Groupe CPE Madagascar

Groupe CPE Madagascar

Share

Club des Professeurs Expérimentés

Cours CPE : Cours de Préparation aux examens CEPE, BEPC, BACC Cours CPE - Lycée Privé CPE

09/05/2026

TOROHEVITRA DIMY HO ANAREO MPIANATRA MANOMANA NY FANADINANA BEPC SY BACC
FAMPIDIRANA
Ry mpianatra malala, manan-danja lehibe eo amin’ny fiainanareo ny fanadinana BEPC sy BACC satria dingana iray manokatra varavarana ho amin’ny fianarana ambony sy ny hoavy izany. Tsy ny faharanitan-tsaina ihany anefa no mitondra fahombiazana amin’ny fanadinana, fa indrindra ny fomba fiomanana sy ny fahazarana tsara eo amin’ny fianarana.
Maro ny mpianatra no manana fahalalana, nefa tsy mahay mandamina ny fotoana, tsy matoky tena, na tsy mahafehy ny fomba famaliana fanontaniana. Noho izany dia ilaina ny fananana teknika sy fitsipi-pianarana afaka manampy amin’ny fanatsarana ny vokatra sy amin’ny fiatrehana amim-pahatokiana ny fanadinana.
Ireto consignes dimy ireto dia natao hanampiana anareo hahazo fomba fianarana mahomby : mianatra mahaleo tena sy matoky tena, mampihena ny fampiasana brouillon, mahafehy ny fotoana, mahay mampiasa formule sy lesona, ary manao rédaction tsara. Raha ampiharina amim-paharetana ireo torohevitra ireo dia hanampy betsaka amin’ny fahombiazana sy ny fahatokisan-tena mandritra ny fanadinana.
1. MIANARA MAHALEO TENA SY MATOKY TENA
Ny fahaleovan-tena amin’ny fianarana dia midika fa tsy miankina tanteraka amin’ny fanazavan’ny mpampianatra na ny namana fotsiny ny mpianatra, fa mahay mikaroka sy mandalina samirery. Zava-dehibe izany satria amin’ny fanadinana dia ianao irery no hiatrika ny sujet sy hamaly azy. Tokony hanana fahazarana mamaky lesona isan’andro, manao exercices, ary mamerina ireo zavatra tsy mazava amin’ny tenanao ianao.
Ny fahatokisan-tena kosa dia manampy betsaka amin’ny fiatrehana ny fanadinana. Betsaka ny mpianatra mahalala lesona nefa resin’ny tahotra sy ny tebiteby. Noho izany dia ilaina ny miteny amin’ny tena hoe : “Vitako ity satria niomana aho.” Rehefa matoky tena ny mpianatra dia mora mifantoka, mahay mandamina hevitra, ary tsy taitra rehefa misy fanontaniana sarotra.
Fampiharana :
- Manao programme personnel de révision isan’andro.
- Miezaka mamaha sujets taloha samirery.
- Tsy miandry olona hampianatra vao mianatra.
- Mampirisika ny tena amin’ny teny tsara sy fanantenana.
2. MIANARA TSY MAMPIASA BROUILLON
Mpianatra maro no mandany fotoana be loatra amin’ny brouillon ka tsy mahavita mamita ny sujet. Ny tanjona dia ny hahazatra ny saina handamina valiny avy hatrany ao an-tsaina na amin’ny plan fohy dia manoratra mivantana amin’ny copie.
Tsy midika akory izany hoe voarara ny brouillon, fa tokony hampiasaina amin’ny fomba voafetra sy mahomby izy io. Amin’ny fanadinana, ny fotoana no fahavalo lehibe. Raha zatra manoratra mivantana ny mpianatra dia haingana kokoa ny famaliana ary madio kokoa ny présentation.
Fampiharana :
- Rehefa manao exercices ao an-trano dia miezaha manoratra mivantana.
