Any e??
Dia ataontsika aona koa moa ny handroso raha isika ary tsy manaiky hoe mbola tsy mandroso. Mety ho marina ihany ilay hoe ny olona mahay manaiky hoe tsy mahay, vendrana ihany no afaka manaiky hoe mila mianatra. Sa, ataon'ny olona efa mahay inona intsony moa fianarana e? Izy ary efa mahay koa, tsy mila mianatra tsony ony! Fa eny tsy mora koa moa izany e.

3- Mianatra MAMELA HELOKA
Isika ve mahay mamela ny helok'ireo nanao fahadisoana tamintsika?
Isika ve mahay mamela ny tenantsika, tamin'ny fahadisoana nataontsika tamin'ny tenantsika, nataontsika tamin'ny hafa?
Raha sitrakao an, raha mety aminao dia velao mihitsy aloha ny tenanao e! Avelao izy tamin'ny zavatra nataony nefa tsy tokony nataony, tamin'ny zavatra tokony nataony nefa tsy nataony. Dia tiavo izy! Aza avela hisy hanimba intsony izy!





Raha mamorona   iray na   iray isika anio ka ataontsika isanandro, iainantsika isanandro isan'ora, isa-minitra, isan-tse...
21/04/2025

Raha mamorona iray na iray isika anio ka ataontsika isanandro, iainantsika isanandro isan'ora, isa-minitra, isan-tsegondra izany mandritra ny tsy tapaka dia lasa antsika.
Raha te hanana habitude vaovao mlay kokoa izany isika dia mila 21 andro fara-fahakeliny vao maniry ao amin-tsika ilay izy. Ny mety ho olana nefa eto dia izao, ilay ao anatintsika ve mety mahavokatra ilay habitude tiantsika hanana?
Sopapa kely, ndao amboarina aloha izany ilay environnement ao amintsika mba hifanaraka tsara amin'ilay vokatra tiantsika ho azo. rehetra fa ny mavesatra entana tsy ho lasa lavitra.
Rehefa vitanao, nataonao, niainanao nandritra ny 21 andro tsy tapaka ilay sy/na ka lasa dia efa tsara be izay satria efa nanova zavatra be dia be tao amin'ilay environnement-nao izay. Fa mba ahafantaranao nefa hoe sur la makany amin'ny tanjonao ianao dia notohizanao hatrany amin'ny 30 andro ilay izy ary vitanao tsara.
Dia raha mbola sahy ianao, raha mbola vonona ianao, raha mbola fenoinao fanantenana ny fonao, raha mino ny tenanao sy ny zavatra ataonao ianao, mino ianao fa io discipline-nao sy autodiscipline- nao io dia mampanakaiky anao ny nofinofinao sy ny tanjonao, dia ndehana andramo ataovy ilay discipline. Dia raha hitanao hoe mety aminao dia afaka tohizanao, raha sanatria moa tsy mety aminao na tsy mifanaraka amin'ny tanjonao dia ajanony fa manjary mampaory tena sy mampijaly tena fotsiny.
Raha izay rehetra voalaza izay no vitanao mandritra ny 90 andro tsy miato anefa, dia sahiko ny miteny aminao fa ianao dia manomboka eo, ianao. Dia ozizy ianao hoe izany be dia mba ho marina? Mitombina koa ve izany?
Ny valiny dia izao, efa nanaovana experience izany fa tsy bla bla be akory. Ny olona nanao nahavita, nahatanteraka, koa sanatria ve ianao indray no tsy hahavita. Izay takatry ny saina dia azo tanterahina.




