21/08/2026
🔰 Tsy ny activité rehetra malaza no projet tsara ho anao.
…
Mahita olona maro manao azy ianao, mahita vidéo maro momba azy, ary mety ho hitanao mihitsy aza hoe misy mahazo vola tsara amin’izany.
Dia mora ny mieritreritra hoe:
👉 « Izaho koa hanao an’io. »
Fa ny fahombiazan’ny olona iray amin’ny activité iray tsy midika hoe hahomby amin’io activité io koa ianao.
Satria projet agricole iray dia tsy tokony hifototra amin’ny hoe:
❌ Malaza ilay activité
❌ Betsaka ny olona manao azy
❌ Lafo ny vidin’ny vokatra
❌ Misy olona mahazo tombony be amin’izany
Fa tokony hojerena aloha hoe mifanaraka aminao ve ilay projet.
👉 Misy tsena tena azonao tratrarina ve?
👉 Mety amin’ny tany sy ny toetr’andro misy anao ve?
👉 Ampy ve ny renivola anananao?
👉 Mahafehy ny teknika ilaina ve ianao?
👉 Mahazaka ny fotoana fiandrasana sy ny risika ve ianao?
👉 Ary indrindra, misy tombony ara-bola mazava ve rehefa kajiana ny dépenses rehetra?
Ohatra, mety hahita olona mahomby amin’ny fiompiana akoho ianao.
Fa raha lafo be aminao ny provende, sarotra ny mahazo zana-borona, tsy ampy ny tsena eo an-toerana, ary kely ny renivola anananao…
Mety tsy ho projet tsara ho anao ilay izy, na dia tena rentable amin’ny olona hafa aza 🤷.
Ny projet tsara dia tsy ilay malaza indrindra.
👉 Fa ilay mifanaraka amin’ny ressources, ny marché, ny capacité ary ny objectif-nao, sady manana rentabilité azo hamarinina.
Alohan’ny hanombohana activité iray dia aza manontany fotsiny hoe:
« Mety hahazo vola ve ity? »
Fa anontanio koa hoe:
« Mety amiko ve ity, ary inona no porofo fa tena rentable? »
Izay no maha samy hafa ny manaraka tendance sy ny manangana projet agricole.
👉 Te hahay hamantatra sy hanangana projet agricole tena azo tanterahina ve ianao ❓
✅ Amin’ny 29–30 Aogositra 2026, hisy ny fiofanana "Entrepreneuriat Agricole", atao en ligne.
👉 Hianatra ny fomba handinihana activité agricole iray alohan’ny hampiasana vola.
👉 Ny fomba hijerena azy amin’ny lafiny marché, investissement, charges, rentabilité ary risques.
📅 29–30 Aogositra 2026
💻 En ligne
👥 Groupe Facebook privé
👉 Soraty hoe "TE HIANATRA" raha hisoratra anarana sao tara ianao 😍
🔰 Élev' & Agri
"Fiompiana mahomby; Fambolena mahavokatra"