
1- Finoana marefo feno fahalemena noho ny tsy fahalalana
- Mba nisy fotoana ve ianao tao anatin'ny làlam-pisianao ka nanontany tena hoe : Mino marina ve aho, ary Iza sy inona marina no mba hinoako sy hametrahako fahatokisana tanteraka tsy hananako ahiahy ?
- Mba efa nanontany tena koa ve ianao hoe : Raha tonga ilay fotoana tsy azoko hialana, ilay hitovizako amin'ny zava-manan'aina rehetra, dia mba inona no miandry ahy aorian'izao lalam-pisiako izao ? Sa kosa; isan'ireo izay manana fanantenana toy ny velona rehetra fotsiny ianao, ka manantena zavatra tsy hainy - tsy hitany ary tsy hananany porofo akory na ny fisiany aza ?
- Fa iza tamin'ireo izay lasa talohanao no efa nanome porofo anao fa misy ilay nantenaina sy nampanantenaina azy ary hananana fanantenana ihany koa ? Iza no efa niverina avy any ambadiky ny tsy hita maso avy any, ka afaka nanamarina ny fisian'ny fiainan-tsy hita, nefa ary izy hoe FIAINAN-TSY HITA !? Zavatra tsy hitan'ny maso ve dia azo antoka sy azo hinoana tokoa ny fisiany ?
- Moa ve tsy herin'ny fanantenana fotsiny ihany sisa no mba hery manentana ireo izay lazaina ho mpino raha izany ihany ? - Manatena zavatra tsy hitany sy tsy voaporofony tsinona. Koa raha marina aza izany dia avy izay izany no hipoiran'ny Finoana ary inona no andry sy fototra tena hijoroany ? Satria mantsy io no hery manentana andraisan'ilay manantena azy amintsika zanak'olombelona. Ary tsy io ihany anefa, fa Fitiavana sy Fanajana indrindraindra ! Amin'ny fomba ahoana ary no hatanteraka izany ?
Abrama olona tsy haiko - ary tsy hainao ihany koa. Ny tantara no mitantara ny fisiany, fa raha ny fahamarinan'ny tantara !? Tsy haiko no sady tsy hainao ihany koa... izany hoe : mbola maro ny fanontaniana ny amin'ny fahamarinan'izany tantara izany. Mitombona ve ? Ary raha nahazo izay valisoa azony tamin'ny halalan'ny finoana izy, "Abrama io", mino ny ho tonga toa azy isika sa mba manantena fotsiny ihany (dia mipetraka ho mpitsiriritra ny tantarany). Raha araka ny tantara dia naneho ny fisiany teo anatrehan'i Abrama ilay Hery izay tsy fantany no tsy hainy. Ary izany no nitarika sy namoha ny finoany... Araka ny tantara ihany koa dia, niteny taminy ary ren'ny sofiny ilay hery naneho ny fisiany, ary tsy izany fa mbola naneho fahitany taminy ilay Hery - Koa rariny ve izy "Abrama io" raha nino an'ilay Hery sa tsia ? ->Izany hoe : sady mahita no nampahitana izy - no sady nahare, ary izay no niteraka sy namoha ary nitarika ny finoany, sa tsy izay ?
-Mariho tsara fa ireo tantara rehetra voarakitra ao anatin'ny S.M. - dia saika tahaka izany avokoa. Ny tantaran'Isaak, Yakov, (Noah), Firenen'ny Israely, Moshé, Aaron, Eli, eny fa na dia ireo Jentilisa aza dia mba nandray anjara tao anatin'ireo nahita maso ihany koa, toy izao Egyptiana sns.
- Koa raha toy izany aza no niteraka ny finoan'ireo rehetra tany aloha, "NAHITA SY NAHARE". Ny antsika ankehitriny mba ahoana ? Iza no naharé, ary iza no nahita ? Tadidio fa na i Saoly koa aza mba nomena alalana ahita, araka ny tantara. (Làlana andeha ho any Damas ).
- Ny olombeloana tsy mino afa-tsy izay hitany, ary tsy manantena afa-tsy izay rén'ny sofiny, fa indrindra tsy tia izay tsy fantany sy tsy ananany fahalalana.
- Ka mipetraka ary ny fanontaniana :
- Nahita sy nampahitana ve isika mba hananantsika finoana ?
- Isan'ireo izay efa naharé vé isika mba hananansika fanantenana
- Sa mba tena manana fahalalana isika, mba ananatsika fitiavana Azy ?
- Ahoana ary no Hinoana, Hanantenana ary Hitiavana izay tsy hitan'ny maso akory ? Ary inona no mba mety hanampy antsika halala mba hananantsika Fitiavana sy finoana ary fanantenana izay tsy hitantsika akory ? Ireo Tantara ve ? -> Ampy hananana ireo hery telo tena mamaritra ny lalam-pisiana ireo ve ny tantara. Dia hoy aho malamy antsika manao hoe Tsia ! Satria raha hinonona amin'ny tantara fotsiny ihany isila dia harefo mandrakariva ny Finoana, inrdrindra ny faha tokisana, ary indrindra ny Fahatokisana. Ary izany indrindra aza no fositra mahabetsaka ireo very fanahy mbola velona satria, tsy feno ilay "Toko telo mahamasaka nandron'ny Rou'ah dia ny FITIAVANA, FANATENANA ary ny FINOANA.
- Nefa tsy misy hery hafa afaka manampy ny olona hatanteraka ny tena sitram-pon'ny Mpahary afa-tsy ireo hery (03) telo ireo irery ihany satria na :
- Ny 613 Mitsvoth (na ireo làlana 613) dia ireo no hijoroany
- Ny 10 Mitsvoth (na ireo làlana 10) dia ireo no hiorenany
- Ny fanetrentena, ireo no hiakinany
- Ny fiainana mandrakizay ireo no mifehy azy
Ary na dia ny fisian'ny Fiainana manotolo aza dia mbola ireo no nampisy, mapisy ary mbola hampisy azy. Koa raha tena manantena ny handova FIAINANA MANDRAKIZAY ary isika dia, ilaintsika ny mino izany sy ny fisiany aloha. Ary io Finoana io no mitarika antsika miandalana ao anatin'ny Fanantenana tsy voahozongozona (na ilay antsoina hoe : Antoka tsy misy fihorohoroana ao anaty). Mba hatanteraka sy afahan'ireo hery telo ireo, tena hitoetra ao anatintsika anefa - dia mila manaraka ambaratongany sy antana-tohatra ao anatin'ny fahalalana tsara isika. Satria -> Mifampiankina tanteraka no sady tsy tokony hisaraka, na ho sarahina manrakizay ireo raha tsy izany dia mandringa hatrany ny "Fanahintsika". Fantaro fa na ireo hery telo ireo ihany koa aza dia manana ny antana-tohany firafetany ao anatin'ny Fotoana. NY FITIAVANA mamaritra ny vanim-potoana) dia ny Fahagolan-tany, ka ho mandrakizay. NY FINOANA kosa indray dia mamaritra ny ankehitriny, ary ny farany dia ny FANANTENANA, ilay mamaritra ny ho avy rehetra.