Ito ny hafatra dia mahaiza mandray Mahaiza
25/03/2025

Ito ny hafatra dia mahaiza mandray
Mahaiza





▶️Nous somme le Maître de notre vie◀️🔞Amin'ny fomba firesaka tsy mahazatra anao indray ity🔞 ka mety ho betsaka ny ho toh...
13/03/2025

▶️Nous somme le Maître de notre vie◀️

🔞Amin'ny fomba firesaka tsy mahazatra anao indray ity🔞 ka mety ho betsaka ny ho tohina amin'ity hafatra ity fa aleo lazaiko fona ihany mba tsy ianao intsony no mbola anenina indray amin'ny zavatra nataonao dia himenimenina hoe tak'izay..., tena tak'izay...tsy nanao an'iny e!!

Afaka manana ianao?
Afaka ?
Afaka ?
Raha eny ny valiny, dia #'Ndao tohizo ny famakianao fa inoako hoe mety tsara aminao, amin'ilay toerana misy anao izao ilay izy raha izany.
Raha sanatria ka tsia ny valiny, dia aleo tonga ajanonao eto ny famakiana fa ny mety aminao dia aza miala amin'ny mahazatra.
Natokana ho an'ireo mangetaheta fahombiazana sy nôna fahatafitana mantsy ity resaka ity. ho an'ireo vonona ampandroso ny tenany, anao .
Ao tsara ve atreo??

Hoy i Hal Elrod tamin'ny "conférence" nataony hoe: _manomboka androany raha tsapanao tsara ary fa ianao no tomponandraikitra feno amin'ny fiananao, dia ho tonga saina amin'izay ianao hoe manana fahefana feno hay ianao manova ny ho avinao_ Manomboka eo dia (e) mampivoatra ny tenanao ianao ary (e) manatsara isanandro isanandro ny zava-misy iainanao makany amin'ilay tena tinao iainana_

Dia inona amin'izany nefa no idiran'io sary fanehoana (mahafinaritra)😂 io?

Hitanao!!! Ilay resaka sy tetsy ambony dia toy ny hoe rehefa manao zavatra iray ianao dia atao antsaina isaky anao zavatra hoe : rehefa atao dia tena atao, vitaina hatramin'ny farany, ary atao tsara.
Fantatsika tsara hoe ; rehefa anao dia aborotsaka tsara ny kilôty (raha tena anao ah🤣), dia dangirina tsara ny 🍌. Dia mifandray amin'izany koa ilay , izany hoe rehefa engagé(e) ianao hoe anao dia lasa enao manaborotsaka ny kilôtinao sy izay ataonao eo. Rehefa engagé(e) ianao hoe iry ny tanjoko dia ataonao ny fomba rehetra ahatongavana amin'iny, na dia anaovanao ny tsy fanao mihitsy aza. Noho izany dangirinao tsara ny fahazotoanao, préparer-nao tsara ny sainao hoe iry ny tanjona dia lasa 'zao, ...
➡️ Ny atao aloha izany dia mametraka tsara, manao tsara (resahantsika misimisy kokoa amin'ny manaraka). Ary momboka eo ianao dia lasa manana engagement goavana amin'io tanjonao io, mitady ny fomba rehetra ahatratrarana an'ilay izy, ary lasa mamorona hevitra be dia be ho azy io atidohanao io rehefa tena hoe tanterahana ilay izy. Azo tsara? Voaray ny hafatra sa ilay resaka manao indray no voaray?? Mino aho hoe mahay mandray resaka tsara izany olona manana izany fa tsy mandray antendrony. Takatrao ny hafatra tina ampitaina?? Ok!!

Raha tena manana tsara moa ianao ka afaka dia azonao atao amin'ny namanao sy izay vondrona misy anao ary ny manodidina anao ilay hafatra. Izay ny hay sy fantatra dia atomboky tsika amin'izay aloha, dia mianatra fona isika isanandro e! Mankasitraka anao dia MANAOVA FAMPIARANA, Ao???





