JA Ambohitrimanjaka

JA Ambohitrimanjaka

Compartir

Référence & communication

https://maps.app.goo.gl/hpySbUvc6k7cuBRR9

31/12/2025

🎉 Arahabaina tratry ny Taom-baovao 2026! 🎉

Enga anie ity taona vaovao ity hitondra fahasalamana, fiadanam-po, fahombiazana ary fanantenana vaovao ho antsika rehetra.
Aoka ny nofy ho tanteraka, ny ezaka hahita vokatra, ary ny fitiavana hihamafy.

✨ Mirary taona 2026 feno tsiky sy fitahiana! ✨

Photos from GC Youth Ministries's post 25/11/2025
02/10/2025

🤩 Mamaraparana ny herinandron'ny fanamiana isika ankehitriny

Isaorana isika rehetra nanaraka tsy tapaka ny fotoana iarahana amin'ireo ekipan'ny SID nanomboka tamin'ny alatsinainy, tamin'ireo fanehoana sy fanazavana momba ny tari-dalana fanamiana andiany fahatelo.

Azon'ise verenana jerena ao amin'ny pejin'ny SID (https://www.facebook.com/SIDYouthMinistries) avokoa ireo famelabelarana ireo.

Azon'ise alaina ato ihany koa ny boky tari-dalana amin'ny anglisy (aloha) : https://bit.ly/SIDPathfinderUniformV3

Ary asaina ise raha manana fanontaniana hametraka izany ato : https://forms.gle/BCmhqT9LrcwjzxsSA fa ho valiana amin'ny herinandro manaraka avokoa ireo fanontaniana rehetra.

08/09/2025

🌍Fanamby fehitendan’ny Mpisavalalana – Volan’ny Mpisavalalana

Asaina ny Mpisavalalana rehetra eto Ambohitrimanjaka, handray anjara amin’ny hetsika “fanamby fehitenda” mandritra ity volan’ny Mpisavalalana ity. Anterina ny lohahevitra hoe “ Mpisavalalana manana tanjona”

Rehefa mamona fehitenda ise, ataovy am-pahasahiana.
Rehefa manao fehitenda ise, tsarovy mandrakariva ny iraka.

📸 Makà sary na horonan-tsary fohy mandritra ity volana Septambra ity, mandra-pahatongan’ny andro fankalazana amin’ny 20 septambra 2025, sary izay maneho an’ise manao fehitenda, ary zarao ho hitan’ny daholo be (publique) miaraka amin’ny hashtags :



Navonako ny fehitendako, an’ise indray izao.

Azon’ise alaina ato (https://drive.google.com/drive/folders/11O_MOZTzC7T5gxANZjbeyomc2SELJyAu) ireo cadre amin’ny fiteny samihafa, raha tian’ise ny hampiasana izy ireny hanaingoan’ise ny sarin’ise mandritra ny ranty.

---------------------------------------------------

🌍Fanamby Hira fanevan'ny Mpisavalalana – Andron’ny Mpisavalalana Maneran-tany.

Asaina ise na olon-tokana na sokajy na klioba mihitsy aza, handray anjara amin'ny fifaninanan-kira fanevan'ny Mpisavalalana izay karakarain'ny Diviziona Afrika Atsimo.

Tsara raha atao amin'ny teny Malagasy, ary atao amin'ny fomba miavaka kanefa manaja ny rindran'ny hira fanevan'ny Mpisavalalana.

Alefaso ato (https://forms.gle/zZaH38mHeWVq3gy57) ny fandraisan'anjaran'ise hatramin'ny 19 septambra 2025 amin'ny 12 ora atoandro.

Horonantsary miavaka sy mahafinaritra no omano ho amin'ity fifaninanana ity ary e, samia maneho ny talentany avy!

17/08/2025

Lasy fihaonamben'ny Mpisavalalana voalohany,

Voalohany, dia misaotra misaotra an'Andriamanitra noho ny fidirany an-tsehatra sy ny fitantany nahatontosa iny lasy Camporee Voalohany teto amin'ny fivondronamben'ny ranomasimbe indiana, izay natao tao Ampasimpotsy Mantasoa.