- Manao plan fohy ao an-tsaina alohan’ny hanoratana.
- Mampihena tsikelikely ny fampiasana brouillon mandritra ny révision.
- Manao entraînement amin’ny “condition d’examen”.
3. MIANARA MIFEHY TSARA NY FAMPIASANA NY FOTOANA
Ny fitantanana ny fotoana dia anisan’ny lakilen’ny fahombiazana amin’ny fanadinana. Betsaka ny mpianatra tsy mahavita sujet satria lany fotoana tamin’ny fanontaniana iray monja. Tokony hahay hizara ny fotoana arakaraka ny isan’ny exercices sy ny barème ny mpianatra.
Ilaina koa ny mahafantatra hoe rahoviana no tokony handroso amin’ny fanontaniana manaraka. Raha sendra sarotra ny exercice iray dia aleo aloha manao izay mora kokoa, avy eo miverina amin’ilay sarotra rehefa mbola misy fotoana.
Fampiharana :
- Manao simulation d’examen miaraka amin’ny famantaranandro.
- Mizara mialoha ny fotoana ho an’ny exercice tsirairay.
- Tsy mijanona ela loatra amin’ny fanontaniana iray.
- Manokana fotoana kely amin’ny farany hijerena sy hanitsiana ny copie.
4. MIANARA MIFEHY TSARA NY FAMPIASANA NY FORMULE SY NY LESONA
Amin’ny taranja siantifika indrindra dia tsy ampy ny mahafantatra formule fotsiny, fa tokony ho fantatra koa ny fotoana sy fomba ampiasana azy. Mpianatra maro no mahatsiaro formule nefa tsy mahay mamantatra hoe iza no mifanaraka amin’ilay exercice.
Noho izany dia ilaina ny mahatakatra ny lesona fa tsy manao “par cœur” fotsiny. Rehefa azonao tsara ny hevitra fototra dia mora ny mampifandray azy amin’ny fanontaniana apetraka.
Fampiharana :
- Manao fiches de révision misy formule sy explication.
- Manao exercices maro samihafa amin’ilay formule iray.
- Miezaka manazava amin’ny tenanao ny dikan’ilay formule.
- Mamerina lesona matetika mba tsy hohadinoina.
5. MIANARA MANAO REDACTION TSARA
Na mahay lesona aza ny mpianatra, raha ratsy ny rédaction dia mety tsy hahazo naoty tsara. Tokony ho mazava, voalamina, ary mora vakina ny valiny. Ny rédaction tsara dia mampiseho fa voafehin’ny mpianatra ny lesona.
Ilaina ny manoratra amin’ny fehezanteny fohy sy mazava, mampiasa teny mifanaraka amin’ny taranja, ary mandamina hevitra araka ny filaharany. Tokony hadio ihany koa ny soratra sy ny présentation ankapobeny.
Fampiharana :
- Manao entraînement rédaction matetika.
- Mamaky boky sy lahatsoratra mba hanatsarana voambolana.
- Manao introduction, développement, ary conclusion rehefa ilaina.
- Mitandrina ny tsipelina sy ny fahadiovan’ny copie.
FAMARANANA
Ny fahombiazana amin’ny fanadinana BEPC sy BACC dia tsy miankina amin’ny fahaizana lesona ihany, fa amin’ny fomba fiomanana sy fitondran-tena mandritra ny fianarana koa. Raha mahaleo tena sy matoky tena ny mpianatra, mahafehy ny fotoana, mahay mampiasa formule, ary mahay rédaction, dia mitombo be ny vintana hahombiazana. Koa mazotoa mianatra, mahareta amin’ny ezaka, ary minoa fa “izay miomana tsara no mahazo vokatra tsara.”
Ambonin' izany rehetra izany, apetraho amin' ny Tompo ny zavatra rehetra.
RATEFIARIVONY Jacques Audace
PDG CPE

