27/09/2025
🚨🇲🇬 "Nʏ ғᴀʜᴀғᴀʜᴀɴᴀᴏ ᴅɪᴀ ᴍɪᴊᴀɴᴏɴᴀ ᴇᴏ ᴀᴍɪɴ’ɴʏ ғɪᴀɴᴅᴏʜᴀɴ’ɴʏ ᴀɴ’ɴʏ ʜᴀғᴀ."
Ny zava-misy iainantsika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao dia mampiseho indray fa manalavitra ny Soa toavina maha-Malagasy isika.
Ny miady ho an’ny zontsika dia zavatra iray, fa ny fielezan’ny herisetra sy fandravana dia zavatra hafa tanteraka.
Rehefa mandroba sy mandrava anie dia manimba koa ny nofin'ny hafa, very maina ny asany, ny ezaka ary izay nikelezany aina. Mety ho maro ny fianakaviana ho sahirana na koa ho very asa.
Tsy misy fijaliana ambony noho ny fijalian’ny hafa. Ny tsy fanehoana izany dia tsy midika akory fa tsy mijaly. Ary ny fijalian'ny olona iray dia tsy manamarina na manome alàlana hanao herisetra amin’ny hafa.
O ry Malagasy o, eritrereto tsara aloha ny tianao atao! Diniho mialoha ny vokatra ateraky ny ataonao, ary raiso ny andraikitra sao hanenenana. Tsarovy koa fa tsy hoe manana fikasana tsara ka ho tsara hatrany no hiseho eo.
Ny Fahendrena Malagasy dia miantso antsika amin’ny Fihavanana nentim-paharazana, miray hina manorina fa tsy mandrava.
Miara-ory amin'ireo fianakaviana manan-manjo sy ireo naratra aho noho izao tranga izao.
-------
🚨🇫🇷 « Tᴀ ʟɪʙᴇʀᴛᴇ́ s’ᴀʀʀᴇ̂ᴛᴇ ʟᴀ̀ ᴏᴜ̀ ᴄᴏᴍᴍᴇɴᴄᴇ ᴄᴇʟʟᴇ ᴅᴇs ᴀᴜᴛʀᴇs. »
Les événements actuels à Madagascar montrent, une fois de plus, à quel point nous nous éloignons de nos Soa toavina maha-Malagasy.
Militer pour nos droits est une chose ; répandre la violence et la destruction en est une autre.
En pillant et en détruisant, vous anéantissez le rêve, le travail acharné, les efforts et même les sacrifices d'autrui. Vous fragilisez de nombreuses familles qui risquent de se retrouver au chômage.
Aucune souffrance n’est supérieure à une autre. Le fait de ne pas l’exprimer ne signifie pas qu’elle n’existe pas. Et jamais la douleur de l’un ne doit ni justifier, ni s'autoriser, à infliger la violence envers autrui.
Réfléchissez avant d’agir! Anticipez les conséquences de vos actes, assumez car vous pourriez exprimer des regrets après. Rappelez-vous aussi qu’une bonne intention ne résulte pas toujours en de bonnes actions.
Notre Fahendrena Malagasy nous appelle au Fihavanana nentim-paharazana, et ce, dans la construction et non dans la destruction.
Je compatis profondément avec les familles de ceux qui ont perdu la vie et avec toutes les personnes blessées lors de ces événements.