❌ Tena secret ity fa tsy manina lazaiko, zaraiko fona ihany❌ Raha efa   be sy   ianao dia tsy tsara ho anao ny mamaky ny...
10/03/2025

❌ Tena secret ity fa tsy manina lazaiko, zaraiko fona ihany❌ Raha efa be sy ianao dia tsy tsara ho anao ny mamaky ny tohiny. Aleo koa tonga dia mijery zavatra hafa fa tonga dingano fa manjary manery tena ianao dia vao maika tsy sambatra. Fa aleo ho an'ireo olom-bitsy ihany aloha ny manohy mamaky. Ny olo-mbitsy fona manko no !!!

🔴 Ndao manao asa soa:
Raha misy azonao anampiana ny olona manodidna anao dia ampio izy, raha misy afaka omenao ny olona manodidna anao dia omeo izy. Raha teha anao asa soa ho an'ny hafa ianao ka sitraky ny fonao dia ndao ataovy. IANAO ihany koa anie dia efa afaka manao asa soa ho an'ny tenanao e, tsy mila miandry an'iza n'iza fa tonga dia ataovy. Ndao atao ampisaianana tsara fotsiny e!!!. Olombelona mendrika asa soa toa anao ihany koa anie ireo olona manodidina anao ireo e!!! Nefa ataon'ny olona tsy manao asa soa ho an'ny tenany ahona moa izany ny anao asa soa ho an'ny hafa e??? Fa raha misy ihany koa olona manampy anao, manao soa anao dia misaora azy, ankisitrao amin'ny fahafenoany izy ary ndao tsy asina fisalasalana na dia kely ary ny fankasitrahana azy. IANAO no mahazo tombony voalohany amin'izany. Mahasambatra ny mandray noho ny manome fa SAMBATRA ny manome noho ny mandray.