14/03/2026

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’ NY MATEMATIKA – 14 MARSA
LOHAHEVITRA: MATEMATIKA SY FANANTENANA

TENY FAMPIDIRANA

Isan-taona, isaky ny 14 Marsa nanomboka ny taona 2020, no ankalazana maneran-tany ny andro iraisam-pirenena ho an’ ny Matematika (International Day of Mathematics), araka ny fanambaran’ ny UNESCO tamin’ ny fomba ofisialy izany tamin'ny 25 Novambra 2019. Ity daty ity dia mifandray amin’ny isa π (Pi), satria amin’ny endrika amerikana ny daty 3/14 dia manondro ny sandan’ny π ≈ 3.14, isa tena manan-danja amin’ny matematika.
Ny tanjon'ity andro iraisam-pirenena ho an’ ny Matematika ity dia ny hampiroboroboana ny fankatoavana manerantany ny maha zava-dehibe ny matematika amin'ny fampandrosoana ara-tsiansa sy teknolojia, ary koa amin'ny famahana olana andavanandro sy ireo fanamby vaovao manerantany toy ny fiovan'ny toetr'andro, ny “durabilité” ary ny “numérisation”.
Ny lohahevitra banjinina amin’ ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ ny Matematika, amin’ ity taona 2026 ity, dia ny hoe: “Matematika sy Fanantenana” (Mathématiques et Espoir).
Zaraintsika dimy ny fampianarana izany lohahevitra izany :

1. NY MATEMATIKA NO FITENIN’NY FILAMINANA SY NY FAHAMARINANA

Ny matematika dia iray amin'ireo siansa tranainy indrindra amin'ny tantaran'ny olombelona. Hatramin'ny fahagola dia nampiasaina izy mba handrefesana ny tany, hanisana ny fananana, ary handaminana ny fiainan'ny fiaraha-monina. Saingy mihoatra noho izany ny matematika dia fiteny manazava ny filaminana sy ny fahamarinana ao amin'ny tontolo misy antsika.
Ny mpahay siansa sy mpandinika maro no milaza fa ny matematika dia fitenin'ny natiora. Ny fizika, ny astronomia, ary ny injeniera dia miankina amin'ny matematika mba hanazavana ny lalàna mifehy izao tontolo izao. Noho izany dia azo lazaina fa ny matematika no rafitra lojika ahafahan'ny saina mahita ny filaminana sy ny fahamarinana miafina ao amin'ny zava-misy.

1.1 Ny Matematika dia rafitra lojika mampiseho filaminana

Ny iray amin'ireo mampiavaka ny matematika dia ny rafitra lojika iorenany. Ny teôrema rehetra dia tsy maintsy voaporofo amin'ny alalan'ny fitsipika mazava.

1.2 Ny Matematika dia fitaovana hahitana ny fahamarinana

Ny matematika dia miavaka amin'ny siansa maro satria miorina amin'ny porofo izy. Raha tsy misy porofo dia tsy azo ekena ho marina ny teôrema iray.
Ity fomba fiasa ity no mahatonga ny matematika ho fomba fikarohana ny fahamarinana. Tsy miankina amin'ny hevitra na fihetseham-po ny valiny fa miankina amin'ny lojika sy porofo ara-tsaina. Izany no antony mahatonga ny matematika ho:
• fototry ny fikarohana siantifika
• fototry ny teknolojia maoderina
• ary fitaovana manampy amin'ny fanapahan-kevitra marina.

1.3 Ny Matematika sy ny ny filaminan'ny natiora

Rehefa mandinika ny natiora isika dia mahita lamina matematika maro:
• ny fihodin'ny planeta
• ny rafitry ny kristaly
• ny fitomboan'ny zavamaniry
• ny firafitry ny onjam-peo sy ny hazavana.
Ny mpahay siansa malaza Galilée dia nilaza fa “Ny bokin'ny natiora dia voasoratra amin'ny fiteny matematika.” Midika izany fa ny matematika no fiteny ahafahana mamaky ny lalàn'ny natiora.

1.4 Ny Matematika sy ny filaminan'ny saina

Ny fianarana matematika dia mampivelatra ny saina amin'ny fomba manokana. Izy dia mampianatra antsika:
• mieritreritra amin'ny fomba lojika
• mandinika olana amin'ny fomba voalamina
• mitady porofo sy fanazavana marina
Noho izany, ny matematika dia manampy amin'ny fananganana olona:
• mahay mandinika,
• mahay mamaha olana,
• ary mahay mandray fanapahan-kevitra araka ny fahamarinana.

1.5 Ny lanjan'ny matematika eo amin'ny fiaraha-monina

Amin'izao vanim-potoana maoderina izao dia tsy azo sarahina amin'ny matematika ny sehatra maro:
• informatika
• statistika
• toekarena
• injeniera
• siansa momba ny angona (data science)
Ny teknolojia toy ny solosaina, ny tambajotra internet, ary ny rafitra satelita dia miankina amin'ny kajy matematika sarotra.
Izany rehetra izany dia manaporofo fa ny matematika no fototra iorenan'ny filaminana sy ny fandrosoana ara-tsivilizasiona.

