Fianarana teny Malagasy aty chine - Learning Malagasy in China

  • Home
  • China
  • Haidian
  • Fianarana teny Malagasy aty chine - Learning Malagasy in China

Fianarana teny Malagasy aty chine - Learning Malagasy in China Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fianarana teny Malagasy aty chine - Learning Malagasy in China, Language school, 2 North Xisanhuan Avenue, Haidian.

Fifaninanana fanorona ✨Sady mianatra no milalao 🎇
15/05/2026

Fifaninanana fanorona ✨
Sady mianatra no milalao 🎇

Taombaovao Sinoa 🏮🎊Taonan’ny soavaly 🐎🐴
17/02/2026

Taombaovao Sinoa 🏮🎊
Taonan’ny soavaly 🐎🐴

Tonga ny alina. 🌠Soava mandry daholo, tompoko! 🌃🍃
12/09/2025

Tonga ny alina. 🌠
Soava mandry daholo, tompoko! 🌃🍃

Efa tonga soa aman-tsara ireo mpianatra andiany faharoa 😃📚
05/09/2025

Efa tonga soa aman-tsara ireo mpianatra andiany faharoa 😃📚

Chinese students mastering African languagesDriven by cooperation and friendship between China and Africa, more Chinese ...
14/07/2025

Chinese students mastering African languages

Driven by cooperation and friendship between China and Africa, more Chinese students are learning African languages like Swahili, Zulu, and Amharic. They're also diving deeper into Africa's diverse cultures. "I fell in love with the rhythm of Swahili," says Li Mengyao. "Zulu's click sounds are tough!" says Lin Qidong. Du Yiran recalls practicing the Amharic "r" sound in front of a mirror. At Beijing Foreign Studies University, these students aren't just learning words – they're building bridges between China and Africa.

For more:https://www.cgtn.com/videoDriven by cooperation and friendship between China and Africa, more Chinese students are learning African languages like ...

Ny 26 jona teo dia nasain’ny Masoivohon’i Madagasikara eto Sina hanatrika ny fankalazana ny faha-65 taona nahazoan’i Mad...
03/07/2025

Ny 26 jona teo dia nasain’ny Masoivohon’i Madagasikara eto Sina hanatrika ny fankalazana ny faha-65 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena ny mpampianatra sy ireo mpianatra telo mianadahy teto amin’ny BFSU.
Nandritra izany ihany koa dia nandray anjara tamin’ny matso fankalazana ny faha-65 taonan’ny fahaleovantena tany Antananarivo ny Tafika Fanafahana ny Vahoaka Sinoa. Sambany izao no nandefasan’ny Tafika Fanafahana ny Vahoaka Sinoa ny miaramila sasany handray anjara amin’ny matso any Madagasikara.
Izany rehetra izany dia mampiseho ny fisakaizana am-pirahalahiana eo amin’i Sina sy i Madagasikara. 🇲🇬🇨🇳

6月26日,马达加斯加语专业师生应邀前往马达加斯加驻中国使馆出席马达加斯加共和国成立65周年庆祝活动。
与此同时,中国人民解放军也在马达加斯加首都塔那那利佛参加了马达加斯加独立65周年阅兵活动。这是中国人民解放军首次派遣阅兵方阵参加马达加斯加阅兵活动。
以上均彰显了中马两国政府和人民间友好且真挚的情谊。🇨🇳🇲🇬

Asa nataon’i Aro

Vetivety dia vita ny efa-taona. Vita soa aman-tsara ny 20 jona lasa teo ny fianaran’ireo mpianatra teny malagasy andiany...
28/06/2025

Vetivety dia vita ny efa-taona. Vita soa aman-tsara ny 20 jona lasa teo ny fianaran’ireo mpianatra teny malagasy andiany voalohany teto amin’ny BFSU. Manana hoavy mamirapiratra ny mpianatra rehetra!

四年的时光转瞬即逝,第一届马达加斯加语班于六月二十日顺利毕业,同学们都拥有着光明的未来!

