17/08/2025
Lasy fihaonamben'ny Mpisavalalana voalohany,
Voalohany, dia misaotra misaotra an'Andriamanitra noho ny fidirany an-tsehatra sy ny fitantany nahatontosa iny lasy Camporee Voalohany teto amin'ny fivondronamben'ny ranomasimbe indiana, izay natao tao Ampasimpotsy Mantasoa.
Misaotra ihany koa ireo mpitarika sy filoha mpitarika rehetra niara-nisalahy tamin'ny fampiodinana ny lasy tamin'ny endriny maro samihafa. Indrindra misaotra ireo tanora tonga marobe nanatrika ny lasy.
Isaorana etoana ihany koa ny ray aman-dreny izay mahatoky hatrany ny fikambanana hanabe ny zanany eo anivon'ny fiangonana.
Andriamanitra manakarem-pahasoavana hamaly ny soa vitanareo tamin'ireny tanora ireny, ary inoana fa hitondra hery ho an'ny fikambanana indray iny hetsika lehibe iny.
"Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo." - 1 Kor 15:58
Ireo filohan'ny departemantan'ny asa fanompoana ataon'ny Tanora Advantista,
Ireo talen'ny lasy,
Ireo mpiandraikitra ny lasy sy ny mpiara-miasa rehetra,