1.6 Fehin’ ny fizaràna voalohany

Raha fintinina dia azo lazaina fa ny matematika no:
• fitenin'ny filaminana, satria mampiseho lamina sy rafitra ao amin'ny zava-misy;
• fitenin'ny fahamarinana, satria miorina amin'ny lojika sy porofo;
• ary fitaovana manampy ny olombelona hahatakatra izao tontolo izao.
Noho izany dia tsy siansa mikasika isa sy kajy fotsiny ny matematika, fa lalana iray mitondra ny saina ho amin'ny fahamarinana sy ny fahalalana lalina kokoa ny tontolo misy antsika.

2. NY MATEMATIKA NO LOHARANON’ NY FANANTENANA HO AN’NY SIANSA SY NY TEKNOLOJIA

Ny matematika no fototra iorenan’ny siansa sy ny teknolojia. Raha tsy misy matematika dia tsy ho azo atao ny mandinika lalina ny lalàn’ny natiora na mamorona fitaovana teknika manampy ny olombelona.
Amin’ny alalan’ny kajy, modely, ary rafitra lojika, ny matematika dia manampy hahatakatra ny tontolo iainana sy hahita vahaolana amin’ny olana maro. Izany no mahatonga azy ho loharanon’ny fanantenana ho an’ny siansa sy ny teknolojia, satria manokatra lalana ho amin’ny fahalalana vaovao sy ny fandrosoana ara-tsivilizasiona.

2.1 Ny matematika no fototry ny siansa

Ny siansa rehetra dia miankina amin’ny matematika mba hanazavana sy handrefesana ny zava-misy. Ny fizika, ohatra, dia mampiasa raiki-pohy (formule) matematika mba hanehoana ny fifandraisana misy eo amin’ny hery sy ny fihetsiky ny zavatra.

2.2 Ny matematika no fototry ny teknolojia

Ny teknolojia maoderina dia miorina amin’ny rafitra matematika sarotra.
Amin’ny sehatra maro dia hita mazava izany:

2.2.1 Informatika

Ny programa informatika rehetra dia mifototra amin’ny lojika matematika, algorithma, rafitra binaire.
Noho izany dia tsy misy solosaina na tambajotra nomerika afaka miasa raha tsy misy matematika.

2.2.2 Injeniera

Ny fananganana tetezana, fiaramanidina, trano avo dia miankina amin’ny kajy marina momba ny hery, ny lanja, ary ny firafitra.

2.2.3 Teknolojia an-habakabaka

Ny fandefasana zanabolana sy ny fikarohana eny amin’ny habakabaka dia mitaky kajy matematika sarotra momba ny lalana sy ny hafainganam-pandeha.
Ny teoria sy ny fikarohana nataon’i Albert Einstein momba ny relativité dia nanampy betsaka amin’ny fahatakarana ny rafitra sy ny fivezivezen’ny habakabaka.

2.3 Ny matematika sy ny fanantenana amin’ny fikarohana siantifika

Ny matematika dia tsy manazava ny zava-misy fotsiny fa manampy ihany koa amin’ny faminaniana ny ho avy. Amin’ny alalan’ny modely matematika dia :
• afaka anombana ny fivoaran’ny aretina ny mpahay siansa,
• afaka maminavina ny toetr’andro ny mpikaroka,
• afaka mandinika ny fiovan’ny toekarena ny mpandinika.
Izany no mahatonga ny matematika ho fitaovana manome fanantenana amin’ny famahana olana lehibe maneran-tany, toy ny:
• fiarovana ny tontolo iainana,
• fanatsarana ny fitsaboana,
• fanaraha-maso ny loharanon-karena.

2.4 Ny matematika sy ny fanantenana ho an’ny taranaka ho avy

Ho an’ny tanora sy ny mpianatra, ny fianarana matematika dia manokatra lalana ho amin’ny asa sy fikarohana maro amin’ny ho avy, toy ny:
• siansa momba ny angona (data science)
• informatika sy faharanitan-tsaina artifisialy
• injeniera
• statistika
• fikarohana siantifika.
Noho izany dia lasa lakilen’ny fanavaozana sy ny fandrosoana ny matematika.
Ny fiaraha-monina manome lanja ny matematika dia manangana taranaka afaka:
• mamorona teknolojia vaovao,
• mamaha olana sarotra,
• ary manatsara ny fiainan’ny olombelona.