Asa nataon’i Tsiaro 📸

Ny volana Jona eto BFSU Tonga indray ny vanim-potoanan'ny fizarana diplaoma. 六月的北外又到了毕业的季节June in BFSUTime to graduate c...
14/06/2025

Ny volana Jona eto BFSU
Tonga indray ny vanim-potoanan'ny fizarana diplaoma.

六月的北外
又到了毕业的季节

June in BFSU
Time to graduate coming again

Nataon’i Iloniaina 📸©️

Ny 7 jona ka hatramin’ny 9 jona dia manao ny «Gaokao» i Sina. Ny "Gaokao" dia fanadinana nasionaly lehibe eto Sina izay ...
09/06/2025

Ny 7 jona ka hatramin’ny 9 jona dia manao ny «Gaokao» i Sina.
Ny "Gaokao" dia fanadinana nasionaly lehibe eto Sina izay atao isan-taona amin’ny volana Jona. Izy io dia fanadinana fidirana amin'ny oniversite ho an'ny mpianatra amin’ny ambaratonga faharoa. Anisan’ny fepetra manan-danja indrindra amin’ny fanombohana ny fianarana ambony sy amin’ny hoavin’ny tanora Sinoa izany. Ireo taranja anadinana dia ahitana Matematika, Teny Sinoa , Teny vahiny, ary taranja hafa arakaraka ny lalana izay nofidin'ny mpianatra. Maharitra andro maromaro ny fanadinana ary mitaky fanomanana mafy sy fahaiza-manao. Betsaka amin’ny fianakaviana sy sekoly no manome lanja be dia be azy io satria io no singa iray mety hanapa-kevitra amin’ny oniversite izay hidirana sy asa azo ho atao amin’ny hoavy.
Enga anie mba hizotra soa aman-tsara ny fanadinan’ireo mpianatra ary ho tafiditra soa aman-tsara ao amin'ny oniversite tiany indrindra izy ireo.

Soratra: Nofy
Sary: Ambassade de France en Chine

Ny “Cité interdite”dia mitahiry ny tantara sy ny hakanton'ny kolontsaina. Rehefa mijoro eto, ny lapa taloha sy ny tontol...
30/05/2025

Ny “Cité interdite”dia mitahiry ny tantara sy ny hakanton'ny kolontsaina. Rehefa mijoro eto, ny lapa taloha sy ny tontolon'ny tanàna maoderina dia toy ny manambara ny fifangaroan'ny lasa sy ny hoavy. Raha mijery avy any amin'ny tampon'ny Lapa Voalohany, ny "Chine Zun" (tranobe avo indrindra faharoa eto Sina) maoderina sy ny trano avo any amin'ny CBD dia toy ny tetezana manam-pifandraisana ny tantara sy ny hoavy, mampifangaro ny nentim-paharazana sy ny fanavaozana maoderina.

Asa nataon’i Hasina 📸

Ny Tanànan'i Tianjin, antsoina koa hoe "Jin", dia  fatitra iray ao avaratr’i Sina. Ao avaratry ny Tendrombohitra Yanshan...
24/05/2025

Ny Tanànan'i Tianjin, antsoina koa hoe "Jin", dia fatitra iray ao avaratr’i Sina. Ao avaratry ny Tendrombohitra Yanshanary sy ao atsinanan’ny renivohitra Beijing no misy azy. Izy dia faritra andalovan'ny Renirano Haihe, ary manamorona ny Ranomasina Bohai. Niroborobo i Tianjin noho ny fitaterana an-drenirano hatry ny ela. Taorian'ny dynasty Tang, dia lasa seranana izy io mba hitaterana vary sy landy avy any atsimo mankany avaratra. Tianjin dia anisan'ireo tanàna voalohany indrindra teto Sina izay nanaiky ny fidiran’ny kolontsaina tandrefana. Ny kolontsaina ao Tianjin dia misy ny fitambaran’ny kolontsaina sinoa sy tandrefana ary ny taloha sy ny ankehitriny. Tianjin ihany koa dia toerana nipoiran'ny karazan-javakanto maro sy kolontsaina ara-tsakafo, izay manam-paharoa.

Asa nataon’i Aina 📸

Address

2 North Xisanhuan Avenue
Haidian

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fianarana teny Malagasy aty chine - Learning Malagasy in China posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share