Misaotra ihany koa ireo mpitarika sy filoha mpitarika rehetra niara-nisalahy tamin'ny fampiodinana ny lasy tamin'ny endriny maro samihafa. Indrindra misaotra ireo tanora tonga marobe nanatrika ny lasy.

Isaorana etoana ihany koa ny ray aman-dreny izay mahatoky hatrany ny fikambanana hanabe ny zanany eo anivon'ny fiangonana.

Andriamanitra manakarem-pahasoavana hamaly ny soa vitanareo tamin'ireny tanora ireny, ary inoana fa hitondra hery ho an'ny fikambanana indray iny hetsika lehibe iny.

"Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo." - 1 Kor 15:58

Ireo filohan'ny departemantan'ny asa fanompoana ataon'ny Tanora Advantista,
Ireo talen'ny lasy,
Ireo mpiandraikitra ny lasy sy ny mpiara-miasa rehetra,

Photos from MJA Analamanga 6's post 16/08/2025

Felicitations chef Mickael Randrianasolo 🥳

21/07/2025


Ho avy hanatrika ny Lasy izay hatao eto Madagascar ny Talen’ny Département ny Tanora eo anivon’ny Conférence Générale 🥰🥰🥰
Lasy miavaka sy sambany eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana ity Lasy ity
Ka ho an-sé izay ho avy aoka hiomana tsara
Any mihaona isika eeee

Photos from JA Ambohitrimanjaka's post 18/05/2025

Andro maneran-tany ho an’ny Mpisantatra (4-9 taona) 2025

Akon’ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny klioban’ny Mpisantatra; izay klioba manabe ara-tsaina, ara-batana, ara-piaraha-monina, ary ara-panahy eo anivon’ny Fiangonana Advantista maneran-tany, ho an’ny ankizy 4 ka hatramin’ny 9 taona. Nankalaza izany ihany koa ireo Tanora Advantista avy ao amin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro-Fahafito - Antsahamarina, Ambohitrimanjaka; ny andron’ny sabotsy 17 may 2025 tontolo andro.

Fankalazana anatin’ny fandaharana iraisan’ny Tanora Advantista rehetra ny maraina, niampy ny fanolorana ny mpandaha-teny avy any Afrika Atsimo ho an’ny hetsika “Impact 2025” no natao ny maraina; ary lanonana manokana ho an’ny klioban’ny Mpisantatra ny folak’andro, isan’izany ny fanoloran-tenan’ireo beazina tamin’ny fanaovam-boady.

Ankasitrahana manokana ireo mpitarika rehetra tsy mandry andro tsy mandry alina amin’ny fanabeazana ny ankizy, teo ihany koa ny fanomanana ity hetsika ity.

02/05/2025

🏕️ Mpanompo, Vonona...

Azo antoka fa efa miomana avokoa isika rehetra ho amin'ity hetsika mankadiry izay horaisin'ny firenentsika ity. Voalohany tokoa, ka ndeha hiara-hientana isika hiray dia amin'izao fanomanana ny lasy fihaonamben'ny Mpisavalalana, voalohany raha ho an'ny fivondronambe misy an'i Madagasikara 🇲🇬 izao.

Azon'ise atao sahady ny mampiasa 🫳🏻 ny haingo ato : https://twibbo.nz/camporeemdg

20/03/2025

🔥VAOVAO VAO MAFANA🔥

🛑Satria voalohany sy sambany eo amin'ny tantara ny Andro Manerantany ho an'ny Ambasadaoro.

🎯'Ndao homarihina amin'ny fomba manokana izany.

✅Antsoina : Ny Ambasadaoro sy ny Tanora Zoky

✅Faritra : Analamanga 1.2.3.4.5.6

✅Toerana : Kianja Mitafo Mahamasina

✅Daty : Sabata 05 avrily 2025 tontolo andro

✅Ora : 8h30

👉Manaova fanamiana ara-dalàna👈


¿Quieres que tu escuela/facultad sea el Escuela/facultad mas cotizado en Málaga?

Haga clic aquí para reclamar su Entrada Patrocinada.

Localización

Categoría

Página web

Dirección

Ampohitrimanjaka
Málaga
105