2.5 Fehin’ ny fizaràna faharoa

Raha fintinina dia azo lazaina fa ny matematika dia:
• fototry ny siansa, satria manazava ny lalàn’ny natiora;
• fototry ny teknolojia, satria iorenan’ny rafitra teknika maoderina;
• ary loharanon’ny fanantenana, satria manampy amin’ny famahana olana sy fananganana ho avy tsara kokoa.
Noho izany dia tsy kajy sy isa fotsiny ny matematika, fa hery manosika ny fahalalana sy ny fandrosoan’ny olombelona.

3. NY MATEMATIKA SY NY FANANTENANA AMIN’NY FAMPIANARANA

Ao amin’ny rafitra fanabeazana, ny matematika dia iray amin’ireo taranja fototra manampy amin’ny fananganana ny saina sy ny fahaiza-mandinika. Tsy fitaovana hianarana kajy fotsiny izy, fa sekoly mampiofana ny saina handinika, handamina, ary hamaha olana.
Noho izany dia manana anjara toerana lehibe ny matematika amin’ny fanomezana fanantenana ho an’ny mpianatra sy ny fiaraha-monina, satria manampy amin’ny fananganana taranaka afaka mieritreritra amin’ny fomba lojika sy mamorona vahaolana ho an’ny olana amin’ny ho avy.

3.1 Ny matematika dia mampivelatra ny saina

Ny fianarana matematika dia mampivelatra fahaiza-manao ara-tsaina maro, toy ny :
• Fahaizana mieritreritra lojika
Ny matematika dia mampianatra ny mpianatra handinika ny zavatra amin’ny fomba mirindra sy voalamina.
• Fahaizana mamaha olana
Rehefa miatrika fanontaniana matematika ny mpianatra dia mianatra mitady lalana hahitana vahaolana.
• Fahaizana mandinika lalina
Ny matematika dia mampirisika ny mpianatra tsy hijanona amin’ny valiny fotsiny, fa handinika ny antony sy ny fomba hahatongavana amin’izany.
Noho izany dia lasa fanazaran-tsaina manampy amin’ny fanorenana olona mahay mandinika ny matematika.

3.2 Ny matematika sy ny fanantenana ho an’ny mpianatra

Ho an’ny mpianatra, ny matematika dia afaka manokatra lalana maro amin’ny ho avy. Ny fahaizana matematika dia fototra amin’ny fianarana sehatra maro, toy ny :
• siansa
• injeniera
• informatika
• statistika
• toekarena.
Ny mpianatra mahafehy matematika dia manana vintana bebe kokoa hiditra amin’ny sehatra mitondra fandrosoana ara-teknolojia sy ara-tsiansa. Izany no mahatonga ny matematika ho loharanon’ny fanantenana amin’ny fananganana ho avy tsara kokoa ho an’ny tanora.

3.3 Ny matematika dia fitaovana pedagojika

Ao amin’ny pedagojia maoderina dia heverina fa ny matematika dia fitaovana mampianatra ny fomba hianarana. Amin’ny alalan’ny matematika, ny mpianatra dia mianatra:
• mandamina hevitra
• mandinika dingana tsikelikely
• manamarina ny fahamarinan’ny valiny.

3.4 Ny matematika sy ny fanantenana ho an’ny fiaraha-monina

Ny fanabeazana matematika tsara kalitao dia manampy amin’ny fananganana fiaraha-monina:
• mahay mandray fanapahan-kevitra amin’ny fomba lojika,
• mahay mandinika angon-drakitra sy statistika,
• ary mahay mamaha olana ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Ny firenena manome lanja ny fampianarana matematika dia matetika mahita fandrosoana amin’ny siansa sy ny teknolojia.
Noho izany dia azo lazaina fa ny matematika amin’ny fampianarana dia fampiasam-bola ho an’ny ho avin’ny fiaraha-monina.