🔴 Ndao manao sambatra:
Henoy tsara ity zavatra lazaiko ity dia ataovy azo tsara sy mazava tsara ao andohanao ao ary averimbereno mba ho voarainao tsara. ▶️NY OLONA SAMABTRA IHANY NO AFAKA MAMOKATRA. ◀️ Ireto misy fahazarana tsara volena ahatonga ny olona iray samabatra (ampahany ireto fa nefa efa azo lazaina hoe manampy be, anjaranao ny manampy raha tsy, manala izay tsy mety aminao raha tsy mahasambatra anao...). Mbola ao tsara ianao a? Ok? Ndao ary : manaova ampy torimaso tsara, anaovy fety ireo fahombiazana kely vitanao (mandeha makany amin'ny resto ohatra na tsy haiko e, izay mahasambatra atao), manaova sport fa mahasoa sport (juste miazakazaka 15 isamaraina alohan'ny fiposahan'ny masoandro dia efa manampy be, ary tsy amin'ity resaka fahasambarana ity ihany... Dia aza manery tena fa lasa tsy samabatra), mivanitiha miaraka amin'ireo namanao! ( minamana amin'ilay olona be vanitika ireny, ilay olona mahita zavatra hivanitiana fona ireny. Mety manimba ny fahasambarana izany ilay namana miteny fona hoe mba matotra oa!, eh! mba matotra amin'izay oa!). Atreo? Mbola mahazo tsara ve ianao aloha sa sao dia efa lasa lavitra ny sainao mamaky io?? Fa misaora ny tenanao aloha nahavita namaky an'iny zavatra lava be teo iny🙏. ❌Mipetraka tsara aloha dia mosotroa rano. ❌ Ao ve?. Lasa ndray tsika ary, manàna fialamboly (misy ny sasany miala voly ony izy nefa any anaty toerana feno tabataba sy feno olona mpimamo izy no mandeha), mihainoa mozika positive dia mitandrema tsara fotsiny amin'ny hira henoina na ny toniny na ny mélodie-ny, ankasitrao ny tenanao sy ny zavatra vitanao ary izay zavatra mitranga ( dia ny olona tia ny tenany sy sambatra ihany koa ny mahavita mankasitraka ny tenany izany), ndao ankafizina ny natiora ( lanitra, voninkazo, anaty ala, IANAO ihany koa nature sao dia adinodinonao, ...), MANAOVA ASA SOA ihany koa e!!!
🔴 Ndao mahaiza mamela heloka:
Tena zava-dehibe ry reto izany mahay mamela heloka izany ah, tena marina e, tena mbô eeh🙌. Sa tsy resy lahatra amin'izany ianao? Tsarovy hoe mila avelanao ny helokao rehetra tamin'ny lasa. Eritrereto anie izany e, ndeha atao hoe vato kely 1kg izany ny heloka iray, dia isaky ny mahatsiaro tena ho meloka izany isika dia mitombo iray ny vato kely entintsika ao anatintsika ao. Dia raha sanatria ka mahatsiaro tena ho meloka in-10 fotsiny isika ao anaty ny 1 andro dia efa 10 kg izany ny helokantsika. Fa soa ihany fa mahay mamela ny helokao ianao ( tsy mila miandry pasitera na môpera izany fa safidy fotsiny tsotra izao). ▶️Avelao mihitsy aloha ianao tamin'ny fahadisona nataonao, tamin'ny fahotana vitanao, tamin'ny heloka nataonao. ◀️. 🔞🔞Ny hoe manota eto dia: manao izay tsy tokony natao; tsy manao izay tokony atao 🔞🔞
🔴 Ndao mahaiza mifandray :
Mahaiza mifidy namana dia ataovy laharampahamehina (important) manomboka izao ny misafidy izay ho namana. Mazava be izany fa ny olona teha ho samabtra dia tokony minamana amin'ny olona samabatra. ❌Mifandraisa amin'ny olona rehetra fa tsy hoe atao namana daholo. ❌
Ndehana mamorona fifandraisana e! Mlay be anie izany hoe mifandray amin'ny olona mbola tsy fantatrao mihitsy e, miresaka amin'ny olona vaovao indrindra ka hoe olona samabatra.
🔴 Ndao mahaiza mitia :
Tena important be lôtra ity resaka ity ka atongilano tsara ny sofinao dia aza mora tohina fa raiso amin'ny fahafenoany ilay izy. Ao?? Izao an, tena TIAVO MIHITSY ALOHA IANAO, TIAVO MIHITSY ALOHA IANAO E!! 'Zany an!!!
Rehefa tianao ianao dia ho sambatra amin'izay ianao amin'ny asa ataonao satria fantatrao ny tianao. Rehefa tianao ianao dia ho mora aminao ny amela heloka amin'ny tenanao, ho mora aminao ny manaiky hoe tsy misy ny tonga lafatra ary ny fahadisona natao tamin'ny lasa dia lesona mlay be afahanao miatrika ny ho avy. Rehefa tianao ianao dia mora kely aminao ny mankasitraka anao amin'ny zavatra vitanao rehetra eny na dia amin'ny heverinao hoe madinika indrindra ary. Rehefa tianao ianao dia mora aminao izany manao asa soa izany.
🔴 Ndao mahay mankasitraka :
Amaranana azy, satria moa izay natomboka tsy maintsy faranana e! Dia izao, ankasitrao foanao ianao. 'Zany an!!. Ilay fankasitrahana resahantsika eto dia . Anisany mamaha zavatra be dia be amin'ny fianana ity farany ity. Dia ny olona tia ny tenany hoy aho no mahay mankasitraka ny tenany. Ny olona mahay mankasitraka ny tenany ihany koa no mahay mizara na fahalalana io na fitiavana io na tsiky io.

Lava be ilay izy fa ndao ampiatra, ndao hizara, ndao hisamabatra. Mankasitraka anao.
Azo adika, azo alaina tahaka raha izay no hitanao mahasambatra anao, azo zaraina satria mety misy olona any ho any mila ny fizarana ataonao. Dia ny olona tia mizara oa mitombo foana, sady mahasambatra ihany koa ilay mizara e!!!





Address

VH6 Manonga Ambohijatovo
Ambohijatovo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when By Herimpitiavana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category