3.5 Fehin’ ny fizaràna fahatelo

Ny matematika amin’ny fampianarana dia tsy kajy sy raiki-pohy fotsiny, fa:
• fanazaran-tsaina mampivelatra ny lojika,
• lalana manokatra fahafahana ho an’ny mpianatra,
• ary loharanon’ny fanantenana ho an’ny fandrosoan’ny fiaraha-monina.
Rehefa ampianarina amin’ny fomba manaitra sy manampy ny mpianatra hahatakatra ny heviny lalina ny matematika, dia lasa fitaovana manangana saina mahay mamorona sy mamaha olana izy.

4. NY MATEMATIKA SY NY FANANTENANA ARA-PILOZOFIA

Ny matematika dia tsy siansa teknika mikasika isa sy kajy fotsiny, fa lohahevitra mandinika ny filozofia koa. Miezaka ny hamaly fanontaniana lalina izy ireo toy ny hoe: Inona ny matematika? Avy aiza ny fahamarinan’ny teôrema matematika? Ary inona ny fifandraisan’ny matematika amin’ny fahamarinana sy ny fahalalana?
Ao anatin’izany fandinihana izany dia hita fa ny matematika dia afaka mitondra fanantenana ara-pilozofia, satria mampiseho fa misy rafitra sy fahamarinana azo fantarina amin’ny alalan’ny saina. Midika izany fa ny olombelona dia afaka mahita sy mahatakatra ny lamina ao amin’ny tontolo misy azy.

4.1 Ny matematika ho làlan’ny fahamarinana

Ao amin’ny filozofia klasika dia heverina fa ny matematika no iray amin’ireo fomba azo antoka indrindra hahitana fahamarinana.
Ny filozofy grika Platon dia nihevitra fa ny matematika dia manampy ny saina hiakatra amin’ny fahalalana ambony kokoa, satria ny zavatra matematika dia tsy miova sy maharitra.

4.2 Ny matematika sy ny fahafahan’ny saina mahatakatra ny tontolo

Ny filozofy sy mpahay siansa maro no gaga tamin’ny fahafahan’ny matematika manazava ny natiora.
Ny mpahay siansa Albert Einstein dia nilaza fa zava-mahagaga ny hoe mifanaraka amin’ny rafitry ny tontolo iainana ny matematika. Midika izany fa misy lamina ao amin’ny natiora, ary afaka mahita izany lamina izany ny sain’ olombelona.
Ity fifandraisana ity dia mitondra fanantenana ara-pilozofia, satria manambara fa tsy kisendrasendra tanteraka ny zava-misy fa misy rafitra azo takarina.

4.3 Ny matematika sy ny filaminan’ny tontolo

Ao amin’ny filozofia siantifika dia heverina fa ny matematika no manambara fa miasa araka ny lalàna voalamina izao tontolo izao.
Ny asa nataon’ilay mpahay siansa Galilée dia nanamafy izany rehefa nilaza izy fa ny bokin’ny natiora dia voasoratra amin’ny fiteny matematika.
Raha misy lalàna sy rafitra toy izany dia midika fa afaka:
• mandinika ny natiora ny siansa,
• mahita vahaolana amin’ny olana ny olombelona,
• ary manatsara ny fiainana amin’ny alalan’ny fahalalana.
Izany no mahatonga ny matematika ho loharanon’ny fanantenana ho an’ny fahalalana sy ny sivilizasiona.

4.4 Ny matematika sy ny fanantenana amin’ny fahalalana

Ny matematika dia manome ohatra mazava fa afaka mahatratra fahamarinana azo antoka ny sain’ olombelona.
Amin’ny tontolo izay matetika feno fisalasalana sy fiovana, ny matematika kosa dia manaporofo fa misy fahamarinana azo porofoina, rafitra lojika tsy miova, ary fahalalana azo antoka.
Noho izany dia manome fanantenana ara-pilozofia izy fa afaka manohy mitady fahalalana sy fahamarinana ny olombelona.

4.5 Fehin’ ny fizaràna faha 4

Raha fintinina dia azo lazaina fa ny matematika dia manana lanja lehibe eo amin’ny filozofia satria:
• mampiseho fahamarinana tsy miova,
• manaporofo fa mifanaraka amin’ny natiora ny rafitra lojika,
• ary manambara fa afaka mahita sy mahatakatra ny lamina ao amin’ny tontolo ny sain’ olombelona.
Noho izany dia tsy fitaovana teknika fotsiny ny matematika, fa làlana manokatra fanantenana ara-pilozofia: fanantenana fa misy fahamarinana sy filaminana azo fantarina ao amin’ny tontolo misy antsika.

5. NY MATEMATIKA SY NY FANANTENANA AMIN’NY FIARAHA-MONINA

Ny matematika dia tsy voafetra amin’ny efitrano fianarana na laboratoara siantifika ihany. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina koa izy satria manampy amin’ny fandaminana, fanapahan-kevitra, ary fitantanana ny loharanon-karena.
Amin’ny alalan’ny kajy, statistika, ary modely matematika dia afaka mandinika ny zava-misy sy maminavina ny ho avy ny olombelona. Noho izany dia lasa fitaovana manome fanantenana ho an’ny fiaraha-monina ny matematika, satria manampy amin’ny famahana olana sy fanatsarana ny fiainan’ny olona.

5.1 Ny matematika sy ny fandaminana ny fiaraha-monina

Ao amin’ny fitantanana ny fiaraha-monina dia ampiasaina matetika ny matematika mba handrindrana ny asa sy ny loharanon-karena.
Ohatra amin’izany ny:
• fandrindrana ny tetibola nasionaly,
• fanisana sy fanadihadiana ara-demografika,
• fanombanana ny vokatra ara-toekarena.
Ny statistika sy ny kajy matematika dia manampy ny mpitondra sy ny mpikaroka hahatakatra ny zava-misy amin’ny fiaraha-monina, toy ny:
• tahan’ny fahantrana,
• tahan’ny asa,
• na ny fivoaran’ny toekarena.
Amin’izany fomba izany dia lasa fitaovana manampy amin’ny fanapahan-kevitra araka ny zava-misy ny matematika.

5.2 Ny matematika sy ny fanantenana amin’ny toekarena

Ao amin’ny sehatry ny toekarena dia tena ilaina ny matematika amin’ny:
• fandinihana ny tsena,
• fanombanana ny fitomboan’ny harinkarena,
• fandrindrana ny famokarana sy ny fizarana.
Ny modely matematika dia manampy amin’ny faminaniana ny fivoaran’ny toekarena sy amin’ny fitadiavana paikady mety hanatsarana ny fiainan’ny mponina.
Noho izany, ny matematika dia manampy amin’ny fampihenana ny fahantrana, fanatsarana ny famokarana, ary fananganana rafitra ara-toekarena maharitra.

5.3 Ny matematika sy ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka

Ny matematika dia ampiasaina amin’ny sehatra maro mikasika ny fiainan’ny olona andavanandro, toy ny:
• fandrindrana ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe,
• fandaminana ny tambazotran-jiro sy rano,
• fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana.
Ny statistika sy ny modely matematika dia manampy amin’ny fanombanana ny filàn’ny mponina sy amin’ny fandrindrana ny asa sosialy.
Amin’izany, ny matematika dia manampy amin’ny fananganana fiaraha-monina voalamina sy mahomby kokoa.

5.4 Ny matematika sy ny fanantenana ho an’ny ho avy

Amin’ny tontolo maoderina izay miankina betsaka amin’ny angon-drakitra (data), ny matematika dia lasa fitaovana lehibe amin’ny:
• fanadihadiana statistika,
• siansa momba ny angona (data science),
• faharanitan-tsaina artifisialy.
Ireo sehatra ireo dia manampy amin’ny famahana olana lehibe toy ny:
• fiarovana ny tontolo iainana,
• fanatsarana ny fitsaboana,
• fitantanana ny loharanon-karena voajanahary.
Noho izany dia manome fanantenana ho an’ny fandrosoan’ny fiaraha-monina ny matematika.

5.5 Fehin’ ny fizaràna fahadimy

Raha fintinina dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina ny matematika satria:
• manampy amin’ny fandaminana ny fiainam-bahoaka,
• manohana ny fandrosoana ara-toekarena,
• ary manampy amin’ny famahana olana ara-tsosialy.
Noho izany dia azo lazaina fa ny matematika dia fitaovana manangana fanantenana ho an’ny fiaraha-monina, satria manampy ny olombelona hahatakatra ny zava-misy sy hanangana ho avy tsara kokoa.

TENY FAMARANANA

Rehefa nodinihina ireo lafiny samihafa dia hita fa ny matematika dia tsy siansa mikasika isa sy kajy fotsiny, fa fiteny manazava ny filaminana, ny fahamarinana, ary ny fahafahan’ny olombelona mahatakatra izao tontolo izao.
Voalohany, ny matematika dia mampiseho fa misy rafitra sy lamina ao amin’ny natiora sy ao amin’ny zava-misy. Ny teôrema sy ny lalàna matematika dia manaporofo fa tsy kisendrasendra ny tontolo misy antsika, fa misy filaminana azo fantarina amin’ny alalan’ny saina sy ny fikarohana.
Faharoa, ny matematika dia fototry ny siansa sy ny teknolojia. Izy no manampy amin’ny fahitana lalàna siantifika, amin’ny famoronana teknolojia vaovao, ary amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny olombelona. Amin’ny alalan’ny kajy sy modely matematika dia afaka mandinika ny zava-misy sy maminavina ny ho avy ny siansa.
Fahatelo, ny matematika dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fampianarana sy fanabeazana. Izy dia mampivelatra ny fahaiza-misaina, mampianatra ny lojika, ary manampy ny mpianatra hahay mamaha olana. Amin’izany fomba izany dia manomana taranaka afaka mandray andraikitra sy mitondra fandrosoana ho an’ny fiaraha-monina izy.
Farany, ny matematika dia manampy amin’ny fananganana fanantenana ho an’ny fiaraha-monina. Amin’ny alalan’ny statistika sy ny modely matematika dia afaka mandinika ny toekarena, mandamina ny loharanon-karena, ary mitady vahaolana amin’ny olana lehibe maneran-tany ny olombelona.
Noho izany dia azo lazaina fa ny matematika dia fitaovana lehibe manampy ny olombelona hahatakatra ny tontolo misy azy sy hanangana ho avy tsara kokoa.
Amin’izao fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ ny Matematika izao dia tsara ny mampahatsiahy fa ny Matematika dia tsy fianarana kajy fotsiny, fa lalana manokatra fahalalana, fandrosoana, ary fanantenana ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny taranaka ho avy.
Raha misy olana sarotra eo amin’ny fiainana, ny Matematika dia mampianatra antsika fa amin’ny fikarohana sy faharetana dia misy foana ny vahaolana. Izany indrindra no fototry ny fanantenana.

07/03/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! ʬɸThony ɸʬ, Léa Miotisoa

07/03/2026

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Fah Randry, RijaNinah Arivony, Nih Tah Ramalalaharimanitra, Cpe Ambositra, Mih Harentsoa, Tiavina Mbolaniaina

06/03/2026

📢📢Filazana📢📢

Ho an' ny mpianatra Terminales rehetra ao amin' ny cours CPE Antanimbarinandriana izay mbola tsy nahavita visite médicale, dia manao izany ny Alarobia 11 Marsa 2026 amin' ny 12 ora antoandro. Aoka hifampilaza.

Misaotra indrindra!

02/03/2026
11/02/2026

Miarahaba tompoko, satria moa efa foana ny filazana loza ho an'ny faritra Analamanga dia miverina mianatra isika rahampitso 12 Febroary 2026!
Mirary soa hatrany

10/02/2026

Miarahaba tompoko, ilazana ny mpianatra sy ny Ray aman-dreny rehetra fa noho ny andro ratsy GEZANI dia tsy mianatra isika ho an'ny rahampitso Alarobia 11 Febroary 2026, asaina hatrany isika hanaraka ny fampahalalam-baovao ho an'izay mety ho tohiny!
Mirary soa hatrany!

02/02/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Ęllÿ Jünįõr, Kevin Fanomezaniavo Anjarafitia

Want your school to be the top-listed School/college in Ambohijanahary?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address

Lot III M 33 Ouest Ambohijanahary
Ambohijanahary
101

Opening Hours

Monday 07:00 - 16:30
Tuesday 07:00 - 16:30
Wednesday 07:00 - 16:30
Thursday 07:00 - 16:30
Friday 07:00 - 16:30
Saturday 07:00 - 15:30